23/10/2026
📌📌📌 Fanambarana momba ny fanombanana ny asan'ny mpitantana ambony
➡️ Araka ny zava-misy hita eny ifotony, ireto olona manaraka ireto dia TSY MENDRIKA intsony ny maha tompon'andraikitra ambony azy eto amin'ny firenena, noho ny tsy fanatanterahany ny andraikitra nankinin’ny vahoaka taminy :
1. Minisitry ny Harena an-kibon'ny Tany :
Tsy mahavita mifehy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny minisitra, ka isan'ny mahatonga ny fivoahan'ny harena sarobidin'i Madagasikara an-tsokosoko izany.
2. Minisitry ny Fanavaozana :
Tsy misy tanjona mazava na vokatra hita maso momba ny "Concertation Nationale" sy ny fironana mankany amin'ny fanovana ny rafitra.
3. Ministeran'ny Jono :
Mbola manjaka ny mpanarato an-tsokosoko ary tsy misy fivoarana eo amin'ny sehatry ny jono eo an-toerana.
4. Minisitry ny Fifandraisan-davitra :
Tsy mbola voafehy ny opérateur téléphonique eto an-toerana. Manao izay tsy hahatsiaro tena amin'ny fahazoana tombony izy ireo, anisan'izany ny fanalàna "crédits" tsy ara-dalàna sy ny sisa. Mbola lafo ihany koa ny vidin'ny tolotra rehetra, na ny antso, na ny message, na ny Internet, ka tsy takatry ny ankamaroan'ny vahoaka.
5. Minisitra misahana ny Fampianarana eto Madagasikara (telo ny mpitantana ):
Tsy misy ny programan’asa entina manatsara tokoa ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara , ary vao mainka manabadoka ny ankizy ny fampianarana atao eto Madagasikara. Efa tara an-taonany maro ity sehatra ity , ary mbola tsy ao amin'ny laharana ny fotodrafitrasa mikasika ny fampianarana. Kanefa ity sehatra ity no antokin’ny ho avy ny Madagasikara .
6. Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka :
Tsy misy fanarahana akaiky ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara, ary tsy misy fivoarana hita. Tsy ho an'ny madinika ny tolotra, indrindra eny anivon'ireo hopitaly lehibe. Efa tena simba ihany koa ny fotodrafitrasa, ary tsy misy fanarahana akaiky ny fanarenana azy.
7. Minisitry ny asa-panjakana sy ny fampananan'asa :
Tsy voafehy ny sehatry ny asa eto Madagasikara ary tsy ampy ny asa. Na ireo orinasa misy aza dia fanandevozana no tena mitranga fa tsy asa mendrika. Eny amin'ny ministera maro samy hafa, kolikoly no ahazoana asa.
8. Minisitry ny Fitsarana :
Natao hiaro ny madinika amin'ny tsy rariny ny fitsarana, nefa tsy izany ny zava-misy: kolikoly lehibe no mitrandraka eo. Tsy manao afa-tsy ny mijery ny minisitra. Ampiasaina hanenjehana ireo olona tsy tiany erakin'ny tanàna ny fitsarana, ka mitovy amin'ny valifaty politika. Tsy misy vita izay andraikitra nankinin'ny mpitolona taminy, ka tsy mbola vita:
ny fisamborana an'i Kolonely, mpamono olona Tojo;
ny fisamborana ireo zandary nanao herisetra lehibe tamin'ny tolona 2025;
ny fanenjehana ireo mpambotry ny firenena sady mpangalatra be teto an-tanàna (Rajoelina, Ntsay, Naina Randriantsitoniaina, Lalatiana Rakotondrazafy, ...).
Fanilihana andraikitra no mbola tsapa hatreto. Tsara ihany koa ny mampahatsiahy fa ny fanjakana Maorisianina (nampian'ny mpanao politika Malagasy matanjaka iray) no nanidy an'i Ravatomanga, fa tsy ny Ministeran'ny Fitsarana Malagasy velively ary raha mbola teto izy iny dia azo antoka fa efa tafaporitsaka tany ivelany ka nanohy indray ny asa ratsiny .
9. Minisitry ny Angovo :
Mbola manjaka ny delestazy manerana an'i Madagasikara. Tsy misy fandraisana andraikitra avy amin'ity ministera ity. Ny Filoha no tsy maintsy miditra an-tsehatra vao misy fivoarana kely azo tsapain-tanana.
10. Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :
Tsy misy fanomezan-danja intsony ny kolontsaina Malagasy, ary tsy karakaraina ireo vakoka misy. Ny Filohan'ny Fanavaozana no lasa manao ny asan'ny ministera .
11. Minisitry ny Fananan-tany sy ny Fanajariana ny Tany :
Mbola mirongatra ny kolikoly eo amin'ny sehatry ny fananan-tany sy ny fanajariana ny tany. Maro ireo toerana tsy azo anotofana no mbola feno mpanototra. Ny Filohan'ny Fanavaozana indray no lasa manao ny asany amin'ny fanatrantrarana ireo mpanototra tany tsy ara-dalàna manerana ny tanàna. Eo ihany koa ireo tanin'olona nobodoin'ny vahiny be vola, mbola feno eny rehetra eny, ary mitaraina ny madinika.
⚠️ Fehiny ⚠️
Ny andraikitra ambony dia mitaky vokatra azo refesina, fahamarinana ary fanompoana ny vahoaka. Ary ny tsy fisian'ireo amin’ireo tompon’andraikitra ambony dia mitarika amin’ny fanalana amin'ny toerana tazoniny ireo tompon’andraikitra ambony ireo .