FARM Madagascar

Directions Website Contact the organization

FARM Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from FARM Madagascar, Nonprofit Organization, Mahamasina, Antananarivo.
(1)

FARM (Femme en Action Rurale de Madagascar) est un mouvement de solidarité entre les femmes rurales créé en 2018, qui regroupe les groupements féminins des zones d’intervention du CRAAD-OI

14/10/2026

🚨 MANANJARY – AMBALAMANASA : NOGIAZANA NY MILINA, NEFA VOALAZA FA MBOLA MIASA! IZA NO MANAZAVA?

🔴 FITRANDRAHANA VOLAMENA : ROA VOLANA ATY AORIAN’NY FIDIRAN’NY FANJAKANA AN-TSEHATRA, MBOLA MITARAINA NY MPONINA. INONA NO TENA ZAVA-MISY?

AMBALAMANASA, VOHILAVA – Nisy ny fisamborana. Nisy ny fanagiazana milina. Nisy ny fanambarana hentitra avy amin’ny fanjakana. Kanefa, araka ny fitarainana vaovao nataon’ireo mponina, dia mbola mitohy ny asa fitrandrahana volamena ao Ambalamanasa, Distrikan’i Mananjary.

Milina voalaza fa efa nogiazana nefa mbola ampiasaina? Didy fampitsaharana ny asa nefa tsy voahaja?

Ireo no fanontaniana lehibe mipetraka manoloana ny raharaha mahakasika ny orinasa M.L.S.G., izay voatonona ao anatin’ny fanambarana navoakan’ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mponina sy ny tontolo iainana.

🔴 EFA NIDINA IFOTONY NY FANJAKANA

Ny 17 Aogositra 2026, nanao fanairana tamin’ny tambajotra sosialy ny solombavambahoakan’i Mananjary, Charlot MAMIHAJA, mikasika ny asa fitrandrahana volamena ahiahiana ho tsy ara-dalàna ao Ambalamanasa.

Niditra an-tsehatra ny tompon’andraikitra avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny sampan-draharaha misahana ny harena an-kibon’ny tany.

Tamin’ny 21 Aogositra 2026, nanamafy ny Minisiteran’ny Fitsarana fa nahitana fikasana hitrandraka tsy ara-dalàna sy fanotofana renirano tao amin’ny faritr’i Mananjary.

Voalaza tamin’izany fa nosamborina ireo teratany sinoa voarohirohy, ary nogiazana ireo fitaovana nampiasaina.

⚠️ NY FANONTANIANA : AIZA IREO MILINA NOGIAZANA?

Eto no tena mipetraka ny olana.

Araka ny fanambarana nivoaka ny 12 Oktobra 2026, dia mbola mitohy andro aman’alina ny fitrandrahana, raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo mponina voakasika.

Mbola voalaza fa ampiasaina ihany koa ireo milina izay nambara fa nogiazan’ny fanjakana.

Raha marina izany, ahoana no nahafahan’ireo milina niverina niasa?

Naverina tamin’ny tompony ve ireo fitaovana? Nisy fanapahan-kevitra ara-panjakana namela ny hampiasana azy ireo indray ve? Sa milina hafa no ampiasaina ankehitriny?

Fanontaniana mitaky fanazavana ofisialy ireo.

🌿 NY MPONINA SY NY TONTOLO IAINANA NO EO ANIVON’NY AHI AHY

Tsy resaka volamena sy milina ihany no resahina eto.

Ao anatin’ny fanambarana navoakan’ireo fikambanana dia misy ihany koa ny fitarainana momba ny fahalotoan’ny rano, ny fanimbana ny renirano sy ny tanimboly ary ny tabataban’ireo fitaovam-pitrandrahana.

Misy aza ny fijoroana vavolombelona milaza fa niakatra ny taham-pahafatesan’ny zaza vao teraka tao amin’ny Kaominina Vohilava tamin’ny taona 2025, izay ampifandraisin’ireo mpitaraina amin’ny fahalotoan’ny tontolo iainana.

