Zanak'i Bongolava ofisialy

Directions Website

Zanak'i Bongolava ofisialy Pejy ofisialy natokana hampifandray sy hanamafy ny firaisankinan’ny zanak'i Bongolava rehetra manerana an’i Madagasikara sy any ivelany.

Mampiroborobo ny kolontsaina, ny fampandrosoana ary ny fiaraha-mientan’ny samy zanak'i Bongolava

‼️𝐙𝐀𝐍𝐀𝐊’𝐈 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀 - 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐙𝐀𝐇𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 - 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐀𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐙𝐀𝐇𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐄𝐓𝐎 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀 Ny bir...
17/10/2026

‼️𝐙𝐀𝐍𝐀𝐊’𝐈 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀 - 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐙𝐀𝐇𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 - 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐀𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐙𝐀𝐇𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐄𝐓𝐎 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀

Ny birao mpitantana ny fikambanan'i Zanak'i Bongolava dia manasa sy mitaona antsika Zanak'i Bongolava rehetra hifanotrona amin'ny fampahafatarana ofisialy ny Ministra Mpiahy ny faritra Bongolava - Ministra Lily RAFARALAHY, sy ny fametrahana aminy fomba ofisialy ny fitaleavam-paritra ny fizahatany sy Asatanana eto Bongolava ny alahady 18 Oktobra 2026.. Tongava aby nama..

‼️HETSIKA BONGOLAVA M’RAY ANKADINONDRY Noho ny fandaminana sy fangatahan’ny be sy ny maro dia nahembotra ny alahady 18 o...
16/10/2026

‼️HETSIKA BONGOLAVA M’RAY ANKADINONDRY

Noho ny fandaminana sy fangatahan’ny be sy ny maro dia nahembotra ny alahady 18 octobre ny spectacle Ny Ainga eto Ankadinondry, ny toerana kosa dia miova ao amin’ny tokontan’ny mopera ao Antsahamasina

Mankasitraka indrindra dia mba amparitao

𝐙𝐀𝐍𝐀𝐊’𝐈 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀,  𝐌𝐀𝐍𝐄𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀 𝐇𝐀𝐇𝐈𝐓𝐀 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐌-𝐁𝐎𝐋𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐑𝐎𝐓𝐑𝐀!Ny Fikambanana Zan...
13/10/2026

𝐙𝐀𝐍𝐀𝐊’𝐈 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀, 𝐌𝐀𝐍𝐄𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀 𝐇𝐀𝐇𝐈𝐓𝐀 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐌-𝐁𝐎𝐋𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐑𝐎𝐓𝐑𝐀!

Ny Fikambanana Zanak’i Bongolava sy ny Tetikasa TADY – Tantsoroka ho An’ny Diaspora, dia mikarakara fiofanana ho an’ireo tanora manana hevitra na tetikasa fandraharahana eto amin’ny Faritra Bongolava.
Ny fiofanana dia hotarihin’ny Expert Joélison RAFENOMANANTSOA(Diaspora), miaraka amin’ireo mpampiofana hafa.
Inona no tanjona? Hanampy ireo tanora :
💡 hanana toe-tsaina tia fandraharahana ;
🔎 hamantatra ireo fahafahana azo trandrahina ;
📋 handrafitra tsara ny hevitra na tetikasany ;
📊 hamolavola Drafi-pandraharahana (Business Plan) ;
🤝 hahazo torohevitra sy fanohanana ara-teknika.
Tanora 60 avy ao Tsiroanomandidy sy 40 avy ao Fenoarivobe no kasaina handray anjara.
🏆 Rehefa vita ny fiofanana, tetikasa 20 voafantina no hahazo fanohanana ara-teknika sy torohevitra mitohy mba hanampiana azy ireo hampandroso ny tetikasany.
👩‍💼 Entanina manokana handray anjara amin’ity hetsika ity ireo vehivavy tanora manana tetikasa fandraharahana.
📅 Tsiroanomandidy : 2–5 Novambra 2026 ao salle de formation Annexe Masera Sainte Marie Tsididy
📅 Fenoarivobe : 9–12 Novambra 2026: Salle ONG Fami Vika Be Fenoarivobe
🎁 MAIMAIM-POANA tanteraka ny fiofanana!
Hisy fizarana attestation avy aminy Mpikarakara sy Mpanohana aoriany fiofanana
Misy sakafo hoan’i Mpiofana mandritra ny fiofanana
📲 Fakan-kevitra sy fisoratana anarana izao ato mialohan’i Alatsinainy 26 Oktobra 2026 :
Mme Mampionona: 📞 +261 34 51 103 39

🌱 Zanak’i Bongolava – Miara-mientana amin’ny tanora, mampiroborobo ny fandraharahana, manohana ny fampandrosoana an’i Bongolava!

