18/02/2026
18 febroary 2026
Miandry isika ny fanatanterahana ny didy, efa hatrany am-boalohany isika no niady ny fampidirana an'io tao anaty ROVA.
Izany indrina no nijoroantsika olompirenena sarotiny amin'ireo VAKOKA manan-tantara, tsy andriana, tsy saranga tsy fiaviana fa VAKOKA no arovana sy mbola harovana.
Ny VAKOKA no harena sarobidy mirakitra ireo tantara. Firenena tsy mahalala ny tantarany dia firenena tsy misy fotony.
Amin'ny mahaolompirenena Malagasy dia sarotiny isika amin'ny fitandroana ireo VAKOKA navelan'ireo Razantsika manerana ny Nosy anisan'izany ny Rovan'Antananarivo.