26/04/2026
𝐒𝐀𝐍𝐓𝐀-𝐁𝐀𝐑𝐘 𝟐𝟎𝟐𝟔 – 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐌𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀
𝐴𝑛𝑜𝑠𝑦 𝐴𝑣𝑎𝑟𝑎𝑡𝑟𝑎 : 𝑛𝑎𝑠𝑜𝑛𝑔𝑎𝑑𝑖𝑛𝑎 𝑛𝑦 ℎ𝑎𝑠𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑣𝑎𝑟𝑦 𝑠𝑦 𝑛𝑦 ℎ𝑒𝑟𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑠𝑎ℎ𝑎
🔶 Nankalazaina tamim-pomba teny Faravohitra, kaominina Anosy Avaratra, Distrika Antananarivo Avaradrano, ny 23 ka tsy hifarana raha tsy ny 26 aprily 2026, ny Fihaonamben’ny Tantsaha Avaradrano.
🔶 Hetsika nampiray ireo kaominina 16 ao anatin’ny distrika, ka ny “SATA-BARY” — fomba Malagasy nentim-paharazana — no nanamarika indrindra ny lanonana. Seho iray mampahatsiahy fa ny vary dia tsy sakafo fotsiny, fa fototry ny fiainana sy kolontsaina.
Nandritra izany, natolotry ny solontenan’ny tantsaha ho an’ny Fitondram-panjakana ny voaloham-bokatra, ho mariky ny fankasitrahana sy ny fifamatorana eo amin’ny tany sy ny fanjakana. Nisolo tena ny Filoham-panjakana, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, Médecin Général de Brigade ZAFITASONDY Marcellin, niaraka tamin’ny Jeneraly RABEARIMANANA Lucien.
🔶 Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny lahateny ofisialy. Nohamafisina fa ny tantsaha no andry iankinan’izany, ka tsy maintsy tohanana amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, indrindra ny lalana. Ireo no lakilen’ny fanamorana ny fitaterana sy ny fidiran’ny vokatra eny an-tsena, hoy ny fanamarihana.
🔶 Ankoatra izay, nampirisihina ireo mpamboly hiditra amin’ny fambolena matihanina kokoa, hanavao ny teknika ampiasaina ary hanaraka akaiky ny torohevitra ara-teknika. Nofaranana tamin’ny fitsidihana ireo tranoheva ny lanonana fanokafana, nahitana taratra ny fahaiza-manao sy ny vokatra manankarena entin’ireo tantsaha ao Avaradrano — porofo velona fa mbola velona sy mandroso ny tontolo ambanivohitra Malagasy.
𝐅𝐀𝐑𝐌 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 : 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐑𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐒𝐀𝐍𝐓𝐀-𝐁𝐀𝐑𝐘 𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝟐𝟎𝟐𝟔 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐋𝐎𝐉𝐈𝐊𝐀
🔶 Anisan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’ny Fihaonamben’ny Tantsaha Avaradrano 2026 ny fikambanana Femmes en Action Rurale de Madagascar (FARM). Nampisongadina manokana ny fahaiza-mamokatra sy ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy eny ambanivohitra izy ireo, tamin’ny alalan’ny fampirantiana vokatra ara-biolojika novokarin’ireo vehivavy tantsaha mpikambana ao aminy.
🔶 Tsy nifarana tamin’ny fampirantiana ihany ny hetsika, fa nisy ihany koa ny fivarotana mivantana ireo vokatry ny tany. Vokatra avy amin’ny asa mafy sy fikarakarana nataon’ireo vehivavy tantsaha ireo, ka nahafahan’ny mpitsidika nijery, nifidy ary nividy mivantana, sady nanohana ny famokarana eto an-toerana.
🔶 Araka ny fanazavan’i Dina RAVONIARILALA, nandritra ny resadresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, dia mitondra hafatra roa lehibe ny fandraisan’anjaran’ny FARM amin’ity hetsika ity. “𝑺𝒂𝒅𝒚 𝒎𝒂𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒃𝒆𝒃𝒆 𝒌𝒐𝒌𝒐𝒂 𝒏𝒚 𝒗𝒐𝒌𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒃𝒊𝒐𝒍𝒐𝒋𝒊𝒌𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒉𝒂𝒚, 𝒏𝒐 𝒎𝒂𝒏𝒆𝒉𝒐 𝒊𝒉𝒂𝒏𝒚 𝒌𝒐𝒂 𝒇𝒂 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒗𝒊𝒕𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 𝒂𝒏𝒋𝒂𝒓𝒂 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒔𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒗𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒔𝒂𝒉𝒂,” hoy izy.
🔶 Amin’ny ankapobeny, maneho mazava ny andraikitry ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fampandrosoana eny ambanivohitra ny hetsika tahaka izao.
🔶 Ny FARM, amin’ny maha fikambanam-behivavy Tantsaha azy, dia manamafy fa tsy mpandray anjara fotsiny ny vehivavy, fa tena mpamokatra sy mpandray andraikitra fototra amin’ny fananganana toekarena maharitra.