Projet PECOV

Projet PECOV Evaluation du capital naturel, déploiement des pratiques de GDT et création d'Eco-villages

🌿 Fihaonambe fahatelon’ny otrikarena voajanahary – 02 sy 03 Aprily 2026Manana otrikarena voajanahary miavaka i Madagasik...
08/04/2026

🌿 Fihaonambe fahatelon’ny otrikarena voajanahary – 02 sy 03 Aprily 2026
Manana otrikarena voajanahary miavaka i Madagasikara, izay misolo tena ny 30% eo ho eo amin'ny harem-pirenena nasionaly, ka ahitana zavamananaina tsy manam-paharoa indrindra eran-tany. Manoloana izany anefa, io harena io dia miara-miaina miaraka amin'ny faharefoana ara-tsosialy sy ara-toekarena lehibe sy ny fahapotehan'ny tontolo iainana (fahaverezana ala voajanahary eo ho eo amin’ny 44% tao anatin'ny 60 taona).
Mba hampiharana ny fifanarahana « Kunming-Montreal » sy ny fanatanterahana ny SPANB 2026–2030 vao nekena farany teo, dia natao ny 2 sy 3 aprily teo tao amin'ny Radisson Blu Ambodivona ny andiany fahatelo amin'ny fihaonamben’ny otrikarena voajanahary. Ity fihaonana ity dia nanamafy voalohany indrindra ny vina iraisana amin'ny fampidirana ny otrikarena voajanahary ao anatin'ny politika, ny fampiasam-bola ary ny fomba fanao ara-barotra. Faharoa, nitarika ho amin'ny famolavolana tolo-kevitra sy fanoloran-tena mivaingana mankany amin'ny fiovàna ekolojika. Farany, izao atrikasa izao dia nanamora ny fampivondronana ny tari-dalana eo amin'ny sehatra tsirairay izay mamaritra ny asa laharam-pahamehana tokony himasoana.
Ny tetikasa Tanàna Mirindra dia nandray anjara mavitrika tamin'ity fivoriana ity, ka ohatra amin’izany ny fandraisampitenenana nandritra ny resadresaka mahakasika ny fitaovana fandraisana fanapahan-kevitra sy ny ohatra mivaingana amin'ny fampiasana azy ireo. Nandritra izany, Atoa Paul RALISON, mpandrindra nasionalin’ny tetikasa, dia namelabelatra ohatra mivaingana mahakasika ny fampiasana ny fanombanana ny otrikarena voajanahary amin’ny fanatsaràna ny fitantanana ara-tontolo iainana ao amin’ny kaominina Antoetra, iray amin’ireo kaominina 9 iasan’ny tetikasa.
Nandray anjara tamin’ny tranoheva ihany koa ny tetikasa, izay nampiranty fitaovana isan-karazany, toy ny bokikely mamintina ny fizotry ny fanombanana ny otrikarena voajanahary tao anatin’ny tetikasa, ary koa ny gazety vaovao 2025.

------------------------------------------------------------------------------------------------------
🌿 3ème édition du Forum Capital Naturel – 02 au 03 Avril 2026
Madagascar dispose d’un capital naturel exceptionnel, représentant environ 30% de la richesse nationale, avec une biodiversité parmi les plus endémiques au monde. Pourtant, cette richesse coexiste avec une forte vulnérabilité socio-économique et une dégradation accélérée des écosystèmes (perte estimée à 44 % de la forêt naturelle en 60 ans).
Dans le but de mettre en œuvre l’Accord de Kunming Montréal et d’opérationnaliser la SPANB 2026–2030 récemment adoptée, la troisième édition du forum Capital Naturel a eu lieu les 02 et 03 Avril au Radisson Blu Ambodivona. Cette rencontre a permis dans un premier temps de renforcer une vision commune en mobilisant les acteurs clés au tour de l’intégration du capital naturel et de ses multiples valeurs dans les politiques, les investissements et les pratiques d’affaires. Dans un second temps, elle a permis de produire des recommandations et des engagements concrets vers une transition écologique effective. Enfin, elle a permis la consolidation d’une feuille de route sectorielle et nationale définissant les actions prioritaires.
Le projet PECOV a participé activement à cette rencontre, notamment lors de la session plénière 1 concernant les outils d’aide à la décision et cas concrets d’utilisation des outils. Mr Paul RALISON, Coordinateur National du projet, a présenté lors de cette session un exemple concret de l’utilisation de l’évaluation du capital naturel comme outil d’amélioration de la gestion des ressources naturelles dans la commune d’Antoetra, un des 9 communes d’intervention du projet.
Le projet a également tenu un stand, exposant différents outils comme des livrets qui récapitulent le processus d’Evaluation du Capital Naturel (ECN) dans le cadre de ce projet, et la newsletter 2025.

