Kolontsaina sy ireo fomba fanao malagasy

Kolontsaina sy ireo fomba fanao malagasy Fizarana sy fifanampiana ary fifanabeazana

✊🏻NDREMISARA....NDREMANDRESYQ....NDREAVOLA✊🏻.🫱🏻🫱🏻Samy zanak'i Ampagninto be NDREMANDAZOALA izy telo ireo.Ampatsiahivina ...
28/11/2025

✊🏻NDREMISARA....NDREMANDRESYQ....NDREAVOLA✊🏻.

🫱🏻🫱🏻Samy zanak'i Ampagninto be NDREMANDAZOALA izy telo ireo.
Ampatsiahivina foana isika fa misy eo am 14 ny zanak'i ampagninto be io fa ireo telo voalaza ambony ireo no tafiditra anaty tantara sady vady voalohany ny renin'izy ireo.

🫱🏻🫱🏻Betsaka ny olona ankehitriny tsy mahazo fahalalana diso momba ireo olona ireo fa indrindra mikasika an'i Ndremisara sy ny tena tantara marina mikasika ny foko SAKALAVA.

🫱🏻🫱🏻Tsy marina ny filazan'ireo olona ao Mahajanga fa ao am zareo no nipoirany foko sakalava,

🫱🏻🫱🏻Mbola tsy marina ihany koa ny filazan'ireo olona ao mahajanga fa avy ao belo tsiribihiny no nipoirany sakalava.

🫱🏻🫱🏻Ary ny tena loza tsy fampiseho masoandro lazain'ireo olona avy ao majunga dia ny filazan'izy ireo fa misitrika milevina ao boina ny vata-be ny Ndremisara.

Ary mbola loza lazain'izy ireo dia ny filazana fa zanak'i Ndremisara I Ndrenihanigna(ndredahifoty).

🫱🏻🫱🏻Ny fototra ny ny foibe niatombohany foko sakalava dia am faritra antsimo dia ao BENGY sy MIARY.
Ary ao I bengy io no misitrika(milevina)ny taolam-balon'izy telo mianadahy voalaza ery ambony ireo.
Dikan'izany hazomangany sakalava io tanana anakiroa io.

🫱🏻🫱🏻I bengy sy Miary dia tanana masina ary mbola be ny fady voatandrina ao,ary na ireo olona milaza azy ho tena hoe tompony sakalava ao boina Mahajanga ao reo tsy mbola sahy na nanitraka ireo tanana ireo.

🫱🏻🫱🏻Ary aza mampitovy ny fanjaka sakalava antimo sy avaratra mihintsy satria zavatra roa tsy mitovy io fanjakana ireo.
Ny Antony dia ny fanjakana sakalava antsimo dia ray be ary ny fanjakana sakalava avaratra(boina) dia zafiny sakalava avy antsimo.

🫱🏻🫱🏻 Aok'izao ny filaza fa ianareo ao boina mahajanga no tompony sy foibe ny fanjakana ary nimpoirina sakalava🫵🏻🫵🏻🫵🏻.

🫱🏻🫱🏻Ampy koa ny filazanareo fa I Ndremisara dia nitondra fanjakana,tsia tsy nitondra izy fa nomeny an'i ndremandresy ny fitondrana ny fanjakana ary nanampy sy nanolotsaina am maha ambiasa azy.

MISTERIN NY CHUTE DE LA LILLY Nisy vazaha nipetraka hono tao tamin'ny colonisation.Nanan-janaka mianadahy ireo vazaha ir...
28/11/2025

MISTERIN NY CHUTE DE LA LILLY

Nisy vazaha nipetraka hono tao tamin'ny colonisation.
Nanan-janaka mianadahy ireo vazaha ireo dia teo amin lay trano lasa Bar eo akaikin'ny wc io zareo no nipetraka
Robin sy Lilly no anaran'izy mianadahy.
Milalao rano no tena fialambolin'izy mianadahy.
Indray Andro avy nianatra zareo dia nandeha nilalao rano teo am lay barrage io,natelin'ny rano i Lilly dia tsy hita ny fatiny hatramin'zao.
Nangataka ireo vazaha hoe mba atao chute de Lilly ny anan'io toerana io nanomboka tamin'ny izay, raha Antafofombe kosa no anarany Téo aloha.
Marihina fa teo aloha hono io rano io dia fady kisoa,alcool,valiny(Étranger) satria toerana nasiaka vazimba

06/10/2025

27°) 16 avril 2014 à 14 janvier 2015 : KOLO Roger
👉 28°) 14 janvier 2015 à 10 avril 2016 : RAVELONARIVO Jean
👉 29°) 10 avril 2016 à 6 juin 2018 : SOLONANDRASANA Mahafaly Olivier
👉 30°) 6 juin 2018 à nos jours : NTSAY Christian

