Isika ISIKA est une association malagasy promouvant l’engagement et la participation citoyenne dans les processus de prise de décisions.

14/12/2025

📍 Tsy hijanona amin’ity taona ity ny hetsika Miara-Mano***a, fa hitohy hatramin’ny taona 2026 ary hitety Oniversite manerana ny Nosy, mba hanamafy ny tolona ho fanatsarana ny fanabeazana sy ny fananganana rafitra maharitra ho amin’ny fandrosoan’i Madagasikara.

Hisokatra ihany koa amin'ny Sekoly, mpianatra, mpanabe maro samihafa
12/12/2025

Hisokatra ihany koa amin'ny Sekoly, mpianatra, mpanabe maro samihafa

🔺 𝐇𝐢𝐭𝐞𝐭𝐲 𝐨𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 “𝐌𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐚𝐧𝐨𝐫𝐢𝐧𝐚” – 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚

✅ “Raha miara-miasa isika, manam-pahavononana sy manam-pihetsiketsehana, dia afaka mano***a ny hoavin’ny taranaka sy ny firenena amin’ny alalan’ny fahalalana”.
Tanteraka soa aman-tsara ny Loabariandasy “MIARA-MANORINA” – Ady amin’ny tsy fahalalana notontosaina tao amin’ny Cité des cultures, Antaninarenina, izay nokarakarain’ny AFricTivistes CitizenLab Madagascar sy Lôfo.madagasikara. Betsaka ny mpianatra, mpampianatra ary olon-tsotra namaly ny antso, nanatrika ary nandray anjara mavitrika tamin’ny fifanakalozana sy dinika.

✅ Ny tanjon’ny hetsika dia ny fanorenana sehatra maharitra ho an’ny fampianarana izay mifantoka amin’ny filàn’ny Malagasy sy Madagasikara, nefa misokatra koa amin’ny tontolo iraisam-pirenena. Ao anatin’izany dia niara-nipetraka ireo mpandray anjara nasaina manokana, naneho hevitra sy traikefa hanamafisana ny ady amin'ny tsy fahalalana anisan’izany I Dama, ny Pr Henri Randrianasolonjanahary, ny Dr Ralaimaro Marius, Tovolah, RATSIMBAZAFY Lalaina Michelle ary Rakitra Sederantsoa.
✅ Tao anatin’ny fifanakalozana dia nifampizarana hevitra samihafa momba ny olana mahazo ny rafitra fanabeazana eny anivon’ny oniversite sy ny fanabeazana ankapobeny eto Madagasikara, ary koa ny vahaolana azo ampiharina. Nampirisihina manokana ny tanora mba hitondra ny heviny, satria izy ireo no ho mpitarika sy mpanohy ny fanorenana amin’ny ho avy.

✅ Tsy hijanona amin’ity taona ity ny hetsika Miara-Mano***a, fa hitohy hatramin’ny taona 2026 ary hitety Oniversite manerana ny Nosy, mba hanamafy ny tolona ho fanatsarana ny fanabeazana sy ny fananganana rafitra maharitra ho amin’ny fandrosoan’i Madagasikara. Ny dinika dia tsy nifarana teo fa hitohy amin’ny volana Janoary ka havoaka amin’izay ny fehin-kevitra sy soso-kevitra nentin’ny fakan-kevitra. Ho an’ireo manana saina mamokatra sy hevitra vaovao dia misokatra hatrany ny sehatra nomerika ISIKA (isika.io), ahafahana manoratra sy mandray anjara amin’ny adihevitra.

Fampianarana? rafi-pampianarana? ho avin'ny tanora? Fianarana toy ny ahoana no tokony apetraka? Fianarana sy fanabeazana...
11/12/2025

Fampianarana? rafi-pampianarana? ho avin'ny tanora? Fianarana toy ny ahoana no tokony apetraka? Fianarana sy fanabeazana?

Nifampitafa sy nifanakalo hevitra nandritra ny hetsika MIARA-MANORINA ireo zoky sy tanora isany, naneho ny olana sy nandroso vahaolana ho fanatsara ny seha-pampianarana eto Madagasikara.

Fakan-kevitra hoentina miara-mano***a fampianarana vaovao eto amin'ny firenena.

Ho avy amin'ny volana Janoary ny fehi-kevitra nivoaka nandritra io fakan-kevitra.

Ho antsika manan-kevitra ihany koa dia afaka manoratra izany ao amin'ny sehatra nomerika ISIKA: isika.io

----

Miara-mano***a dia fandaharana iray hoentin'ny AfricTivistes CitizenLab Madagascar hiarahan'ny ISIKA sy Lôfo.madagasikara mamokatra

Hisy ny hetsika Miara-mano***a fahatelo ny volana Janoary izao

# # # Mpano***a fa tsy mpanohitra

10/12/2025

📣📣FANAMBARANA

Miara-Mano***a #2

Henoy anie ny hafatr’i Dama eeee

Hafatra tsotra sy mivantana ho an’ny fanorenana ny fampianarana et Madagasikara.

