27/03/2025
MANDRAFITRA FANABEAZANA
Tetik'asa mifampiankina amin'ny tetik'asa "mianatra miarina" sy "mitsilo saina"
Mila rafitra mifanaraka amin'ny tranga misy eto Madagasikara isika hamenoana ny banga
Efa an-tapitrisany ny Malagasy tsy nanana fahefana hiditra na dia ambaratonga voalohany amin'ny fianarana aza
NY TSARA ATAO DIA
Manarina aingana ireo Malagasy tsy mba afaka nisitraka fampianarana sy fanabeazana
KA MILA
Mametraka "spécialisation" sy rafi-pampianarana vaovao.
Izany hoe tsy EPP, CEG, LYCEE, UNIVERSITE intsony no rafitra ampiasaina...
Mba ahatonga olona iray matihanina eo amin'ny faha 18 taona dia toy izao :
Ambaratonga voalohany : 03 - 09 taona (FOTOTRA)
Ambaratonga faharoa : 10 - 12 taona (FAMPIDIRANA SY FISAFIDIANANA)
Ambaratonga fahatelo : 13 - 16 taona (SPECIALISATION)
Ambaratonga fahefatra : 17 taona (FIZARAN'ASA)
Ambaratonga fahadimy : 18 taona (MATIHANINA)
METY FA TSY FENO NY VAHAOLANA AMIN'NY FAMPIANARANA ASA MIVANTANA
SATRIA
ILÀNA FOTOTRA, FAMPIDIRANA NY FOMBA FIASA NA FANANGANANA ORINASA (fahalalam-pomba, fandraisana, fanatanterahina..)