14/10/2026
FIAROVANA NY ALA SY NY FARITRA AROVANA : PAIKADY IOMBONANA HO FANAMAFISANA NY FAMPIHARANA NY LALĂNA
Ahoana no hanamafisana ny fampiharana ny lalĂ na momba ny ala sy ny faritra arovana, mba hiarovana maharitra ny harena voajanahary ao aminâny Tandavanala COFAV (Corridor Forestier Ambositra-Vondrozo)?
Ny 29 septambra 2026 no nanatanterahana ny atrikasa fifampizarĂ na sy fifanakalozan-kevitra izay nampivondrona ireo tomponâandraikitra sy mpisehatra samihafa mandray anjara aminâny fitantanana sy fiarovana ny faritra arovana COFAV.
Nandray anjara taminâizany ireo solontenanâny Faritra Matsiatra Ambony sy Fitovinany, ny Prefektioran'i Fianarantsoa, ireo kaominina, ny Distrika, ny sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny, ny Fitsarana, ny Zandarimariam-pirenena, ary ny fikambanana avy aminâny fiarahamonim-pirenena sy ireo mpisehatra aminâny fitantanana ny harena voajanahary. Anisanâizany ny Conservation International, ny CMP Tandavanala, Voiala, Haonasoa, TAFO Mihaavo, CEDII Tsianolondroa, Tefiala, FAMI/Health in Harmony, ny Association Miaradia ary ny Ny Tanintsika sy ny Feddback Madagascar.
Nandritra ny atrikasa dia nifampizara ny zava-misy eny ifotony, ny olana sy ny sakana sedraina aminâny fampiharana ny lalĂ na, ary ireo tsindry mianjady aminâny ala sy ny harena voajanahary ireo mpandray anjara. Niafara taminâny famolavolana paikady iombonana hanamafisana ny fampiharana ny lalĂ na momba ny ala sy ny faritra arovana izany.
Ireto avy ny lafiny lehibe voarakitra ao anatinâny paikady iombonana :
đč Fanamafisana ny fifandraisana sy ny fifampizarĂ na vaovao eo aminâireo tomponâandraikitra rehetra, ary fanaovana tatitra ara-potoana momba ny fandikan-dalĂ na hita eny ifotony.
đč Fanamafisana ny fanaraha-maso sy ny hetsika iarahanâny rehetra, aminâny alalanâny fampitomboana ny hetsika ataonâny brigades mixtes, ny fidinana ifotony iarahanâny sampan-draharaha sy ny manampahefana, ary ny fitsirihana tampoka ataonâny DREDD.
đč Fanamafisana ny fampiharana ny lalĂ na sy ny fanenjehana ireo fandikan-dalĂ na, ao anatinâizany ny fanaraha-maso ny raharaha eny aminâny fitsarana, ny ady aminâny kolikoly ary ny fanatsarana ny porofo ahafahana mampihatra ny sazy.
đč Fanamafisana ny andraikitry ny vondrom-piarahamonina eny ifotony, aminâny alalanâny fampitomboana sy fanofanana ireo mpisafo ala, fanamafisana ny VOI sy ny KASTI, ary fanomezana toerana bebe kokoa ny mponina handray anjara aminâny fanapahan-kevitra.
đč Fikarohana vahaolana maharitra ho anâireo mponina sy ny fampiasana ny tany, aminâny alalanâny fitadiavana toerana hifindranâireo monina anaty ala, fanamorana ny fahazoana tany, ary fanohanana ny fambolena ivelanâny ala sy ny faritra arovana.
đč Fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fandraisanâandraikitry ny mpisehatra rehetra, mba hahafahana miaro aminâny fomba mahomby kokoa ny ala sy ny harena voajanahary.
Tsy ho tanteraka ny fiarovana ny ala raha tsy misy ny fiaraha-mientana sy ny andraikitra iombonana. Mitaky fandrindrana, fifampitokisana ary fanoloran-tena avy aminâny rehetra ny fampiharana mahomby ny lalĂ na sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary.
