28/11/2025
✊🏻NDREMISARA....NDREMANDRESYQ....NDREAVOLA✊🏻.
🫱🏻🫱🏻Samy zanak'i Ampagninto be NDREMANDAZOALA izy telo ireo.
Ampatsiahivina foana isika fa misy eo am 14 ny zanak'i ampagninto be io fa ireo telo voalaza ambony ireo no tafiditra anaty tantara sady vady voalohany ny renin'izy ireo.
🫱🏻🫱🏻Betsaka ny olona ankehitriny tsy mahazo fahalalana diso momba ireo olona ireo fa indrindra mikasika an'i Ndremisara sy ny tena tantara marina mikasika ny foko SAKALAVA.
🫱🏻🫱🏻Tsy marina ny filazan'ireo olona ao Mahajanga fa ao am zareo no nipoirany foko sakalava,
🫱🏻🫱🏻Mbola tsy marina ihany koa ny filazan'ireo olona ao mahajanga fa avy ao belo tsiribihiny no nipoirany sakalava.
🫱🏻🫱🏻Ary ny tena loza tsy fampiseho masoandro lazain'ireo olona avy ao majunga dia ny filazan'izy ireo fa misitrika milevina ao boina ny vata-be ny Ndremisara.
Ary mbola loza lazain'izy ireo dia ny filazana fa zanak'i Ndremisara I Ndrenihanigna(ndredahifoty).
🫱🏻🫱🏻Ny fototra ny ny foibe niatombohany foko sakalava dia am faritra antsimo dia ao BENGY sy MIARY.
Ary ao I bengy io no misitrika(milevina)ny taolam-balon'izy telo mianadahy voalaza ery ambony ireo.
Dikan'izany hazomangany sakalava io tanana anakiroa io.
🫱🏻🫱🏻I bengy sy Miary dia tanana masina ary mbola be ny fady voatandrina ao,ary na ireo olona milaza azy ho tena hoe tompony sakalava ao boina Mahajanga ao reo tsy mbola sahy na nanitraka ireo tanana ireo.
🫱🏻🫱🏻Ary aza mampitovy ny fanjaka sakalava antimo sy avaratra mihintsy satria zavatra roa tsy mitovy io fanjakana ireo.
Ny Antony dia ny fanjakana sakalava antsimo dia ray be ary ny fanjakana sakalava avaratra(boina) dia zafiny sakalava avy antsimo.
🫱🏻🫱🏻 Aok'izao ny filaza fa ianareo ao boina mahajanga no tompony sy foibe ny fanjakana ary nimpoirina sakalava🫵🏻🫵🏻🫵🏻.
🫱🏻🫱🏻Ampy koa ny filazanareo fa I Ndremisara dia nitondra fanjakana,tsia tsy nitondra izy fa nomeny an'i ndremandresy ny fitondrana ny fanjakana ary nanampy sy nanolotsaina am maha ambiasa azy.