06/10/2025

©®FANTARO FA

👉 PRAIMINISITRA 30 NO NIFANDIMBY TETO MADAGASIKARA MANDRAKA ANKEHITRINY.
(Lahatsoratr'i Ny Aina Andrianaly)

📜 faha-mpanjaka FANJAKANA MERINA (1817-1897)

👉 1°)1828 à 1833 : ANDRIAMIHAJA
👉 2°)1833 à 1852 : RAINIHARO
👉 3°)10 février 1852 à 14 juillet 1864 : RAINIVONINAHITRINIONY
👉 4°) 14 juillet 1864 à 14 octobre 1895 : RAINILAIARIVONY
👉 5°) 1895 à 1896 :RAINITSIMBAZAFY
👉 6°)1896 à 1897 : RASANJY

📗 faha FANJAKANA FANJANAHANTANY (1897 à 1958)

👉7°)1897 à 1905 : JOSEPH Gallieni (Gouverneur Général)
👉 8°) 27 Mai 1957 à 14 octobre 1958 : TSIRANANA PHILBERT (vice-président du conseil exécutif)

📙 FANJAKANA REPOBILIKA Voalohany ( 1958 à 1975)

👉 9°) 18 mai 1972 à 5 février 1975 : Gabriel RAMANTSOA (nametra-pialana)

📘 FANJAKANA REPOBILIKA faha II (1976 à 1992)

👉 10° )11 janvier 1976 à 30 juillet 1976 : Joël RAKOTOMALALA
👉 11°) 12 Août 1976 à 01 août 1977: RAKOTONIAINA Justin
👉 12°) 1er août 1977 à 12 février 1988 :RAKOTOARIJAONINA Désiré
👉 13°) 12 février 1988 à 8 août 1991: RAMAHATRA Victor
👉 14°) 8 Août 1991 à 19 août 1992 : RAZANAMASY Guy

📘 FANJAKANA REPOBILIKA faha III (1992 à 2009)

👉 -) 19 août 1992 à 10 août 1993: RAZANAMASY Guy
👉 15°) 10 Août 1993 à 30 octobre 1995 : RAVONY Francisque
👉 16°) 30 octobre 1995 à 5 juin 1996 : RAKOTOVAHINY Emmanuel
👉 17°) 5 juin 1996 à 21 février 1997 : RATSIRAHONANA Norbert Lala
👉 18°) 21 février 1997 à 23 juillet 1998 : RAKOTOMAVO Pascal
👉 19°) 23 juillet 1998 à 26 février 2002 : ANDRIANARIVO Tantely
👉 20°) 26 février 2002 à 20 janvier 2007 : JACQUES Sylla
👉 21°) 20 janvier 2007 à 17 mars 2009: RABEMANANJARA Charles
👉 22°) 17 mars 2009 à 10 octobre 2009 : MONJA Roindefo
👉 23°) 10 octobre 2009 à 18 décembre 2009 : MANGALAZA Eugène
👉 24°) 18 décembre 2009 à 20 décembre 2009 : MANOROHANTA Cécile

📗 FANJAKANA REPOBILIKA faha IV

👉 25°) 20 décembre 2009 à 2 novembre 2011 : Albert-Camille VITAL
👉 26°) 2 novembre 2011 à 16 avril 2014 : Jean Omer BERIZIKY
👉 27°) 16 avri

     Ny tanànan'ny Printsy Ramboasalama tetsy Amparibe (1864)Ny Misionera anglisy no nanofa io tanàna io tamin'ireo Mpan...
05/10/2025


Ny tanànan'ny Printsy Ramboasalama tetsy Amparibe (1864)
Ny Misionera anglisy no nanofa io tanàna io tamin'ireo Mpandova an-dRamboasalama nandritra ny taona maromaro. Novidian-dRanavalona II tamin-dRatasilahy zana-dRamboasalama ny anjaran'ity farany teo Amparibe tato aoriana.
Miezaka mitady sy maminavina aho eto hoe aiza ho aiza eo Amparibe ankehitriny no nisy ity toerana ity. Toa teo amin'ny Toeran'ny Kôlejy Masina Misely mihitsy no fahitako azy, sa mety ho aiza no fahitantsika azy?

