Association ASCED

Association ASCED Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Association ASCED, Nonprofit Organization, Antananarivo.

MAMIHASINA Hortensia dit Tatace, Vice Présidente Association ASCED Mampikony, mankalaza ny tsingeritaona nahaterahany an...
13/04/2022

MAMIHASINA Hortensia dit Tatace, Vice Présidente Association ASCED Mampikony, mankalaza ny tsingeritaona nahaterahany androany 13/04. Ny association ASCED dia Faly miarahaba sy mirary soa hoanao amin'izao andro manantantara hoanao izao. Vive notre solidarité, Vive l'ASCED, Vive Madagascar.
Joyeux anniversaire et Bonne fête 🙏.

🛑Raharaha ALANDRAFIA Andranomangatsiaka, Mampikony🛑🟢 Ankafaliana no ampahafantarany Association ASCED atsika rehetra fa ...
12/04/2022

🛑Raharaha ALANDRAFIA Andranomangatsiaka, Mampikony🛑
🟢 Ankafaliana no ampahafantarany Association ASCED atsika rehetra fa nivoaka anio Talata 12/04/2022 ny raharahampitsarana tao aminy Tribunal Mampikony, arak'izany dia nivoaka mpandresy ny fokonolona Andranomangatsiaka manoloana ny Alandrafia n'izy ireo saika horavainy olona iray nampihorohoro azy ireo.
Mankasitraka ny fahaleovantenany Fitsarana ao Mampikony ny mpikambana rehetra ato anivony fikambanana ASCED Mampikony ary manantena fiaraha mientana amintsika jiaby mba hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny ary ny firaisankina ato anivony District.
Vonona hatrany ny fikambanana hijoro manoloana ny tanjona sy ny fotokevitra eo aminy dia ny:
👉Fiandrianampirenena (Souverainistes)
👉Fiarovana ny kolotsaina sy soatoavina ary ny fombandrazana Malagasy (Conservateurs)
👉Fikajiana ny tontolo iainana (Environnementalistes)
👉Ary ny ady aminy tsy rariny, tsindry hazolena, kolikoly, fanararaotampahefana.

Misy olona miseho ho mahitahita mikasa handrava ity alandrafiampokon'olona ity ao aminy fokontany Andranomangatsiaka Dis...
08/04/2022

Misy olona miseho ho mahitahita mikasa handrava ity alandrafiampokon'olona ity ao aminy fokontany Andranomangatsiaka District Mampikony. Raha naheno ny fandalovany Filoha National ny Association ASCED Atoa Luciano JAHITA tao Mampikony ireo fokon'olona ao anivony fokontany Andranomangatsiaka izay notarihiny Président Fokontanin'izy ireo dia tonga nanantona azy nitaraina fa misy olona milaza ho mahitahita mikasa handrava io alandrafia io izay alandrafiampokon'olona hatramin'izay ka hatramin'izao. Efa tonga ao anivony fitsarana moa ny raharaha nefa manahy mafy ireto fokon'olona ireto sao ho resy araky ny fahitandry zareo ny zava-misy, maro moa ny zavatra notantarain'izy ireo tamin'izany mahakasika ny ahiahin'izy ireo. Noho izany dia hijoro hagnampy ireto fokon'olona ireto ny Association ASCED satria tafiditra tsara ao anatiny tanjony fikambanana ny fiarovana ny tontolo iainana aminy alalany famerenana io alandrafia io ho tantanany fokon'ologno indrindra ny ady aminy tsindry hazolena, ny kolikoly, ny ramatahora, ny tsy rariny ary ny fanararaotampahefana mianjady aminy vahoaka ato anivony District Mampikony. Marihina fa io alandrafia io no fivelomany mponina amin'io fokontany io satria avy ao no azahoan'izy ireo rano fisotro, rano avy ao ihany koa no manondraka ny tanimbar'izy ireo ka raha sanatria ka azon'io olona milaza azy ho mahitahita ao aminy fitsarana io ilay alandrafia dia hovonoiny ireo rafia havadiny ho tanimbary. Mbola tsy niforona akory ny tananany Mampikony arakiny voalazan'izy ireo dia efa teo io alandrafia io ary noho izy io mamokatra rano mangatsiatsiaka no nahatonga ilay anarany fokontany ho Andranomangatsiaka. Noho ilay raharaha efa eo anivony fitsarana dia matoky tanteraka ny fahendrena sy fahaleovantenany Fitsarana ao Mampikony izahay mba ho voatsara arakany tokony hoizy sy ho voavaha haingana ny olana ary mba tsy hitarany raharaha satria mitebiteby mafy ireto fokon'olona ireto. Narosony Filoha National nodinihina nandritrany fivoriany fikambanana tao Mampikony moa ny raharaha ka vonona ny fikambanana ASCED (Association des Souverainistes Conservateurs et Environnementalistes pour le Développement) hanampy ireo vahoaka hitaky ny famerenana io alandrafia io ho tatanin'izy ireo.

