UPAR Madagascar

UPAR Madagascar Comité de soutien à Andry Nirina Rajoelina #3

Notontosaina androany faha 8 Janoary 2024 ny fanambarana nataon’ireo olom-boafidy (loholona sy solombavambahoaka) sy ant...
08/01/2025

Notontosaina androany faha 8 Janoary 2024 ny fanambarana nataon’ireo olom-boafidy (loholona sy solombavambahoaka) sy antoko politika ary ireo fikambanana samihafa miaradia amin’ny Filoha Andry Rajoelina.

Manoloana ny toedraharam-pirenena ankihitriny dia nanamarika ny antoko fa mbola ao anatin’ny fanarenana hatrany isika ankehitriny, ary tsy takona afenina kosa ny ezaka natao mba tsy hisian’ny fandanindaniam-bolam-panjakana tsy voahevitra, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, ny fanavaozana nentina mikasika ny tsenam-barom-panjakana, ny fifehezana ny fitantanam-bolam-panjakana mba tsy ho tantely afa-drakotra, sy ny maro tsy voatanisa.

« Ekena fa tena mbola ao anaty fahasahiranana tanteraka ny firenentsika, kanefa kosa dia tsy azo odian-tsy hita ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana hanamaivanana izany, ary manamafy izany ireo tarehimarika navoakan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny tahirimbola iraisam-pirenena ireo », hoy hatrany ny vondrona.

Ireto avy ireo vondron’Antoko politika manohana ny Filoham-pirenena izay nanao ny fanambarana androany :

• ADN
• AKFM
• AKFM FANAVAOZANA
• AVANA
• AVI
• FREEDOM
• GFFM
• HIARAKA ISIKA
• LIARAIKE
• MAITSO
• MDM
• RPSD
• TGV
• Groupe parlementaire GPRI
• Groupe parlementaire UPAD
• Ny Fireneko
• M.A.F (AVOKO)
• Ny Sénateur sy ireo Député rehetra manohana ny Filoham-pirenena
• Ary ireo mpikambana avy amin’ny antoko LEADER FANILO

Address

ViVa Arena Ivandry
Antananarivo
00101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when UPAR Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share