Antilin'i Madagasikara Faritra Ambohidratrimo

Antilin'i Madagasikara Faritra Ambohidratrimo 🏕⚜Fikambanana scout zazalahy katolika eto amin'ny faritra Ambohidratrimo🏕⚜

⚜️✍️🙏Ho an'ny fanabeazana hatrany🙏✍️⚜️
30/07/2026

⚜️✍️🙏Ho an'ny fanabeazana hatrany🙏✍️⚜️

🏕🥳"Antily ka tia milalao"🔥⚜️Ny Antily 109e Anosiala ato amin'ny faritra Ambohidratrimo dia nandray anjara tamim-pirehare...
29/07/2026

🏕🥳"Antily ka tia milalao"🔥⚜️

Ny Antily 109e Anosiala ato amin'ny faritra Ambohidratrimo dia nandray anjara tamim-pireharehana sy hafaliana tamin’ny afon-dasy UK Scouts Expédition. 🔥🇬🇧

Ity fotoana ity dia nanamarika fifankahitana sy fifampizarana amin’ireo namana scouts avy any ivelany, naneho ny herin’ny firaisankina sy ny fanahy maha-scout. 🌍🤝

Misaotra ny rehetra izay nandray anjara sy nanohana, ary mirary ny Antily hahazo hery vaovao hanohy ny diantsika amin’ny scoutisme eto an-toerana. 💚⚜️

🙏 Special thanks to the UK Scouts and the Tily of Madagascar who welcomed us and shared with us the scout culture, the joy, and the spirit of humanity. 🌍🤝

📣⚜️🐺"Izahay no lovitao,  malagasy kely"🐺⚜️📣coucou cheftaine ⚜️👋
27/07/2026

📣⚜️🐺"Izahay no lovitao, malagasy kely"🐺⚜️📣

coucou cheftaine ⚜️👋

Tanana Havia, 🫱🙏⚜️
26/07/2026

Tanana Havia, 🫱🙏⚜️

😇💪⚜️"Manantanteraka izay nekeny sy natombony ny Antily"⚜️💪😇🌟 Mirary soa ho an’ireo rehetra manala BACC 2026! 🌟💪Mahereza,...
18/07/2026

😇💪⚜️"Manantanteraka izay nekeny sy natombony ny Antily"⚜️💪😇

🌟 Mirary soa ho an’ireo rehetra manala BACC 2026! 🌟

💪Mahereza, aza kivy fa ny ezaka sy fahaiza-manao rehetra dia hiseho amin’ity fotoana ity.🙏

Mazotoa, manàna faharetana, ary minoa fa ho vitanareo! 💪🙏

🙏 Ny vavaka sy fanohanana dia miaraka aminareo.
⚜️Ny hoavinareo mamiratra no miandry rehefa mandresy amin’ity dingana ity.

🙏😇Mirary vintana tsara sy mitrotro am-bavaka anareo ry zandry isany🙏✍️

😭⚜️"Tapitra ny tsongo dia"⚜️😭🕊️😭Misaona sy malahelo ny fianakaviambe Antily eto amin'ny  faritra Ambohidratrimo ⚜️😭noho ...
18/07/2026

😭⚜️"Tapitra ny tsongo dia"⚜️😭

🕊️😭Misaona sy malahelo ny fianakaviambe Antily eto amin'ny faritra Ambohidratrimo

⚜️😭noho ny fahalasanan’i MITANTSOA, mpiandalana ao amin’ny fivondronana 78e Ambohidratrimo

🙏Aoka ho feno hery sy fiononana ny fianakaviana sy ny havany rehetra amin’izao fotoana sarotra izao.🙏

✍️Ny fahatsiarovana ny asa sy ny fitiavana navelany dia ho fitarihana sy hery ho antsika mandrakariva.

🙏😭Mampahery sy miombona amin’ny alahelo ny fianakaviana manontolo sy ny Fivondronana 78e Ambohidratrimo

⚜️🙏Mandria am-piadanana ialahy.🙏⚜️

⚜️🏕🌲"Manàja ny Tontolo iainana amin'ny maha asa-tanan'Andriamanitra azy ny Antily"🌲🏕⚜🌍✨ Fankasitrahana ho an’ny  rehetra...
14/07/2026

⚜️🏕🌲"Manàja ny Tontolo iainana amin'ny maha asa-tanan'Andriamanitra azy ny Antily"🌲🏕⚜

🌍✨ Fankasitrahana ho an’ny rehetra! ✨🌍
Tamin’ny Alahady lasa teo, naneho firaisankina sy fitiavana ny tontolo iainana ireo antily eto amin'ny faritra Ambohidratrimo. Niara-nisalahy tamin’ny fanadiovana ny local izy ireo, nampiseho ohatra tsara ho an’ny fiarahamonina.