🌿 Atrik’asa fanamafisana ny fitantànana, fandrafetana ny vinavinan’asa ary fanohanana ara-teknika ireo komity mpitantana...
31/03/2026

🌿 Atrik’asa fanamafisana ny fitantànana, fandrafetana ny vinavinan’asa ary fanohanana ara-teknika ireo komity mpitantana ireo Tanàna Mirindra
Amin’izao fiandohan’ny taona faha-efatra ho an’ny fanatanterahana ny tetik’asa Tanàna Mirindra izao, dia zava-dehibe ny manamafy hatrany ny traikefa sy manao tantsoroka ireo komitin’ny Tanàna Mirindra amin’ny fanatanterahany ny asany. Arak’izany dia nisy ny atrikasa namoriana ireo komity Tanàna Mirindra avy amin’ireo Fokontany 18 ny 26 sy 27 Martsa lasa teo tao Ambositra, izany dia nahita ny filohan’ny tanàna mirindra, ny sefo Fokontany, ny mpitam-bola ary ireo mpanentana (LEV).
Maro ireo vokatra azo nandritra izany atrik’asa izany : ny fanaovana ny jery todika ny asa vita tamin’ny taona 2025, ny fanombanana ny fanatanterahana ireo andraikitra manandrify ny tsirairay avy, ny fanamafisana ny fahaizamanao amin’ny fitantànana sy fitarihana, ny fandrafetana ny vinavinan’asa 2026 ary ny fanamafisana ny fomba fitantànana ara-bola. Ny tanjona ao anatin’izao atrik’asa toy izao moa dia ny hanomanana ireo komity mpitarika ny Tanàna Mirindra ho mahaleo tena amin’ny fitarihana mahomby ny fikambanana, indrindra rehefa tsy ho eo intsony ny tetik’asa.
Toy ny mahazatra, dia nisy ihany koa nandritra izany fihaonana izany ny fanomezana ireo fitaovana ara-teknika ho azy ireo ahafahany manatanteraka ny asany amin’ny antsakany sy andavany. Teo ohatra ny boky mirakitra ireo teknikam-pamokarana agroekolojika, sy ny boky mahakasika ny fampiasana maharitra ireo faritra maitso isaky ny Tanàna Mirindra.

------------------------------------------------------------------------------------------------------
🌿 Atelier de renforcement organisationnel, planification opérationnelle et appui technique aux comités villageois.
Au début de la quatrième année de mise en œuvre du projet écovillage, il apparaît essentiel de consolider les acquis et de continuer à accompagner les comités dans l’exercice de leurs fonctions. Dans cette optique, un atelier a été organisé les 26 et 27 mars derniers à Ambositra, réunissant les comités villageois issus des 18 fokontany concernés. Ont pris part à cette rencontre les présidents des écovillages, les chefs fokontany, les trésoriers ainsi que les animateurs (LEV).
Cet atelier a permis d’atteindre plusieurs résultats significatifs, notamment : la réalisation d’un bilan des activités menées en 2025, l’évaluation de la mise en œuvre des responsabilités individuelles, le renforcement des capacités en gestion et en leadership, l’élaboration des plans d’action pour l’année 2026, ainsi que la consolidation des pratiques de gestion financière.
L’objectif principal de ce type d’atelier est de préparer les comités de gestion des écovillages à devenir autonomes dans la conduite efficace de leurs organisations, en particulier dans la perspective du retrait progressif du projet.
Comme à l’accoutumée, cette rencontre a également été marquée par la remise d’outils techniques destinés à appuyer les comités dans l’exécution optimale de leurs missions. Parmi ces outils figurent notamment des guides sur les techniques de production agroécologique ainsi que des documents relatifs à la gestion durable des espaces verts au sein de chaque Tanàna Mirindra.

Gazety boky 2025 🌿Fifaliana ho anay ny mampita aminao ny gazety boky isan-taonan’ny Tetikasa Tanàna Mirindra (PECOV), iz...
23/02/2026

Gazety boky 2025 🌿

Fifaliana ho anay ny mampita aminao ny gazety boky isan-taonan’ny Tetikasa Tanàna Mirindra (PECOV), izay mampiseho ireo zava-nisongadina nandritra ny taona 2025. Ity antontan-taratasy ity dia mamintina ireo zava-bita lehibe, ireo vokatra fototra ary ireo lesona noraisina avy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.

