14/02/2025
Fa inona ilay SAINT VALENTIN?
Tsy fety malagasy akory ity fa entinay hanazavana fotsiny ihany.
Tsara Ihany mazava ny momba azy ity satria maro no diso hevitra @ fomba fankalazana azy. Matetika mantsy na dia ny fiangonana aza dia manampy sy manova ny tantara mba hifanaraka amin'ny zava-misy takian'ny vanim-potoana hanamorana ny fampitan-kafatra @ fitoriana ny Filazantsara.
Valentin dia moine tao amina monastera iray tao Rome, ary tonga ho evekan'i Terni taty aoriana. Tao anatin'ny fanenjehana mavaivay nataon' i Marcus Aurelius(Claudio le Gothique) ny kristiana tamin'izay. Maro ny kristiana no maty maritiora noho ny fitazonany mafy ny famonjena sy ny finoana. Isan'ny novonoina tamin'izany i Valentin, izay maty maritiora ny 14 Fevrier 269.
Fomba fijery tokana Ihany no hijeren'ny fiangonana an'i Saint Valentin dia Izy martioran'ny filazantsaran'i Jesoa Kristy.
T@ andron'i Papa Gelaise 1e,t@ taona 494 no nanombohana ny fankalazana ny 14 Fevrier ho fahatsiarovana an'i Saint Valentin. Namoaka decret mihitsy ny papa tamin'izany fa tsy misy fety hafa azo ankalazaina amin'io mba ho fanajan'ny fiangonana ity olo-masina ity. Izany moa no nataony dia mba hanafoanana ny fety jentilisa antsoina hoe : LUPERCALES izay nankalazaina ny 13-14-15 Fevrier Ihany koa .
Ny Lupercales raha resahantsika fohy dia fety jentilisa efa nankalazaina talohan'i Kristy. Natao ho fahatsiarovana an' i Romulus sy Remus, izay zaza kambana niandohan'ny tantaran'i Roma. Natao ho fanomezam-boninahitra an'i Faunus Lupercus, ilay andriamanitry ny fananana zanaka sy mpiaro ny andian'osy sy ondry amin'ny amboadia. Tena fijangajangana ranofotsiny no atao ao anatin'ireo andro ireo.Izay tsy holazaina eto satria fomba fijangajangana omban'ny fati-dra @ devoly mihitsy.
Fa mifanandrify amin'izay Ihany, ireo Anglo-Saxon, na ireo mponina fahiny tany angletera dia nanamarika fa isaky ny 14 Fevrier dia fanehoan'ny voronkely ny fifankatiavana @ alalan'ny fifampitaomana sy fiarahana manidina mandeha tsiroaroa. Avy amin'izany no nahatonga azy ireo hanokana ny 14 Fevrier ho andron'ny mpifankatia.
Lazaina izany hanamafisana fa sasanangy samy manana ny azy mihitsy ny fetin'ny mpifankatia sy ny saint Valentin.
T@ taona 1496,ny papa Alexandre 6, dia nanambara fa atao mpiaro ny mpifankatia i Saint Valentin. Vanim-potoana efa somary nampivaona ny fampianaran'ny fiangonana io. Efa niseho lany koa ny fanoherana ny tsy nety teo @ fiangonana, nataon' ireo mpialoha lalana ny reformasiona toa an-dry Wyclif, ry Savonarole, ry Jean Hus, sns.
HAFATRA :
Saint Valentin dia martioran'ny Tompo, sahy nijoro nihazona mafy ny finoana, koa aoka ho arak'izany koa no ankalazan'ny fiangonana azy.
Andriamanitra irery Ihany no mpiaro antsika, eny tsy misy afaka hiaro ny mpifankatia afa tsy Ilay Fitiavana sady tompon'ny fitiavana.
Famotehana ny hasin'ny fitiavana ny fironana mankany @ fijangajangana.
Ho an'ny mpifankatia :raiso ho fanehoana ny fitiavana marina io andro io, tsy mijanona eo fa mitohy, tsy fitiavana mila tambiny, ka hoe ity cadeau-nao dia aiza ny tambin'iny ho ahy, tsy izany. Tsy occasionnelle koa ny fitiavana ka amin'io miredareda fa rehefa tonga ny 15 Fevrier dia hirefarefa sahady.
Farany tandremo fa an'ny mazava isika fa tsy an'ny maizina, koa aoka hiaina ny maha kristiana marina.