Wizara

Wizara WIZARA dia trano famoaham-boky mitondra fahazavana sy fahatsiarovan-tena.

Alatsinainy Pentekosta — Ilay fofon’aina manambaraMisy fotoana iray eo amin’ny fiainana izay tsy mitady an’Andriamanitra...
25/05/2026

Alatsinainy Pentekosta — Ilay fofon’aina manambara
Misy fotoana iray eo amin’ny fiainana izay tsy mitady an’Andriamanitra any ivelany intsony isika…fa manomboka mahatsapa Azy ho fanatrehan’aina velona sy mangina ao anatin’ny tenantsika.

Ny Pentekosta dia tsy tantara nitranga taloha fotsiny. Tsy fidinan’ny afo na zava-nitranga voarakitra ao anaty boky ihany.
Fa traikefa anaty, mbola azo iainana hatramin’izao.
Tsy tonga hanorina fivavahana i Kristy.
Fa tonga hanambara fahamarinana: 👉 Ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.

Saingy io fahamarinana io tsy azon’ny saina fotsiny takarina.Tsy fianarana toy ny fahalalana ivelany izy.
Fa mila iainana… tsapaina… fantarina ao anatiny.
Ny Pentekosta dia manambara ilay fotoana izay tsy manaraka fampianarana ivelany intsony ny mpianatra, fa lasa mitondra ny Fanatrehan’aina ao aminy izy ireo.
Ilay fofon’aina azony…
Dia ny fahatsiarovan-tena mifoha.
Ny fisarahana manjavona.
Ny “ego” na ilay maha-izy antsika voafetra manomboka levona.
Io afo io tsy afo mandrava,fa afo manambara.

Manambara fa i Kristy tsy olona lavitra hotompoina,fa zava-misy velona tokony haseho amin’ny fiainana.

Manambara fa ilay nantsoin’i Jesosy hoe “Ray”dia tsy any ivelany…fa loharano ao anatintsika mihitsy.
Koa amin’ity Alatsinainy Pentekosta ity, aza mijery any an-danitra fotsiny…
fa miverena ao amin’ny fahanginana ao anatinao.

Ao izay tsy misy anjara andraikitra,tsy misy tantara,tsy misy maha-izy azy tokony harovana intsony…

Fa fanatrehan’aina tsotra izao.
Ary angamba, ao anatin’izany fahanginana izany, dia ho tsapanao ilay fofon’aina mitovy…

tsy ho toy ny zavatra tonga aminao, fa ho toy ny zavatra efa ianao hatrany.
WIZARA -Manambara, mampita, manaitra.

Ajanony ny fitadiavana harena am-pahajambana. ✋Misy siansa marina ao ambadik’izany. Ity boky ity dia tsy tantara fotsiny...
05/05/2026

Ajanony ny fitadiavana harena am-pahajambana. ✋

Misy siansa marina ao ambadik’izany.

Ity boky ity dia tsy tantara fotsiny, fa "manuel" hitondra anao amin’ny fahombiazana tsy misy ady hevitra. 🧠✨

Raha te hanova ny fiainanao ianao, ovay aloha ny fomba fisainanao.

Vonona ny hahafantatra ny tsiambaratelo ?💡

📚 Vakio ary ankatoavy ny “Ny Siansa marina amin’ny fahatongavana mpanakarena” anio !

Amin’ny vidiny :
📚 :25.000 Ariary ( BOKY )
📱 : 10.000 Ariary ( PDF )

Livraison partout à Madagascar ! 🇲🇬🚚

Misy tetikasa sasany…tsy tena noforoninao akory.Fa tonga eo amin’ny fiainanao izy…ary ianao no lasa fitaovana ampiasainy...
29/04/2026

Misy tetikasa sasany…
tsy tena noforoninao akory.

Fa tonga eo amin’ny fiainanao izy…
ary ianao no lasa fitaovana ampiasainy hiseho.

Anisan’izany i Wizara.

