Union of Committed Youth

Union of Committed Youth Tanora sahy ka tsy ho be ahiahy. Ny ho avy hiara mibanjina ary hamiratra ny tanjona. Tsidio sy araho ny pejy fa maro ny fizarana mahasoa !

โŒTsy mora ny mahazo asa !โŒMila TEKNIKA tokoa. Izay no namoronana ny Programa UCY. ๐Ÿ‘ฉโ€๐ŸซHahafahanao mianatra izany mandritr...
04/06/2026

โŒTsy mora ny mahazo asa !โŒ
Mila TEKNIKA tokoa.

Izay no namoronana ny Programa UCY. ๐Ÿ‘ฉโ€๐Ÿซ
Hahafahanao mianatra izany mandritry ny 1 volana (in-droa isan-kerinandro)๐Ÿ“

๐ŸšจTongava amin'ny Alahady izao raha te hahafantatra mimisy kokoa.

๐Ÿ“ฉMidirร  mp raha hisoratra anarana๐Ÿ˜‰

โšกHo an'ny Tanora eto ANTANANARIVOโšก๐Ÿ“Fiofanana momba ny teknika fitadiavana asa !  ๐Ÿ“ฉ Midira mp raha liana amin'izany ianao...
03/06/2026

โšกHo an'ny Tanora eto ANTANANARIVOโšก
๐Ÿ“Fiofanana momba ny teknika fitadiavana asa !

๐Ÿ“ฉ Midira mp raha liana amin'izany ianao !

02/06/2026

๐Ÿ”Ato amin'ny UCY, afaka mianatra ny fomba mahomby fitadiavana asa ianao !

โšกMba hahita vokatra, mba ho voaray amin'ny asa tianao atao.โšก

๐Ÿ“ฉ Midirร  mp raha te hisitraka an'izany.

Call now to connect with business.

27/05/2026

๐Ÿ“Bediabe no manontany hoe AIZA marina no misy ny Centre UCY !

Ho an'ireo izay hanatrika ny sรฉance d'information amin'ny Asabotsy izao.

๐Ÿ’กIndro ary ny repรจre :
- Miala eo amin'ny arrรชt Tsena Andoharanofotsy
- Mandroso mandeha tongotra mandeha direction Iavoloha
- Mahita Gastro, Boa, dia avy eo plaque pharmacie Andoharanofotsy ary trano Aurlac
- Mitsofoka pavรฉ eo amin'ny trano Aurlac mivily pavรฉ Ramaroson
- Mandroso hatrany, mahita รฉcole Platoni, รฉcole Piitchoun
- Eo amin'ny bifurcation Mahatsangy, midina mandroso
- Mahita Tuile Maurice, arrรชt pouce Bisikleta, mandroso
- Mahita Quicaillerie Kanto dia eo ampita eo mitsofoka dia TONGA !!

Misy plaque UCY, vavahady mena UCY, afaka tonga dia mandroso fa vonona handray anao izahay

โ—๏ธPs :
- Afaka mandeha posyposy
- Tsy tonga any amin'ny 4 chemins Ambohimanala fa aty aloha
- Aty aloha kely ny Bar Sonya malaza be no misy an'ny UCY

๐Ÿ“žAFAKA MIANTSO NY 034 22 966 58 ihany koa !

22/05/2026

Ity ary ilay nandrasana !

Mampiditra mpiofana andiany manaraka indray izahay.

Ho anao izay mitady asa fa tsy mbola voaray hatramin'izao.
Indraindray, tsy ny finiavana no tsy ampyโ€ฆ
fa ny fomba fitadiavana asa no mbola tsy nisy nampianatra.