Ny famakianao sy ny fizaranao izany dia hanampy amin’ny fampitomboana ny fampahafantarana ny asa ataon’ny tetikasa, ho fanohanana ny fampandrosoana maharitra.

---------------------------------------------------

Newsletter 2025

Nous avons le plaisir de vous transmettre en pièce jointe la newsletter annuelle du Projet Écovillage (PECOV), qui présente les faits marquants de l’année 2025. Ce document synthétise les réalisations majeures, les résultats clés et les enseignements issus de la mise en œuvre du projet.
Votre lecture et votre relais contribueront à accroître la visibilité des actions du projet, en faveur d’un développement durable inclusif et résilient.

🌿 Fivorian’ny komity mpitarika ny tetik’asa (COPIL)Toy ny fanao isan-taona dia notanterahina ny Zoma 23 Janoary 2026 las...
30/01/2026

🌿 Fivorian’ny komity mpitarika ny tetik’asa (COPIL)
Toy ny fanao isan-taona dia notanterahina ny Zoma 23 Janoary 2026 lasa teo ny fivorian’ny komity mpitarika ny tetik’asa (COPIL), izay ivondronan’ireo mpisehitra voakasika dia ireo faritra roa tonta, ireo distrika roa tonta, ireo sampan-draharaha teknika marosamihafa, ireo fikambanana tsy miankina, ny Tale misahana ny fampiroboroboana ny fikarohana sy ny fampidirana ny fomba fiasa momba ny fampandrosoana lovainjafy ary ny solotena nasionalin’ny GEF eto Madagasikara.
Ny tanjon’ity fivoriana ity moa dia ny hanaovana jery todika sy ny hankatoavana ireo asa vita tao anatin’ny taona 2025, ary ihany koa ny famaritana sy fankatoavana ny vinan’asa ho an’ny taona 2026. Natao indrindra izany mba ahafahana : (i) manao fanombanana ny fahatratrarana ireo tanjon’ny tetikasa, (ii) manitsy ny fizotran’ny tetik’asa araka ny tokony ho izy raha ilaina izany, (iii) mamaha ireo olana mety ho sedrain’ny tetik’asa, (iv) manangona ireo vokatra tsara entin’ny tetik’asa, (v) ary mandray ny fanapaha-kevitra ilaina rehetra.
Nahitam-bokatra tokoa izay fihaonana izao ary nankatoavin’ny komity mpitarika ny tetik’asa ireo asa vita tamin’ny taona 2025 sy ny vinan’asa ho an’ny taona 2026. Maro ihany koa ireo soso-kevitra fanatsaràna voaray tao anatin’izao fivoriana izao.
------------------------------------------------------------------------------------------------------
🌿 Réunion du comité de pilotage du projet (COPIL)
Comme à l’accoutumée chaque année, la réunion du comité de pilotage du projet (COPIL) s’est tenue le vendredi 23 janvier 2026. Cette instance a réuni l’ensemble des parties prenantes concernées, notamment les deux Régions, les deux Districts, les différents services techniques déconcentrés, les organisations non gouvernementales, le Directeur chargé de la promotion de la recherche et de l’intégration de la démarche de développement durable, ainsi que le Point focal national du FEM à Madagascar.
L’objectif de cette réunion est de procéder à une r***e et à la validation des activités réalisées au cours de l’année 2025, ainsi qu’à la définition et à l’approbation du plan de travail pour l’année 2026. Cette rencontre vise principalement à : (i) évaluer le niveau d’atteinte des objectifs du projet, (ii) ajuster, si nécessaire, le processus de mise en œuvre du projet, (iii) résoudre les différentes difficultés rencontrées, (iv) capitaliser les résultats et bonnes pratiques issus du projet, et (v) prendre l’ensemble des décisions stratégiques requises.
Les échanges ont été particulièrement fructueux. Le comité de pilotage du projet a validé à l’unanimité les réalisations de l’année 2025 ainsi que le plan de travail pour l’année 2026. Plusieurs recommandations d’amélioration ont également été formulées par les membres du comité à l’endroit de chaque entité de mise en œuvre.

