Vovonan'ny Tanora Katolika Manjakaray

Vovonan'ny Tanora Katolika Manjakaray Fivondronan'ny Tanora rehetra ao amin'ny Paroasy Kristy Mpanjaka Manjakaray

🤩Ahoana hoe?🥳 raiketina ve? 🔥Hita tokoa moa (indrindra fa omaly) hoe talentatsika tokoa lay mandihy eh? 🙂🙃Tongava aza am...
26/06/2026

🤩Ahoana hoe?🥳 raiketina ve? 🔥
Hita tokoa moa (indrindra fa omaly) hoe talentatsika tokoa lay mandihy eh? 🙂🙃
Tongava aza amin'ny 2 ora sasany tolak'andro ao amin'ny Kermesy - Arendrina Party (amin'ny andro atoandro 🤧)
Tongava asehoy tsara amin'izay lay talenta 😉 na...manaraha fotsiny an'ilay fihetsika izay ataon'ny mpitarika eh 😁 tsy misy bedy hoy isika.
RDV AMIN'NY 2 ORA SY SASANY, HANAO DIHY MIRINDRA FAOBE ISIKA.
NB: échauffement fotsiny ihany io 😌


Arabaina nahatratry ny asaramanitra daholo 🇲🇬✨🥳

TOHANO NY EKIPANAO 🥳Mitohy hatrany lalao fifanintsanana eo anivon'ny Vovonana Distrika Tanora Faravohitra ✨ ...rahampits...
12/06/2026

TOHANO NY EKIPANAO 🥳
Mitohy hatrany lalao fifanintsanana eo anivon'ny Vovonana Distrika Tanora Faravohitra ✨ ...rahampitso izany no mifarana ka ho hita eo izay Paroasy misolo-tenan'ny Distrika amin'ny dingana manaraka 💪
Tongava maro ary hampitapitao 📣

Ry Tanora namana ao amin'i Jesoa Kristy 🙂✨🙏 Fantatrareo ve ny atao hoe VOVONAN'NY TANORA KATOLIKA? Izy no mampiangona an...
06/06/2026

Ry Tanora namana ao amin'i Jesoa Kristy 🙂✨🙏
Fantatrareo ve ny atao hoe VOVONAN'NY TANORA KATOLIKA?
Izy no mampiangona antsika maro eto anivon'ny fiangonana katolika, tsy fikambanana ary tsy vaomeran'asa ihany koa nefa 💯 fa Vovonana 💯
manao ireo asa pastoraly manampy ny Tanora katolika hiaina araky ny tokony ho izy anaty ny finoany ✨

Anisan'izany ⚽🏀🎽 ny fitaizana azy ireo anaty tontolon'ny fanatanjahatena 🏅
Tsara ny mapafantatra antsika fa efa manomboka ny fifaninana ara-panatanjahatena ny Vovonan'ny Tanora, izay manomboka ety amin'ny Paroasy katrany amin'ny Diosezy 💯

AZA TARA aza ⚠️ amin'ny Alahady izao no manomboka ny eto anivon'ny distrika Faravohitra ⛪ Manome fotoana anao izahay eny amin'ny Sekoly AMBONY Kristy Mpanjaka AMBATOMAINTY (ao ambony ny Station SHELL Amboditsiry)
Manomboka amin'ny 10ora maraina ny lalao.


💪✨🙏

14/03/2026

TANORA MANDRAY ANDRAIKITRA AHO ARY MIASA AM-PANETRE-TENA.

Ny finoana no fototra mampijoro antsika Kristianina. Anisany hahafahana mandalina an'io finoana io ny fandraisana andraikitra ao amin'ny Eglizy. Amin'ny alalan'ny fandraisana andraikitra ihany koa no hahafahantsika miaina ny finoantsika.

