31/12/2023
Farany taona 2023
Nofarananay tanora Manolo-tanana tamin'ny fizarana hafaliana ny taona.
Ireo olona sahirana sy tsy manan-kialofana no safidinay nizarana sakafo, bonbon,akanjo,vola β¦sns
Hita soritra tany amin'izy ireo ny hafaliana satria tsy irery izy ireo.
Tanjonay manaraka dia hanampy azy ireo bebekokoa ary ny mba hananany tsirairay fidirambola maharitra ka tsy hiverenany eny amoron'dalana intsony.
Izahay ato amin'ny tanora manolo-tanana dia mirary antsika rehetra hahatratra ny taona vaovao 2024.
Ary Misaotra ny mikambana rehetra manerana ny Nosy nahavita ny adidy nandritra izay fotoana izay.
π²π¬π²π¬ Manaova ny Soa ho soavina.
Manaova ny tsara ho tsaroana.π²π¬π²π¬