Tiako i Bongatsara

Tiako i Bongatsara Fanavaozana -Fivoarana -Fandrosoana

02/03/2026

Midira mp ao Tsiry Harro daholo ianareo Masoivoho sy ireo ekipa rehetra mpiara-miasa hatramin'izay fa hiresaka isika

Raha ny rafitra farany nametrahan'Andrianampoinimerina azy dia nisy fito ny sokajin'Andriana, nalahatra araka ny ambarat...
23/02/2026

Raha ny rafitra farany nametrahan'Andrianampoinimerina azy dia nisy fito ny sokajin'Andriana, nalahatra araka ny ambaratongam-boninahiny hatrany ambony ka hatrany ambany:

1. Ny Zanakandriana
Ireo no ambaratonga fara-tampony. Izy ireo dia ireo taranaka mivantana na havana akaikin'ny mpanjaka mitondra, izay heverina fa madio rร  sady voatendry na azo asandratra ho mpanjaka na mpandova ny fanjakana.

2. Ny Zazamarolahy
Sokajy manarakaraka ny Zanakandriana izy ireo, ary taranaky ny mpanjaka teo aloha (indrindra fa taranaky ny efa-mirahalahy zanak'Andriamasinavalona). Na dia andriana ambony aza izy ireo ary matetika mifehy faritra na menakely lehibe, dia tsy mahazo manjaka na mandova satroboninahitra intsony raha tsy hoe misy fiovana lehibe eo amin'ny fanjakana.

3. Ny Andriamasinavalona
Izy ireo dia taranak'ireo havan'ny mpanjaka Andriamasinavalona. Ny ankamaroan'ireo "Tomponomenakely" (andriana nomena tany aman-mponina hoentina na hovaina vory) eto Imerina dia ao amin'ity sokajy ity. Tsy azo asandratra ho mpanjaka intsony izy ireo saingy manana fahefana ara-pitantanana lehibe teny amin'ny faritra misy azy.

Ny Andrianteloray sy ny Zanadralambo
Ireo sokajy efatra manaraka eto ambany dia matetika no natao hoe Andriana tsy mahazo manjaka intsony saingy nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fomban-drazana, ny finoana, ary ny miaramila.

4. Ny Andriantompokoindrindra
Taranak'Andriantompokoindrindra (zanakalahin'ny Mpanjaka Ralambo niaraka tamin'i Ratompokoandriambavy). Nipetraka tao Ambohimalaza izy ireo. Nanana tombontsoa manokana izy ireo (toy ny fitazonana ny fombafomba fanaovana hasina sy ny fanandroana) satria namindra fo ary nanolotra ny fanjakana ho an'Andrianjaka zandriny i Andriantompokoindrindra.

5. Ny Andrianamboninolona
Taranak'Andrianamboninolona (dadatoan'ny Mpanjaka Ralambo sady rafozany ihany koa). Nalaza tamin'ny fahendrena sy ny fahaiza-mitantana izy ireo, ary mpanolotsaina akaiky ny mpanjaka.

6. Ny Andriandranando
Taranak'Andriandranando, mpanjaka avy any atsinanana (Antehiroka na Zafiraminia) izay nanjohy ary nanampy ny Mpanjaka Ralambo. Mpiady mahery fo no nahafantarana azy ireo ary natoky azy ireo manokana ny mpanjaka teo amin'ny resaka fiarovana ny fanjakana.
(Ny Andriantompokoindrindra, Andrianamboninolona, ary Andriandranando matetika no atambatra antsoina hoe Andrianteloray).

7. Ny Zanadralambo (amin'Andrianjaka)
Sokajy farany ao amin'ny Andriana izy ireo. Taranaky ny Mpanjaka Ralambo tamin'ireo vadiny tsy avo razana loatra izy ireto, na ireo taranak'andriana hafa efa somary nihataka na naetry toerana. Tsy mba nanana menakely tahaka ny Andriamasinavalona izy ireo fa nomena vohitra hiadanany.

'Andriana

๐Ÿ”ด๐Ÿ”ฅ Jeneraly RAVALOMANANA RICHARDNanaiky ho eny amin'ny toby RATSIMANDRAVA am-pilaminana.๐Ÿ“ŒNalaina.teny an-tranony teny Am...
27/12/2025

๐Ÿ”ด๐Ÿ”ฅ Jeneraly RAVALOMANANA RICHARD
Nanaiky ho eny amin'ny toby RATSIMANDRAVA am-pilaminana.