30/09/2025

Ny 30 septembre 1895 t@ 3 Ora sy sasany tolak'andro no nanangana saina fotsy ny Fanjakana Malagasy(Merina hoy ny sasany) rehefa tsy nahatohitra intsony ny tifitra tafondro avy eny ankatso sy ambohidempona nataon'ny Tafika Frantsay ka nahazo an'i Manjakamiadana.
Razanakombana sy Ratelifera no solotenam-panjakana nitondra ny saina fotsy nanantona ny Jeneraly Duschene,Marc Rabibisoa no nandika teny.
Ny Mpanjaka nitafy lamba fisaonana sady nigogogogo tao amin'ny lapa Tsarahafatra,Ny praiministra very hevitra satria nahatsiaro tena ho voafitaky ny Anglisy.
Nisavoritaka ny ambany Lanitra,nitsoaka sy nanavotra aina.
Nambara tamin'ny Fomba ofisialy t@ 4 Ora hariva fa tapitra ny ady ary voadidina miaramila senegaly sy Frantsay i Manjakamiadana.
Isan'ireo Tantara nangidy indrindra amin'ny Tantaran'i Madagasikara io daty io sy ity sary ity.
Nb:Ny Fanjakana FOIBE taty Antananarivo no nanangana saina fotsiny fa ireo Fanjakana hafa mbola nanohy niady t@ Frantsay toy ny Sakalavan'i Menabe,Ny tany Atsimo(Androy).

24/08/2025

INDRO NY TANTARA SY NY ANARAN`IREO OLONA NOTIFIRINA TAO ANATIN`NY WAGON DE MORAMANGA ny alatsinainy faha-5 may 1947 sy ny alakamisy faha-8 may 1947:162 IZY IREO FA NISY 1 VELONA KA 161 NO NAMOY NY AINY ``
(Lahatsoratra nalaina tao amin`ny Pejin`ny Direction des Archives Nationales - Madagascar sy ny lahatsoratr`i Jean-Luce Randriamihoatra)

« Tao amin’ny faritanin’Ambatondrazaka, ny tompon’andraikitra tao amin’ny MDRM, ny avara-pianarana rehetra : dokotera, mpampianatra sns… dia samy noraofina tany an-tranony avokoa ary dia nodorana ny tranony sy ny fananan’izy ireny. Maro tamin’izy ireny no novonoina tsy aman’antsy. Ny sasany kosa nafatratra tao anaty wagons fitondrana biby ( akoho amam-borona …) izay nidina tsy azo novahaina ny varavarana.
Nandritra ny hateloana dia nihiboka taoa amin’izany wagons izany ireo olona nosamborina ireo ary tsy nisotro na nanendry hanina na kely akory aza.
Tonga tany Moramanga ihany ry zareo. Raha vao tonga anefa izy ireo dia indreny ny bala niraradraraka toy ny vari-masaka nitsena ny wagons ary tsy nijanona izany raha tsy tapitra maty ireo olona rehetra nivoaka avy tao anatin’ilay wagon. »
An-jatony ireo nohidiana tanaty WAGON, tao Moramanga, ary dia norarafana tifitra an-jambany avy ety ivelany, ...
.. roa andro mihantaona :
• Ny alatsinainy, faha-5 may 1947
• Ny alakamisy, faha-8 may 1947
Indreto ny anaran'ny sasany amin'izy ireo,
voahangon'ny Fikambanana "Fifanampiana Malagasy" :
TAO AMBANDRIKA :
- RAFARALAHY François
- RANAIVO
- RARONDRO Bechard
TAO AMBATONDRAZAKA :
- RADANIELINA, Dokotera
- RAFARALAHY Vincent
- RAKOTOARINETSA Jemson
- RAKOTOMAZAVA
- RAKOTONANAHARY
- RAKOTONIRAINY Célestin
- RAKOTONIRAINY Emile
- RAMANANKOHAJAINA
- RAMISELY (Michel)
- RANDRIAMANGANORO Daniel
- RASAMOELA
- RASOLOFO Ernest
TAO AMBOHIJANAHARY :
- RAFATRO
- RAINIKOTOARIMANANA
TAO AMBOHIMENA :
- RAOELINA
TAO AMBOHIPENO :
- RANDERA Robert
- RANDRIAMAHAREFY
TAO AMBOHITRIASANA :
- RAKOTOMANGA Fandray
TAO AMBOHITSILAOZANA :
- RAFARALAHINDRIANA

MPANJAKA NY MADAGASIKARAIzy no mpanjaka Issa TSIMIARO IIIizay mpanjaka ny foko Antankarana sady mpanjaka ny Madagasikara...
22/08/2025

MPANJAKA NY MADAGASIKARA
Izy no mpanjaka Issa TSIMIARO III
izay mpanjaka ny foko Antankarana sady mpanjaka ny Madagasikara.

