03/06/2026
📣‼️ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY ADY AMIN’NY “MIVADI-TONGOTRA” (PIED BOT)
⏩ Ny Mivadi-tongotra (Pied bot) dia fahasembanana eo amin’ny tongotry ny zaza miseho hatrany am-bohoka. Raha tsy voatsabo ara-potoana izy io dia mety hitarika fahasembanana maharitra ka hanasarotra ny fivezivezen’ny ankizy eo amin’ny fiainany andavanandro.
📊 Tombanana ho 1 ka hatramin’ny 2 amin’ny zaza 1 000 teraka velona no ahitana ity trangan'aretina fahasembanana ity.
✅ Soa ihany fa misy ny fitsaboana mahomby antsoina hoe fomba "Ponseti", izay afaka manitsy tanteraka ny tongotra raha vao raisina an-tanana dieny mbola kely ny zaza eo ihany ny fandidina na Ilay hoe "traitement chirurgical". Efa maherin’ny 4 000 ireo ankizy nisitraka izany fitsaboana izany teto Madagasikara. Ary raha vantany vao teraka ny zaza dia afaka atomboka sahady ny fitsaboana, na dia telo andro monja aorian’ny fahaterahana aza.
🎯 Lohahevitra :“Hetsika mialoha ho an’ny ankizy tsirairay : fitiliana, fitsaboana ary fanaraha-maso ny Mivadi-tongotra eto Madagasikara.”
🟤 Ho fanamarihana izany dia hisy ny hetsika fanentanana sy fitiliana manerana ireo Faritra 24 eto Madagasikara, mba hahafahana mamantatra sy manampy ireo ankizy voakasik’ity fahasembanana ity.
📢 Miantso ny ray aman-dreny sy ny fiarahamonina ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hitondra haingana ny zaza any amin’ny tobim-pahasalamana raha misy ahiahiana sy tranga mivadi-tongotra, satria azo tsaboina tsara izy io raha voamarika sy tsaboina mialoha.
🤝 Manamafy hatrany ny fanoloran-tenany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, ny amin’ny fanomezana fitsaboana sahaza sy ara-potoana, mba hahafahan’ny ankizy rehetra voakasika mitombo sy mivelatra ara-dalàna, ho amin’ny ho avy salama sy tsy misy fahasembanana.
📷 ✍️ DLMNT - SPPV.
💯 MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
©️Ny Fitaleavana ny Serasera.
Source: Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka