KTLM FLM 67HA

KTLM FLM 67HA Kristiana Tanora Loterana Malagasy / Flm 67ha

Fiadanana !Ho famaranana ny Isan-taona ny SPANTA dia misy ny Chorallie iarahan-tsika KTLM SPANTA rehetra ny Alahady 30 A...
20/08/2026

Fiadanana !
Ho famaranana ny Isan-taona ny SPANTA
dia misy ny Chorallie iarahan-tsika KTLM SPANTA rehetra
ny Alahady 30 Aogositra,manomboka maraina.
Manantena ny fahatongavan-tsika KTLM rehetra 🙏

03/08/2026
01/08/2026

Amin'ny Finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no hampandrenesanay Choeur d'hommes Andry FLM 67Ha anareo fa ny Filohanay EUGÈNE PATRICK PATRICIO dia nantsoin'i Jesosy hiampita ho any amin'ny fiainana Mandrakizay 🕊🕊🤍
Mirary fiononana Feno ho an'ny Fiankaviana manontolo , indrindra ho an'ny vady aman-janany
Jesosy izay Tompon'ny fampionona anie , hampionona anareo Tompoko
" Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany. "
Jeremia 29 : 11
MANDRIA AM-MPIADANANA PRESIDENT MALALANAY 🕊🤍

13/07/2026
NY TIATsy handatsa anao ny tia,Tsy hamela anao ho irery,Tsy ireo mpijerijery mahita anao tomany,Mpanarina raha lavo,Mani...
13/07/2026

NY TIA

Tsy handatsa anao ny tia,
Tsy hamela anao ho irery,
Tsy ireo mpijerijery mahita anao tomany,
Mpanarina raha lavo,
Maniry anao ho avo,
Manoro lala-marina hizoranao hatrany,
Tsy hamono anao ny tia,
Tsy hiteny ratsy anao,
Tsy handevilevy akory raha diso izay safidy
Fa izy ilay mitsiky,
Fa izy mpampahery,
Fa izy ilay mijery izay hahasoa anao

Tsy tiany ianao tomany,
Tsy tiany ianao mijaly
Tsy avelany hisento fa mamparary ny ainy...
Ianao no ilay lalainy,
Ianao ilay tena maminy,
Ianao ilay tena am-pony mameno ny eritreriny...
Ny tia dia tena miaro,
Ny tia dia saropiaro,
Ny tia manafosafo fa tsy mikasi-tanana...
Ny tia tia fihavanana
Ka tsy azonao sakanana
Hanontany anao izay tianao mba hataony...
Hanefy fahasambarana...

Fa izay fahita anefa,
Ny tia tsy tojo tia
Ny tiana tsy mba tia,
Dia tia tsy tiana anefa mivadika ho doria
Dia lasa samy tia...
Ka miaina ilay "NY TIA"
Mifankatia tokoa,
Mifankahazo am-po!
Dia lasa tia sy tia!
Angaha tsy mahagaga...

12/07/2026

👉 AMF3 and FRIENDS ny thême concert'nay androany tena hoe tanteraka taminay io androany , tena nahatsapa izahay fa tsy irery fa tena manana namana maro ❤️ mpiara-manompo, mpiara-mitory, ary indrindra mpiara-midera ao amin'ny Kristy Jesosy.
Misaotra Azy izahay fa nomena namana maro 🥰 ary misaotra anareo namana rehetra tena hoe FIRIENDS be mihitsy nareo rehetra 🙏

12/07/2026

Address

67ha
Antananarivo

Telephone

+261344057491

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when KTLM FLM 67HA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share