✨ FIKAMBANANA ZANAK’I BONGOLAVA ✨dia manolotra :🎤CABARET KALOKALO🪕🎶 Farakely  — AU GRAND COMPLET 🎶📅 Zoma 30 Oktobra 2026...
08/10/2026

✨ FIKAMBANANA ZANAK’I BONGOLAVA ✨
dia manolotra :

🎤CABARET KALOKALO🪕

🎶 Farakely — AU GRAND COMPLET 🎶

📅 Zoma 30 Oktobra 2026
🕘 Manomboka amin’ny 21h00
📍 ESPACE MANAMPY – Tsiroanomandidy

🎟️ Vidim-pidirana :
• Cavalier : 30.000 Ar
• Couple : 50.000 Ar
• VIP : 100.000 Ar

Invitation : Tsena Manampy, eo amin’ny JOVENA Tsiroanomandidy, mp amin’ny Pejy na miantso mivantana amin’ny laharana etsy ambany

📞 Infoline :
+261 34 81 821 99
+261 38 68 056 12

🔥 Aza adino fa fotoana iray hiarahana miala voly sy mankafy mozika miaraka amin’i FANAKELY izany!
Tongava maro! ❤️

Mankasitra ny Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports Bongolava amin’ny fikarakarana Ny fikambanana Zanak'i Bon...
08/10/2026

Mankasitra ny Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports Bongolava amin’ny fikarakarana

Ny fikambanana Zanak'i Bongolava ofisialy dia mirary soa sy fahombiazana hatrany ho antsika vehivavy rehetra eto Bongolava

Eline Razafiarisoa 🙏

🌸✨ NY FANALAHIDIN’NY FAHOMBIAZANA✨🌸

💖 Ho fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tovovavy 2026 eto amin’ny Faritra Bongolava, ny Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports Bongolava dia mikarakara fifampizarana traikefa sy fahalalana mitondra ny lohahevitra hoe :

🔑 « NY FANALAHIDIN’NY FAHOMBIAZANA »

Hiarahana amin’ireo vehivavy manana traikefa sy nahavita dingana lehibe teo amin’ny sehatra misy azy avy :

✅ Rtoa MANAMPISOA Faratiana Safeno Victoire – Lehiben’ny Faritra Bongolava
✅ Rtoa Toky Nardi – Vehivavy mpandraharaha eto amin’ny Faritra Bongolava
✅ Rtoa RANDRIANARISON Tiana Harimiora – Doctorante-Consultante à la Banque Africaine de Développement
✅ Rtoa RAZAFIARISOA Eline – Doctorante en Statistique-Mathématiques

🎯 TANJONA :
Hanentana sy hanome aingam-panahy ny tovovavy mba hatoky tena, ho sahy hanonofy sy handray andraikitra, ary hiezaka hanatratra ny tanjony, satria tsy misy fahombiazana tsy miainga amin’ny fahasahiana sy ny fikirizana! 💪🌟

📅 ZOMA 23 OKTOBRA 2026
🕘 Manomboka amin’ny 9 ora maraina
📍 Maison des Jeunes Tsiroanomandidy

💗 TONGAVA MARO! MAIMAIM-POANA NY FIDIRANA!

🌷 Ry tovovavy, ny hoavinao dia eo am-pelatananao. Sahia manonofy, sahia mandroso, fa ianao koa afaka ny hahomby!

