11/10/2025
HAFATRA HO AN'NY TANORA
Ry tanora ô, izao no ora hifohazana
Mitsangàna vonjeo ny firenena
He jereo izy izao,
Miha simba sy lao
He jereo fa miandry antsika hanavao.
Fa misy kolikoly sy fisarahana ao
Misy aizi-tsaina mandrekireky koa
Mahantra dia mahantra ny Malagasy maro
Vonjeonao malaky, vonjeo sao tara izao.
Fa Jéhovah Andriamanitsika e
No Andriamanitra avo indrindra
Izy no miteny izao
Izy no maniraka anao
Andriamanitra avo indrindra e
Ilay Jesosy Andriamanitsika
Izy no miteny izao
Izy no maniraka anao
A.C : Past LAHIVELO J.Donné
Mpihira : Chorale FANASINA