Jeunesse en Christ

Jeunesse en Christ Tanora an'i Kristy aho
Hafa mihintsy

Hello hello 🥰🥰Manakory antsika ato ? Mampatsiahy kely antsika hoe Sabotsy faharoa 09 Mai (Amin'ny asabotsy ho avy izao)E...
07/05/2026

Hello hello 🥰🥰

Manakory antsika ato ?
Mampatsiahy kely antsika hoe Sabotsy faharoa 09 Mai (Amin'ny asabotsy ho avy izao)

Et alors 👉 ATELIER sy RCF ny programme antsika

🕜13h30 à 16h
🧭IMH ANKASINA

Lohahevitra hianarana Anaty atelier : "FIAINAN'I SAOLY SA FIAINAN'I PAOLY 💁💁 "

Dia misy koa RCF hanentanana antsika Hitondra goûter izay zaka an (chips, nem, sambos, jus, c**a pigeon, frego, pizza, biscuits, donuts,.... Izy aby ehhh 🥙🌯🌮🍯🍔🍟)

Aza hadino ny baiboly an 😉
Ny badge ihany koa, izay mbola tsy manana mba miteny kely azafady an🙃

Entano foana ny namana ho avy hiaraka hitombo sy hanovo 😊😊

Ho tahian'i Jeso antsika 😍

Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinan...
30/04/2026

Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.

— Galatiana 5 : 22 - 23

Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.— Jaona 13 : 35
29/04/2026

Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.

— Jaona 13 : 35

Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe am...
22/04/2026

Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.

— I Korintiana 13 : 13

Jeunesse en Christ

Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fie...
21/04/2026

Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;

— Kolosiana 3 : 5

Jeunesse en Christ

Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.— Jaona 15 : 13
20/04/2026

Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.

— Jaona 15 : 13

Finaritra o🥰Tenin'Andriamanitra tena haintsika ny hoe :"Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teniNao"Sal 119 :...
10/03/2026

Finaritra o🥰

Tenin'Andriamanitra tena haintsika ny hoe :
"Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teniNao"
Sal 119 : 105

Ndao ndray isika hiaraka hianatra tenin'Andriamanitra e😍

Ity ary ny programme
🗓️Sabotsy 14 Mars
🕑 14h- 16h
📍Anosimasina Itaosy (Zoky Solofo)

Aza adino ary ny fotoana tsika an😉, mitondra namana

Afaka mandefa hafatra miafina na manoratra ao amin'ny commentaire ianao raha maniry ny ho avy ✨

Tahin'i Jesoa☺️

Finaritra🥰Elaela izany 😊 Encore bonne année les Malala JeC 🥰😍Ho fisaorana sy fiderana an'Andriamanitra noho ny taona vao...
08/02/2026

Finaritra🥰
Elaela izany 😊
Encore bonne année les Malala JeC 🥰😍
Ho fisaorana sy fiderana an'Andriamanitra noho ny taona vaovao 2026 NOUVEL AN 2026 sy Fifampiarahabantsika Dia toy Izao ary fotoana 🙂
👉Sabotsy 21 Février 2026
👉10h_15h
👉IMH ANKASINA
Hisy fampianarana hiarahana ara-panahintsika Zoky Solofo Raharifera
Fiarahana misakafo
Jeu
Louange
Échange de cadeau
👉 Zavatra hoentina :
🤚 baiboly, stylo, cahier
🤚vary sy Laoka atoandro (Samy mitondra ny azy 😉)
🤚cadeau standard(mety @ lehilahy na vehivavy 3000ar farany ambany, ary tsy azo hatao vola @ valopy, tsy azo hatao sakafo ihany koa 😅)
Fandraisana membres vaovao ihany koa io ho an'izay namana any ho any

💝 Fanavaozana : Hisy Fizarana badge Isaky membres Manomboka ary hanaovana foana ny badge Isaky Mivory na IMH na Anosimasina no Mivory na sotie na veillé ani JeC 🙂

Ho an'ny membres vaovao koa Dia mba hatao mitondra sakafo atoandro an😉

Raha misy Fanontaniana Dia afaka mamaly anao Tsara izahay 🙂

Ho tahian'i Jeso 🙂

TANORA ianao ? manasa anao izahay 😊💞 Conférence izay karakarain'ny Fikambanana JEUNESSE EN CHRIST hanasana anao tanora r...
12/11/2025

TANORA ianao ? manasa anao izahay 😊💞
Conférence izay karakarain'ny Fikambanana JEUNESSE EN CHRIST hanasana anao tanora rehetra tsy an-kanavaka 💗
-TANORA SY NY FAKAM-PANAHY hiarahana amin'ny Zoky Solofo Raharifera ny Sabotsy 22 Novembre ho avy Izao 📆📆 amin'ny 01 ora 30 ao Anosimasina Itaosy 📒📒📒
Hisy prière , louange ary goûter fraternel 🍜🍧 (efa misy ao an-toerana fa tsy mitondra intsony 😉)
Eny 😊 misokatra ho an'ny rehetra ilay izy ka misy ny fanoratana anarana manomboka Izao hatramin'ny Alarobia 19 Novembre ( mp na SMS amin'ny laharana eo ambany )
Fotoana hafana ity an 😊
Andao tanora , fa miodidina antsika foana ny fakam-panahy 😑

Faly hahita anao ,raisinay am-pifaliana be ianao sy câlin 😃

Ho tahian'i Jesoa 💓

Andao indray 🥰🥰Sabotsy faharoa an 🕹️🕹️🕹️Milalao sady mandray hafatra 😊😉IMH Ankasina-09 Août-13h30🙃🙃
05/08/2025

Andao indray 🥰🥰
Sabotsy faharoa an 🕹️🕹️🕹️
Milalao sady mandray hafatra 😊😉
IMH Ankasina-09 Août-13h30🙃🙃

Fiadanana 😊"Ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika" Isaia 53:5dSabotsy faharoa ho avy izao, fotoana nifaneke...
08/07/2025

Fiadanana 😊
"Ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika" Isaia 53:5d
Sabotsy faharoa ho avy izao, fotoana nifanekena tamin'ny Tompo 😊 Andeha hiaraka hianatra indray aza hoe "sitrana na mitohy mandratra aza ny hafa" ny olona mantsy tsy voafehy antsika tsy handratra 😌
Ao Anosimasina Itaosy amin'ny 1ora 30 😊hanentanana antsika mpikambana na izay mahatsiaro voakasika manokana ☺️ho fandaminana dia hasaina hanoratra anarana izay ho avy 🖊️🖊️
Hisy koa fiarahana mitsakotsako ka samy hitondra izay afaka hoentina isika ry sakaiza malala 😍💕
Raha mila fanazavana fanampiny na tsy mahita toerana dia afaka miantso ny laharana na mandefa mp 😊

Ho tahian' Andriamanitra 💗

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261341451315

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jeunesse en Christ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share