Aminโny ankapobeny dia voahaja ny fepetra takiana aminโny fisokafanโny birao fandatsaham-bato. Tonga ara-potoana teny aminโny biraom-pifidianana (BP) ny fitaovam-pifidianana.
Hitondra ny anjara birikiny ny Ivotoerana SAFIDY, mba hisianโny fahatomombanana, ny mangarahara, ary ny fifidianana ekenโny rehetra aminโ ny fifidianana loholona ny 11 desambra 2020. Toy izao ny mandrafitra ny Ivotoerana (i) fanaraha-maso sy fampiakarana ireo antotanisa ataonโireo 125 mpanara-maso ka 35,2% ny vehivavy, ary 54,3% ny tanora, aminโny alalanโny sms (ii) sampana miandraikitra ny fanamarinana sy ny fikirakirana ยป (centre de recoupement et de traitement) ahitana informatisiana sy mpikirakira antotanisa (iii) sampana mpanamora ny fifandraisana (centre de veille) ahafahana mandray fanapaha-kevitra haingana ahitana ny CENI, ny mpitandro ny filaminana, ny CNIDH1 any ny Ivotoerana SAFIDY. Ankoatrโireo antotam-baovao voaray avy aminโireo mpanara-maso, SAFIDY dia mitrandraka ihany koa ny vaovao voaray avy aminโny olompirenena aminโny alalanโny laharana maintso2, izay maimaimpoana.
Aminโity fifidianana ity, ny fanaraha-maso ataonโny SAFIDY dia mandrakotra Distrika miisa 114 aminโny Faritra 22. SAFIDY dia hanohy hatrany ny ezaka nataony mba hisianโny fahombiazana eo aminโny asa fanaraha-maso ny fifidianana.
Izao vokatry ny fanaraha-maso ny fanombohanโny fifidianana izao dia azo teo anivonโny birao fandatsaham-bato miisa 79, aminโireo 114 BP eranโI Madagasikara.
Vokatra azo momba ny fisokafanโny birao fandatsaham-bato
Ireto vokatra ireto no nivoitra taminโny fanarahamaso ny fisokafanโny birao fandatsaham-bato :
-Teo anivonโny 98,73% nโireo birao fandatsaham-bato nanaovanโny SAFIDY fanarahamaso dia voahaja ny fanaovana antsapaka ampahibemaso ny anaranโireo mpikambana aminโny birao fandatsaham-bato manao sonia ny biletร tokana.
-Teo aminโny 94,94%nโireo birao fandatsaham-bato nanaovanโny SAFIDY fanarahamaso, dia voahaja ny ora fisokafanโny birao taminโny 6 ora maraina. Ny fahatarana teo aminโny fisokafanโny BP (7.59%) voahara-maso dia noho ireto antony manaraka ireto:
ยท 2.53.%noho ny fahatarana, na tsy fahampianโny fitaovana
ยท 7,59 %noho ny fahataranโny fandaminana ny birao fandatsaham-bato nataonโireo mpikambana,
-53.16% nโny BP voahara-maso, nisy mpifidy vaventy nanatrika ny fisokafanโny fandatsaham-bato
- 97.47 % nโny BP voahara-maso, nisy mpanara-maso nanatrika ny fisokafanโny fandatsaham-bato
- 89,87 % nโny BP voahara-maso, nisy delegenโireo kandidร nanatrika ny fisokafanโny fandatsaham-bato
- 93,67% nโny BP voahara-maso, nahitana mpikambana telo na mihoatra nanokatra ny BP
- 80,77 %nโny BP voahara-maso nahitana vehivavy 2 farafahakeliny
- 64,94 %nโny BP voahara-maso nahitana tanora 2 farafahakeliny
- 2,70 %nโny mpikambana tao aminโny BP voahara-maso no manana fahasembanana
- 100 %nโny BP no naharay ny fitaovana ilaina aminโny fifidianana taminโny ora fisokafanโny BP
- Nilatsaka ny orana taminโny fotoana nisokafanโny BP teo anivonโny 26,58%nโny distrika.
- Tao anatinโny 3,80%nโny distrika no nahitana fitaterana iombonana nitondra ny mpifidy vaventy
Hatraminโizao dia 07 ny fitarainana voaray avy aminโny laharana maitso, izay noraisinโny sampana mpanamora ny fifandraisana (centre de veille) an-tanana. Ny iray dia tsy fanarahana ny fombafombam-pifidianana araka ny lalร na manankery, ny enina ambiny dia mahakasika ny fikasana hanodikodina ny safidinโny mpifidy vaventy.
Hisy fanambarana faharoa hatao anio aminโny 4 ora sy sasany folakandro mikasika ny fizotranโny fifidianana hatraminโny 12 ora atoandro. Ankoatrโizay dia hisy ny tatitra voalohany mikasika ny fizotranโny fifidianana ny talata 15 desambra 2020 aminโny 11 ora maraina, eto aminโny Ivotoerana eto Ambatonakanga.