Zanak'i Bongolava ofisialy

Zanak'i Bongolava ofisialy Pejy ofisialy natokana hampifandray sy hanamafy ny firaisankinan’ny zanak'i Bongolava rehetra manerana an’i Madagasikara sy any ivelany.

Mampiroborobo ny kolontsaina, ny fampandrosoana ary ny fiaraha-mientan’ny samy zanak'i Bongolava

16/07/2026
📢 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐍𝐄𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐉𝐎Noho ny fahalasanan'ny Reny niteraka ny iray amin'ireo mpikambana mavitrika ao amin'n...
16/07/2026

📢 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐍𝐄𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐉𝐎

Noho ny fahalasanan'ny Reny niteraka ny iray amin'ireo mpikambana mavitrika ao amin'ny Zanak'i Bongolava, dia antsoina isika rehetra, tsy ankanavaka, hiara-hanotrona sy hanefa ny adidintsika farany amin'izao fotoam-pahoriana izao.
🕔 Fotoana: Anio hariva amin'ny 5 ora
📍 Toerana: Manoloana ny BNI Ampitatafika
Izay andeha mba:
Mandefa hafatra miafina (message privé) amin'ny pejy;
Na miantso mivantana ny laharana: 034 37 640 82 na 034 47 408 19.

Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana, Andriamanitra hameno ny banga rehetra navelany

HAPPY BIRTHDAY RADIO BONGOLAVA 🎊✔️
15/07/2026

HAPPY BIRTHDAY RADIO BONGOLAVA 🎊✔️

Bon anniversaire Radio Bongolava. 31 ans (15 juillet 1995 - 15 juillet 2026)
"Antsik'aby e " 🎉🥳🥰🎁🥳

‼️𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀 𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐊𝐘 𝐍𝐘 𝟑𝟓 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀 𝐕𝐄 𝐈𝐀𝐍𝐀𝐎!?✔️ Efa tsy mianatra intsony ?✔️ Manana hevitra ny h...
15/07/2026

‼️𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀 𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐊𝐘 𝐍𝐘 𝟑𝟓 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀 𝐕𝐄 𝐈𝐀𝐍𝐀𝐎!?

✔️ Efa tsy mianatra intsony ?
✔️ Manana hevitra ny hisehatra na efa misehitra amin'ny fambolena na fiompiana na fanodinam-bokatra ?
✔️ Vonona ny ho lasa mpandraharaha matianina amin'ireo sehatra io?

TONGAVA HAINGANA MANANTONA NY FANDAHARAN'ASA PROGRES IZAY EO FANDAHARAN'ASAM-PANJAKANA TANTERAHINA EO ANIVON'NY MINISTERAN'NY FAMBOLENA SY NY FAHALEOVANTENA ARA-TSAKAFO MAKA NY ANDININDININY MAHAKASIKA IZANY DIENY IZAO FA VOAFETRA IHANY NY TOERANA AMIN'ITY TAONA 2026 ITY.

Toerana: Biraon'ny DRASA ampitan'ny tranompokonolona, ao amin'ny porte 16 fa vonona handray anao ny tompon'andraikitra ao

Fanampim-panazavana:
⚪️ 034 26 591 40
⚪️ 038 22 869 25
⚪️ 034 76 457 31
Mirary soa!!!

13/07/2026
🏅 𝐒𝐏𝐎𝐑𝐓 𝐒𝐂𝐎𝐋𝐀𝐈𝐑𝐄 𝐑É𝐆𝐈𝐎𝐍𝐀𝐋 – 𝐃𝐑𝐄𝐍 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔Hotanterahina ao Ambohitromby, Fenoarivobe, ny 27, 28 ary 29 Jolay 2026 n...
09/07/2026

🏅 𝐒𝐏𝐎𝐑𝐓 𝐒𝐂𝐎𝐋𝐀𝐈𝐑𝐄 𝐑É𝐆𝐈𝐎𝐍𝐀𝐋 – 𝐃𝐑𝐄𝐍 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔

Hotanterahina ao Ambohitromby, Fenoarivobe, ny 27, 28 ary 29 Jolay 2026 ny Sport Scolaire Régional, hifaninanan'ireo mpianatra avy amin'ny CISCO ato amin'ny Faritra Bongolava.

⚽ Hifaninana amin'ny baolina kitra 7 (lahy), 🏀 basikety (vavy) ary 🏃 atletisma (100 m, 800 m, 1000 m, relais medley, lancer de poids, saut en longueur) araka ny sokajin-taona voafaritra.

