❤ Faly miarahaba anareo manaraka ny pejy Vonjisoa AID izahay. Fikambanana inona? Iza no mpikambana ao? I Vonjisoa AID dia fikambanana natsanganay Randriamboavonjy mpiray tampo. Fifankatiavana sy fanampiana ny mpiara-belona no efa nitaizàna anay hatramin’izay satria marina fa “tsara ny manome noho ny mandray”. Efa maro tsy ho tanisaina ireo fanampiana amin’ny fomba isan-karazany izay nataonay an-ta
ona maro tamin’ny herinay irery ary tsy nireharehana na naseho izao rehetra izao fa ny tsirairay ihany no mahalala ny soa/fanampiana izay efa noraisiny. Natao am-pitiavana foana izany. Ankehitriny nefa dia maro ireo tapaka sy namanay ary koa fikambanana izay te hanampy anay amin’izany asa fanasoavana izany ka nahatonga ny fanapahan-kevitra hanangana fikambanana mpanao asa soa satria hoy isika Malagasy hoe “entan-jaraina hono mora zaka” ary koa hoy ny ohabolana afrikanina “raha te handeha haingana ianao dia mandehana irery fa raha te handeha lavitra kosa dia miaraha”. Noho izany dia faly izahay satria maro ireo te hiara-dia aminay ka manantena handeha lavitra izahay amin’ny asa izay kasaina ary misaotra eram-po eran-tsaina anareo mpanohana anay. Ny antompisian’ny pejy dia mba hizaràna amin’ny fomba mangarahara ny hetsika ataonay indrindra ho an’ireo mpanohana ny asa ataonay. Faly izahay “Vonjisoa AID” hitatitra ny anjara birikinay eo anivon’ny fiarahamonina. Soa atao hono levenam-bola ary izay mitambatra vato fa izay misaraka kosa fasika.
❤It is our great pleasure to welcome you to the Vonjisoa AID site. One might ask what organization is Vonjisoa AID? Who are its members? Vonjisoa AID is an organization founded by the Randriamboavonjy brothers and sisters. We have been raised to love and help our neighbors because we are convinced in the joy of giving. Over the years, we have been helping those in need in various ways and are happy for having been able to make a difference in many people’s life. However, we believe that there is no need to advertise or publish our countless help and donations. Given that many of our friends as well as different organizations want to support us with our charity work, it was time to start an official charitable organization and to share in a transparent way our activities especially for those who support our work. We at Vonjisoa AID believe that “A burden is lighter if you carry it together” (Malagasy saying) and “if you want to go fast, go alone, but if you want to go far, go together” (African proverb). We are happy and very thankful for having people who want to make this journey with us and hope to go far with our planned work. Thank you! As long as poverty, injustice and gross inequality persist in our world, none of us can truly rest (Nelson Mandela).