Raha tiantsika ny hiresaka bebe kokoa momba izany dia tongava eny amin’ny cité des cultures rahampitso 11 Desambra amin’ny 9 ora sy sasany.

Ry tanora, lazao ny olana ary hoento ny vahaolana.

——-

Ity Miara-mano***a faharoa ity dia fandaharana iray hoentin'ny CitizenLab Madagascar ary hiarahan'ny Isika, Lôfo.madagasikara ary ny collectif RPBLK mamolavola

Africtivistes

10/12/2025

Miara-Mano***a #2

Hafatra avy amin'i Rakitra Sedera, izay anisan'ny mpandray anjara amin'ny Miara-mano***a rahampitso 11 Desambra ao amin'ny Cité des Cultures ho entina hiresahana ny hoavin'ny fampianarana eto Madagasikara.

Ity Miara-mano***a faharoa ity dia fandaharana iray hoentin'ny CitizenLab Madagascar ary hiarahan'ny Isika, Lôfo.madagasikara ary ny collectif RPBLK mamolavola

Africtivistes

Rahampitso ny fotoana ao amin'ny Cité des Cultures Antaninarenina
10/12/2025

Rahampitso ny fotoana ao amin'ny Cité des Cultures Antaninarenina

MIARA-MANORINA #2 hatao eny amin’ny Cité des cultures, Antaninarenina

ADY AMIN'NY TSY FAHALALANA.

Hanasana antsika tanora rehetra, ry tanora Mijoroa!

"Loabariandasy ho an'ny fanorenana ny fampianarana hitodika amin'ny Malagasy sy i Madagasikara ary hisokatra amin'izao tontolo izao" Hisantantra ny dinika ao anatin'izany ireo mpandray anjara nasaina manokana :

-Dama: Artiste Sociologue

-Pr Henri Randrianasolonjanahary: Enseignant-chercheur en océanographie, biologie et agriculture
Fondateur de l’association Saha Sekoly Andina

-Dr Ralaimaro Marius : Docteur en Sciences de la terre et de l'évolution
Enseignant à l'ESPA

-Tovolah : Artiste engagé, Fondateur du label Kolotsaina Mainty

-RATSIMBAZAFY Lalaina Michelle : Ingenieur des mines ESPA

-Rakitra Sederantsoa : Étudiant en Science politique FDSP Ankatso

Mpandrindra

-Toavina Rafanomezantsoa : Consultant en communication
Fondateur de l'association Lôfo.madagasikara.

Mandritra izany fotoana izany dia asaina ireo mpianatra, mpanatrika hilaza ny olana ary hitondra ny vahaolana avy amintsika rehetra mpanatrika.

Miara-mano***a dia fandaharana ao anatin’ny AfricTivistes CitizenLab Madagascarizay hiarahan’ny Isika sy Lôfo.madagasikaramamokatra.

Ity fandaharana sy loabariandasy hotontosaina eny Vontovorona ity dia hiarahan’ny vondrona RPBLK, ISIKA ary Lôfo.madagasikara
manatontosa ary iarahana miasa amin'ny fikambanan'ny mpianatra Politeknika Antananarivo 🇲🇬✊🏼.

***a
Africtivistes

MIARA-MANORINA  #2 hatao eny amin’ny Cité des cultures, AntaninareninaADY AMIN'NY TSY FAHALALANA.Hanasana antsika tanora...
09/12/2025

MIARA-MANORINA #2 hatao eny amin’ny Cité des cultures, Antaninarenina

ADY AMIN'NY TSY FAHALALANA.

Hanasana antsika tanora rehetra, ry tanora Mijoroa!

"Loabariandasy ho an'ny fanorenana ny fampianarana hitodika amin'ny Malagasy sy i Madagasikara ary hisokatra amin'izao tontolo izao" Hisantantra ny dinika ao anatin'izany ireo mpandray anjara nasaina manokana :

-Dama: Artiste Sociologue

-Pr Henri Randrianasolonjanahary: Enseignant-chercheur en océanographie, biologie et agriculture
Fondateur de l’association Saha Sekoly Andina

-Dr Ralaimaro Marius : Docteur en Sciences de la terre et de l'évolution
Enseignant à l'ESPA

-Tovolah : Artiste engagé, Fondateur du label Kolotsaina Mainty

-RATSIMBAZAFY Lalaina Michelle : Ingenieur des mines ESPA

-Rakitra Sederantsoa : Étudiant en Science politique FDSP Ankatso

Mpandrindra

-Toavina Rafanomezantsoa : Consultant en communication
Fondateur de l'association Lôfo.madagasikara.

Mandritra izany fotoana izany dia asaina ireo mpianatra, mpanatrika hilaza ny olana ary hitondra ny vahaolana avy amintsika rehetra mpanatrika.

Miara-mano***a dia fandaharana ao anatin’ny AfricTivistes CitizenLab Madagascarizay hiarahan’ny Isika sy Lôfo.madagasikaramamokatra.