13/03/2022Niroso aminy famelomamaso (redynamisation) ny Fikambanana ASCED na (Association des Souverainistes Conservateu...
06/04/2022

13/03/2022
Niroso aminy famelomamaso (redynamisation) ny Fikambanana ASCED na (Association des Souverainistes Conservateurs et Environnementalistes pour le Développement) tao anivony District Mampikony izay tontonsa soamantsara ny Alahady 13/03/2022 ny fivoriana. Aminy maha Filoha mpanorina ny Fikambanana Atoa Luciano JAHITA dia nanotrona azy ireo izy ary nametrapetraka ny tanjona sy ny mission ny fikambanana izay mifototra aminy fitiavantanindrazana sy fampandrosoana miainga avy any ifotony, ny fandalana ny kolotsaina sy soatoavina maha Malagasy, ny fombandrazana ary ny fitiavana sy fiarovana ny tontolo iainana. Nivoitra sy tapaka taminy fivoriana ny hijoroany fikambanana manomboka eto hiteny hiaro ny tsy ara-dalana, tsy rariny, ny tsindry hazolena, ny fanararaotampahefana misy ato anivony District Mampikony, mipetraka ho "balise". Resy lahatra ny rehetra ny hamerenana indray ny festival DIAMPANJAVA eto aminy District Mampikony mba hampafantarana aminy rehetra ny harena ato anivony District sy faritra SOFIA na ara-toekarena, kolotsaina, fambolena sns... Miantso ireo izay mitovy fomba fijery, afaka hiaraka sy resy lahatra ny fikambanana mba ho tonga hanatevindaharana .

11/02/2022

Ny GIDRO MALAGASY ( Maki, Lémurien,…) no tena mampalaza an’i Madagasikara eran’izao tontolo izao.

Tena mahasarika mpizahantany maro ny gidrontsika. Io no tena mampiavaka antsika @ firenena hafa.

Mba fantatrao ve fa volabe no lanian’ireny touristes ireny raha hijery gidro aty amintsika?

Ny malagasy nefa mandany vola handeha any Dubai fa ny vahiny kosa mandany volabe handeha hijery gidro aty amintsika.

Ny tena marina dia tsy mitovy ny priorité ( laharampahamehana) aty @ tany mahantra sy any @ tany manankarena.

Mpizahantany anankiray avy any Londres na Australie izao mandany eo ho eo @ 6000 GBP eo ( 27 tapitrisa ) raha hitsidika sy hijery gidro eto Madagasikara.

Mandany volabe izy satria aminy dia important ny mijery gidro tsy fahita eran’izao tontolo izao fa eto Madagasikara irery ihany.

Ny gasy tsy manome lanja ny harena misy ao aminy ( zava-manan’aina sy zava-maniry) fa matetika ny vahiny dia tena mitsiriritra be ireo harena-voajanahary eto ireo.

Mila mianatra mitia sy mankasitraka izay misy eto amintsika isika, ao anatin’ny fitiava-tanindrazana tanteraka izany.

Raha tsy saro-piaro sy tia ny tanindrazanao ianao dia tsy handroso izany.

