09/05/2026
📌 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗡’𝗔𝗦𝗔 𝗘𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗔𝗡𝗜𝗩𝗢𝗛𝗜𝗧𝗥𝗔
🎯 𝗛𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗼 𝗔𝗿𝗶𝘃𝗼𝗻𝗶𝗺𝗮𝗺𝗼 𝗻𝘆 𝗠𝗧𝗘𝗙𝗼𝗣
📅 Hotanterahina ny 13 May 2026 ny hetsika iarahan’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’Asa sy ny Asam-panjakana (MTEFoP), ny Kaominina Ambonivohitra Arivonimamo ary ny "ONG Avenir et Progrès", ho fanohanana ny tanora sy ireo tsy an'asa eny ifotony. 🤝
🎓 Anisan’ireo hetsika lehibe hotanterahina mandritra izany ny :
✅ Fanofanana momba ireo paikady ilaina amin’ny fitadiavana asa, toy ny :
🔹 Fandrafetana CV matihanina
🔹 Fikarohana sy famaliana tolotr’asa mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny
🔹 Fanomanana ny firesahana amin’ny mpampiasa (entretien d’embauche)
🔹 Fampahafantarana ireo teknika sy toe-tsaina ilaina hahazoana asa
📊 Fanatanterahana fanadihadiana momba ny filàna fiofanana arak’asa ho an’ny tanora sy ireo tsy an’asa ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Arivonimamo.
📈 Fizarana ny vokatry ny fanadihadiana momba ireo sehatra mitondra asa ao amin’ny Faritra Itasy, mba hahafahan’ny tanora sy ny mpisehatra misafidy fiofanana sy sehatra ahitana fahafahana mivelatra.
🗓️ Tamin’ny Alarobia 06 May 2026 no nanatanterahana ny fivoriana stratejika fanomanana tao Arivonimamo, notarihin’ny MTEFoP tamin’ny alalan’ny :
🔹 « Direction Générale de la Promotion de l’Emploi » (DGPE), izay handray an-tanana ny lafiny fanofanana;
🔹 « Office National de l’Emploi et de la Formation » (ONEF), izay hitondra sy hizara ny vokatry ny fanadihadiana momba ireo sehatra mitondra asa ao Itasy.
💼 Mitohy hatrany ny ezaky ny MTEFoP amin’ny fampiroboroboana ny fampananan’asa sy ny fanohanana ny tanora eny amin’ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara. 🇲🇬