Pejy Love Chapel Madagascar

Pejy Love Chapel Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Pejy Love Chapel Madagascar, Nonprofit Organization, Antananarivo.

Aoka tsy ho diso ity fotoana ity hianao na inona antony na inona.Zava-dehibe ny mamarana ary manomboka ny taona iray eo ...
31/12/2025

Aoka tsy ho diso ity fotoana ity hianao na inona antony na inona.
Zava-dehibe ny mamarana ary manomboka ny taona iray eo an-tongotrin'i Tompo

Peace
Pst Eddie AGAPE

AGAPE PROPHETIC VOICE.MONDAY  29/12/2025NY TABATABATAN’NY FANDRESENA NO  HO RE BETSAKA AO @ LAINAO .VERY NY FAHAIZAN’IRE...
29/12/2025

AGAPE PROPHETIC VOICE.
MONDAY 29/12/2025

NY TABATABATAN’NY FANDRESENA NO HO RE BETSAKA AO @ LAINAO .
VERY NY FAHAIZAN’IREO MPANAMELOKA ANAO .
NY LANITRA DIA NANENDRY FA ANDRON’NY FIFALIANAO ZAO ARY TSY AZON’NY ALAHELO HIOHARANA .
OLONA MARO NO HIARAKA HIHIRA SY HANDIHY MIARAKA AMINAO @ DIHY VAOVAO .
NY VAVOLOMBELONAO DIA HANOZONGOZONA NY TANY SY RIVOTRA MAFY MITSOKA ARY HANOVA FIAINANA MARO @ ANARANA MAHERIN’I JESOSY .
AMENA.
MIARAHABA ANAO ARY AZA MBOLA FOANANA NY FANANTENANAO AO ANATIN’NY 48 ORA HIKATONAN’ITY TAONA ITY.

WITH LOVE
Pst EDDIE AGAPE

Ny fitafy izay hitafianao dia mamaritra ny zavatra afaka tonga aminao. Na miantso zavatra tsara izany , na zavatra ratsy...
08/12/2025

Ny fitafy izay hitafianao dia mamaritra ny zavatra afaka tonga aminao. Na miantso zavatra tsara izany , na zavatra ratsy.

Ka mivavaka aho androany mba hiala aminao ireo fitafiana maloto izay nampitafian'i Satana anao ka nahatonga zavatra ratsy teo amin'ny fiainanao.
Ary manonona tenim-paminaniana ihany koa aho mba ho ampitafian'Andriamanitra ilay fitafian'ny famonjena ianao, ary hitafy ilay akanjo fihaingona. AMEN

PST Eddie Agape RABESOELINA


Esory amin'olom-belona ny masonao. Raha zavatra tsy vitan'Andriamanitra dia aza mitady olom-belona ahavita izany, fa rah...
01/12/2025

Esory amin'olom-belona ny masonao. Raha zavatra tsy vitan'Andriamanitra dia aza mitady olom-belona ahavita izany, fa raha zavatra tsy vitan'olom-belona dia hoento eo amin'Andriamanitra fa ao aminy HAY ATAO NY ZAVATRA REHETRA.

Mitomboa amin'ny finoana sy fahalalana ny Teny

Pst Eddie Agape Rabesoelina

Isaia 43:18-19Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa ...
27/11/2025

Isaia 43:18-19
Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin'ny tany sao no hasiako ony

Hanao zava-baovao eo amin’ny fiainanao Andriamanitra androany
Hitako ny Tompo maninjitra ny tanany dia mamafa ireo fahatsiarovana ratsy rehetra ao anatinao
Ilay Andriamanitry ny famindrampo hamindrafo aminao
Hoy Jesosy aminao androany hoe : “ Mety Aho “ mety Izy hanadio anao amin’ny ràny sarobidy , mety Izy hanasitrana anao , mety Izy hamerina amin’ny laoniny izay nopotehin’ny fahavalo rehetra teo amin’ny fiainanao .
Mety Jesosy ! Eny mety Izy hanangana indray ny fiainanao .
Mety Izy hitahy sy hanambina anao .

Mandehàna mivoaka miasa na mitady asa , mianatra , manao fandraharana sns .. ary miverèna miaraka amin’ny vavolombelona . Tsy hisy fahoriana hitsangana indroa izany intsony .