🌿 Fivorian’ny komity ara-teknikan’ny tetik’asaToy ny fanao isan-telovolana dia notanterahina ny Alakamisy 22 Janoary 202...
28/01/2026

🌿 Fivorian’ny komity ara-teknikan’ny tetik’asa
Toy ny fanao isan-telovolana dia notanterahina ny Alakamisy 22 Janoary 2026 lasa teo ny fivorian’ny komity ara-teknikan’ny tetik’asa, izay ivondronan’ireo mpanatanteraka ny asa dia ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny ANAE, ny GRET, ary tarihin’ny Fandrindrana Nasionalin’ny tetik’asa na UCP.
Ny tanjon’ity fivoriana ity moa dia ny hanaovana jery todika ny asa vita tao anatin’ny telo volana lasa, sy ny handrafetana ny vinan’asa ho an’ny telo volana manaraka. Natao indrindra izany mba hisian’ny firindrana eo amin’ny fanatanterahana ny asa, sy ny ahatratrarana ireo tanjona izay kendren’ny tetikasa.
Nahitam-bokatra tokoa izay fihaonana izao ary nahafahana namoaka ireo soso-kevitra ho fanatsaràna ny fanatanterahana ny tetik’asa araka ny tokony ho izy.

------------------------------------------------------------------------------------------------------
🌿 Réunion du comité technique du projet
Comme à l’accoutumée chaque trimestre, la réunion du comité technique du projet s’est tenue le jeudi 22 janvier 2026. Cette instance regroupe les principaux acteurs de mise en œuvre, à savoir le Ministère de l’Environnement et du Développement Durable, l’ANAE, le GRET et est placée sous la coordination de l’Unité de Coordination du Projet (UCP).
L’objectif de cette réunion est de réaliser une r***e des activités menées au cours des trois derniers mois, ainsi que d’élaborer le plan de travail pour le trimestre à venir. Cette démarche vise principalement à assurer une meilleure harmonisation des interventions et à garantir l’atteinte des objectifs fixés par le projet.
Les échanges ont été particulièrement constructifs et ont permis de formuler des recommandations pertinentes en vue d’améliorer la mise en œuvre du projet conformément aux orientations prévues.

🌿 Fampiofanana fanavaozana mahakasika ny fitantanana ara-bola eo anivon’ny Tanàna MirindraAntoka iray lehibe mampahomby ...
04/12/2025

🌿 Fampiofanana fanavaozana mahakasika ny fitantanana ara-bola eo anivon’ny Tanàna Mirindra

Antoka iray lehibe mampahomby sy mampaharitra ireo Tanàna Mirindra ny fahaizan’izy ireo mitantana ny lafiny ara-bola amin’ny fomba madio, mangarahara, ary manaraka ny fenitra amin’ny maha fikambanana mijoro ara-dalàna azy.
Ao anatin’izany dia notanterahina ny fampiofanana fanavaozana mahakasika ny fitantànana ara-bola eo anivon’ny Tanàna Mirindra, ny 26 Novambra lasa teo tao Ambositra. Izany atrikasa izany dia natrehin’ireo komity Tanàna Mirindra : Filoha, Mpitam-bola, Mpanamarim-bola sy ireo mpitantana Kioska mandeha amin’ny herin’ny masoandro isaky ny Tanàna Mirindra. Teo ihany koa ireo solotenan’ny mpiantsehitra ato amin’ny Tetik’asa, dia ny Fitaleovamparitry ny Tontolo Iainana Amoron’I Mania sy Matsiatra Ambony, ny GRET ary ny ANAE.

Maro ny lohahevitra noresahina nandritra izany, toy ny : fintin’ny fanjohina mahakasika ny fitantànana ara-bola, ny Rafitra ara-bola eo anivon’ny Tanàna Mirindra ary ireo toro-lalana
momba ny fitantanam-bola ao amin’ny fikambanana Tanana Mirindra.

Tsapa tokoa fa niampaka sy voarain’ireo komity Tanàna Mirindra ny fampiofanana, ka noporofoin’izy ireo izany tamin’ny alalan’ny fampiarana mivantana tamin’ny endrika teatra. Ny vina moa dia ny ahafahana mampaleotena ireo Tanàna Mirindra ireo na dia efa tsy eo intsony aza tetik’asa any aoriana any.

------------------------------------------------------------------------------------------------------
🌿 Formation de recyclage sur la gestion financière au sein des écovillages

L’un des leviers essentiels garantissant l’efficacité et la pérennité des Tanàna Mirindra réside dans leur capacité à assurer une gestion financière rigoureuse, transparente et conforme aux normes applicables aux organisations légalement constituées.