▶️ Indraindray anefa isika, indrindra isika Tanora, entanim-po be loatra amin'ny fanatanterahana ireny andraikitra raisintsika ireny ka manana toe-tsaina tia mirehareha. Ny hitsaran'ny olona antsika avy ety ivelany hoe tena mahefa be amin'ny fandraisana andraikitra no lasa imasoantsika be loatra.
Ary adinontsika hoe tena ilàna fanetre-trena ny fandraisana andraikitra indrindra eo anivon'ny Eglizy.

Toy ny ahoana ary izany hoe miasa am-panetre-tena?

➡️ Mahafoy tena tsy miandry tambiny. Mitaona marina ny olona makany amin'Andriamanitra, izay iraka andefasana antsika. Ka rehefa mampihatra izany, na tsy misy mahita aza dia manohy hatrany.

➡️ Miasa mba hahatsara ny fifandraisanao sy ny fifandraisan'ny hafa amin'Andriamanitra.
Tsy mirehareha be loatra amin'izay efa vita ary miezaka manome lanja ny vitan'ny hafa fa tsy mifaninana aminy.

➡️ Miaina amin'ny tenin'i Kristy. Miasa ho an'ny voninahitr'Andriamanitra fa tsy ny mba hahazoan'ny tena manokana dera sy laza avy amin'ny hafa hoe tena mahefa be isika ao amin'ny Eglizy.

➡️ Fadiana ny manambony tena be loatra ka tsy manome lanja ny hafa. Indraindray isika mpiandraikitra mihevitra ny tenantsika ho tsy misy mahasolo, ho ambony noho ny mpikambana hafa. Hany ka manana fisainana fa tsy miodina ny fikambanana raha tsy noho ianao. Very tanteraka ny fanetre-trena.

➡️ Antson'Andriamanitra ny fandraisana andraikitra. Noho izany, tsy tokony hampifila an'Andriamanitra isika. Indraindray mantsy any anaty fikambanana, vovonana sy ny sisa any, rehefa misy ny tsy fifanarahana dia ao ny miteny hoe ''izaho tsy hivavaka ato intsony fa hiova fiangonana, izaho hiala tsy ho mpikambana, sns''. Tadidio fa Andriamanitra no niantso antsika ka aza ampifilaina Izy.

➡️ Manankina amin'Andriamanitra ny fiainan'ny Fikambanana na Vovonana ikatrohana. Mba tsy ho sondriana be loatra amin'ny fitadiavam-bola na hetsika fa hanome lanja ihany koa ny ara-panahy.

Tsy misy ny atao hoe ''mpiandraikitra lavorary'' fa ny tsirairay dia afaka miezaka. Entanina isika mpiandraikitra, na Tanora na tsia, hanana fanetre-tena.
Mankahery antsika ihany koa satria tsy mora ny mitondra olona, tsy mora ny mandray andraikitra fa eo i Jesoa miara-dalana amintsika.

Manentana antsika tsy mbola mpiandraikitra ihany koa hiroso, raha misy ny fahafahana sy ny finiavana fa miandry antsika Andriamanitra.

''Tsy miandry ho masina vao mandray andraikitra, fa eny am-pandraisana andraikitra no manamasi-tena'' 🙏🏻

24/01/2026

Aza mieritreritra fa ny taonanao dia afaka manome antoka fa afaka manantena ny ho ela velona ianao. Tsy fantatsika fotsiny hoe hafiriana no hiainantsika ry tanora malala. 🙏

Ny azo antoka kosa dia hoe ho faty ianao indray andro any ary ny fahafatesana ratsy dia mitondra fahoriana mandrakizay.

Noho izany, aza manahy ny amin’ny fotoana sy ny toerana hahafatesanao, fa ataovy izay hihazonanao ny fisakaizanao amin’Andriamanitra mba ho vonona ho amin’ny fahafatesana amin’ny fotoana rehetra. (Md. Joany Bosco)

©️ Miha Jesoa isan’andro

19/01/2026

Address

EKAR Kristy Mpanjaka Manjakaray
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vovonan'ny Tanora Katolika Manjakaray posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share