🙏 Misaotra betsaka anareo rehetra tamin’ny ezaka sy ny fahavononana. Ny asa nataonareo dia manampy amin’ny fanomezana endrika vaovao sy madio ho an’ny tanànantsika, ary mampiseho fa ny scoutisme dia tena hery manosika ny fiovana.

💚 Andao isika rehetra hanohy hanohana sy hanatevin-daharana ny hetsika toy izao, mba hahatonga an’ny Tontolo iainana ho toerana mendrika sy mahasarika kokoa.

"👮‍♂️📣ANTILIN'I MADAGASIKARA VONONA MANDRAKARIVA!📢"⚠️ Manao antso avo izahay🔔:✅ Ho an'ny RAY AMAN-DRENY:🚫Aza avela hande...
08/07/2026

"👮‍♂️📣ANTILIN'I MADAGASIKARA VONONA MANDRAKARIVA!📢"
⚠️ Manao antso avo izahay🔔:

✅ Ho an'ny RAY AMAN-DRENY:

🚫Aza avela handeha irery ny zanakareo, na amin'ny lalana fohy aza.

🧭Fantaro foana ny toerana misy azy sy ny olona miaraka aminy.

✍️Ampianaro izy ireo hitandrina amin'ny olon-tsy fantatra sy hampilaza anareo raha misy zavatra mampiahiahy.

💪Matokia ny sainareo: rehefa misy zavatra tsy mety, dia misy zavatra tsy mety.

✅ Ho an'ny TOMPON'ANDRAIKITRA SKOTO ⚜️:

👀Asio fanaraha-maso hentitra kokoa mandritra ny hetsika rehetra.

✍️⚠️Tsy maintsy voamarina tsara fa tsy misy skoto mandao ny vondrona, na irery.

✍️❌Ampianaro ny zaza skoto momba ny fiarovana sy ny fomba fitandremana amin'ny loza mety hiseho.

🆘☎️Mifandray akaiky amin'ny ray aman-dreny sy ny manam-pahefana fa tena ilaina izany.

🙏➡️Ny fiainan'ny zanatsika dia sarobidy. Tsy misy antony tokony hampihoatra ny fiarovana azy ireo.⬅️🙏

🤝 Andao hifarimbona sy hifandray tanana, 🙏

"👮‍♂️📣ZAY📢⚜️"

😇🙏"aza matahotra fa ny Tompo no miaraka aminareo. ‘Izaho no manome hery anao, aza matahotra, fa Izaho no Andriamanitrao"...
04/07/2026

😇🙏"aza matahotra fa ny Tompo no miaraka aminareo. ‘Izaho no manome hery anao, aza matahotra, fa Izaho no Andriamanitrao"🙏😇

🌟 “Mirary soa sy fahombiazana ho anareo ankizy rehetra andeha hanao fanadinana BEPC! Aza matahotra, ataovy am-pitoniana sy fahatokisana ny ezaka nataonareo. Ny fahendrena sy ny faharetana no lakilen’ny fandresena. Mirary vintana tsara!” 🌟

📘 “Ny fanadinana dia dingana iray fotsiny amin’ny lalana lavitra. Aza kivy, aza matahotra, fa ny fahavononana sy ny finiavana no mitondra vokatra tsara. ” 📘

💪 “Ankizy malala, ny ezaka sy ny fianarana nataonareo dia efa porofo fa afaka mandresy ianareo. Mirary soa sy fahombiazana amin’ny fanadinana BEPC!” 💪

Ny Antilin’i Madagasikara Faritra Ambohidratrimo dia miara-miory amin i Tonia BALITA (Tonian'ny Fiv 78e Ambohidratrimo) ...
30/06/2026

Ny Antilin’i Madagasikara Faritra Ambohidratrimo dia miara-miory amin i Tonia BALITA (Tonian'ny Fiv 78e Ambohidratrimo) amin’izao fotoana sarotra izao.🙏

🥹🙏 Ny fahalasanan’ny vady dia alahelo lalina, saingy tsaroantsika fa ny fitiavana sy ny fahatsiarovana tsara dia mitoetra mandrakizay ao am-po.🙏

Aoka ny herin’ny finoana sy ny firaisan-kina maha-Scout no hanohana an'ialahy.😇 Tsy irery ialahy, fa eo ny fianakaviana, ny namana, ary izahay ralahin'ialahy ato amin’ny Antilin’i Madagasikara. Ny fahatsiarovana ny hatsaram-panahy sy ny fitiavan’ny vady dia ho jiro hanazava ny dian'ialahy mandritra ny andro maro ho avy.🙏

Mampahery an'ialahy izahay, ary mankahery ny fianakaviana manontolo. Enga anie ny Tompo hanome hery sy fandriampahalemana ho an'ialahy sy ny ankohonan'ialahy. 😇🙏✍️

Address

Ambohidratrimo
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Antilin'i Madagasikara Faritra Ambohidratrimo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share