04/08/2026
Olona "ara-nofo" sa olona "ara-panahy"?
1️⃣ Ny olona "ARA-NOFO" dia mametraka ny OLANA eo am-povoany, manelanelana azy sy Andriamanitra.
❓Nanontany an'i Jesoa ny mpanora-dalàna sy ireo Fariseo: "Ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga 😰 ... fa ahoana kosa hoy Ianao ?" Jaona 8 : 4 - 5
🤔 Nanontany ny mpianatr'i Jesoa:
"Iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?"
Jaona 9 : 3
2️⃣ Ny olona "ARA-PANAHY" dia mametraka an'Jesoa Kristy ilay VAHAOLANA eo am-povoany 🤲, manelanelana azy sy ilay olana .
Hoy Jesoa tamin'ilay vehivavy tratra nijangajanga: "Izaho koa dia tsy manameloka anao 🥹; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony." Jaona 8 : 11
Jesoa namaly hoe: "Tsy io lehilahy (teraka jamba) io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy." 🤩 Jaona 9 : 2
Raiso ho Mpamonjinao manokana i Jesoa Kristy ✝️, ataovy eo afovoan'ny fiainanao sy ny fomba fijerinao Izy 😎.
📖 "Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo."
Galatiana 5 : 16