01/08/2026
👨👧💉 Miralenta ny fiarovana ny fahasalaman'ny zaza!
Faly izahay mizara ity sary mahafinaritra ity. Eto amin'ny Fokontany Pisopiso, CSB Ankazoabo, Distrikan'i Ankazoa bo, faritra andrefana dia raim-pianakaviana indray no nitondra ny zanany hanao vaksiny.
Manaporofo izany fa andraikitry ny ray sy ny reny miaraka ny fiarovana ny fahasalaman'ny zanaka. Rehefa miara-misalahy ny ray aman-dreny dia mora kokoa ny miantoka fa mahazo ny vaksiny rehetra ilainy ny zaza.
👏 Mankasitraka ireo ray aman-dreny rehetra mandray anjara mavitrika amin'ny fiarovana ny fahasalaman'ny zanany.
💉 Ataovy ara-potoana ny vaksinin'ny zaza, fa ny vaksiny no miaro azy amin'ireo aretina maro azo sorohina.
---
👨👧💉 La santé des enfants est l'affaire de toute la famille !
À Pisopiso, au CSB d'Ankazoabo, c'est cette fois un père de famille qui a accompagné son enfant pour la vaccination.
Ce geste montre que la protection de la santé des enfants est une responsabilité partagée entre le père et la mère. Lorsque les deux parents s'impliquent, les enfants ont davantage de chances de recevoir leurs vaccins à temps et de grandir en bonne santé.
👏 Merci à tous les parents qui s'engagent activement pour la santé de leurs enfants.
💉 La vaccination protège les enfants contre plusieurs maladies évitables. Pensons à faire vacciner nos enfants selon le calendrier vaccinal.
ASOS SUD TOLIARA
ASOS AMBOVOMBE-ANDROY
ASOS ATSINANANA
ASOS Madagascar 2
Asos Vakinankaratra
Direction de la Promotion de la Santé
Direction du Programme Elargi de Vaccination Msanp-Madagascar.
DRSP Atsimo Andrefana