FMTA-Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky Ofisialy

Directions Website

FMTA-Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky Ofisialy Fiangonana protestanta Malagasy tsy miankina voalohany, niforona ny taona 1894.

22/10/2026

Anjara Loharano Velona ho antsika anio :
Alakamisy 22 Oktobra 2026
Galatiana 3 : 10 - 18
"Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe:
Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna (Deoteronomia 27 : 26). Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra ; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Habakoka 2 : 4). (* Na: ny marina ho velon'ny finoana) Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Levitikosy 18 : 5). Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe :
Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deoteronomia 21 : 23), mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesoa, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny
Fanahy. Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena* ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany. (* Na: didim-pananana) Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe:
Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an'ny taranakao (Genesisy 22 : 18), dia Kristy izany. Ary izao no lazaiko:
Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana. Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy. Amen "

20/10/2026

Anjara Loharano Velona ho antsika anio :
Talata 20 oktobra 2026
Isaia 26 : 1 - 10
"Amin'izany andro izany dia hohiraina eto amin'ny tanin'ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren'i Jehovah ho manda sy fiarovana. Vohay ny vavahady, mba hidiran'ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana. Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay. Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin'ny tany ka azerany ho amin'ny vovoka. Hitsahin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian'ny mahantra. Voaravona ny lalan'ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan'ny marina. Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah o, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin'ny fanahinay. Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao. Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan'i Jehovah. Amen "

Finaritra ry malalan'ny Tompo!Fetin'ny taranaka sy zanak'AntranobirikyNy Alahady 08, 15, 22 novambra 2026 manomboka amin...
18/10/2026

Finaritra ry malalan'ny Tompo!

Fetin'ny taranaka sy zanak'Antranobiriky

Ny Alahady 08, 15, 22 novambra 2026 manomboka amin'ny 09 ora maraina ny fotoana.

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!

Finaritra ry malalan'ny Tompo !
Fiadanan'ny Tompo ho aminao !

Tonga indray ny fetin'ny Taranaka sy Zanak'Antranobiriky taona 2026.
Izany dia hotanterahana ny Alahady 08-15-22 Novambra ho avy izao.

Efa mipetraka eo amin'ny fafana ao am-piangonana ny anaran'ny taranaka sy ny fotoana hijoroan'ny taranaka tsirairay avy; koa manentana antsika hijery izany.

Afaka raisintsika ao amin'ny Biraon'ny secrétariat ny taratasy fanentanana milaza ny andinindininy sy izay tsara ho fantatra mahakasika izany manomboka rahampitso Alahady sy amin'ny andavanandro ihany koa.

Ny fetin'ny taranaka dia faranana amin'ny fihaonam-be sady fitsangatsanganan'ny taranaka ny Sabotsy 28 novambra 2026. Holazaina manaraka eto ihany ny toerana hanatanterahana izany.

Entano ny taranaka ho tonga maro.

Ho an'Andriamanitra ny voninahitra !

Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy sy hanambara ny asanao lehibe.
— Salamo 145 : 4

18/10/2026

Anjara Loharano Velona ho antsika anio :
Alahady 18 oktobra 2026
Matio 5 : 17 - 20
"Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra. Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. Amen "

17/10/2026

Anjara Loharano Velona ho antsika anio :
Sabotsy 17 Oktobra 2026
Hebreo 10 : 5 - 9
"Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao,
Fa tena no namboarinao ho Ahy; Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao; Dia hoy Izaho:
Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao,
Andriamanitra o". (Salamo 40 : 6 - 8).Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao", dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. Amen "

15/10/2026

Anjara Loharano Velona ho antsika anio :
Alakamisy 15 Oktobra 2026
I Petera 2 : 18 - 25
"Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa. Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra. Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany?
Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra. Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; "Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" (Isaia 53 : 9) raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny* ho amin'ny Mpitsara marina; (* Na: ny tenany) ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isaia 53 : 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isaia 53 : 5). Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isaia 53 : 6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina* ny fanahinareo. (* Grika:
Episkopo) Amen "

"FEO TOKANA, HERY IRAY"Antsan-kira niarahana tamin'ireo antoko mpihira vitsivitsy teto amin’ny FMTA, santatra amin'ny ez...
14/10/2026

"FEO TOKANA, HERY IRAY"
Antsan-kira niarahana tamin'ireo antoko mpihira vitsivitsy teto amin’ny FMTA, santatra amin'ny ezaka Radio FMTA.

