Union of Committed Youth

Call Directions Website Contact the organization

Union of Committed Youth Tanora sahy ka tsy ho be ahiahy. Ny ho avy hiara mibanjina ary hamiratra ny tanjona. Tsidio sy araho ny pejy fa maro ny fizarana mahasoa !

Mety hahita asa iray ianao ka hieritreritra hoe:👉 “Ity mihitsy no asa tadiaviko!” 😍Mahaliana anao ilay asa, mifanaraka a...
15/09/2026

Mety hahita asa iray ianao ka hieritreritra hoe:
👉 “Ity mihitsy no asa tadiaviko!” 😍

Mahaliana anao ilay asa, mifanaraka amin’ny fahaizanao, ary tena tianao ny andraikitra voalaza.

Kanefa… rehefa manomboka miasa ianao vao mahita fa tsy araka ny noeritreretinao ilay izy. 😕

⏰ Tsy mety aminao ny ora fiasana.
📍 Lavitra be ny toerana iasana.
💰 Tsy araka ny nampoizinao koa ny karama na ireo tombontsoa azo.

Tsy voatery hoe ratsy ilay asa. Mety fotsiny hoe tsy mifanaraka aminao ny fepetra iasana.

👉 Aza maika hanaiky asa noho ny anaran’ilay toerana fotsiny. Fantaro aloha izay tena miandry anao ao. 🚀

🎯 MAHITA ASA, MANDEFA CANDIDATURE… DIA REHEFA VOARAY, VAO HITA FA TSY METY AMINAO ILAY ASA.Mitranga matetika izany.Mahit...
08/09/2026

🎯 MAHITA ASA, MANDEFA CANDIDATURE… DIA REHEFA VOARAY, VAO HITA FA TSY METY AMINAO ILAY ASA.

Mitranga matetika izany.

Mahita offre d’emploi ianao. 👀
Hitanao hoe misy poste, misy karama, dia hoy ianao:

👉 « Alefa ihany ny candidature, sao voaray. »

Voaray ianao. 🎉

Fa rehefa tena manomboka miasa…

😕 Tsy araka izay noeritreretinao ilay asa.
😓 Tsy dia mifanaraka amin’ny fahaizanao ireo asa atao.
😩 Lasa tsy mazoto mandeha miasa.
😔 Ary indraindray aza, vao mainka kivy rehefa mieritreritra hoe:
« Izany ve no asa hataoko isan’andro? »

Tsy hoe ratsy ilay asa akory.

Fa mety hoe tsy fantatrao tsara fotsiny ilay asa talohan’ny nidiranao tao.

Izany no mitranga rehefa intitulé na karama fotsiny no jerena, fa tsy fantatra hoe:

🛠️ Inona marina no andraikitra?
🧠 Inona ireo fahaiza-manao ilaina?
🎯 Mifanaraka aminao ve?
📈 Inona no mety ho évolution?

💡 Satria tsy ny asa rehetra misy offre no voatery ho asa mety aminao.

👀 Mahita offre d'emploi mahaliana ve ianao, nefa mbola tsy azonao tsara hoe inona marina ilay asa ary mety aminao ve iza...
03/09/2026

👀 Mahita offre d'emploi mahaliana ve ianao, nefa mbola tsy azonao tsara hoe inona marina ilay asa ary mety aminao ve izany ?

💡 Ny fahalalana tsara ny tontolon'ny asa dia manampy amin'ny fanaovana safidy mazava sy voahevitra tsara ho amin'ny hoavy matihanina.

📅 Araho mandritra ity volana Septambra ity ny pejy hahazoanao informations, conseils ary repères hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny tontolon'ny asa.

🔹 Asa mifanaraka amin'ny tenanao fa tsy mijabaka
Ahoana no ahafantarana ny asa mifanaraka amin'ny compétences, ny intérêts ary ny tanjonao ?

🔹 Inona avy ireo fepetra sy zavatra tokony ho fantatra momba ny tontolon'ny asa ?

🔹 Ireo asa azon'ny tanora atao eto Madagasikara, araka ny sehatra.

🔹 Ireo orinasa eto Madagasikara manolotra opportunités matetika.