๐Ÿ“ŒNalaina.teny an-tranony teny Ambatovinaky ka nentina avy hatrany eny amin'ny toby Ratsimandrava mba atao fanadihadiana.

๐Ÿ“ŒTompon'andraikitra ambony eo anivon'ny minisiteran'ny fitsarana no tonga niresaka taminy.Nanaiky ny hamaly ny fiantsoana azy izy. Nilamina tsisy herisetra na.poa-basy.

07/12/2025

Mitsangana ihany koa ny Refondation ao Bรฉnin

๐‡๐Ž ๐“๐„๐๐ƒ๐‘๐„๐๐€ ๐•๐Ž๐๐‰๐ˆ๐Œ๐€๐ˆ๐Š๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐‹๐„๐‡๐ˆ๐๐„๐'๐๐˜ ๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€Singa fototra hitondra amin'ny Fanavaozana ny fifampihainoan'ny Vahoaka Ma...
03/12/2025

๐‡๐Ž ๐“๐„๐๐ƒ๐‘๐„๐๐€ ๐•๐Ž๐๐‰๐ˆ๐Œ๐€๐ˆ๐Š๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐‹๐„๐‡๐ˆ๐๐„๐'๐๐˜ ๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€

Singa fototra hitondra amin'ny Fanavaozana ny fifampihainoan'ny Vahoaka Malagasy tompo-pahefana sy ny mpitondra.

Nanambara ny Ministeranโ€™ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana fa handray fepetra hentitra taorianโ€™ny fitarainana sy tsikera marobe mikasika ny fikarakarana ny fifidianana sy ny vokatra nivoaka hatrizay.

Nambara fa ilaina ny mamelona indray ny fitokisanโ€™ny olom-pirenena aminโ€™ny dingana rehetra ao anaty fifidianana.

Ny fikaonandoham-pirenena no hamaritra ny lalร na mitondra amina fifidianana madio sy mangarahara ary eken'ny rehetra.

Mandra-piandry ireo rafi-dalร na ara-pifidianana ireo, hotendrena vonjimaika ireo lehiben'ny faritra manerana ny Nosy.
ยฉMEPCR

Andao hiaraka handinika Kely hoe!aminao Iza no manao faux pas eto ,Ilay namorona sa Ilay manontany ?Indrana ity ka dia n...
30/11/2025

Andao hiaraka handinika Kely hoe!
aminao Iza no manao faux pas eto ,Ilay namorona sa Ilay manontany ?

Indrana ity ka dia nadika fotsiny,

fa manin ary no tsy natao tokana sad mahintsy ilay tolana fa asina mivilavila otrzao, tokony oe tsis mizara zan fa tolan dava de zay, fopah ian lay namorona olona ka, ๐Ÿ˜ญ๐Ÿ˜ซ

๐Ÿ”ด ๐—ญ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ-๐—บ๐—ถ๐˜€๐˜† โ€ผ๏ธ FITSARANA NY ยซ PRESCRIPTION ACQUISITIVE ยปAverina misokatra ny fitsarana ny fangatahana ny tany ilay ยซ Pre...
28/11/2025

๐Ÿ”ด ๐—ญ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ-๐—บ๐—ถ๐˜€๐˜† โ€ผ๏ธ
FITSARANA
NY ยซ PRESCRIPTION ACQUISITIVE ยป
Averina misokatra ny fitsarana ny fangatahana ny tany ilay ยซ Prescription acquisitive ยป na ireo tany mety manatompo na tsia saingy tsy nampiasainy mihoatra ny 30 taona, na mety ho tanimpanjakana.

โ–ช๏ธ Niato efa ho herintaona ny fitsarana ny Prescription acquisitive ary izao averina izao.
โ–ช๏ธIreo mponina ao aminโ€™ny fokontany misy ny tany no afaka manao ny fangatahana hanamarinana fa mponina ao ilay mpangataka.

๐Ÿ“Œ Nisy ny fitokanana ny fanavaozana ny trano fitsarana momba ny ady tany androany tetsy Anosy.

ยฉ๏ธ Antsiva Radio,Vina Pejy

15/11/2025

Permis Baoritra !
TSY EKENA KOSA NY FIHEMORANA RY AUTO ร‰COLE !