Ministère de la Jeunesse et des Sports
Alain Rasambany
Alain Désiré Rasambany
Faritra Bongolava Ofisialy

‼️ 𝐓𝐄𝐓𝐈𝐊’𝐀𝐒𝐀 𝐓𝐀𝐃𝐘 « 𝐓𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨𝐫𝐨𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐀𝐧’𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐚𝐬𝐩𝐨𝐫𝐚 » 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀ZANAK’I BONGOLAVA MANENTANA NY TANORA HAHITA LALANA ...
05/10/2026

‼️ 𝐓𝐄𝐓𝐈𝐊’𝐀𝐒𝐀 𝐓𝐀𝐃𝐘 « 𝐓𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨𝐫𝐨𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐀𝐧’𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐚𝐬𝐩𝐨𝐫𝐚 » 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀

ZANAK’I BONGOLAVA MANENTANA NY TANORA HAHITA LALANA AMIN’NY FAMPIASAM-BOLA SY NY FAMPAHARAM-BAROTRA!

Ny Fikambanana Zanak’i Bongolava, amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Tetikasa TADY – Tantsoroka ho An’ny Diaspora, dia mikarakara fiofanana ho an’ireo tanora manana hevitra na tetikasa fandraharahana eto amin’ny Faritra Bongolava.

Ny fiofanana dia hotarihin’ny Expert Joélison RAFENOMANANTSOA, miaraka amin’ireo mpampiofana sy mpanoro hevitra.

🎯 Inona no tanjona?

Hanampy ireo tanora :
💡 hanana toe-tsaina tia fandraharahana ;
🔎 hamantatra ireo fahafahana azo trandrahina ;
📋 handrafitra tsara ny hevitra na tetikasany ;
📊 hamolavola Drafi-pandraharahana (Business Plan) ;
🤝 hahazo torohevitra sy fanohanana ara-teknika.

👥 Tanora 100 avy ao Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe no kasaina handray anjara.

🏆 Rehefa vita ny fiofanana, tetikasa 20 voafantina no hahazo fanohanana ara-teknika sy torohevitra mitohy mba hanampiana azy ireo hampandroso ny tetikasany.

👩‍💼 Entanina manokana handray anjara amin’ity hetsika ity ireo tovovavy sy vehivavy tanora manana tetikasa fandraharahana.

📅 Tsiroanomandidy : 2–5 Novambra 2026
📅 Fenoarivobe : 9–12 Novambra 2026

🎁 MAIMAIM-POANA tanteraka ny fiofanana!

📲 Hisoratana anarana sy hahazoana fanazavana :
📞 +261 34 51 103 39
📞 +261 34 47 408 19
📞 +261 34 84 054 74
📞 +261 37 22 480 21

🌱 Zanak’i Bongolava – Miara-mientana amin’ny tanora, mampiroborobo ny fandraharahana, manohana ny fampandrosoana an’i Bongolava!

------------------------------

🚀 L’ASSOCIATION ZANAK’I BONGOLAVA MOBILISE POUR L’ENTREPRENEURIAT DES JEUNES !

L’Association Zanak’i Bongolava, en collaboration avec le projet TADY – Tantsoroka ho An’ny Diaspora, organise dans la Région Bongolava une formation dédiée au renforcement de l’esprit entrepreneurial et à l’accompagnement des jeunes porteurs de projets, sous le leadership de l’expert Joélison RAFENOMANANTSOA.

🎯 L’objectif : aider les jeunes à transformer leurs idées en projets structurés et potentiellement viables, tout en renforçant leurs capacités entrepreneuriales.

👥 100 jeunes porteurs de projets de Tsiroanomandidy et de Fenoarivobe sont invités à participer à cette initiative.

📚 Pendant 4 jours, les participants seront accompagnés pour :
💡 développer leur esprit entrepreneurial ;
🔎 identifier les opportunités ;
📋 structurer leurs idées de projets ;
📊 élaborer leur Business Plan ;
🤝 bénéficier de conseils et d’un accompagnement technique.

🏆 À l’issue de la formation, les 20 meilleurs projets sélectionnés bénéficieront d’un suivi et d’un accompagnement technique dans la durée.

👩‍💼 Les jeunes femmes porteuses de projets sont particulièrement encouragées à participer.

📍 Tsiroanomandidy : 2 au 5 novembre 2026
📍 Fenoarivobe : 9 au 12 novembre 2026

💰 Participation entièrement gratuite !

