Ny Tanintsika

Ny Tanintsika Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ny Tanintsika, Community Organization, Antananarivo.

Une organisation non gouvernementale malagasy qui oeuvre pour la promotion du developpement integre dans le mileu rural et qui soutient des efforts pour la conservation de la biodiversite a Madagascar

🌿🐢05 jona : Andro manerantany ho an' ny tontolo iainana 🌳🪸Mandritra ity fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny tonto...
05/06/2026

🌿🐢05 jona : Andro manerantany ho an' ny tontolo iainana 🌳🪸
Mandritra ity fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny tontolo iainana ity dia mifantoka indrindra amin'ny fiovaovan'ny toetrandro ny lohahevitra.
🛑Efa maro ireo fambara alefan'ny tany mikasika ny vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro fa anjaratsika ny mandray ny andraikitra dieny izao.
👉Ary ianao, inona no anjara biriky entinao ho an'ny tontolo iainana?

Recrutement: Spécialiste en Foresterie et Conservation: https://drive.google.com/file/d/1F45J0BKOVFqv_iehZbsp0Kr6E8Finyb...
05/06/2026

Recrutement:

Spécialiste en Foresterie et Conservation: https://drive.google.com/file/d/1F45J0BKOVFqv_iehZbsp0Kr6E8Finyba/view?usp=share_link

School Feeding Manager – Chargé de suivi de Performance (SFM-CSP): https://drive.google.com/file/d/1fzga3uJCShpYk3wvLhH2GYpcjAy3VbAa/view?usp=share_link

School Feeding Manager – Chargé de Renforcement de Capacité (SFM-CRC): https://drive.google.com/file/d/13MsDEmqHOVVDNrP7GchEMjp4uAMS3Ibl/view?usp=share_link

Les candidats intéressés sont invités à envoyer : une lettre de motivation manuscrite avec prétentions salariales, un CV, les photocopies des diplômes, les attestations d’expérience, les références et les contacts.
Email : [email protected]
• Dépôt physique : Bureaux de l’ONG Ny Tanintsika, Villa Soamanampy, près du bureau du Fokontany Ambalavato.
• Date limite de candidature : Mardi 15 juin 2026 à 17h.

Dispositions éthiques et de sauvegarde

Feedback Madagascar / Ny Tanintsika applique une politique de tolérance zéro en matière de fraude, de corruption, d’exploitation, d’abus et de harcèlement. Tout candidat recruté devra respecter strictement les politiques de safeguarding de l’Organisation.

Seuls les candidats présélectionnés seront contactés pour un entretien.

Zarazarao sao mahasoa ny hafa
04/06/2026

Zarazarao sao mahasoa ny hafa

🌿🐢🌳𝟮𝟮 𝗺𝗮𝘆 : 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗮𝗿𝗮𝘇𝗮𝗻𝗷𝗮𝘃𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗶𝗻𝗮   🌿☘️🌴  “𝘚𝘢𝘩𝘪𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘵𝘴𝘰𝘢 ...
22/05/2026

🌿🐢🌳𝟮𝟮 𝗺𝗮𝘆 : 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗮𝗿𝗮𝘇𝗮𝗻𝗷𝗮𝘃𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗶𝗻𝗮 🌿☘️🌴
“𝘚𝘢𝘩𝘪𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘵𝘴𝘰𝘢 𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢”
🌳🐠🦔Ny karazanjavamananaina no antoky ny fahavelomantsika zanak’olombelona. Ny sakafo, ny rano, ny akora fototra ilaintsika andavanandro, ny fanafody ho an’ny fahasalamantsika, ny firoboroboan’ny toekarena, ny kolontsaina dia miankina aminy avokoa.
Mampalahelo anefa fa ny zavatra ataotsika olombelona ihany no mitarika ny fahasimban'izy ireo. Ny fahatsapana ny zava-miseho manodidina antsika dia efa fandraisana andraikitra sahady amin'ny fiarovana ireo karazanjavamananaina.
Amin’izao andro anamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazanjavamananaina” izao, ary andao hiara-hientana isika hanamafy ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary !
🌱Ary ianao, inona ny fihetsika handraisanao anjara ho an'ny karazajavamananaina ?