Fiampangana goavana izany, izay mitaky fanadihadiana ara-pahasalamana sy ara-tsiansa mahaleo tena, mba hamaritana raha misy tokoa ny fifandraisana amin’ny asa fitrandrahana.

⚖️ FAHAZOAN-DALANA : INONA NY TENA SATAN’NY ORINASA M.L.S.G.?

Milaza ireo fikambanana nanao fanambarana fa tsy mbola manana ny fahazoan-dalana ilaina ilay tetikasa ary tsy nahazo ny fankatoavan’ireo vondrom-bahoaka voakasika.

Mbola mila fanazavana avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana mahefa anefa ny satan’ireo taratasy sy fahazoan-dalana.

Tsy maintsy hazavaina koa raha mbola misy didy fampitsaharana manan-kery, ary inona ireo fepetra noraisina hiantohana ny fanatanterahana izany.

📢 MIANDRY VALINY NY VAHOAKA

Tamin’ny 12 Oktobra 2026, niara-nanao fanambarana ny CRAAD-OI, ny FARM ary ny OIDESCM – Mananjary, niantso ny manam-pahefana handray fepetra haingana manoloana ity raharaha ity.

Misy lafiny telo lehibe mila valiny mazava : ny fitohizan’ny asa fitrandrahana, ny satan’ireo milina nogiazana, ary ny fiarovana ny mponina sy ny tontolo iainana.

Ilaina ihany koa ny fanazavana avy amin’ny orinasa M.L.S.G. mba hahafahana mandre ny andaniny sy ny ankilany.

🔥 NY FITRANDRAHANA VE NO TSY MIJANONA, SA NY FANAPAHAN-KEVITRA NO TSY TANTERAKA?

Efa nisy ny fidiran’ny fanjakana an-tsehatra. Efa nisy ny fisamborana sy ny fanagiazana fitaovana. Kanefa, miverina indray ny fitarainana.

Raha voamarina fa mbola mitohy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, dia tsy ny asa ataon’ny mpitrandraka ihany no tokony hohadihadiana, fa ny fahombiazan’ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ny fanapahan-kevitra noraisina ihany koa.

Tsy ampy ny fanambarana hentitra raha tsy arahin’ny fanaraha-maso sy ny vokatra hita maso.

AMBALAMANASA MIANDRY VALINY. NY VAHOAKA MIANDRY FANAZAVANA. ARY NY LALÀNA DIA TOKONY HAMPiharina AMIN’NY REHETRA.

📍 Ambalamanasa – Kaominina Vohilava – Distrikan’i Mananjary – Faritra Vatovavy.

Loharano : Minisiteran’ny Fitsarana, fanambarana 21 Aogositra 2026; CRAAD-OI sy ireo fikambanana mpiara-manao sonia, fanambarana 12 Oktobra 2026.

14/10/2026
13/10/2026
𝐅𝐀𝐑𝐌 : 𝐌𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐯𝐨𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢-𝐩𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚MAROVOAY – Mitohy ny ezaka ataon’ny FARM amin’ny fam...
30/09/2026

𝐅𝐀𝐑𝐌 : 𝐌𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐯𝐨𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢-𝐩𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚

MAROVOAY – Mitohy ny ezaka ataon’ny FARM amin’ny fampivoarana sy fampivelarana ny fari-piainan’ny vehivavy tantsaha eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fitaovana sy fampiroboroboana ireo teknolojia afaka manampy ny vehivavy eny ambanivohitra hamorona asa, hampitombo ny fidiram-bolany ary hanatsara ny fiainany andavanandro.

Ny Alatsinainy 28 Septambra 2026, dia notolorana fitaovana ahafahana manodina ny fary ho ethanol, entona fandrehitra azo ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro, ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny FARM ao amin’ny Distrikan’i Marovoay, Faritra Boeny.

Teknisianina avy ao amin’ny FARM no tonga nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy, nisolo tena ny Filoha Nasionalin’ny FARM, Ramatoa RAVONIARISOA Hantanirina Lilia.