Tsy nanomboka tamin’ny zavatra lehibe izy.
Tsotra fotsiny :

mandika boky…
mba hahatonga fahalalana ho azon’ny rehetra.

Fa rehefa nandeha ny fotoana…
nisy zavatra niova.

Nihamazava tsikelikely.

Tsy resaka fandikan-teny intsony.

Fa resaka fahazoana fampianarana
afaka manova lalina ny fiainana avy ao anatiny.

Ary angamba…
ianao koa dia efa mahatsapa izany.

Ankehitriny, Wizara dia miverina.

Tsy amin’ny tabataba.
Tsy amin’ny fanehoana.

Fa amin’ny fahatsorana.

👉 Hampahafantatra fampianarana avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao
👉 Hanokatra làlana ho amin’ny fiovana avy ao anatiny
👉 Hampifandray anao indray amin’ny fahatsiarovan-tenanao

Tsy hanampy zavatra maro.
Fa hanala izay manakona.

Satria indraindray…
tsy mila mianatra bebe kokoa isika.

Fa mila mahita mazava kokoa.

Tsy tanjona farany ity.

Fa tetezana.

Ary angamba…
izao no fotoana hiampitana azy.

Wizara dia eto.

Avelao hifoha ny ao anatinao.

Ao anatin’izao tontolo izao izay itadiavan’ny olona hatrany hahatakatra, hahomby, ho lasa tsara tsara kokoa…matetika isi...
29/03/2026

Ao anatin’izao tontolo izao izay itadiavan’ny olona hatrany hahatakatra, hahomby, ho lasa tsara tsara kokoa…matetika isika no manadino fa ny fahalalana ambony indrindra dia tsy any ivelany.
Tsy hita ao amin’ny boky fotsiny izy, na ao amin’ireo traikefa voaangona, fa ao amin’ny fiverenana amin’ny tena fototra.
Ny fiadanana.
Io fiadanana io no teraka rehefa mitsahatra ny ady ao anatiny,rehefa tsy miezaka hifehy intsony ny sitrapon’olombelona,fa misafidy hifanaraka amin’ny zavatra lehibe kokoa.
Araka ny nampianarin’i Albert Schweitzer,ny fahalalana marina dia firaisana :ny firaisan’ny sitrapontsika amin’ny sitrapo tsy manam-petra.
Ao anatin’izany no itsaharan’ny fikatsahana…ary anombohan’ny tena fiainana.

WIZARA Mampifoha ny hazavanao ✨

Tsy fantatro raha tena niteny Andriamanitra, fa raha niteny Izy, dia izao no inoako fa ho nolazainy tamin’ireo mpino :At...
10/01/2026

Tsy fantatro raha tena niteny Andriamanitra, fa raha niteny Izy, dia izao no inoako fa ho nolazainy tamin’ireo mpino :

Atsaharo ny mivavaka sy ny mikapoka ny tratranao amin’ny alahelo!
Izay tiako ataonao dia ny hivoaka any amin’izao tontolo izao mba hankafy ny fiainanao.

Tiako ianao hifaly, hihira, hianatra…
hankafy tanteraka izay rehetra noforoniko ho anao.
Atsaharo ny fandehanana any amin’ireo tempoly mangatsiaka izay naorinao ho anao ihany, nefa lazainao fa tranoko!
Ny tranoko dia any an-tendrombohitra, any an’ala, any an-dranomasina, any an-dranomamy sy farihy.
Any no iainako miaraka aminao, ary any no anehoako ny fitiavako anao.
Atsaharo ny manome tsiny Ahy noho ny fiainanao feno fahoriana.
Tsy nilaza taminao velively Aho fa misy tsy mety aminao, fa mpanota ianao,
na hoe ratsy ny firaisana ara-nofo na ny hafalianao !