Mirary fahombiazana ho an'ireo mpandray anjara rehetra ary manentana ny rehetra hanohana sy hampiroborobo ny fanatanjahantena an-tsekoly ho fampivelarana ny talenta sy ny firaisankina.

🏆 DREN BONGOLAVA – Mampiroborobo ny fanabeazana sy ny fanatanjahantena ho an'ny tanora.

DREN Bongolava

09/07/2026

FORMATION INFORMATIQUE BUREAUTIQUE GRATUIT

✅ WORD
✅ EXCEL
✅ POWERPOINT

📢 Ny AJUDIT dia mikarakara fiofanana informatique bureautique maimaim-poana ho antsika mpianatra ambaratonga ambony ato amin'ny fikambanana.

📅 Fanombohan'ny fiofanana : Alahady 12 Jolay 2026, amin'ny 2 ora ka hatramin'ny 4 ora tolak'andro

📍 Toerana : R+3 Vert Ankatso 2

💻 Fitaovana ilaina : ordinateur.

👍 Mpampiofana : Matihanina

📝 Fisoratana anarana : mandefasa message amin'ny page 📩 na ny laharana 📞 0386831289.

📚 Zao no natao mba hanampina antsika mpianatra eo fanaovana memoire sy fianarana izay atao. ✍️

🙌 Koa aza misalasala misoratra anarana hoan'izay mila izany

TSARA RAHA SAMY MANANA AN’ITO DAHOLO ISIKA MANOLOANA IREO TRANGA TSY MILAMINA ETO AMIN’NY FIRENENA Indrindra isika Zanak...
07/07/2026

TSARA RAHA SAMY MANANA AN’ITO DAHOLO ISIKA MANOLOANA IREO TRANGA TSY MILAMINA ETO AMIN’NY FIRENENA

Indrindra isika Zanak'i Bongolava ofisialy aty ampielezana 🙏

‼️𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔 – 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀🇲🇬Ampahafantarina ny tanora rehetra 19 ka hatramin'ny 31 taona eto amin'ny...
06/07/2026

‼️𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔 – 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀🇲🇬

Ampahafantarina ny tanora rehetra 19 ka hatramin'ny 31 taona eto amin'ny Faritra Bongolava fa efa nivoaka ny fandaharam-potoanan'ny Fitsarana Miaramila 2026.

🗓️ FANDAHARAM-POTOANA

DISTRIKAN'I TSIROANOMANDIDY
• Tsironomandidy : 26–27 Aogositra 2026
• Akadinondry Sakay : 28 Aogositra 2026
• Bemahatazana : 05 Septambra 2026
• Ambalanirana : 08 Septambra 2026
• Ankadinondry : 10 Septambra 2026

DISTRIKAN' FENOARIVOBE
• Fenoarivobe : 18–19 Aogositra 2026
• Firavahana : 21 Aogositra 2026
• Kiranomena : 24 Aogositra 2026
• Ambohitromby : 28 Aogositra 2026

📌 ANTONTAN-TARATASY ENTI-MANATRIKA

✔️ Kara-panondrom-pirenena (CIN)
✔️ Penina ranomainty manga

📌 TOMBONTSOA AMIN'NY KARATRA MAINTSO

✔️ Manaporofo fa efa nandalo Fitsarana Miaramila.
✔️ Takiana amin'ny fifaninanana sy fandraisana mpiasa sasany, indrindra amin'ny asam-panjakana. ✔️ Ilaina amin'ny antontan-taratasy ara-panjakana sasantsasany.
✔️ Manamarina fa ara-dalàna ny sata manoloana ny adidy momba ny fanisana miaramila.
✔️ Porofo fa efa nahavita ny dingana takian'ny lalàna.

➡️ Antsoina ny tanora rehetra voakasika mba hanaja ny daty sy ny toerana voatondro ary hitondra ireo antontan-taratasy ilaina.

⚠️ Tsara ho marihina fa ny fanatrehana ny Fitsarana Miaramila dia ahazoana Karatra Maintso, saingy TSY midika velively izany fa izay rehetra mandalo fitsarana dia horaisina ho miaramila avy hatrany.

Address

LOT IBI 62 RF ANTSAHAVOLA/TANA 101
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zanak'i Bongolava ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share