Dans cette perspective, une session de recyclage sur la gestion financière au sein des Tanàna Mirindra a été organisée le 26 novembre dernier à Ambositra. Cet atelier a réuni les comités des Tanàna Mirindra – Présidents, Trésoriers, Contrôleurs financiers – ainsi que les gestionnaires des kiosques solaires de chaque localité. Étaient également présents les représentants des partenaires opérationnels du projet : les Directions Régionales de l’Environnement d’Amoron’i Mania et de Matsiatra Ambony, le GRET ainsi que l’ANAE.

Plusieurs thématiques ont été abordées, notamment une synthèse du suivi réalisé au sein des écovillages, la présentation du mécanisme financier en général, ainsi que les procédures relatives à la gestion financière au sein de ces organisations.
Il a été constaté que les comités villageois ont pleinement assimilé les contenus dispensés, ce qu’ils ont démontré à travers des mises en situation théâtralisées. L’ambition à long terme reste de renforcer l’autonomie fonctionnelle et financière des Tanàna Mirindra, afin qu’ils puissent perdurer même après la clôture du projet.

🌿 Fitsidihana fifanakalozana tao amin’ny saha sekoly AndianaAnisan’ny tantsoroka ifantohan’ny Tetik’asa Tanàna Mirindra ...
01/12/2025

🌿 Fitsidihana fifanakalozana tao amin’ny saha sekoly Andiana

Anisan’ny tantsoroka ifantohan’ny Tetik’asa Tanàna Mirindra ny fanatsaràna ny fomba famokaran’ireo tantsaha eny ifotony. Izany dia ny mba ahazoan’izy ireo vokatra betsaka kokoa, maharitra, mitsinjo ny tontolo iainana ary manampy amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetry ny andro.

Ao anatin’izany dia nisy fitsidihana fifanakalozana izay natao tao amin’ny saha sekoly Andiana (Ambositra) ny 25 Novambra lasa teo, izay nahafahan’ny tantsaha miisa 70 nanamafy ny fahaiza-manao sy ny fahalalana mahakasika ny lohahevitra marosamihafa toy ny : famokarana zezika compost fito andro, ny fambolena maro isankarazany (vomanga, mangahazo, karoty, akondro, vary, sns.), ny marcottage, bouturage, greffage sy ny marosamihafa.

Tsapa tokoa fa nahaliana ireo tantsaha ny fifanakalozan-kevitra. Porofon’izany ny fahavitrihan’izy ireo nanjifa ireo masom-boly teo antoerana. Nanambara ihany koa ireo tantsaha ireo fa vonona ny hampiatra izay zavatra voarainy eny amin’ny tanim-boliny, ary vonona ny hizara traikefa amin’ireo tantsaha hafa izay tsy afaka nanatrika ny fitsidihana ihany koa.

Ankasitrahana feno moa ny Profesora Henry, Tale mpamorina ny saha sekoly, sy ireo mpiaramiasa aminy, tamin’ny fampitana ny fahalalàna sy ny fahaiza-manao tamin’ireo tantsaha.

------------------------------------------------------------------------------------------------------
🌿 Visite échange au sein du champs école Andiana

L’un des axes prioritaires du Projet Tanàna Mirindra porte sur l’amélioration des techniques de production des agriculteurs au niveau communautaire. L’objectif est de leur permettre d’obtenir des rendements plus élevés, durables, respectueux de l’environnement et contribuant à une meilleure résilience face aux changements climatiques.

Dans cette perspective, une visite d’échange a été organisée le 25 novembre dernier au sein du champ-école d’Andiana (Ambositra). Cette séance a réuni 70 agriculteurs, qui ont pu renforcer leurs compétences et leurs connaissances sur divers thèmes, notamment : la production de compost en sept jours, les techniques de cultures variées (patate douce, manioc, carotte, banane, riz, etc.), ainsi que le marcottage, le bouturage, le greffage et bien d’autres pratiques agropastorales.
L’intérêt manifesté par les participants a été évident, comme en témoigne leur forte implication, notamment à travers l’achat de semences disponibles sur place.

Les agriculteurs ont également exprimé leur volonté d’appliquer les enseignements reçus sur leurs propres parcelles et de partager ces nouvelles pratiques avec ceux qui n’ont pas pu assister à la visite.

Une reconnaissance particulière est adressée au Professeur Henry, directeur fondateur du champ-école, ainsi qu’à son équipe, pour la transmission de leurs savoirs et de leurs compétences au bénéfice des agriculteurs.

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261349330951

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Projet PECOV posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share