Vony

05/02/2022
25/01/2022

VAKIO ary ZARAO

"Ny namadika an i Madagadikara ka nahalavo antsika teo antrehan ny Frantsay"

Izy no antsoina hoe , malagasy izy ary anisan ireo tanan'ankavanan ny Mpanjaka vavy Ranavalona III.
Anisan ny namadika ny fitokisan ny mpanjaka izy satria nanoro ireo fomba rehetra entina handavona ny malagasy sy ny paik'ady rehetra.

Ireto avy ny santionan ireo tambiny nampanantenain ny Frantsay azy:

- mizaka ny zom-pirenena frantsay ( sy ny vady aman-janany)
- vola
- tany any Frantsa ary trano ( mbola tsy ita ilay trano ankehitriny fa raha araka ny fanazavana dia ao amin ny faritr i Paris 14eme)
- nisy ireo miss na vehivavy tsara indrindra avy any Algerie ka nomena azy manokana ka ampiasainy amin izay tiany rehetra.
-...

Tsy maitsy nanota fady nefa izy mba hanatanterahana izany tahakan ireo nanaovana ny fady rehetra teny amin ny Rova sy ny toerana maro samy hafa.
Novonoiny ny Mpanandro izay nahay tamin izany fotoana izany satria nanozona azy sy ny taranany.

Nampitahotra ny Mpanjaka vavy ihany koa ny tenany satria efa maro ireo vatan-dehilahy no nomeny tambiny mba hamadika ny fitokisan ny Mpanjaka.
Raha tsiahivina dia nanandanja tamin ny malagasy ny resaka hoe tamin izany fotoana izany.

Ity tantara ity dia notsoahina tao anaty boky Frantsay iray : Le chemin vers la perte" izay nosaratana miaramila frantsay iray ka nofoanan ny Fanjakana Frantsay tsy hiparitaka mihitsy ny fisiany kanefa ita tany ihany ny boky iray izay dika mitovy.

Loharano: Conference Culturelle Franco-Alger 2001

24/01/2022

Le Malabary 🇲🇬

✅Le Malabary est une tenue Malgache portée par les hommes au quotidien ou lors d’événements traditionnels.

✅C’est une tenue traditionnelle encore très appréciée de nos jours et souvent revisitée par des stylistes cependant beaucoup ne connaissent pas son origine.

✅Le Malabary est une tenue d’origine Indienne qui s’appelle Kurta introduite à Madagascar vers les années 1800 suite à l’arrivée massive des travailleurs indiens dans les pays de l’océan indien notamment sur l’île Maurice et sur l’île de la Réunion mais aussi sur l'île de Madagascar.

✅Ces indiens venaient principalement du sud-ouest de la péninsule indienne appelé la côte de Malabar d’où leur appellation « Les Malabars » par les colons Français.

✅Cette appellation a été reprise par les Malgaches pour désigner le kurta qu’ils ont très vite adopté et qui est devenu le Malabary qu’on connait tous aujourd’hui.

🇬🇧 : The Malabary is an outfit worn by men for every day life or for more traditional occasions. This traditional outfit is still greatly appreciated to this day and is often revisited by designers; however, few are aware of its origins.
The Malabary is originally an Indian outfit called "kurta" ; it was introduced to Madagascar in the 1800's as a result of a mass immigration of Indian workers to the islands of the Indian ocean, notably Mauritius and Reunion Island but also to our island of Madagascar.
The Indians came mainly from the southeast portion of the Indian peninsula called the Malabar coast, which led to them being nicknamed "the Malabars" by French colonists. This title was then used by the Malagasy to refer to the kurta (or sherwani) which they eagerly adopted as one of their own outfits, and which became the Malabary we are all familiar with today.



✍Amir J

22/01/2022
22/01/2022

M/S Mananjary, sambon'ny SMTM tamin'izany fotoana, malagasy avokoa ny équipages 🇲🇬🛳️

Sary: Kiady Rak.

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261325926977

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association ASCED posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Association ASCED:

Share