25/05/2026
Alatsinainy Pentekosta — Ilay fofon’aina manambara
Misy fotoana iray eo amin’ny fiainana izay tsy mitady an’Andriamanitra any ivelany intsony isika…fa manomboka mahatsapa Azy ho fanatrehan’aina velona sy mangina ao anatin’ny tenantsika.
Ny Pentekosta dia tsy tantara nitranga taloha fotsiny. Tsy fidinan’ny afo na zava-nitranga voarakitra ao anaty boky ihany.
Fa traikefa anaty, mbola azo iainana hatramin’izao.
Tsy tonga hanorina fivavahana i Kristy.
Fa tonga hanambara fahamarinana: 👉 Ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.
Saingy io fahamarinana io tsy azon’ny saina fotsiny takarina.Tsy fianarana toy ny fahalalana ivelany izy.
Fa mila iainana… tsapaina… fantarina ao anatiny.
Ny Pentekosta dia manambara ilay fotoana izay tsy manaraka fampianarana ivelany intsony ny mpianatra, fa lasa mitondra ny Fanatrehan’aina ao aminy izy ireo.
Ilay fofon’aina azony…
Dia ny fahatsiarovan-tena mifoha.
Ny fisarahana manjavona.
Ny “ego” na ilay maha-izy antsika voafetra manomboka levona.
Io afo io tsy afo mandrava,fa afo manambara.
Manambara fa i Kristy tsy olona lavitra hotompoina,fa zava-misy velona tokony haseho amin’ny fiainana.
Manambara fa ilay nantsoin’i Jesosy hoe “Ray”dia tsy any ivelany…fa loharano ao anatintsika mihitsy.
Koa amin’ity Alatsinainy Pentekosta ity, aza mijery any an-danitra fotsiny…
fa miverena ao amin’ny fahanginana ao anatinao.
Ao izay tsy misy anjara andraikitra,tsy misy tantara,tsy misy maha-izy azy tokony harovana intsony…
Fa fanatrehan’aina tsotra izao.
Ary angamba, ao anatin’izany fahanginana izany, dia ho tsapanao ilay fofon’aina mitovy…
tsy ho toy ny zavatra tonga aminao, fa ho toy ny zavatra efa ianao hatrany.
WIZARA -Manambara, mampita, manaitra.