01/09/2026
🌿 Fampiofanana ireo “tantsaha mpitarika” amin’ny famokarana zanakazo, ny teknikam-pambolena manaja ny tontolo iainana ary ny fanamboarana fatana mitsitsy
Nanomboka tamin’ny fihandohany, ny tetikasa Tanàna Mirindra dia nisehitra teo anivon’ny fokontany miisa 18 ao amin’ny Kaominina 9, ao amin’ny faritra Amoron’I Mania sy Matsiatra Ambony. Ankehitriny dia miezaka ny tetik’asa manaparitaka izany foto-kevitra Tanàna Mirindra izany, fa tsy mionona amin’ireo fokontany 18 izay natao ho modely ireo ihany. Izany indrindra no antony hisokafan’ny tetik’asa amin’ireo fokontany hafa izay ao anatin’ireo kaominina 9 ireo ihany.
Arak’izany dia nisy ny fampiofanana ireo tantsaha mpitarika isam-pokontany, izay natao teny anivon’ny Kaominina tsirairay avy, ny 19 hatramin’ny 26 Aogositra lasa teo. Ny lohahevitra voalohany novohizana tao anatin’izany dia mahakasika ny fambolena manaja ny tontolo iainana, ka teknika agroekolojika dimy no nampitaina tamin’izany dia ny : famokarana kaomposta 18 andro, famokarana kaomposta 30 andro, ny fanaovana tatatra fiarovana, ny ady gasy ary ny voly rakotra. Ny lohahevitra faharoa dia ny famokarana zanakazo, ka nazavaina tamin’izany ireo dingana tsirairay avy, izay manomboka amin’ny fijerena ny toerana hametraha ny tanin-janakazo ka hatramin’ny fikarakarana ireo zanakazo. Ary ny lohahevitra farany dia ny fanamboarana fatana mitsitsy, izay hamboarina amin’ny alalan’ny akora izay hita eny an-toerana ihany.
Tao anatin’izany dia tantsaha mpitarika miisa 524 no nampiofanina, izay miparitaka amin’ny fokontany 64 ao amin’ny kaominina 9. Ho tohin’ny fampiofanana, ireo tantsaha mpitarika ireo dia hampiatra izany fampiofanana izany, ary indrindra indrindra hitarika ireo olona manodidina azy hampihatra izany ihany koa.
------------------------------------------------------------------------------------------------------
🌿 Formation des paysans leaders sur la production de jeunes plants, l’agroécologie et la production de foyer amélioré
Depuis son lancement, le projet écovillage intervient au niveau de 18 fokontany répartis dans 9 communes des régions Amoron’i Mania et Haute Matsiatra. Aujourd’hui, le projet ambitionne d’étendre et de diffuser l’approche écovillage, sans se limiter aux 18 fokontany initialement ciblés comme sites modèles. C’est dans cette perspective que le projet s’ouvre désormais à d’autres fokontany situés au sein de ces mêmes 9 communes.
Dans ce cadre, une formation destinée aux paysans leaders de chaque fokontany a été organisée au niveau de chacune des communes, du 19 au 26 août dernier. Le premier thème abordé au cours de cette formation concernait l’agroécologie, à travers la transmission de cinq techniques agroécologiques, à savoir : la production de compost en 18 jours, la production de compost en 30 jours, la mise en place de fossés de protection, la technique de lutte biologique traditionnelle (« ady gasy ») et les cultures de couverture. Le deuxième thème portait sur la production de plants forestiers. Les différentes étapes du processus ont été expliquées, depuis l’identification et la préparation du site destiné à accueillir la pépinière jusqu’à l’entretien et aux soins apportés aux jeunes plants. Enfin, le dernier thème abordé concernait la fabrication de foyers améliorés, réalisés à partir de matériaux disponibles localement.
Au total, 524 paysans leaders ont été formés, répartis dans 64 fokontany des 9 communes concernées. À la suite de cette formation, ces paysans leaders seront chargés de mettre en pratique les connaissances et techniques acquises, mais également de jouer un rôle de relais et d’accompagnement auprès des populations de leur entourage, afin de favoriser l’adoption et la diffusion de ces pratiques au niveau local.