VFL Fjkm Ambohimiarina Jerosalema

VFL Fjkm Ambohimiarina Jerosalema Organisation réligieuse

Indro Tompo fa omeko hoanao ny tenakoTsy mba hisy izay tsy foiko, izay rehetra tianao❤️
20/09/2023

Indro Tompo fa omeko hoanao ny tenako
Tsy mba hisy izay tsy foiko, izay rehetra tianao❤️

SAKAFO MAHAVELONA

👋Fiadanana o 😍! Tian’Andriamanitra isika zanany mba tena hifikitra Aminy tanteraka😇🙂, ka izany indrindra no itenenany amintsika indray anio ity🥰, vakio anie ny fizaràna e👇

📖« Ny Tenin’ Andriamanitra, Fandravana sy Fanorenana » anio 20 Septambra 2023

👉Hos 10.1-14.10
👉Sal 64
👉Oha 23.26-28
👉Efe 1.1-23

☑️Hafatra: «Anaka, aoka hatoky ahy ny fonao ary aoka ny masonao hifaly amin'ny sori-dalako» Ohabolana 23.26 (DIEM)

Dikanteny vitsivitsy no iaingantsika amin’io bokin’ny Ohabolana 23.26 io: 👉Dikanteny Protestanta fanitsiana fahenina «Anaka, atolory ahy ny fonao, ary aoka ny masonao hifaly amin’ny lalako.». – 👉Dikanteny Katolika «Anaka, omeo ahy ny fonao, ary aoka hitandrina ny lalako, ny masonao». – 👉Dikanteny hafa «Anaka, aoka hatoky ahy ianao, ary aoka ianao hanaraka tsara ny ataoko». Zava-dehibe anankiroa no raisintsika avy amin’ireo Dikanteny ireo:
ny rohim-pihavanana misy eo amin’ilay miteny sy ny itenenana, toy ny ray aman-dreny mampianatra ny zanany;
1️⃣ ny fisian’ny endri-pifandraisana tsara eo amin’izy ireo. Andriamanitra Tsitoha Ilay 2️⃣nahary izao tontolo izao sady amin’ny voninahiny tanteraka dia miteny amintsika sady mandray antsika toy ny zanany.
Koa tian’Andriamanitra 🙂 ho vita fihavanana Aminy isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Mitaona antsika am-pitiavana Izy mba hatoky Azy😍 tanteraka sy hianatra Aminy satria tiany ho tsara fifandraisana Aminy ihany koa isika ka ho zanaka manoa 😇. Hoy i Jesoa Kristy amintsika rehetra anio:«
📖🥰Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran’ny lalàna, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo. Raiso ny fampianarako ary mianara amiko fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; ary dia hahita fialan-tsasatra ao anatinareo ianareoi. Eny, mora raisina ny fampianarako ary mora arahina ny lalànako.» Matio 11.28-29.

🙏Vavaka: Tompo ô, matoky Anao amin’ny foko rehetra aho! Amena.

✍️RABENJARISOLO Fabrice Mpitandrina,
👉Tale Nasionaly FMBM


Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. — Hebreo 10 : 35
20/09/2023

Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. — Hebreo 10 : 35

💝
13/10/2022

💝

"Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoritsika"Isaia 53:4a
24/09/2022

"Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoritsika"
Isaia 53:4a

03/09/2022
❤️
13/08/2022

❤️

😍
29/07/2022

😍

FENERIVE EST!!!FENERIVE EST!!!
PARE...PARE ....Nareo Havako Abeee..
NDAO HIARAKA AMINAY HIDERA NY TOMPO....

Address

Rn1 Ambohimiarina
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when VFL Fjkm Ambohimiarina Jerosalema posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share