"NY KOLONELY RATSIMANDRAVA SY NY MOMBA AZY METY MBOLA TSY FANTATRAO."***MANAMBONINAHITRA TAO AMIN'NY TAFIKA IZAY VAO MAN...
16/07/2025

"NY KOLONELY RATSIMANDRAVA SY NY MOMBA AZY METY MBOLA TSY FANTATRAO."
***MANAMBONINAHITRA TAO AMIN'NY TAFIKA IZAY VAO MANAMBONINAHITRA TAO AMIN'NY ZANDARY.

-10 octobre 1956:Sous-lieutnant niofana tao amin'ny Ecole d'application de l'infanterie de Saint Maxient France.
-Decembre 1956-Octobre 1958:Niatrika ady tany Maroc sy Algerie.
-1 mars 1958:Nifindra tany amin'ny Infaterie Coloniale
-17 aout 1958:Nahavita ny fiofanana tao amin'ny Ecole d'application de l'infaterie de Saint Maxient France.
-1 octobre 1958:Nasondrotra ho Lieutnant
-5 janvier 1959:Mpampianatra tao amin'ny Centre d'instruction des nouvelles recrues tao amin'ny Camp Galliéni tany Fréjus France.
-14 jolay 1959:Porte-drapeau
-27 octobre 1959 izy no niverina teto Madagasikara ary voatendry hiasa tao amin'ny 12 eme bataillon de l'infanterie de la marine tao Fianaratsoa.
-11 jona 1960:voatendry ho mpifehy holafitra faharoa ,1er regiment interarmes Antananarivo Madagasikara.
Taorian'ny nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantena ny taona 1960 dia voatendry ho manamboninahitra tao amin'ny tafika an-tanety izy hatramin'ny taona 1962.Voatendry ho Kapiteny izy ny 1 fevrier 1962.
-13 mai 1963:Niofana indray tao amin'ny Ecole de Gendarmerie tany Melun izy.
-1 octobre 1963:Niofana tao amin'ny Sekoly manamboninahitra ho zandary tao Melun(France).
-Jona 1964:Nahazo certificat en sciences criminologiques tao Paris.
-18 juillet 1964:Niverina indray teto Madagasikara ary izy no manamboninahitra zandary Malagasy voalohany.
-Taorian'io,ary dia lasa komandy lefitry ny zandarmaria Malagasy izy tamin'ny 1aogositra 1967.
-1jona 1968:Nasondrotra ho Lieutnant Colonel.
-1 avril 1969:Notoloran'ny Filoha Philbert Tsiranana ny fanevan'ny komandy ambony ao amin'ny Zandarmaria.
Hitohy rahampitso amin'ny resaka MONIMA 1971 sy izy nolazaina fa nikomy raha tsy nety nitifitra mpianatra t@ mai 1972 ny lahatsoratra.

Sary :Ny Colonel Richard Ratsimandrava sy Ramatoa Razafindramoizina Thérèse izay niteraka 5 vavy.

𝘼𝙈𝙋𝘼𝙎𝘼𝙈𝘼𝙉𝘼𝙏𝙊𝙉𝙂𝙊𝙏𝙍𝘼Tanana 11km ao andrefan'i Miarinarivo(Itasy),eo amin'ny arabe mankany Tsiroanomadidy.Ny anarana hoe AM...
15/07/2025