Fiadanana ho anao

Pst Eddie Agape RABESOELINA

MITSO-DRANO ANAREO AHO:"Hivavaka ho anao aho mba tsy handao anao ny famindrapon'Andriamanitra. Tsy handao anao ny fitia ...
25/11/2025

MITSO-DRANO ANAREO AHO:

"Hivavaka ho anao aho mba tsy handao anao ny famindrapon'Andriamanitra. Tsy handao anao ny fitia mahagaga , tsy handao anao ny fahasoavan'Andriamanitra.

Hivavaka ho anao aho ,tsy hory lanitra misokatra ianao ao anatin'ny iray volana sy tapany mamarana ity taona ity.
Ireo zavatra very nanomboka tamin'ny Janvier ka hatramin'ny androany ho tafaverina amin'ny fomba tsy takatrin'ny saina ireo.
Ireo zavatra niadivanao sy nitototoanao ireo dia Homen'Andriamanitra anao ireo.

Ny zavatra izay mampiasa ny sainao dia ho raisin'Andriamanitra an-tanana izany

Mitso-drano anao aho , hanao izay mampifaly an'Andriamanitra ianao. Ary Andriamanitra hirehareha ny aminao "
Amin'ny anarana maherin'i Jesosy!
Amen

Pst Eddie Agape RABESOELINA.

.

Fotoana manaraka hikasihan’ Andriamanitra ny fiainana sy ny asa fanompoanao ity .“ Tsy mitory teny aminao aho fa mizara ...
04/11/2025

Fotoana manaraka hikasihan’ Andriamanitra ny fiainana sy ny asa fanompoanao ity .
“ Tsy mitory teny aminao aho fa mizara izay hananako fotsiny “ Pst Eddie Rabesoelina

TONGAVA MIARA MANKALAZA AMINAY NY FANDRESEN’NY FAHASOAVANA - NY FAHITANA TAO ANATIN’NY 25 TAONA

Voafetra ihany ny toerana ka manasa anao ho tonga aloha

Tongasoa amim-pitiavana isika rehetra

📍Food court stade barea - Vavahady P3 ny fidirana

Efa vonona ny zavatra rehetra 🎉Efa tonga eto Madagascar ny Mpanompon’ Andriamanitra Andriamanitra koa efa vonona ny hika...
15/10/2025

Efa vonona ny zavatra rehetra 🎉
Efa tonga eto Madagascar ny Mpanompon’ Andriamanitra

Andriamanitra koa efa vonona ny hikasika ny fiainanao ✅

Ary ianao ve efa vonona handray ny anjaranao ? 😊

Manomboka amin’ny 9ora30 ny fankalazana androany Alarobia eny amin’ny Hotel 5 étoiles Ivato . Tsara raha tonga aloha ianao fa voafetra ihany toerana .

PS : Aza adino ny mitondra ny invitation anao rehefa ho avy ianao . Raha tsy manana ilay fanasana an-taratasy ianao dia ireto sary ireto fotsiny dia efa mety .

Tongasoa am-pitiavana isika rehetra .

🇲🇬 TONGASOA hiaraka hankalaza ny fahatokian’ Andriamanitra miaraka aminay 🇺🇸 WELCOME to celebrate God’s faithfulness wit...
06/10/2025

🇲🇬 TONGASOA hiaraka hankalaza ny fahatokian’ Andriamanitra miaraka aminay

🇺🇸 WELCOME to celebrate God’s faithfulness with us

Hisy vavaka manokana hoan’ny tokantrano , fianakaviana , asa fandraharana , fahasalamana , sy ny mombanao rehetra ✅

HIVAVAKA HO ANAO SY NY FIANAKAVIANAO AHO Inona no mba tianao hoentina ambavaka mialohan’ny fankalazana ? Sorato eo amban...
03/10/2025

HIVAVAKA HO ANAO SY NY FIANAKAVIANAO AHO

Inona no mba tianao hoentina ambavaka mialohan’ny fankalazana ?
Sorato eo ambany eo amin’ny commentaire izay hilainao fanelanelanana avy any an-danitra fa hivavaka ho anao .
Sorato mba ho tsaroanao sy hoentinao miverina mijoro vavolombelona .

Tsy maintsy hiditra ao anaty vanim-potoana vaovao ianao sy ny ankohonanao aloha , mandritra ary ao aorian’ny fankalazana amin’ny anaran’i Jesosy

- Pst Eddie Agape Rabesoelina -

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Pejy Love Chapel Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share