𝐓𝐞𝐤𝐧𝐨𝐥𝐨𝐣𝐢𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐧𝐭𝐢-𝐦𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨 𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚

Tsy fitaovana tsotra ihany no natolotra, fa isan’ny paikady entin’ny FARM manampy ireo vehivavy tantsaha hahazo tombontsoa bebe kokoa avy amin’ireo akora sy vokatra misy eny an-toerana.

Ny tanjona dia ny hahafahan’ireo vehivavy mivelatra ara-toekarena sy ara-tsosialy, amin’ny alalan’ny fampiasana teknolojia mifanaraka amin’ny zava-misy eny ambanivohitra. 𝑵𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒐𝒅𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒓𝒚 𝒉𝒐 𝒆𝒕𝒉𝒂𝒏𝒐𝒍 dia afaka manampy amin’ny fanomezana lanja bebe kokoa ny vokatra eny an-toerana sady manokatra sehatra vaovao ho an’ny vehivavy ao anatin’ny fikambanana.

Tolotra avy amin’ny 𝐂𝐑𝐀𝐀𝐃-𝐎𝐈 ho an’ny fikambanana FARM ity fitaovam-pamokarana ity. Ny FARM Foibe eto Antananarivo kosa no nanolotra izany ho an’ny FARM Rejionaly Boeny, ary ireo mpikambana ao amin’ny Distrikan’i Marovoay no misitraka azy.

Nisafidianana an’i Marovoay noho ny fisian’ny traikefa efa ananan’ny distrika amin’ny fampiasana ethanol ho entona fandrehitra.

𝐕𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚, 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚

Naneho ny fahavononany hampiasa sy hitantana araka ny tokony ho izy ity fitaovana ity ny FARM Marovoay. Ramatoa Jocelyne, nisolo tena ireo mpikambana, dia nanome toky fa hampiasaina ho tombontsoan’ny vehivavy rehetra ao anatin’ny fikambanana izany.

Mihoatra noho ny fanomezana fitaovana, ny hetsika tahaka izao dia maneho ny vina ijoroan’ny FARM: ny hahatonga ny vehivavy tantsaha ho tena mpandray anjara amin’ny fampandrosoana, hahaleo tena ara-toekarena ary hanana fitaovana hahafahany manatsara ny fari-piainany sy ny an’ny ankohonany.

Amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana, fampitana fahalalana sy teknika ary fanohanana ireo tetikasa eny ifotony, dia mikendry ny FARM ny hampivelatra ny fahaiza-manaon’ny vehivavy tantsaha sy hanokatra ho azy ireo làlana vaovao hahazoam-bola.

🇲🇬  FANAMBARANA 🇲🇬ANTSO AVO MANOLOANA NY TETIKASA FAMETRAHANA FOIBE FAMOKARANA MASOMBOLY VARY SAFIOTRA (HYBRIDE) HIARAHA...
30/09/2026

🇲🇬 FANAMBARANA 🇲🇬
ANTSO AVO MANOLOANA NY TETIKASA FAMETRAHANA FOIBE FAMOKARANA MASOMBOLY VARY SAFIOTRA (HYBRIDE) HIARAHA-MIASA AMIN’NY FIRENENA SINOA
Manoloana ny fanambarana nataon’Andriamatoa Praiminisitra mikasika ny hametrahana foibe famokarana masomboly vary safiotra (hybride) eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Sinoa, izahay solontenan’ny tantsaha sy ny mpiaro ny fitandroana ny tontolo iainana ary ny fiandrianana ara-tsakafo dia manao izao fanambarana izao.🔊
Raha ny fanatsarana ny vokatra sy ny hanatrarana ny fiandrianana ara-tsakafo no tanjona iombonana, dia miteraka ahiahy lehibe eo amin’ny tantsaha malagasy kosa ny fomba hananganana sy hitantana ity tetikasa ity, satria :
🔴Ny masomboly safiotra (F1) dia tsy azo ampiasaina indray rehefa hiditra amin’ny taom-pambolena manaraka fa mihena be ny vokatra azo avy aminy (ségrégation génétique). Izany dia manery ny tantsaha hividy masomboly vaovao hatrany isan-taona, ka mametraka azy ireo ao anatin’ny fiankinan-doha ara-bola sy ara-masomboly amin’ireo orinasa na foibe mpamokatra, ary koa hitarika ho any amin’ny fahaverezan’ireo masomboly zana-tany misy eto amin-tsika.
🟡Ny vary safiotra dia mila fampiasana zezika simika sy fanafody simika mamono bibikely ampy tsara vao mamoaka ny voka-pikarohana nangatahina aminy. Izany dia mampitombo ny fandaniana ho an’ny tantsaha madinika tsy manana fahefana ara-bola ary mampitombo ny fampiasana akora simika betsaka loatra izay hisy voka-dratsy lehibe eo amin’ny tany, rano, rohy voahary ary ny fahasalaman’ny olombelona.
🔴Ahiahy lehibe ho an’ny tantsaha ihany koa ny fomba hahazoana ny tany midadasika hametrahana io foibe io ary ny fitsinjarana ny rano hampiasaina amin’izany manoloana ny toeram-pambolena manodidina mety ho voakasika.