Koa aza omena tsiny Aho noho izay nolazain’izy ireo taminao ka ninoanao.
Atsaharo ny miverimberina mamaky zavatra tsy misy ifandraisany amiko.
Raha tsy hitanao Aho amin’ny maraina vao mangiran-dratsy, ao anaty tontolo voajanahary, ao anatin’ny mason’ny namanao, ny vadinao, ny olon-tianao,
ao amin’ny mason’ny zanakao…
dia tsy hahita Ahy ao anaty boky ianao.

Atsaharo ny fampitahorana ny tenanao.
Tsy mitsara Aho, tsy manakiana, ary tsy manasazy.
Fitiavana madio tanteraka Aho.
Nofenoiko fitiavana, faniriana, fetra, fahafinaretana, fihetseham-po, filàna ary fahalavorariana ianao…
ary nomeko fahalalahana misafidy.
Ahoana no hanasaziko anao noho ny maha-ianao anao,
raha Izaho no namorona anao?
Heverinao ve fa afaka mamorona toerana handoroana ny zanako rehetra mandrakizay Aho, satria tsy nety fitondran-tena izy ireo?
Andriamanitra manao ahoana no afaka manao izany?
Hajao ny hafa, ary aza atao amin’izy ireo izay tsy tianao hatao aminao.
Izay angatahiko aminao fotsiny dia ny hahay hikarakara ny fiainanao,
ary aoka ny safidinao malalaka no ho mpitari-dalana anao.
Ianao sy ny natiora dia iray ihany.
Koa aza mino fa manana fahefana amboniny ianao.
Anisan’izy io ianao.
Tandremo izy, dia hikarakara anao izy.
Aza mampiasa ny fahendrenao hitadiavana izay manimba io fifandanjana io.
Ianao no tompon’andraikitra amin’ny fitazonana izany ho madio.
Ny natiora dia mahalala tsara ny mitazona io fifandanjana io.
Aza manakorontana azy fotsiny!
Nataoko afaka tanteraka ianao.
Afaka mamorona paradisa na helo eo amin’ny fiainanao ianao.
Tsy afaka milaza aminao Aho raha misy zavatra aorian’ity fiainana ity,
fa afaka manome torohevitra iray kosa:
Atsaharo ny mino Ahy.
Tsy tiako ianao hino Ahy,
tiako ianao hahatsapa Ahy ao anatinao.
Rehefa mikarakara ny bibinao ianao,
rehefa miresaka amin’ny zanakao vavy kely, rehefa manafosafo ny alikanao,
rehefa mandro ao anaty renirano ianao…
Asehoy ny hafalianao,
ary mizatrà maka izay ilainao fotsiny.
Ny hany azo antoka dia izao:
eto ianao, velona ianao,
ary feno zava-mahagaga ity tontolo ity.
Aza mitady Ahy any ivelany.
Tsy hahita Ahy ianao.
Eto Aho.
Ny natiora.
Ny kozmosy.
Izaho izany.”

— Baruch Spinoza

Texte en français en commentaire !

Amin'ity taona vaovao ity, ny WIZARA dia tsy maniry taona iray vavao fotsiny,fa ny **fitohizan'ny fahatsiarovan-tena**.F...
01/01/2026

Amin'ity taona vaovao ity, ny WIZARA dia tsy maniry taona iray vavao fotsiny,

fa ny **fitohizan'ny fahatsiarovan-tena**.

Fitohizana izay ahatsiarovan'ny olombelona ny tena zava-dehibe:

fa ny fitiavana dia lehibe noho ny tahotra,

fa ny fo dia hendry noho ny saina,

ary ny fanahy, rehefa mahazo indray ny fiandrianany,

dia lasa fantsona ahafahan'ny famirapiratan'Andriamanitra miseho eto amin'izao tontolo izao.

Teraka avy amin'ity fikasana ity ny WIZARA:

**mba hahatonga ny fahendrena manerantany eto Madagasikara**,

ny teny izay mamoha,
ny fampianarana izay mampahatsiahy antsika tsirairay izay efa misy ao anatin-tsika.