⏰ ENTRETIEN D’EMBAUCHE : TONGAVA ARA-POTOANA ! 💼Ny fahatongavana ara-potoana dia mampiseho fa mandray am-pahamatorana il...
29/08/2026

⏰ ENTRETIEN D’EMBAUCHE : TONGAVA ARA-POTOANA ! 💼

Ny fahatongavana ara-potoana dia mampiseho fa mandray am-pahamatorana ilay entretien ianao. 👔✨

Rehefa manana rendez-vous amin’ny recruteur ianao:

📍 Fantaro mialoha ny toerana haleha.
🚗 Kajio ny fotoana mety handehanana, indrindra raha misy embouteillage.
⏳ Omeo marge de sécurité foana ny tenanao.
📱 Aza adino koa ny mijery mialoha raha misy fiovana na hafatra momba ilay rendez-vous.

💡 Tsarovy : Ny fahatongavana tara dia mety hanakorontana ny fiandohan’ny entretien, raha ny fahatongavana ara-potoana kosa dia manampy anao hiditra ao amin’ny entretien am-pitoniana sy am-pahatokisana. 💪

🎯 Miomàna mialoha, mandehana aloha, ary tonga ara-potoana! 🚀

🎤 « Lazalazao kely ny momba anao. » Fanontaniana tsotra, nefa tena zava-dehibe amin’ny entretien. Matetika io no anisan’...
26/08/2026

🎤 « Lazalazao kely ny momba anao. »

Fanontaniana tsotra, nefa tena zava-dehibe amin’ny entretien. Matetika io no anisan’ny fanontaniana voalohany apetraky ny recruteur, ka aza miandry vao hieritreritra ny valiny. 💼

💡 Rehefa mamaly:
🎓 Lazao fohy ny momba ny fianaranao sy ny parcours-nao
💼 Asongadino izay expérience mifandray amin’ilay poste
🛠️ Lazao ireo compétences tena ilaina
🎯 Farano amin’ny antony mahaliana anao amin’ilay poste

⚠️ Ny tanjona dia ny hahafantaran’ny recruteur hoe iza ianao, inona no hainao, ary inona no azonao entina ao amin’ilay poste.

✨ Miomàna mialoha, fa rehefa tonga ny fotoana dia matokia tena ary mitenena am-pahatsorana.

👔 Entretien d’embauche : ny fitafianao koa dia miteny momba anao. 💼Alohan’ny hanombohanao miteny aza, dia efa misy zavat...
17/08/2026

👔 Entretien d’embauche : ny fitafianao koa dia miteny momba anao. 💼

Alohan’ny hanombohanao miteny aza, dia efa misy zavatra hitan’ny recruteur voalohany : ny fomba hisehoanao. 👀

Tsy midika akory izany hoe mila akanjo lafo na très chic ianao. Ny tena zava-dehibe dia ny hoe madio, mendrika ary mifanaraka amin’ny tontolo professionnel ny fitafianao. ✨

💡 Ny tenue mety dia afaka manampy anao:
✨ hahatsapa ho matoky tena kokoa
✨ haneho fahamatorana sy sérieux
✨ hamorona première impression tsara
✨ hifanaraka amin’ny image professionnelle tadiavinao.

🎯 Tsarovy : Tsy ny akanjo no hahazoanao ilay poste, fa afaka manampy anao haneho amin’ny fomba tsara kokoa ny maha-professionnel anao.

🚀 Miomàna tsara, misehoa tsara, ary mandehana amin’ny entretien am-pahatokisana!

🔎 Entretien d’embauche: aza tonga fotsiny, fa tongava vonona! 💼✨Maro ny candidat no mifantoka amin’ny hoe “Inona no hava...
12/08/2026

🔎 Entretien d’embauche: aza tonga fotsiny, fa tongava vonona! 💼✨

Maro ny candidat no mifantoka amin’ny hoe “Inona no havaliko rehefa manontany ahy ny recruteur?”
Kanefa misy zavatra iray tena ilaina : ny fiomanana mialoha.