📲 Inscriptions et renseignements – Appel & WhatsApp :
+261 34 51 103 39
+261 34 47 408 19
+261 34 84 054 74
+261 37 22 480 21

🌱 Association Zanak’i Bongolava — mobiliser les talents locaux pour contribuer au développement de la jeunesse et de l’entrepreneuriat dans le Bongolava.

01/10/2026

Joyeux anniversaire à vous Madame CR Faratiana Safeno Victoire Manampisoa 🎂🎉

Amin’izao andro manokana izao dia mirary fahasalamana, fahasambarana ary fahombiazana feno ho Anao izahay.

Enga anie ity taona vaovao eo amin’ny fiainanao ity hitondra fitahiana maro, fahendrena ary hery hatrany amin’ny fanatanterahana ireo andraikitra iantsorohanao ho fampandrosoana ny Faritra Bongolava.

✨ Mirary soa sy fahombiazana hatrany ❤️❤️❤️

🕊️ ANTSO FIRAISANKINA 🕊️Araka ny vaovao voaray, rahampitso Sabotsy 26 Septambra 2026 amin’ny 4 ora hariva no ho tonga et...
25/09/2026

🕊️ ANTSO FIRAISANKINA 🕊️

Araka ny vaovao voaray, rahampitso Sabotsy 26 Septambra 2026 amin’ny 4 ora hariva no ho tonga eto an-tanindrazana ny nofo mangatsiakan’i Tompokovavy VOLOLONIRINA Valencia Marie Thérèse, vadin’i Atoa RANARIVELO Fanomezantsoa Lucien, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Tsiroanomandidy.

Noho izany, antsoina isika Zanak’i Bongolava rehetra izay afaka mba hiara-haneho firaisankina sy hanatanteraka ny adidy amin’ny fitsenana ny razana eny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato

FANDAMINANA :

📍 Toerana ihaonana : Parking Seranam-piaramanidina Ivato
🕒 FOTOANA : Manomboka amin’ny 3 ora hariva
🕊️ Fahantongavan’ny razana : 4 ora hariva

Aoka samy hifampilaza sy hifampitaona.

🕊️ Ny firaisankina no hery.

Misaotra antsika rehetra.

🕊️ FILAZANA MANJOAo anatin’izao fotoam-pahoriana sy fahoriana lalina izao, ny Fikambanana ZANAK’I BONGOLAVA dia maneho n...
24/09/2026

🕊️ FILAZANA MANJO

Ao anatin’izao fotoam-pahoriana sy fahoriana lalina izao, ny Fikambanana ZANAK’I BONGOLAVA dia maneho ny fiombonam-po sy ny fiaraha-miory amin’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara, Atoa RANARIVELO Fanomezana Lucien, noho ny fahalasanan’ny vady malalany.

Mirary fiononana feno sy maneho firaisam-po amin’ny fianakaviana manontolo, ireo havana aman-tsakaiza ary ny mpiara-belona rehetra izahay, amin’izao fotoan-tsarotra izao.

Araka ny vaovao voaray, dia mbola any Mumbai, Inde no misy ny Razana amin’izao fotoana izao, ary halevina ao Fanjakamandroso, Kaominina Ankadinondry Sakay.

Amin’izao fotoam-pahoriana izao, enga anie ny firaisankina, ny fifanohanana ary ny fifampaherezana no hanome hery sy hampahery ny fianakaviana miatrika izao sedra izao.

«« Sambatra ny ory, fa izy no hampiononina. »
Matio 5:4»

🙏 Mirary fiononana feno ho an’Atoa Solombavambahoaka sy ny fianakaviana manontolo izahay.

🕯️ Enga anie Andriamanitra Tsitoha hanome fitsaharana mandrakizay ho an’ny Razana, ary hanome hery, faharetana ary fampiononana ho an’ireo rehetra tra-pahoriana.

FIKAMBANANA ZANAK’I BONGOLAVA
Firaisankina • Fifanohanana • Fihavanana

Address

LOT IBI 62 RF ANTSAHAVOLA/TANA 101
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zanak'i Bongolava ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share