05/06/2026
đ€Notanterahina androany 05 Jona 2026 teto Farafangana ny dinika ifaneraseran'ny vondrom-piarahamonina tao amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana izay nokarakarainâny Kaomisaria Ambony momba ny ZonâOlombelona sy ny ONDH izay hetsika nahavory mpandray anjara miisa 40 đ„.
Nandray anjara taminâizany ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny, ireo raiamandreny sy olo-be eo an-toerana, ny solontenanâny KMD ary ireo fikambanana mpiara-manatanteraka ny tetikasa LANDJA toy ny PNUD Madagascar,OBS-Mada, ACDEM
đŻ Tanjona taminâity dinika ity ny hanamafisana ny fifanatonana sy hampifandray ireo mpisehatra rehetra eny ifotony mba hisian'ny firaisankina, ny fifampitokisana ary ny fandriampahalemana maharitra eo anivonâny fiarahamonina.
đŹ Nandritra ny fifanakalozan-kevitra dia nohamafisina ny andraikitry ny tsirairay aminâny fampanjakana ny zonâolombelona sy ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana. Nisy ihany koa ny fanazavana sy adihevitra momba ny Dina, izay fitaovana manan-danja aminâny fitandroana ny filaminana sy ny famahana ny disadisa eny ifotony, ao anatinâny fanajana ny zonâolombelona.
UN Peacebuilding Fund Madagascar - Fonds pour la Consolidation de la Paix