11/08/2026
"Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Ianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Ianao."
— Salamo 66 : 12
Fotoan-dehibe ny teny amin'ny fiangonana FMTA Talata Volonondry an'i Kristy sarotra afoy ny Alahady 09 aogositra 2026 teo.
- Famaranana ny recyclage pastorale taona 2026.
- Famaranana ny zaikabe ny Sampana Fikambanan-dehilahy FMTA.
- Fankalazana ny Jobily faha 25 taona naha-mpitandrina an'i RANDRIANARY Roberto Thierry mivady, fandraisan-tanana azy ireo ary ny faha-5 taona ny fiaraha-miasa teo amin'izy ireo sy ny FMTA Talata Volonondry an'i Kristy sarotra afoy.
Nitondra ny hafatra ny Mpitandrina RAVELOMANANTSOA Lovatahiry Herinjato, Filohan'ny Misiona FMTA.
Salamo 66, 12
Ampandalovin'Andriamanitra fahasarotana isika indraindray mba ho fanefena antsika. Mampianatra antsika ny atao hoe "faharetana" izany.
Ny hoe "rano sy afo" na dia zavatra roa mifanohitra aza dia samy mahafaty. Midika izany fa misy ady maro samihafa mety lalovantsika.
Na inona na inona anefa endrika fitsapana diavinao dia tsy misy maharava ny drafitr'Andriamanitra, dia ny ho tonga amin'ny fitahiana mahatretrika.
Ataon'Andriamanitra izany mba ho tsapatsika ny lanjan'ny fitondranan'Andriamanitra sy ny fitahiany.
Tsy miova Andriamanitra. Izay efa nataony taminareo dia mbola ho ataony amin'ny taranakareo mifandimby amin'ny ho avy.
Mitondra mamaky afo sy rano Andriamanitra, fa indraindray isika no mampidi-kizo ny tenantsika, fa tsarovy fa tsy miova ny famindram-pon'Andriamanitra amintsika. Mañana fahefana Izy hanala antsika amin'ny toetra tsy mendrika rehetra.
Matio 26, 6-13
Nanamarina ny fihetsik'ilay vehivavy Jesosy, izay nanosotra menaka manitra sarobidy ny tongony.
Hafatra ho an'ny Mpitandrina: Ny fitahiana mahatretrika azonao dia mitondra anao hanolotra fanompoana mahatretrika koa ho amin'ny fitoriana ny filazantsara.
Fointsika ve izay tsara indrindra avy amintsika? Tahaka ny nataon-dravehivavy.
Rom. 12, 1, "... Atolory ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra..."
Ny fahafoizana nataon'i Kristy ho antsika, Izy nanolotranny tenany hamonjy antsika. Rom. 5, 8
Asa. 9, 36-43
Miresaka ny amin'i Tabita na Dorkasy, vehivavy mpianatra voalohany fantatra tamin'ny fanaovana asa soa.
Rehefa maty Tabita dia natsangan'i Petera tamin'ny maty.
Nasehon'Andriamanitra fa tsy nijanona teo amin'ny fahafatesan'i Tabita ny fitahiana mahatretrika teo aminy.
Tabita nitondra fitahiana mahatretrika ho an'ny manodidina sy ho an'ny ho avy rehetra.
FEHINY:
Aza miala amin'ny Tompo na misy aza ny fahasarotana lalovana.
Miorena tsara, aza miova.
Rehefa tonga ny Tompo handray ny Azy, hosatrohana satroboninahitra ianao.
Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo moa ny fotoana izay nanasan'ny fiangonana sy ny Mpitandrina mianakavy ireo rehetra nanatrika ny fotoana.
Ho an'Andriamanitra ny voninahitra!