Amin’ny ankapobeny dia voahaja ny fepetra takiana amin’ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato. Tonga ara-potoana teny amin’ny biraom-pifidianana (BP) ny fitaovam-pifidianana.
Hitondra ny anjara birikiny ny Ivotoerana SAFIDY, mba hisian’ny fahatomombanana, ny mangarahara, ary ny fifidianana eken’ny rehetra amin’ ny fifidianana loholona ny 11 desambra 2020. Toy izao ny mandrafitra ny Ivotoerana (i) fanaraha-maso sy fampiakarana ireo antotanisa ataon’ireo 125 mpanara-maso ka 35,2% ny vehivavy, ary 54,3% ny tanora, amin’ny alalan’ny sms (ii) sampana miandraikitra ny fanamarinana sy ny fikirakirana » (centre de recoupement et de traitement) ahitana informatisiana sy mpikirakira antotanisa (iii) sampana mpanamora ny fifandraisana (centre de veille) ahafahana mandray fanapaha-kevitra haingana ahitana ny CENI, ny mpitandro ny filaminana, ny CNIDH1 any ny Ivotoerana SAFIDY. Ankoatr’ireo antotam-baovao voaray avy amin’ireo mpanara-maso, SAFIDY dia mitrandraka ihany koa ny vaovao voaray avy amin’ny olompirenena amin’ny alalan’ny laharana maintso2, izay maimaimpoana.
Amin’ity fifidianana ity, ny fanaraha-maso ataon’ny SAFIDY dia mandrakotra Distrika miisa 114 amin’ny Faritra 22. SAFIDY dia hanohy hatrany ny ezaka nataony mba hisian’ny fahombiazana eo amin’ny asa fanaraha-maso ny fifidianana.
Izao vokatry ny fanaraha-maso ny fanombohan’ny fifidianana izao dia azo teo anivon’ny birao fandatsaham-bato miisa 79, amin’ireo 114 BP eran’I Madagasikara.
Vokatra azo momba ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato
Ireto vokatra ireto no nivoitra tamin’ny fanarahamaso ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato :
-Teo anivon’ny 98,73% n’ireo birao fandatsaham-bato nanaovan’ny SAFIDY fanarahamaso dia voahaja ny fanaovana antsapaka ampahibemaso ny anaran’ireo mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato manao sonia ny biletà tokana.
-Teo amin’ny 94,94%n’ireo birao fandatsaham-bato nanaovan’ny SAFIDY fanarahamaso, dia voahaja ny ora fisokafan’ny birao tamin’ny 6 ora maraina. Ny fahatarana teo amin’ny fisokafan’ny BP (7.59%) voahara-maso dia noho ireto antony manaraka ireto:
· 2.53.%noho ny fahatarana, na tsy fahampian’ny fitaovana
· 7,59 %noho ny fahataran’ny fandaminana ny birao fandatsaham-bato nataon’ireo mpikambana,
-53.16% n’ny BP voahara-maso, nisy mpifidy vaventy nanatrika ny fisokafan’ny fandatsaham-bato
- 97.47 % n’ny BP voahara-maso, nisy mpanara-maso nanatrika ny fisokafan’ny fandatsaham-bato
- 89,87 % n’ny BP voahara-maso, nisy delegen’ireo kandidà nanatrika ny fisokafan’ny fandatsaham-bato
- 93,67% n’ny BP voahara-maso, nahitana mpikambana telo na mihoatra nanokatra ny BP
- 80,77 %n’ny BP voahara-maso nahitana vehivavy 2 farafahakeliny
- 64,94 %n’ny BP voahara-maso nahitana tanora 2 farafahakeliny
- 2,70 %n’ny mpikambana tao amin’ny BP voahara-maso no manana fahasembanana
- 100 %n’ny BP no naharay ny fitaovana ilaina amin’ny fifidianana tamin’ny ora fisokafan’ny BP
- Nilatsaka ny orana tamin’ny fotoana nisokafan’ny BP teo anivon’ny 26,58%n’ny distrika.
- Tao anatin’ny 3,80%n’ny distrika no nahitana fitaterana iombonana nitondra ny mpifidy vaventy
Hatramin’izao dia 07 ny fitarainana voaray avy amin’ny laharana maitso, izay noraisin’ny sampana mpanamora ny fifandraisana (centre de veille) an-tanana. Ny iray dia tsy fanarahana ny fombafombam-pifidianana araka ny lalàna manankery, ny enina ambiny dia mahakasika ny fikasana hanodikodina ny safidin’ny mpifidy vaventy.
Hisy fanambarana faharoa hatao anio amin’ny 4 ora sy sasany folakandro mikasika ny fizotran’ny fifidianana hatramin’ny 12 ora atoandro. Ankoatr’izay dia hisy ny tatitra voalohany mikasika ny fizotran’ny fifidianana ny talata 15 desambra 2020 amin’ny 11 ora maraina, eto amin’ny Ivotoerana eto Ambatonakanga.