Mbola kely ihany koa anie ny ankizy dia efa afaka beazina ho tia sy hiaro ny tontolo iainana e!Antony iray hisian'ny tet...
20/05/2026

Mbola kely ihany koa anie ny ankizy dia efa afaka beazina ho tia sy hiaro ny tontolo iainana e!
Antony iray hisian'ny tetikasa SAP (School Agroecology Project) ny hanabeazana ny ankizy mahakasika ny tontolo iainana. Ao amin'ny EPP Ankarinomby, EPP Itsangamahalaza ary EPP Sahamaina izay misy ity tetikasa ity dia misy ny tanin-janakazo mba ahafahana mamokatra zana-kazo izay karakarain'ny mpianatra, mba handraisan'izy ireo anjara amin'ny fampitsiriana hazo mba hampitombo ny velaran'ny ala.
Izy ireo ihany koa no mikarakara sy miaro ny toerana ahambolena ny hazo mba ho azo anota ny fitsiriany.
Mba hamporisihana azy ireo dia misy ny fifaninanana eo amin'ireo sekoly ireo amin'ny famaritana ny fahombiazan'ny fampitsiriana hazo. Ny tanjona goavana? Ny hahavoavoly hazo 4 000 fototra isan-taona ny sekoly tsirairay!

Même dès leur plus jeune âge, les enfants peuvent déjà être éduqués à aimer et à protéger l'environnement !
C'est tout le sens du projet SAP (School Agroecology Project), qui vise à sensibiliser et éduquer les enfants à l'environnement. Au sein des EPP Ankarinomby, EPP Itsangamahalaza et EPP Sahamaina, où ce projet est implanté, des pépinières ont été mises en place afin de produire des jeunes plants. Ces derniers sont entretenus par les élèves eux-mêmes, leur permettant ainsi de participer activement au reboisement pour accroître la couverture forestière.
Ce sont également eux qui s'occupent de l'entretien et de la protection des sites de plantation, afin de garantir un bon taux de reprise et de croissance des arbres.
Une compétition est d'ailleurs lancée entre ces écoles sur la production de jeunes plants et la réussite des reboisements. L'objectif fixé est de parvenir à planter 4 000 arbres par école par an.

Sao mahaliana anao!
30/04/2026

Sao mahaliana anao!

25 aprily: 🦟 ANDRO MANERANTANY IADIANA  AMIN’NY TAZOMOKA🦟  "HOFOANANTSIKA NY TAZOMOKA. VITANTSIKA IZANY, MIARA MIENTANA ...
25/04/2026

25 aprily: 🦟 ANDRO MANERANTANY IADIANA AMIN’NY TAZOMOKA🦟

"HOFOANANTSIKA NY TAZOMOKA. VITANTSIKA IZANY, MIARA MIENTANA DIENY IZAO"

Mihoatra noho ny tanjona ara-pahasalamana ny famongorana ny tazomoka: fametrahana antoka ho an'ny hoavintsika izany. Izao no fotoana handraisana andraikitra. Miaraka isika, dia hanangana firenena salama sy mafy o***a, tsy misy tazomoka.

🇲🇬Malagasy tsy ho fatin’ny tazomoka no Tanjona.

Olana nianjady tamin’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Ranomafana efa ela ny tsy fahampian’ny efitrano fianarana. Tsy ampy...
24/04/2026

Olana nianjady tamin’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Ranomafana efa ela ny tsy fahampian’ny efitrano fianarana. Tsy ampy ny ora hianarana noho izany satria lasa mifandimby efitrano ny kilasy sasany.
Sakana amin’ny fanatsarana ny fanabeazana izany tsy fahampiana efitrano izany ka dia notadiavina ny vahaolana mba ahazoana manangana tranon-tsekoly vaovao ho an’ireo mpianatra.
Ankehitriny, vita ny fametrahana ny vato fototra ho an’ny tranon-tsekoly vavao ary hanomboka ny asa fanorenana.

🦟ADY AMIN’NY TAZOMOKA🦟 "HOFOANANTSIKA NY TAZOMOKA. VITANTSIKA IZANY, MIARA MIENTANA DIENY IZAO"Tena ilaina ny misoroka n...
24/04/2026

🦟ADY AMIN’NY TAZOMOKA🦟

"HOFOANANTSIKA NY TAZOMOKA. VITANTSIKA IZANY, MIARA MIENTANA DIENY IZAO"

Tena ilaina ny misoroka ny aretina Tazomoka.

Fantaro ary fa:

➡Azo tsaboina sy sitranina tsara ny Tazomoka,
🛑Tena areti-mifindra mahafaty anefa izy.

Anisan’ny fepetra fisorohana sy fiarovana amin’izany :

🦟Fanadiovana ny manodidina sy fanotofana ny rano mihandrona, izay mety ho toeram-panatodizan’ny moka.
👕 Fiarovana amin’ny kaikitrin’ny moka, toy ny fanaovana akanjo manarona vatana (akanjo lava tanana, pataloha lava) sy ny fampiasana fanafody fanosotra tsy tian’ny moka.
🌿Fambolena zava-maniry tsy tian’ny moka manodidina ny fonenana
🛏 Fatoriana anaty lay misy odimoka.

🇲🇬 Malagasy tsy ho fatin’ny tazomoka no Tanjona.

Address

Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny Tanintsika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Ny Tanintsika:

Share