Rehefa fantatrao tsara ilay entreprise sy ilay poste tadiavinao, dia lasa mora kokoa ny miteny am-pahatokisana sy manome valiny mifanaraka amin’izay tadiavin’ny recruteur. 🎯

💡 Ny fiomanana tsara dia manampy anao :
✨ haneho fahatokisan-tena
✨ hamaly amin’ny fomba mazava
✨ haneho fa tena liana amin’ilay poste ianao
✨ ary hisongadina kokoa amin’ireo candidats hafa.

🚀 Aza miandry ny andro entretien vao manomboka miomana. Ny fahombiazana dia manomboka amin’ny fiomanana!

📞 TANDREMO !Mety ho segondra vitsy monja... nefa afaka manova ny hoavinao.Rehefa miantso ny recruteur dia maro ny candid...
05/08/2026

📞 TANDREMO !
Mety ho segondra vitsy monja... nefa afaka manova ny hoavinao.

Rehefa miantso ny recruteur dia maro ny candidat no :
❌ Mamaly amin'ny feo torovana na tsy matihanina. Miteny hoe: "Allô, iza io?", "Ahoanaaa!"
❌ Any amin'ny toerana be tabataba
❌ Tsy mandray an-tsoratra ireo détails momba ny entretien (toerana, ora, olona hatonona)
❌️ Tsy miomana mamaly ireo fanontaniana mety hipetraka (ohatrinona prétention salariale anao, aiza ho aiza ianao mipetraka...)

Kanefa...
💡 Ny antso voalohany dia efa ampahany amin'ny recrutement.
Ny fomba firesakao, ny fanajanao ary ny fahavononanao dia efa mamela fahatsapana voalohany amin'ilay recruteur.

🎯 Koa raha mitady asa ianao, dia raiso ho zava-dehibe ny antso izay voarainao.

👉 Araho hatrany ny pejy fa mbola hizara conseils sy astuces maro izahay hanampy anao hahomby amin'ny fitadiavana asa. 🚀

Nahazo antso hanao entretien ve ianao, nefa tsy fantatrao izay hatao? 🤔Mandritra ity volana ity dia hizara tips, astuces...
01/08/2026

Nahazo antso hanao entretien ve ianao, nefa tsy fantatrao izay hatao? 🤔

Mandritra ity volana ity dia hizara tips, astuces ary conseils pratiques izahay hanampy anao hiatrika entretien am-pahatokisana.

📌 Hianarantsika miaraka:
✅ Ahoana no hiomanana alohan’ny entretien?
✅ Inona avy ireo fanontaniana matetika mipetraka?
✅ Inona avy ireo fahadisoana tokony hialana?
✅ Ary torohevitra maro hafa hanampy anao hampitombo ny vintanao hahazo ilay asa.

💡 Tsarovy : Ny CV no mampahazo anao antso, fa ny entretien no fotoana hanehoanao ny maha-ianao anao sy handresena lahatra ny recruteur.

👉 Araho tsy tapaka ny pejy, fa mbola maro ireo conseils sy astuces hozaraina mandritra ity volana ity. 🚀

📸 Ny volana Jolay an-tsary tato amin'ny UCY 💛💡 Fizarana torohevitra mahasoa🔎 Fanomezana torolalana sy teknika maro🎯 Fana...
30/07/2026

📸 Ny volana Jolay an-tsary tato amin'ny UCY 💛

💡 Fizarana torohevitra mahasoa
🔎 Fanomezana torolalana sy teknika maro
🎯 Fanamorana ny fitadiavana asa mifanaraka amin'ny toetra

💰 Hafahan'ireo tanora mahaleo tena sy mandray an-tanana ny hoaviny.

Vokatra mahafaly ny mahita nandritry ny volana :
⚡️ Fivoarana toe-tsaina
👍 Fiovan'ny fihetsika
✨️ Fahafantarana ny maha izy azy ny tenany

🎉Faly miarahaba azy ireo noho ny fahazotoana sy faharetana.

🫶 Niatevina ny fianakaviam-be an'ny UCY ankehitriny !!

Address

Malaho Bevalala
Antananarivo
102

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Union of Committed Youth posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Union of Committed Youth:

Shortcuts

Share