Misaotra ny Conservation Allies noho ny fanohanana nahafahana nanantateraka izao atrikasa izao.
PROTECTION DES FORĂTS ET DES AIRES PROTĂGĂES : DES STRATĂGIES COMMUNES POUR RENFORCER LâAPPLICATION DE LA LOI
Comment renforcer lâapplication de la lĂ©gislation forestiĂšre et de celle relative aux aires protĂ©gĂ©es afin de prĂ©server durablement les ressources naturelles du paysage de Tandavanala, au sein du COFAV (Corridor forestier Ambositra-Vondrozo) ?
Le 29 septembre 2026, un atelier de concertation et dâĂ©changes a rĂ©uni les diffĂ©rents responsables et acteurs impliquĂ©s dans la gestion et la protection de lâaire protĂ©gĂ©e COFAV.
Ont participĂ© Ă cet atelier des reprĂ©sentants de la RĂ©gion Haute Matsiatra, de la PrĂ©fecture de Fianarantsoa, des communes, des districts, des diffĂ©rents services de lâĂtat, de la justice, de la Gendarmerie nationale, ainsi que des organisations de la sociĂ©tĂ© civile et des acteurs de la gestion des ressources naturelles. Parmi eux figuraient notamment Conservation International, le CMP Tandavanala, Voiala, Haonasoa, TAFO Mihaavo, CEDII Tsianolondroa, Tefiala, FAMI/Health in Harmony, lâAssociation Miaradia, Ny Tanintsika et Feedback Madagascar.
Au cours de cet atelier, les participants ont partagĂ© leurs expĂ©riences du terrain, les difficultĂ©s rencontrĂ©es dans lâapplication de la loi ainsi que les diffĂ©rentes pressions exercĂ©es sur les forĂȘts et les ressources naturelles. Ces Ă©changes ont abouti Ă lâĂ©laboration de stratĂ©gies communes visant Ă renforcer lâapplication de la lĂ©gislation forestiĂšre et de celle relative aux aires protĂ©gĂ©es.
Les principaux axes des stratégies communes retenues sont les suivants :
đč Renforcer la communication et le partage dâinformations entre les diffĂ©rents responsables, ainsi que le signalement dans les meilleurs dĂ©lais des infractions constatĂ©es sur le terrain.
đč Intensifier les contrĂŽles et les opĂ©rations conjointes, notamment en multipliant les interventions des brigades mixtes, les missions de terrain rĂ©unissant les services techniques et les autoritĂ©s, ainsi que les inspections inopinĂ©es de la DREDD.
đč Renforcer lâapplication de la loi et les poursuites contre les infractions, en assurant notamment le suivi des dossiers judiciaires, la lutte contre la corruption et lâamĂ©lioration des Ă©lĂ©ments de preuve nĂ©cessaires Ă lâapplication des sanctions.
đč AccroĂźtre le rĂŽle des communautĂ©s locales grĂące au renforcement et Ă la formation des patrouilleurs forestiers, Ă la consolidation des VOI et des KASTI, ainsi quâĂ une participation accrue des populations aux processus de dĂ©cision.
đč Rechercher des solutions durables concernant les populations et lâutilisation des terres, notamment en identifiant des sites de rĂ©installation pour les personnes vivant en forĂȘt, en facilitant lâaccĂšs Ă la terre et en soutenant les activitĂ©s agricoles en dehors des forĂȘts et des aires protĂ©gĂ©es.
đč Renforcer la collaboration et la responsabilisation de tous les acteurs, afin dâamĂ©liorer lâefficacitĂ© des actions de protection des forĂȘts et des ressources naturelles.
La protection des forĂȘts ne peut ĂȘtre assurĂ©e sans une mobilisation collective et une responsabilitĂ© partagĂ©e. Lâapplication effective de la loi et la gestion durable des ressources naturelles nĂ©cessitent une coordination renforcĂ©e, une confiance mutuelle et un engagement de toutes les parties prenantes.
Nous remercions Conservation Allies pour son soutien à la réalisation de cet atelier.