12/01/2022
🚩
🌌 Indraindray tena akarapoky ny fiainana amin'ny tany mihitsy ny "motivation" sy ny fianakaviany ry ambition, persévérance,... Miloloha lanitra marina ka mety ho lena eh❓
💫mikarakara hetsika (concert, formation,...) dia tsy misy na tena vitsy ny tonga nanatrika ka tsy mahavita mamerina ny sarany lany akory
💫manao offre de prestation dia tsy misy liana fa mihivingivina ny akamaroany milaza fa tsy misy vola
💫latsalatsain'ny fiarahamonina satria misy olona tsy mahatakatra ny alehibean'ny tanjonao mihintsy
💫tsy fananam-bola fa dia tena tsy misy tombony ny atao
💫amin'ny orana ianao no mibata entana be fa tsy nalafo
💫fandehanana tongotra tsy tenenina intsony mihodikodina makery sy makatsy sitranie mahavita izay vitany fa tsy lany frais
💫... Maro tsy ho voatanisa❕
Fa mila handalovana anefa izany🙌 vao tena misy tsirony ny fahatafitanao😋
👉Tsarovy fa ireo Mpandraharaha efa zokiny ireo dia efa nandalo teo avokoa fa samy manana ny fomba nisehoany fotsiny. Fa raha nafoiny kosa anefa ny tanjony tamin'izany tsy toy izao zareo anio❕⚠
Sedra daholo izany fa Makà aloha aina kely (recul), mandiniha tena, miresaha aminao... dia mitrakà amin'izay💡 Fikiro mafy ny nofinofinao, hareno ary ahitsio izay tsy nety fa aza hafoina mihitsy ilay tanjonao efa nirinao hatry ny ela💗
Tsy misy ny mitoetra mandrakizay na ny olana aza➡ fa "tsy maintsy ho tafa fa androany ihany no mandringa"💫🌠
Mahereza dia matanjaha❤ indray andro, ny niaretanao ho lasa "source d'inspiration" ho an'ireo zandry, zanaka😘
Ampahan'dinika tratran'ny orana🌟
🌠