12/10/2025
Maro be ny fironana hebreo eto ambon’ny tany miresaka ny hoe tsy maintsy kohen (mpisorona), Eveque (@ finoana kristianina) no mpampianatra sy mpitarika vao mety !
Rivotra be mitsoaka eto madagascar koa io ! Aleo resahina sao miditra any vala mahavery ny olona :
Izao no faminaniana ny @ mpampianatra ny lalana any am-parany :
Deotoronomia 18:15 Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin'ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan'i יהוה Elohim’nao ho anao; izy no hohenoinareo;
Noraisin’ny arabo io teny io ka nolazainy fa izy no ambara eo, valiny dia rahalahan’ny Levy no resahana eo fa tsy rahalahan’ny Itsaak !
Avy amin’ny anarako : ny finoana Musulim aza tsy mahalala ny IHWH akory !
Deotoronomia 18:18 Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin'ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.
Deotoronomia 18:19 Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin'ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.
Eo izany dia misy io mpaminany hampianatra ny lalana io ! Tsy avy fokon’ny Levy io ary tsy azo vazivaziana io ka izay tsy mihaino azy io dia hahita raraha !
Averina foana ny fanotaniana : Kohen avy Aharon ve io sa Levita sa Ismaelita ?
Tsapa ary hita @ fampianarin’ireo misoratena ho Évêques na kohen maneran-tany fa tsy manaraka ny tena fitsipika ny fampianarany !
Aiza koa no misy faminaniana tena manahirana momba resaka kohen na eveques io ao @ Tanakh (test.taloha)
Salamo 110:4 Efa nianiana יהוה ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka.
Misy mpisorona mandrakizay voalaza eo !
AOKA HISAINA TSARA FA OLO-TOKANA NO VOALAZA EO fa tsy hoe : ianareo no mpisorona mandrakizay !!
Aoka hitandrina ! Tsy Aharon no resaka eo satria raha olona dia mety maty ny olona, Dadabe Aharon efa nody mandry, zava-boary velona mandrakizay izany ity ambaran’ny faminaniana eto ity !
Ahoana anefa ny fisoronana t@ andron’io Melkitsedeka io ? Ary iza no mpiara mpiasa taminy ?
Mpanjaka tao Salem izy io, resahina fa t@ andron’i Avraham Raintsika sy Sarah !
Genesisy 14:18 Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra m**o sy divay; ary izy dia mpisoron'’i Avo Indrindra.
Eto dia misy zavatra entiny : m**o sy divay !
Famatarana iray io !
Aiza ilay Salem resahina ?
Salamo 76:2 Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
Mino aho fa azonao ny tiako ambara ny @ toerana misy azy fony vanim-potoana ny Patriarka
Rehefa tonga ny fahatanterahan’ny faminaniana ao Daniel mpaminany
Daniela 9:26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana kadosh (sainte); ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.
Mialoha ny nafatesan’io Mesia io dia inona no nitranga ?
Miverina aty Vanim-potoana tsy nisy mpanjaka teo @ Israely isika :
Fony i Ely no mpisorona izay taranaky Aharon kanefa nisy tranga niteraka fiovana teny @ rafitra hiseho any aorina
1 Samoela 2:30 Koa izany no anaovan'i יהוה, Elohim’ ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy יהוה, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
Sanatria Ahy izany : eo dia niova ny drafitra
1 Samoela 2:31 Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin'ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao.
Tsy haharitra izany ireo taranaka ireo
1 Samoela 2:35 Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay izy.
Mazava fa hiova io rafitra io ka ilay voalazan’i Mosesy etsy ambony hoe avy @ rahalahinao dia tsy Levita ary koa hitsahatra ny Levita indray andro any !!
Efa nisy ve izany ?
Ny olona mahay ny lalana na torah dia mahalala fa ny Levita sy ny mpisorona no manangona ny ampahafolony vokatra tao @ faritan’ny Israel ary mitety tanana !