Tongava aminโ€™ny sรฉance dโ€™information UCY, ety aminโ€™ny Centre UCY Ambohimanala, Andoharanofotsy, aminโ€™ny 30 Mai manomboka aminโ€™ny 9 ora maraina.
Raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy ny laharana 0342296658

๐Ÿ”ฅ Misy zava-baovao lehibe miomana ao aminโ€™ny UCYโ€ฆ ๐Ÿ‘€๐Ÿš€Nihaona ireo mpilatsaka an-tsitrapo nanomana ny dingana manaraka โœจFo...
11/05/2026

๐Ÿ”ฅ Misy zava-baovao lehibe miomana ao aminโ€™ny UCYโ€ฆ ๐Ÿ‘€๐Ÿš€

Nihaona ireo mpilatsaka an-tsitrapo nanomana ny dingana manaraka โœจ
Fotoana nifampizarana hevitra, nanamafisana ny vina sy ny soatoavina iombonana, ary nijerena ireo tetikasa ho avy ๐Ÿ”ฅ

05/05/2026

๐ŸŒฑ Tsy fiofanana fotsiny no noraisiny teto aminโ€™ny UCYโ€ฆ fa fahatokisan-tena, herim-po ary fanantenana vaovao! โœจ

Tena mampahery anay ny mahita tanora manomboka mahafantatra ny tanjony, ary sahy mandray andraikitra aminโ€™ny hoaviny. ๐Ÿ’ช

Ato aminโ€™ny UCY, tsy mampiofana fotsiny izahay.
Fa manokatra sehatra hahafahanโ€™ny tanora mitombo, mivelatra, ary miomana tsikelikely hiditra aminโ€™ny tontolonโ€™ny asa ๐Ÿš€

๐Ÿ“ฉ Raha te hisitraka izany koa ianao, midira MP fa efa akaiky ny fidirana manaraka !

Atao inona ny stage โ“๏ธDingana indraindray hamaivanintsika tanora kanefa zava-dehibe. Mandritry ny stage ianao dia afaka ...
27/04/2026

Atao inona ny stage โ“๏ธ

Dingana indraindray hamaivanintsika tanora kanefa zava-dehibe.

Mandritry ny stage ianao dia afaka :
โœจ๏ธMampifandray ny teoria sy ny tena asa
โœจ๏ธMahazo traikefa matihanina
โœจ๏ธMianatra mampiasa fitaovana misy ao aminโ€™ny orinasa
โœจ๏ธMianatra ny fomba fitondrana tena eo aminโ€™ny asa : fifehezana fotoana, fifandraisana aminโ€™ny mpiara-miasa, fanajana ny fitsipika.

โ—๏ธMatetika ny orinasa manome asa avy hatrany ireo nanao stage tao aminy.

โšก๏ธEo aminโ€™ny CV, ny stage dia porofo fa efa niatrika ny tontolo ny asa ianao.
Mpampiasa maro no mitady olona efa manana traikefa, na dia stage fotsiny aza izany.

๐Ÿ’กAminโ€™ny alalanโ€™ny stage koa dia tsapanao raha tena tianao na tsia ny asa ao aminโ€™ny sehatra nianaranao.
Mety hanokatra maso anao aminโ€™ny asa hafa tsy noeritreretinao mihitsy.

๐ˆ๐๐Ž๐๐€ ๐๐Ž ๐™๐€๐•๐€๐“๐‘๐€ ๐€๐๐„๐“๐‘๐€๐Š๐€๐Ž ๐‡๐Ž ๐€๐Œ๐๐Ž๐๐˜ ๐ˆ๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐๐ƒ๐‘๐€ ๐„๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐…๐ˆ๐€๐ˆ๐๐€๐๐€๐Ž ? ๐Ÿ‘‰ Rehefa laharamam-pamehana ho anao ny zavatra ira...
21/04/2026

๐ˆ๐๐Ž๐๐€ ๐๐Ž ๐™๐€๐•๐€๐“๐‘๐€ ๐€๐๐„๐“๐‘๐€๐Š๐€๐Ž ๐‡๐Ž ๐€๐Œ๐๐Ž๐๐˜ ๐ˆ๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐๐ƒ๐‘๐€ ๐„๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐…๐ˆ๐€๐ˆ๐๐€๐๐€๐Ž ?

๐Ÿ‘‰ Rehefa laharamam-pamehana ho anao ny zavatra iray dia midika izany fa izy no mifehy ny fomba fandanianao fotoana, hery ary vola.