𝐅𝐀𝐑𝐌 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨-𝐀𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 : 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐤𝐚𝐥𝐢𝐭𝐚𝐨Mampiroborobo fomba fambolena manaja ny tontol...
19/09/2026

𝐅𝐀𝐑𝐌 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨-𝐀𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 : 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐤𝐚𝐥𝐢𝐭𝐚𝐨

Mampiroborobo fomba fambolena manaja ny tontolo iainana sy mifototra amin’ny fampiasana zezika biolojika ny FARM Atsimo-Andrefana. Tanjona amin’izany ny hahazoana vokatra tsara kalitao, hanatsarana ny fahavokaran’ny tany ary hampiroboroboana fambolena maharitra sy tompon’andraikitra.

Ao amin’ny faritra Atsimo-Andrefana, mitohy ny ezaka ataon’ny FARM Madagascar amin’ny fampiroboroboana fomba fambolena afaka mampifandray ny famokarana, ny kalitao ary ny fiarovana ny tontolo iainana.

Anisan’ny paikady ampiharina amin’izany ny fampiasana zezika biolojika, izay manampy amin’ny fanatsarana ny firafitry ny tany sy ny fahavokarany, sady manohana ny fitomboan’ny voly amin’ny fomba maharitra kokoa.

𝐕𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐤𝐚𝐥𝐢𝐭𝐚𝐨 𝐧𝐨 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚

Tsy ny habetsahan’ny vokatra ihany no jerena amin’ny fambolena ankehitriny. Zava-dehibe ihany koa ny kalitao, ny fiarovana ny tany ary ny fomba famokarana ampiasaina.

Amin’ny alalan’ny fampiasana akora biolojika sy teknika fambolena mifanaraka amin’ny tontolo iainana, dia kendrena ny hahazoana vokatra tsara kalitao, mahasalama ary manana lanja bebe kokoa eo amin’ny tsena.

Ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra dia afaka manampy ihany koa amin’ny fanamafisana ny fahatokisan’ny mpanjifa sy amin’ny fanokafana fahafahana vaovao ho an’ireo mpamokatra.

𝐙𝐞𝐳𝐢𝐤𝐚 𝐛𝐢𝐨𝐥𝐨𝐣𝐢𝐤𝐚, 𝐬𝐚𝐟𝐢𝐝𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚

Ny zezika biolojika dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fitazonana ny fahasalaman’ny tany. Manampy amin’ny famerenana ireo otrikaina ilain’ny voly izy, manatsara ny fahafahan’ny tany mitahiry rano ary manampy amin’ny fitazonana ny vokatra maharitra mandritra ny taona maro.

Ny fampiasana azy araka ny tokony ho izy dia afaka mampihena ny fiankinan-doha amin’ny zezika simika sasany ary manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Izany fomba fiasa izany dia manampy ihany koa amin’ny fiarovana ny tany amin’ny fahasimban’ny kalitaony sy amin’ny fanomanana azy hahafahana mamokatra ho an’ny taranaka ho avy.

𝐅𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚

Ho an’ny FARM Madagascar, ny fambolena maharitra dia tsy mijanona amin’ny famokarana vokatra ihany. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fampandrosoana ny tantsaha, ny fanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo ary ny fampiroboroboana teknika vaovao afaka manatsara ny vokatra.