Ho an'Andriamanitra ny voninahitra !

Isaorantsika an'Andriamanitra fa tontosa soamantsara ny Alarobia 07 Octobre 2026 ny fotoana izay:-Nanokafana tamin'ny fo...
14/10/2026

Isaorantsika an'Andriamanitra fa tontosa soamantsara ny Alarobia 07 Octobre 2026 ny fotoana izay:
-Nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fivoriana Isan'Enimbolana (I6B),
-Namoahana ireo Mpiandry andiany Mpandresy,izay miisa 57 miandahy,
-Narahina asa sy fampaherezana,
-Ary nofaranana tamin'ny fiarahana misakafo,

samy ahatsiaro ambavaka ny Misiona FMTA hatrany isika, sy ireo Mpiandry ireo mba ahefa be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo.

Hon'Andriamanitra irery ny voninahitra!

(Famintinana an-tsary)

Ny fampianarana faha-3 tao anatin'ny I6B natao ny Sabotsy teo, niarahana tamin'ny Mpitandrina Faly RAVOAHANGY, avy ao am...
14/10/2026

Ny fampianarana faha-3 tao anatin'ny I6B natao ny Sabotsy teo, niarahana tamin'ny Mpitandrina Faly RAVOAHANGY, avy ao amin'ny Madagascar 3M, nitondrany ny Lohahevitra hoe: "Ny fiangonana miatrika ny fampianan-diso".

I- Ny fiangonana dia manambara ny fahamarinana avy amin'ny fandresen-dahatra sy amim-paharetana.

II- Ny fiangonana dia miaro ny fahamarinana amin'ny alalan'ny fanafihana sy fiarovana.
Atao am-pahasahiana sy am-pahamoram-panahy izany (tsy masiaka).
Arovana ny fahamarinana satria misy ny amboadia izay misintona ny olona tsy hanaraka an'i Kristy. Misy ny mpampianatra sandoka izay mampiditra fisalasalana ao an-tsain'ny olona ny amin'ny tenin'Andriamanitra sy ny toetran'Andriamanitra.

III- Ny fiangonana dia miaina ny fahamarinana.
Ny fiainana ny tenin'Andriamanitra dia atao maharitra. Tsy maharitra fotsiny fa miaraka amin'ny kalitao.
Ny voa no hamantarana ny hazo, ary ny tena voa dia maharitra sy tsara kalitao.

Taorian'ny fampianarana dia nisy ny fizarana Baiboly (Bible d'étude de la foi réformée), fanomezana avy amin'ny Madagascar 3M. Nisitraka izany ireo Mpitandrina, Mpitoriteny, Katekista, mpianatra ao amin'ny SEMILA, ireo mpiomana ho Mpitandrina ao amin'ny Sekolin'ny Mpaminany.

Ho an'Andriamanitra ny voninahitra !

14/10/2026

Anjara Loharano Velona ho antsika anio :
Alarobia 14 Oktobra 2026
Levitikosy 5 : 20 - 26
"Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin'i Jehovah, fa mandainga amin'ny namany ny amin'izay nampitehirizina azy, na amin'ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin'izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany, na nahita izay zavatra very ka mandainga amin'izany sady mianian-tsy to ny amin'izay mety ho fahotan'ny olona, satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin'ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany, na izay rehetra nianianany tsy to; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin'ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany. Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an'i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony. Amen "

Address

Lot VB 48 Ambatonakanga Làlana Ratsimilaho
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FMTA-Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share