21/04/2026
"Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy." — Romana 12:21 📖✨
Ny ratsy tokoa tsy mba kely lalana, fa ny kalitao sy ny fitiavana apetraka amin'ny asa kosa tsy hay kopiavana ! 😊
Mba ho fiarovana anareo mpanjifa malala sy hisorohana ny fisafotofotoana, manao izao fanazavana izao ny Les Délices de Mya. 📢
Tsy misy olana raha misy ny fitovian'ny karazana vokatra amidy, izay no atao hoe "concurrence". 🤝 FA ny fisandohana ho izahay sy ny fanaparitahana vaovao tsy marina kosa dia tsy ekena ! 🛑
Ahoana ary no hahafantaranao fa tena ao amin'ny Les Délices de Mya ianao ? 🤔
📍 Toerana tokana : Toerana iray ihany no misy anay, izay ahitana ny "Bâche" misy ny LOGO-nay ofisialy. 🚩
🏠 Trano : Trano miloko grena somary miditra kely fa tsy eny an-tsisin-dalana (miditra lalana pavé). 🛣️
🟤 Ny endriky ny fivarotana : VITRINE miloko MARRON (Hita eo amin'ny sary). 🖼️
🥐 Ny mampiavaka anay : Ny tsiro "fait maison" tsy manam-paharoa sy ny Pain Suisse (izay tsy hitanao any an-kafa !). 😋🥖
✨ Ny fandraisana : Toerana "cozy" sy milamina, natao hifalianareo sy hialanareo sasatra. ☕🛋️
Mankasitraka anareo hatrany amin'ny fahatokisana. 🙏❤️
Mirary herinandro feno fahombiazana ho antsika rehetra ! 🌈🌟