Ny ezaka atao ao Atsimo-Andrefana dia maneho fa afaka mifameno ny fambolena maoderina, ny fahalalana nentin-drazana ary ny fiarovana ny tontolo iainana.

Ny fampiasana fomba fambolena tompon’andraikitra dia afaka manampy amin’ny fanamafisana ny rojom-pamokarana eny ifotony sy amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena eo anivon’ny faritra.

𝐅𝐀𝐑𝐌 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 : “𝐓𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐢𝐧𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨”

Amin’ny alalan’ny asa sy ny hetsika tanterahina eny ifotony, manohy manohana sy mamporisika ireo mpamboly ny FARM Madagascar mba hiroso amin’ny fambolena mahomby kokoa, manaja ny tontolo iainana ary afaka mamokatra vokatra tsara kalitao.

Ny tanjona dia mazava : fambolena mamokatra, tantsaha mandroso ary tontolo iainana voaaro.

FARM Madagascar – Tsy maintsy mandroso.

08/09/2026
🌱 FAMBOLENA ARA-EKOLOJIKA SY FANAMBOARANA ZEZIKA COMPOST – FARM MENABE 🌱👩‍🌾 Ao amin’ny FARM Menabe, Distrika Miandrivazo...
05/09/2026

🌱 FAMBOLENA ARA-EKOLOJIKA SY FANAMBOARANA ZEZIKA COMPOST – FARM MENABE 🌱
👩‍🌾 Ao amin’ny FARM Menabe, Distrika Miandrivazo, dia mandray anjara mavitrika amin’ny fampiroboroboana ny fambolena ara-ekolojika ireo vehivavy mpikambana.

♻️ Anisan’ny asa notanterahin’izy ireo tamin’izany ny fanamboarana zezika compost, amin’ny fampiasana ireo akora organika azo avy amin’ny tontolo iainana sy ny asa fambolena. Izany dia manampy amin’ny:
🌿 fanatsarana ny fahasalaman’ny tany,
🌱 fampitomboana ny vokatra,
♻️ fampihenana ny fampiasana zezika simika,
💚 fiarovana ny tontolo iainana,
👩‍🌾 ary fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahaleovantenan’ireo vehivavy tantsaha.

🤝Ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny FARM Menabe dia maneho fa azo atao tsara ny mampifandanja ny famokarana ara-pambolena, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fanatsarana ny fari-piainan’ny tokantrano.

🌍 Tany salama = Fambolena maharitra = Vokatra tsara = Fiainana tsaratsara kokoa.

🌿 FARM ANÔSY : FANENTANANA SY FANITARANA NY TAMBAJOTRAN’NY VEHIVAVY TANTSAHA TAO AMIN’NY KAOMONINA RANOMAFANANy Alakamis...
01/09/2026

🌿 FARM ANÔSY : FANENTANANA SY FANITARANA NY TAMBAJOTRAN’NY VEHIVAVY TANTSAHA TAO AMIN’NY KAOMONINA RANOMAFANA

Ny Alakamisy 27 Aogositra 2026, dia nanatanteraka fanentanana tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ranomafana, 63km miala an’i Fort-Dauphin, ny FARM ANÔSY .

Solontena maromaro avy amin’ny fikambanam-behivavy enina no nandray anjara tamin’izany. Nampahafantarina azy ireo ny vina, ny tanjona ary ny asa tanterahin’ny FARM ho fanohanana sy fampivoarana ny vehivavy tantsaha.

Naneho fahavononana avy hatrany izy ireo ary hita taratra ihany koa ny firaisankina sy ny hetaheta hivoatra, indrindra eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fihariana.

✨ Rehefa mandroso ny vehivavy tantsaha, dia mandroso ny fianakaviana ary miroborobo ny fiarahamonina.

🤝 FARM ANÔSY — Miara-mientana ho an’ny fizakan-tenan’ny vehivavy sy ny fampandrosoana maharitra.

Address

Mahamasina
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FARM Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to FARM Madagascar:

Shortcuts

Share