๐Ÿ”ด ๐—ญ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ-๐—บ๐—ถ๐˜€๐˜† โ€ผ๏ธ ๐Ÿ”ฅ Fanomezan-drariny ny tena tomponโ€™ny tanyFoana manomboka androany ny fakana vola aminโ€™ny boky rovitra.Na...
14/11/2025

๐Ÿ”ด ๐—ญ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ-๐—บ๐—ถ๐˜€๐˜† โ€ผ๏ธ
๐Ÿ”ฅ Fanomezan-drariny ny tena tomponโ€™ny tany

Foana manomboka androany ny fakana vola aminโ€™ny boky rovitra.
Nampidinina ho 10 000 Ar ihany koa ny fakana ny juridique, raha 20 000 Ar teo aloha.

Hamoraina ny fahazoanโ€™ny vahoaka Malagasy mividy tanim-panjakana, ary hisy ny fetra mazava aminโ€™ny vidiny farany ambany.

Hampidinina hatrany aminโ€™ny kaominina ny birao ifotony momba ny fananan-tany.

โžก๏ธ Ny tena tompony no omena rariny aminโ€™ny tany, fa tsy izay mahitahita sy manam-bola hatrany aminโ€™ny fitsarana.

๐Ÿ—ฃ๏ธ Ireo no nambaranโ€™ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany, Jeneraly Lilyson Rรฉnรฉ de Rolland, androany.

๐Ÿ”ด ๐—ญ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ-๐—บ๐—ถ๐˜€๐˜† โ€ผ๏ธ AMBOHITRIMANJAKAFiara iray no nandona bisikileta sy moto androany tany Ambohitrimanjaka.โ–ช๏ธMaty tsy tra-dr...
13/11/2025

๐Ÿ”ด ๐—ญ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ-๐—บ๐—ถ๐˜€๐˜† โ€ผ๏ธ
AMBOHITRIMANJAKA

Fiara iray no nandona bisikileta sy moto androany tany Ambohitrimanjaka.
โ–ช๏ธMaty tsy tra-drano ilay lehilahy nitondra bisikileta, raha naratra mafy kosa ilay nitaingina moto.

Araka ny loharanom-baovao teny an-toerana dia niezaka nitsoaka ilay fiara nandona taorianโ€™ny loza.

๐Ÿ‘ฎโ€โ™‚๏ธ Efa tonga eny an-toerana ny mpitandro filaminana, mijery sy manomboka ny fanadihadiana momba ity tranga mampalahelo ity.

๐Ÿ•ฏ๏ธ Fiara sy fandehanana an-dalana... tandremo hatrany ny aina sy ny ainโ€™ny hafa.

Tanora ho anโ€™ny Fiovana Marina!Nisy tolom-bahoaka teto! โœŠ> โ€œNy tanora no herinโ€™ny firenena, fa tsy mpanampy an-tsehatra....
04/11/2025

Tanora ho anโ€™ny Fiovana Marina!
Nisy tolom-bahoaka teto! โœŠ

> โ€œNy tanora no herinโ€™ny firenena, fa tsy mpanampy an-tsehatra.โ€

Androany dia hiresaka momba ny fanendrena ny Governora an'i Faritra aho. Raha mbola misy ny fanendrena, dia tsy tokony hanitsakitsaka lalร mpanorenana intsony isika. Fa raha tena ilaina io toerana io, dia hametraka ny tenako ho solon-tenanโ€™ny tanora aho.

Fa izao no tena olana: mbola maro aminโ€™ireo mpanao politika zokinjokiny nahazo fahefana, mbola te hifikitra. Ary ireo tanora nitarika ny tolom-bahoaka? Tsy omen-danja.

Lazaina foana fa tsy manana traikefa ny tanora.
Ka ahoana no hahazoana traikefa raha tsy omena sehatra e!? ๐Ÿคทโ€โ™‚๏ธ

Efa fotoana izao ny hanomananareo zokiny ny relรจve.
Tsy maintsy ampitaina aminโ€™ny tanora ny andraikitra. Maro ny tanora vanona, tia tanindrazana, mankahala kolikoly ary vonona hitondra fiovana tena izy.

Tokony hijanona ho Mpanolotsaina ianareo zokiny,
fa avelao ny Tanora hiditra an-tsehatra.

Ny fiovana marina tsy ho tonga raha tsy misokatra ny varavarana ho anโ€™ny tanora.

Izay manakana ny tanora tsy handray andraikitra dia manakana firenena tsy handroso.

Address

Anjomakely
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tiako i Bongatsara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share