Ampelasoan'i Bongolava

Ampelasoan'i Bongolava Vehivavy "Zanaky ny Faritr'i BONGOLAVA" Mivondrona, ho fanasoavana ireo Mpiarambelona tena sahirana.

07/03/2026

🥳 Happy Birthday Ampelasoan'i BONGOLAVA 🎊🎂🎈🎉🪅🎀🎊 ~ 4 ans

Tianay ianao ry Bongolava 😊

Miarahaba antsika indray e! Faly tokoa ary manome voninahitra manokàna ny Vehivavy rehetra ato @ Faritr'i BONGOLAVA izah...
07/03/2026

Miarahaba antsika indray e!

Faly tokoa ary manome voninahitra manokàna ny Vehivavy rehetra ato @ Faritr'i BONGOLAVA izahay "Ampelasoan'ny Bongolava" amin'izao andron'ny 08 mars 2026 izao 🤝 🎊

ACTION 21: Ho fanamarihàna ity Andro ity dia ireo Vehivavy ZOKIOLONA tao @ Fokontany 2 : Androtra sy Ankadinakanga no notoloran'ireo Solotenan'ny "Ampelasoan'i BONGOLAVA": Lamba firakotra mafana sy kojakoja samihafa.

Nisy ihany koa avy eo ny Fiarahana Misakafo sy échange de cadeaux 🎁 ho fifampiarahabana ny Taona vaovao 2026.

Misaotra ary Mankasitraka ny Ampelasoan'i BONGOLAVA rehetra tsy ankanavaka 😊
t@ fiaraha-mientana sy fiaraha-miombona ka nahavitàna izao hetsika izao.

Mirary ny SOA ho antsika rehetra 🙏

ACTION 20: NOELY 2025 – AVARATSENA (Tsiroanomandidy) Faly tokoa izahay “AMPELASOAN’I BONGOLAVA” mankalaza ny Fetin’ny NO...
23/12/2025

ACTION 20: NOELY 2025 – AVARATSENA (Tsiroanomandidy)

Faly tokoa izahay “AMPELASOAN’I BONGOLAVA” mankalaza ny Fetin’ny NOELY anio Talata 23 décembre, miaraka amin’ ireto Ankizikelin-tsika 😊🥰 ireto.

Ny fokontany AVARATSENA ~ Tsiroanomandidy no niantefan’izany ary isaorana manokàna ny Chef Fokontany 🙏🙏 t@ fandaminàna rehetra. Noraisina ny anaran’ireo Ankizy sahirana sy ny taonany. Ary notoloràna: Kilalao maro samihafa, Akanjo, Biscuits, Chips Milay be, Vatomamy ho mariky ny Fetin’ny NOELY 2025 🥳

🔹Manolotra ny fisaorana ny Membres AMPELASOAN'I BONGOLAVA rehetra nitondra anjara biriky, nandaminà fotoana sy ny fikarakaraka ka nahatontosàna ny Andro anio.

Mirary Fety sambatra hoan’ny Ankizikelin’i BONGOLAVA rehetra izahay e!! 🎄🎁😊🎊

Faly miarahaba antsika rehetra avy any Bongolava indray eee! 😊👋 Elaela isika tsy tafahoana teto @ Pejy. ✔️Tsy manadino a...
20/09/2025

Faly miarahaba antsika rehetra avy any Bongolava indray eee! 😊👋 Elaela isika tsy tafahoana teto @ Pejy.

✔️Tsy manadino an'ireto Ankizikelitsika sahiràna ireto izahay AMPELASOAN'I BONGOLAVA 🙏 amin'izao Taom-pianarana 2025-2026 vao manomboka izao, koa ankafaliana sy ampitiavana tanteraka ary no nanoloranay Fitaovana azy ireo anio.

ACTION 19: Kit Scolaire => Cahiers, stylos, trousse, crayons, gomme, règle, rapporteur, équerre ...

Quartier: Soanafindra, Tsiroanomandidy ~ 67 enfants bénéficiaires (+21 non prévus initialement 😊🥰)

Toy ny mahazatra moa dia samy nanolotra izay Foy ny mpikambana tsirairay avy, antsitrapo, tsy terena. Natambatra izany ka nanomezana ny Kit scolaire hoan'ireto Ankizikelintsika any BONGOLAVA ireto

Mankasitraka feno AMPELASOAN'I BONGOLAVA 🙏🙏🌈🌹

Mazotoa mianatra Rankizy malala 🥰📚 Ny fianarana no lova tsara indrindra.

Faly miarahaba antsika Vehivavy rehetra 🥳indrindra ny Vehivavy avy any @ Faritr'i BONGOLAVA izahay Ampelasoan'i Bongolav...
08/03/2025

Faly miarahaba antsika Vehivavy rehetra 🥳indrindra ny Vehivavy avy any @ Faritr'i BONGOLAVA izahay Ampelasoan'i Bongolava nahatratra ny andro anio.

Niavàka kely ny fankalazana ny 08 mars hoan'ny Ampelasoan'i Bongolava tamin'ity taona 2025 ity: Fiarahàna misakafo, mikoranà sy mifaly, milalao miaraka @ Ankizy, nanao Jery todika ny ASA SOA vita. Ho fanitsinà sy fanatsàrana ary ho fanamàfisana ny fifankatiavana sy ny firaisankina 🙏🙏

✔️Nanome voninahitra ny fihaonana ny Zoky Mpiahy ny fikambanana (Mme Zoé Rosa, Chantal Niaina)

✔️Tsy adino ihany koa ireo Ampelasoan'i Bongolava any Tsiroanomandidy 😊🙌 izay tsy afaka namonjy ny fihaonana noho ny Adidy aman'andraikitra maro.

Mankasitraka ny rehetra tonga namaly ny Antso.

Mirary fety sambatra ee 🎊

Address

Antananarivo

Telephone

+261341467510

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ampelasoan'i Bongolava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Ampelasoan'i Bongolava:

Share