๐Ÿ’โ€โ™€๏ธ Fianakaviana sy fifandraisana akaiky ve ?
๐Ÿ’โ€โ™‚๏ธNy olona tia antsika sy manohana antsika ve ?
๐Ÿ’โ€โ™€๏ธFivoarana manokana (fianarana, asa) ve ?
๐Ÿ’โ€โ™‚๏ธFahatomombanana ara-panahy ve ?
๐Ÿ’โ€โ™€๏ธFialamboly ve ?

๐๐š๐ก๐จ๐š๐ง๐š ๐ง๐จ ๐ฌ๐š๐ซ๐จ๐ญ๐ซ๐š ๐ง๐ฒ ๐ฆ๐š๐ฆ๐ž๐ญ๐ซ๐š๐ค๐š ๐ฅ๐š๐ก๐š๐ซ๐š๐ฆ-๐ฉ๐š๐ก๐š๐ฆ๐ž๐ก๐š๐ง๐š?
Matetika isika no voasariky ny โ€œmaikaโ€ fa tsy ny โ€œmanan-danjaโ€.
Ny fanerena avy any ivelany (fianakaviana, tambajotra sosialy, kolontsaina) dia mety hanova ny filanao tena izy.

โšกFantaro koa fa mety hiova ny laharam-pahamehanao arakaraka ny vanim-potoana

โšกRaha tsy mazava ny laharam-pahamehanao dia mety ho very lalana ianao ka hany tsy hahavita na inona na inona.

๐“๐จ๐ซ๐จ-๐ก๐ž๐ฏ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐ก๐š๐ฆ๐š๐ซ๐ข๐ญ๐š๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐ฅ๐š๐ก๐š๐ซ๐š๐ฆ-๐ฉ๐š๐ก๐š๐ฆ๐ž๐ก๐š๐ง๐š๐จ
1. Mametraha fotoana mangina : mieritrereta hoe โ€œInona no tena zava-dehibe amiko raha mijery ny 5 na 10 taona ho avy aho?โ€
2. Soraty ny lisitrao : asio laharana 1, 2, 3โ€ฆ mba hahitanao mazava.
3. Ampifanaraho aminโ€™ny fiainanao andavanandro : jereo raha mifanaraka aminโ€™ny laharam-pahamehanao ny fotoana lany androany.
4. Aza matahotra milaza โ€œtsiaโ€ : rehefa fantatrao ny zava-dehibe aminao dia mora kokoa ny mandร  izay tsy mifanaraka aminโ€™izany.

๐Ÿ’กHitady asa nefa aiza no ahitana mihoatranโ€™ireo izay efa hita ato aminโ€™ny Facebook ?๐ŸŒ Maro ireo tranonkala izay ahafahan...
11/04/2026

๐Ÿ’กHitady asa nefa aiza no ahitana mihoatranโ€™ireo izay efa hita ato aminโ€™ny Facebook ?

๐ŸŒ Maro ireo tranonkala izay ahafahantsika mahita tolotra asa, anisanโ€™izany ny Portaljob izay manome fanazavana misimisy kokoa antsika mombanโ€™ilay asa sy ireo fepetra.

โœจ๏ธNy mampiavaka azy ?

๐Ÿ‘Manana safidy ianao aminโ€™ny fomba handefasana anโ€™ny CV anao, na par email na ao aminโ€™ny tranonkala no tonga avy hatrany mametraka azy raha manana kaonty Portaljob ianao na mamorona kaonty aloha dia mameno ny mombamomba anao.

๐Ÿ‘Tsy voatery mandefa email bediabe fa mijery tolotra dia mipostule avy hatrany dia efa ao anatinโ€™iny kaonty iny ny CV sy ny mombamomba anao.

๐Ÿ‘Tsy mila mitotototo mitady ny email anโ€™ireo recruteur intsony.

๐Ÿ‘No sady afaka mitady tolotra mifanaraka amin'izay fianarana na fiofanana izay nataonao ianao.

Address

Malaho Bevalala
Antananarivo
102

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Union of Committed Youth posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Union of Committed Youth:

Share