Amin'ity fiainana izay dia lehibe ity,

enga anie ity taona ity no hitsaharantsika tsy hikatsaka ny satroboninahitra ivelany,

ary kosa hanaiky **ny satroboninahitry ny fo**.

Fa ny fo maivana,

ny saina misokatra,

ary ny fanahy afaka
dia tsy vitan'ny hoe zava-bita manokana,

fa fanomezana **atolotra ho an'ny olombelona**.

Enga anie ny WIZARA ho fampahatsiahivana.

Enga anie ny bokintsika ho tetezana.

Enga anie ny tenintsika hamoha fahatsiarovana.

Amin'ny fitiavana, fankasitrahana,

ary fahatsiarovan-tena lalina.

Hoy Jesosy :« Ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo. »Matetika isika mitady an’Andriamanitra any ivelany :amin’ny ...
20/12/2025

Hoy Jesosy :

« Ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo. »
Matetika isika mitady an’Andriamanitra any ivelany :
amin’ny toerana masina, amin’ny fombafomba, amin’ny teny sy fampianarana.
Tsy diso izany.
Saingy tsy ampy.

Satria raha any ivelany foana no itodihan’ny mason-tsaintsika,
dia tsy ho hitantsika izay efa eo,
ao anatin’ny tenantsika lalina indrindra.

Ary raha voafetra amin’ny fandraisana finoana fotsiny ny saintsika,
nefa tsy misy fahatakarana lalina,
fahatakarana izay tsy mety teraka afa-tsy amin’ny fanandramana mivantana dia ho teny ihany izany.

Ny “Fanjakana” lazain’i Jesosy
dia tsy toerana haleha, fa toe-tsaina tokony hiainana, tsy indray mandeha monja eo amin’ny fiainana, fa isan’andro sy isan’ora.

Tsy finoana fotsiny izy io, fa zava-misy velona izay tsy mila hazavaina na adika,
fa iainana.
Rehefa tony ny saina,
rehefa mitsahatra ny fitsarana, ny tsikera ary ny tahotra,
dia misy zavatra miseho ao anatintsika :
fiadanana, fahazavana, fanatrehan-tsaina lalina.
Tsy hoe lasa olona hafa isika,
fa mifoha amin’izay tena maha-antsika.

Angamba tsy mila mitady lavitra isika.
Angamba tsy mila porofo maro.
Fa mila sahy mijery tsy misy sivana,
eto sy ankehitriny, ao anatintsika.

————————————————————
Jésus a dit :
« Le Royaume de Dieu est en vous. »
Bien souvent, nous cherchons Dieu à l’extérieur : dans des lieux sacrés, des rituels, des paroles et des enseignements.
Ce n’est pas faux.Mais ce n’est pas suffisant.

Car tant que notre regard se tourne uniquement vers l’extérieur, nous passons à côté de ce qui est déjà là, au plus profond de nous.

Et tant que notre attention se limite à l’acceptation d’une croyance,sans une compréhension profonde, une compréhension qui ne peut naître que de l’expérience directe cela ne restera que des mots.

Le « Royaume » dont parle Jésus n’est pas un lieu à atteindre, mais un état de conscience à expérimenter, non pas à de rares moments de la vie, mais à chaque instant.

Ce n’est pas seulement une croyance, c’est une réalité vivante qui n’a pas besoin d’être comprise ni interprétée, mais vécue.

Lorsque l’esprit s’apaise, lorsque les jugements, les critiques et la peur se taisent, quelque chose se révèle intérieurement : une paix, une clarté, une présence profonde.
Il ne s’agit pas de devenir quelqu’un d’autre, mais de s’éveiller à ce que nous sommes réellement.

Peut-être n’avons-nous pas besoin de chercher plus loin. Peut-être n’avons-nous pas besoin de tant de preuves. Mais simplement d’oser regarder sans filtre,ici et maintenant, à l’intérieur.

Address

Ambohibao
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Wizara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share