Lovitao aho

Lovitao aho " Fo mahery sy fanajana ny hafa no hitondra an'ise lavitra raha hiaina ao anaty ala "✌💖

27/07/2026

🎁MISY OLONA 1 ,
tsara vintana ato amintsika mpanaraka ny pejy ato.

Iza ary?

Mino aho fa salama tsara ise !
Henoy, henoy tsara ary.

Miaramirindra 22 ème
Andiany Seeonee 22 ème
Voronkely Betafo Fanavaozana

11/06/2026

❌⚠️TANDREMO TENA TANDREMO NY TOY ITONY RY RAY AMAN-DRENY. ⚠️❌

01/06/2026

Akela an'ny Andiany Seeonee 22 ème 🥰❤❤❤❤

❌❌❌TONGA DIA HAJANONY ILAY AO IZAY AO AN-TSAINAO ❌❌❌HTEM izao, mandeha! Tsy misy resaka be fa mandehana.Na dia hanao pré...
23/05/2026

❌❌❌TONGA DIA HAJANONY ILAY AO IZAY AO AN-TSAINAO ❌❌❌

HTEM izao, mandeha!
Tsy misy resaka be fa mandehana.
Na dia hanao présence fotsiny ary.

Hitako eto manko fa kamokamo ianao, fa mandehana.

Asehoy hoe velona ny fivondronana.
Asehoy hoe tena fikambanana velona ny TEM.

Mazotoa ry ise dia mba tantarao anay ao anaty commentaire any ny HTEM anareo. 😍

SFH 🇲🇬Lovitao Aho
12/05/2026

SFH 🇲🇬
Lovitao Aho

📢 HERINANDRO SAFE FROM HARM (SFH)

“Kolontsain’ny Fiarovana eo anivon’ny Skotisma”
Mandritra ity herinandro manokana natokana ho an’ny Safe from Harm (SFH) ity dia hisy hetsika sy fampahafantarana maro hatao, ho fanamafisana fa ny mpikambana rehetra eto anivon'ny skotisma, dia tokony hiaina ao anaty tontolo azo antoka sy ho lavitry ny herisetra.
✨ Ireto avy ny fandaharana mandritra ny herinandro :

🔸 ANDRO 1 sy ANDRO FAHA 2
Fampahafantarana ny lohahevitra :
“Kolontsain’ny Fiarovana eo anivon’ny Skotisma”
🔹 Inona no atao hoe kolontsain’ny fiarovana?
🔹 Nahoana no ilaina ny Safe from Harm?
🔹 Ahoana no hananganantsika tontolo azo antoka ho an’ny rehetra?

🔸 ANDRO FAHA 3
Toe-tsaina sy fitondran-tena tokony hananana mba hahatonga ny tontolo ho azo antoka sy voaaro
💥 Varavarana Misokatra (Portes ouvertes)
🔹 Fampahafantarana ny :
Safe from Harm (SFH)
Listening Ears
Rafitra fiarovana misy eo anivon’ny Skotisma
🔹 Atrikasa sy fifanakalozana (Atelier)
🔹 Consultation sy fihainoana
🔹 Fampahafantarana ny fomba fandraisana fitarainana :
Iza no antsoina?
Aiza no manatona?
Inona ireo dispositif efa misy?

🔸 ANDRO FAHA 4
Fomba samihafa hiarovantsika sy hifanampiana hiaro ny tsirairay
🔹 Fampahatsiahivana ireo fihetsika tsara tokony hananana
🔹 Fiarovana ny ankizy, tanora ary olon-dehibe
🔹 Fanajana ny zon’ny tsirairay

🔸 ANDRO FAHA 5
🎮 Lalao sy “Quiz” momba ny Safe from Harm (SFH)
🔹 Fanontaniana sy valiny
🔹 Lalao fanabeazana
🔹 Fanamafisana fahalalana momba ny fiarovana

🔸 ANDRO FAHA 6
“Ny olon-dehibe ao amin’ny Skotisma : ny anjara andraikitry ny fitarihana amin’ny fampandrosoana ny fiarovana eo anivon’ny Skotisma.”
🔹 Andraikitry ny mpitarika
🔹 Fitondran-tena mendrika sy tompon’andraikitra
🔹 Fananganana tontolo azo antoka sy manaja ny rehetra

🔸 ANDRO FAHA 7
🔥 Afondasy eny anivon’ny Fivondronana sy Faritra
Lohahevitra :
“Fizarana traikefa momba ny fiarovana ny tanora sy ny ankizy.”
🔹 Fizarana traikefa
🔹 Fifanakalozana sy fijoroana vavolombelona
🔹 Fanamafisana ny fiaraha-miaro

✨ Miara-manangana Skotisma azo antoka, manaja ny zon’ny tsirairay ary miaro ny mpikambana rehetra.


03/05/2026

Misy mbola tsy mahay ?

26/04/2026

Hilalao sa tsy hilalao? 🤩

24/04/2026

📢📢📢QUIZ 📢📢📢
Mbola ato daholo vé?
raha hizara loka ny admin ?

23/04/2026

🎁 BILLET MAIMAIMPOANA 🎁
Ho an'ny olona 2 tsara vintana.

Mividy 1 ianao dia possible mahazo billet 1 gratuit.

🔴🔴🔴Conditions : commentaire bé réactions indrindra. 🔴🔴🔴
1️⃣ Manao fanentanana ao @ commentaire hoe tongava mijery Anjomara sy Rija Ramanantoanina. 😍
2️⃣ Tagué ny namanao 1 tianao hiaraka aminao amin'io fotoana io. 🥰

Faran'ny lalao antsika.

✅ Jeudi 20h
✅ Vendredi récupération billet à Andranomena.
✅ Samedi Ilay fotoana.

Conditions de participation nandefa 5000Ar. Paiement alefa Mvola au 034 29 920 62 (Famenontsoa Jessie).

ny asan'Andriamanitra tsara tohana ianao hahazo haim-panahy indray. 😍😇

Ho an'iza Ary ilay billets 2?

Fiarahamiasa :
Miaramirindra 22 ème
Lovitao aho

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Lovitao aho posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share