𝘼𝙈𝙋𝘼𝙎𝘼𝙈𝘼𝙉𝘼𝙏𝙊𝙉𝙂𝙊𝙏𝙍𝘼
Tanana 11km ao andrefan'i Miarinarivo(Itasy),eo amin'ny arabe mankany Tsiroanomadidy.
Ny anarana hoe AMPASAMANATONGOTRA dia avy amin'ilay fasana eo afovoan-tanana;izay vato fisaka lehibe,mitaingina eo ambonin'ny tongo-bato valo,izay nasiana fasana eo amboniny.
-Nisy olona mirahalahy nonina tao amin'io toerana io.-Ilay zokiny dia mpanefoefo tokoa nefa tsy niteraka;ilay zandriny kosa dia niteraka valo,efa-dahy sy efa-bavy,nefa nahantra,tsy mba nisy nanana omby akory.
Maty taloha ilay mpanankarena ka namonoana omby be dia be natao lofo sy namokisana ny vahoaka,naseho sy nilanonana andro maromaro.Nony nahita izato firoborobon'ny vahoaka tamin'ny nandevenana ny rahalahin-drainy mpanankarena izy valo mianadahy,dia velon'eritreritra izy ny amin'izay mba hataony ho fanajana ny rainy sy ny reniny rehefa ho tonga koa ny andro ahafatesan'izy ireo.-Izao no nifanarahan'izy valo mianadahy:Ny ray aman-drenin-tsika dia tsy mba manana omby maro hilofoana sy hamahanam-bahoaka toy izao;efa laniny namelomana antsika izay rehetra azony;isika no ombiny an-kijana,volany mipetraka;isika koa anefa ity tsy manan-katao.Ny tenan-tsika no andeha hijoro hiloloha ny taolambalon'Ikaky sy Ineny mandrakizay,mba ho hitan'ny taranaka mifandimby any aoriana any fa ny zanaka tia ray aman-dreny dia mahasolo sy mihoatra lavitra ny harena be aza.Hanorina vato lava iray avy isika ho solon-tenantsika valo mianadahy,hasian-tsika vato fisaka lehibe hololohavin'ireo,ary eo ambonin'izany no hanaovan-tsika ny fasan'Ikaky sy Ineny.
Notanterahin'ireo tokoa izany,ka vitany fony fahavelon-drainy sy reniny aza, ary nony maty ireo dia naleviny teo.
Nihoraka ny ambanilanitra nahita ny hevitra sy fitiavan'izy valo mianadahy.Ny vovoky ny tenan'ilay mpanankarem-be dia mifangaroharo amin'ny vovo-tany ao anaty fasany,fa ny azy mivady maro anaka kosa dia mihaja sy mierinerina ao AMPASAMANATONGOTRA.
Firaketana.

🇲🇬 TANTARAN ´ i Madagasikara           Ny momba ny HOVAMizara foko maro ny HOVA teto ankibon'Imerina ka ireto avy izany:...
21/05/2025

🇲🇬 TANTARAN ´ i Madagasikara
Ny momba ny HOVA

Mizara foko maro ny HOVA teto ankibon'Imerina ka ireto avy izany:

-NY TSIMAHAFOTSY : eny Ambohimanga sy ny manodidina hatrany @ sisintanin'ny Antehiroka no misy azy. Taranzk'Andriana nihetry ireo ka lasa hova.

-TSIMIAMBOHOLAHY- eny Ilafy sy ny atsinanan'Avaradrano no misy azy. Analamahitsy, Ambohitrarahaba, Ambatobe, Ikianja, Ambohimangakely, hatrany Nandihizana.

-MANDIAVATO - ireto dia ireo hova eny Ambohidrabiby sy ny manodidina ka hatrany Ambohibao atsimo.

-ZAFIMBAZAHA - ireo taranak´Andriambazaha ao Dilambato Zafimbazaha. Maro be ny Zafimbazaha ary hatrany Betsileo de feno azy. Ny eto Imerina dia ao Tsiafahy, Dilambato, Ankadinandriana, Andramasina, Alatsinainy Bakaro, Alatsinainy Ambazaha, ary ny Faritr'i Vakinankaratra.

-ZANAMIHOATRA- ireo hova ao Ambohitraina, Andoharanofotsy, Iavoloha, Amboanjobe, Ankadivoribe, Soalandy.

-TALASORA- taranak'ireo hova teo Alasora tsy nafindran'Andrianampoinimerina teny Ambohimanga.

NY HOVA VAKINANKARATRA

Taranak’ireo hova Zafimbazaha Sy Talasora nanaraka ireo andriana nanorina ny Fanjakana ANDRATSAY.

13/05/2025

🇬👉NY 13 MAI 1972 TSIAHY IREO DATY MANAN-TANTARA

Ilay tolona noheverina fa NAMPANDROSO LAVITRA KOKOA AN'I MADAGASIKARA

12 Mey 1972 : Nisamborana ireo mpianatra izay nivory teny Ankatso, nanomana ny fihaonambe hatao ny 13 Mey izay iarahana amin’ny ray aman-dreny sy ny sendika.Niteraka fahasorenana ho an’ireo namany izany ka nandeha nirohitra teo amin’ny Araben’ny Fahaleovan-tena izy ireo ny ampitson’io.
Ny alin’ny 12 Mey 1972 no nisamborana ireo mpianatra izay nivory teny Ankatso.tokony ho tany amin’ny 01 ora maraina dia efa voahodidina FRS ny toerana nisy azy ireo ka avy dia nibosesika niditra izy ireo ary nisambotra . Nisy tamin’ireo voasambotra no nentina mivantana tany Nosilava, nisy kosa ireo nalefa tany Arivonimamo. Ankoatra ireo mpianatra dia nisy koa ireo olon-dehibe nosamborina toa an’ny dokotera Rakotomalala Manan’Ignace, dokotera Rasamoelina Lala,….

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Kolontsaina sy ireo fomba fanao malagasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share