Jereo anefa inty tranga inty araka ny tantara :
Asan'ny Apostoly 4:36 Ary Josefa, izay nataon'ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany,
37 dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
Fa anga ny Levita kely no ho ny apostoly ???
Maro be ny tantara ao fa tsy irery ary tokony ho dinihika tokoa
Nisy mpampianatra Torah na lalana mialohan’io tranga io nananatra mafy ny Levita :
Matio 23:23 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
Hita @ ireo olona mampianatra milaza ny tenany fa Levita hatramin’izao fa resaka vola sy Ampahafolony aterina ho an’ny Levita ary fanadratatena no misy kanefa dia tsy mipetraka ny rariny sy famindram-po ary ny tena finoana !!
Lasa mipetraka any @ resaka fitafy sy fisehoana aza fa adino ireo zavatra voalaza 3 ireo !
Mbola hitohy izao fizarana izao ! Aza mamita-tena isika : maro loatra ireo milaza kohen eto madagascar !! Levita ve no mpiara miasa @ Mashiah (Mesia) na Melkitzedeka ?
Iza ireo mpiara miasa @ Mashiah ?? Ary inona no andraisany azy ?
Raha ny Mashiah no Melkitsedek ; ahoana no andraisany ny mpiara miasa aminy
Araka ny torah na ny lalana dia ny taranaky Aharon no kohen ary ny levita no mpiara miasa aminy !
Ka hoy aho hoe raha ny Mashiah no Mpisorona araka ny fanaon’i Melkitsedek dia misy mpanompo namany ve ao ?
Iza no mpiara miasa aminy ?
Jaona 15:14 Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.
Jaona 15:15 Tsy hataoko hoe mpanompo (Eved) intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny Lehibeny fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo.
Raha io lehilahy io no Mesia ka izany no ambarany dia aza gaga fa maro no tsy mahalala ny ataon’ny lehibeny ka maro ny fampianarana miovahova etsy sy eroa, aoka hisaina tsara isika : TSY MAHALALA hoy IZY !!! Omaly izy Miantso Yeshua anio izy .... hita eny io
Ny mesia tokoa ve ny kohen araka ny fisoronan’i Melkitsedek ???
Mazana ireo milaza fa kohen dia tsy mandray ny boky ketovim Notzrym na ireo boky tantara nosoratan’ireo atao hoe Apostoly
Ny Apostoly Paoly aloha no laviny nefa anie ka adinony fa fariseo io lehilahy io ,!?: ary tena mahay torah ! Tsy hiresaka momba izany isika fa mbola ho avy ny fotoana !
Noresahina t@ ireo hebreo t@ izany fotoana izany fa ny Mashiah no kohen gadol - mpisorona be !!!
Hebreo 5:5 Dia toy izany koa Mesia: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7);
Hebreo 5:6 ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).
Tsy maro be ny kohen fa tokona eto ! Ary ny asan’ireny kohen ireny dia tsy mahavoavonjy fa ento ampisainana ry mpanaraka ny pejy !!!
Sao re ka tafiditra @ fampianarana hafahafa !
Hebreo 7:11 Koa raha nisy fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona?
Hebreo 7:12 Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
IZA NO NANAOVA NY LALANA ? Valiny ilay nanome ny faminaniana : Davida ve sa Mosey sa ny Mesia ???
Hebreo 7:14 Fa hita marimarina fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny Mesia, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona.
Hebreo 7:17 Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).
Hebreo 7:18 Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany
Mandray ohatra isika : didy no nametrahana ny praiministra Ntsay Chrisitian ary didy ihany no hanafoana ny fanendrena azy ka ilay manao ny didy no manao izany !
T@ andron’ny mpisorona Ely no efa nilaza ny Avo indridra momba io taranaky Aharon io !
Tokana ny kohen dia ny Mashiah ! Aoka hitandrina mbola ho resahina be be kokoa ny tranga sy tantara t@ andron’ny mashiah satria misy hilaza hoe mbola nisy fisoronana tao @ tempoly ! Marina izany fa @ fizarana manaraka ny tsara ho fantatra !!