08/06/2026
đ đđđ đđđ§đđ«đš đđđŹđąđŠđšđ§âđ§đČ đđšđŹđČ & đđđ đđđąđŠđš đđđđâđ
đ Aminâizao fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho anâny Ranomasina (JMO 2026) izao, Miaro natiora dia manararaotra manamafy ny fampahafantarana ny besinimaro, indrindra isika mponina ato amin'ny Faritra Androy sy Anosy, ireo faritra manan-danja indrindra ho anâny harena voajanahary an-dranomasina any atsimonâi Madagasikara: ny Faritra Arovana an-dranomasina Atimo Vataâe.
đ đđđ đđđąđŠđš đđđđâđ
đ Ny Faritra Arovana an-dranomasina Atimo Vataâe (Aire Marine ProtĂ©gĂ©e), any aminâny faritra farany atsimonâi Madagasikara, dia mirefy manodidina ny 772 199 hektara.
Izy io dia manana anjara toerana lehibe aminâny fiarovana ny tontolo an-dranomasina noho ny toetrany manokana toy ny
"upwelling" sy ny rano mangatsiaka be otrikaina, izay mahatonga azy ho faritra tena mamokatra ara-biolojika.
đ Nekenâny IUCN ho IMMA (Important Marine Mammal Area) izy, satria toerana ahitana trozona, toerana fiterahany, ary lalanâny fifindrany mandritra ny vanim-potoana samihafa. Voasokajy ihany koa izy ho Faritra manan-danja ho anâny harena voajanahary (KBA na Key Biodiversity Area / ZCB na Zone ClĂ© pour la BiodiversitĂ©).
đ©âđ©âđ§âđŠ Mihoatra ny 16 000 mpanjono miparitaka aminâny tanĂ na manodidina enimpolo eo ho eo no miankina aminâity faritra ity aminâny fivelomany, indrindra aminâny alalanâny jono madinika nentim-paharazana.
đż Ity toerana ity dia tantananâny Wildlife Conservation Society Madagascar miaraka aminâny vondrom-piarahamonina eny ifotony (co-gestion), ka manamafy ny andraikitry ny mponina aminâny fiarovana sy fitantanana maharitra ny harena voajanahary.
đ Ny fiarovana ireo faritra ireo dia fiarovana ny ho avinâny ranomasina sy ny fiainanâny taranaka ho avy.
Vokatry ny asa nataonâny tetikasa GEF6-AMPs eo anivonâny MinistĂšre de l'Environnement et du DĂ©veloppement Durable izao zava-bita izao.
Mahavelo Bevata
(Sary indrana)