Ity fandaharana sy loabariandasy hotontosaina eny Vontovorona ity dia hiarahan’ny vondrona RPBLK, ISIKA ary Lôfo.madagasikara
manatontosa ary iarahana miasa amin'ny fikambanan'ny mpianatra Politeknika Antananarivo 🇲🇬✊🏼.

***a
Africtivistes

Anio, eny amin'ny Havoria Anosy, ny fakan-kevitra izay karakarain'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina momba ny ...
13/11/2025

Anio, eny amin'ny Havoria Anosy, ny fakan-kevitra izay karakarain'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina momba ny tontolon'ny zava-kanto sy ny kolontsaina eto Madagasikara.

Nefa koa mba hampivelatra sy hampitohy hatrany izany fakan-kevitra izany dia manampy amin'izany ny sehatra nomerika ISIKA hanomezatsika olom-pirenena ny tolo-kevitra mahakasika sokajy maro samihafa:

- Teny malagasy
- Mpandala ny fomba malagasy
- Kabary
- Asa soratra
- Mozika
- Sary mihetsika
- Dihy
- Mpikarakara lanonana
- Hiragasy
- Teatira
- Hairaha araka ny endrika amam-bika
- Tontolon'ny sary ary ny harembakoka

Ianao koa, arosoy ny hevitrao ary midira ao amin'ny rohy

https://isika.io/consultation-details/6.Fakan-kevitra%20momba%20ny%20zava-kanto%20sy%20ny%20kolontsaina%20malagasy

Anisan'ny tolo-kevitra hoentin'ireo olom-pirenena ao anaty sehatra nomerika ISIKA ny mahakasika ny lalàm-panorenana tian...
25/10/2025

Anisan'ny tolo-kevitra hoentin'ireo olom-pirenena ao anaty sehatra nomerika ISIKA ny mahakasika ny lalàm-panorenana tiantsika hiaraha-mano***a eto MAdagasikara:

1- Fototry ny lalàm-panorenana��

- Mifototra amina rafitra mafy o***a ka na miova aza ny mpitondra dia mitsangana foana izany
- Mifototra amin’ny fokonolona
- Mifototra amin’ny kolon-tsaina Malagasy
- mametraka sy miaro ny tombontsoan’ny rehetra ka manome fahefana ho an’ny vahoaka
- Mampiray sy mampifamatotra amin’ny vahoaka

2- Ny anarany?

- Constitution Citoyenne de la République de Madagascar�

3-Ny rafitra azo apetraka:

- Fametrahana ny décentralisation effective: ny Commune sy ny Fokontany no fototry ny fampandrosoana
- Ny mpanatanteraka dia tarihin’ny Filoham-pirenena ary apetraka ny fitsipika ahazoana milatsaka: ohatra: tsy afaka milatsaka raha tsy efa nanao mandat électif 2 farafaharatsiny, Ahena ny fahefana ananany ( Ohatra tsy afaka manova constitution izy).
- Ny fahefana mpanao lalàna: Foanana ny sénat dia soloina Conseil des Sages avt amin’ireo Région izay ny région tsirairay avy no mifidy ny ho solon-tenany. Tsy manendry olona ao ny mpanatanteraka
- Ny fahefana mpitsara: Soloina Cour Constitutionnelle et Citoyenne ny HCC. Tsy mahazo mi nommer ny Pdt CCC koa ny Executif. Miainga avy amin'ny législatif ny nom mivoaka ary fidian'izy ireo. Ny executif mi constater ftsn ny fahalaniany.
- Fametrahana Organe d’Audit izay entité tsy ao anaty governemanta fa entité mahaleo-tena afaka manara-maso ny fahefana maro samihafa

Ianao koa raha manana tolo-kevitra amin'ny loha-hevitra maro samihafa dia apetraho izany ao amn'ny fametrahana tolo-kevitra

https://isika.io/propositions

24/10/2025

Koa satria ho an'ny ISIKA dia zava-dehibe tokoa ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena amin'ny raharaha mahakasika ny fiaraha-monina sy ny firenena, nanosika ny fikambanana izany namorona ny sehatra nomerika ho fampandraisana anjara ny olom-pirenena voalohany eto amin'ny Firenena.

Ny sehatra nomerika izay hita amin'ny rohy https://isika.io dia sehatra iray ahafahan'ny olom-pirenena sy ny mpitondra mifampiresaka ahalalana ny tena zava-misy ary koa soso-kevitra hoentin'ny olom-pirenena.

Ka manoloana ny zava-misy ankehitriny dia vonona ny fikambanana hanampy sy hitondra ny anjara birikiny amin'ny alalan'io sehatra nomerika io ho fiaraha-tsika mano***a firenena vaovao

Vonona hiara-hiasa amin'ireo ankolafin-kery rehetra ho an'ny soa iombonana ho an'ny taninjakana, na ny mpitantana, na ny tanora, na ireo vondrona maro samihafa

Presidence de la refondation de la republique de Madagascar
SADC
Gen-Z Madagascar
ONG Tolotsoa
Havoria - Séminaire de la société civile malagasy
Africtivistes

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Isika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Isika:

Share