Associazione Interculturale Mondo Gondwana

Associazione Interculturale Mondo Gondwana L'Associazione è nata al fine di promuovere la convivenza pacifica tra le diverse culture. Organizz

29/11/2024
VAOVAO MAHAFALY! 🙂 HANOMBOKA NY FIANARANA TENY ALLEMAND🇩🇪 SY ITALIEN🇮🇹 . TONGAVA MARO! 😍
28/11/2024

VAOVAO MAHAFALY! 🙂 HANOMBOKA NY FIANARANA TENY ALLEMAND🇩🇪 SY ITALIEN🇮🇹 .
TONGAVA MARO! 😍

19/06/2024

NY FAHALEOVANTENA HOE
(Tononkalon'i RADO na Georges Andriamanantena , mpanoratra malagasy 1923 - 2008

Ny Fahaleovantena dia tsy natao mihitsy
Hoenti-kahasambatra fiainan’olom-bitsy.
Fa Fahaleovantena tsy manam-piangarana
Hampigoka mamy ny isam-baravarana

Ny Fahaleovantena : tsy trosa tsy miato
Iandrandrana vola avy any Dilambato
Fa ezaky ny tena mitohy tsy mety lanaka
Tsy haharaiki-trosa ny hoavin’ny taranaka

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezan-dasy
Ny tenin’ny vahiny hasolo teny gasy
Fa Fahaleovantena derain’ilay mitazana
Hanandratra ambony ilay fitenindrazana

Ny Fahaleovantena : tsy haitraitran-javona,
Ka iambonian-tena rakofana avonavona.
Fa fanetrena tena hitovy amin’ny hafa
Miaraka misaina, miaraka mitafa

Ny Fahaleovantena : tsy endrika sodokan’
Ny fiheveran-tena ho mahavita tokana
Fa hevitry ny maro mitapatapak’ahitra
Ny hoavim-pirenena hitera-boninahitra

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezam-bahana
Ny hevitra-vahiny hanjaka an-kalalahana
Fa Fahaleovantena mivimbina hamiratana
Hanaja ny an’ny tena ho any avara-patana

Ny Fahaleovantena : tsy fitadiavan-tehaka
Na horaka mandainga mba hampidehadehaka
Fa Fahaleovantena tsy andokafan-tena
Fa fantatra eny ihany izay tia ny firenena

Ny Fahaleovantena : tsy hoe ianao mitsako,
Fa ny vahoaka kosa mitrongy anaty fako
Fa Fahaleovantena ahitana toky
Ka ny maroanisa no sambatra sy voky.

Ny Fahaleovantena : tsy vola fafy katrana
Hividianana olona ho sandam-pisandratana
Fa Fahaleovantena mitana fahamarinana
Hitaiza ny vahoaka tsy ho any am-pivarinana

Ny Fahaleovantena : tsy laza vadi-bainga
Am-pielezam-peo, kanefa tranon-dainga
Fa Fahaleovantena milaza ny ao an-tranony
Tsy misy laingalainga na mila ranondranony

Izany ka izany no Fahaleovantena
Niadian’ny razantsika sy namonoany tena,
Nidirany tam-ponja, niaretan-tsesitany,
Namoizany ny hareny, namoizany ny rany

Anefa raha tsy izany no Fahaleovantena
Iainantsika etoana, fa toa fitiavan-tena
Sahia ka mijoroa hiady ho an’ny marina
Mandra-pahatratra ny tanjona hotratrarina.

Address

Antananarivo
102

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Associazione Interculturale Mondo Gondwana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Associazione Interculturale Mondo Gondwana:

Share