Hazolava

Hazolava Hazolava dia pejy natao hifampizarana fiofanana sy traikefa mba hoentina hampandrosoana ny fiainan'ny tsirairay eo amin'ny lafiny rehetra

Memetraha hafatra izay mila fanazavana fanampiny

💥 IZAHAY ATO AMIN’NY FIANAKAVIAMBEN’NY FIKAMBANANA HAZOLAVA, DIA FALY MIARAHABA ANTSIKA MALAGASY REHETRA TSISY ANKANAVAK...
25/06/2026

💥 IZAHAY ATO AMIN’NY FIANAKAVIAMBEN’NY FIKAMBANANA HAZOLAVA, DIA FALY MIARAHABA ANTSIKA MALAGASY REHETRA TSISY ANKANAVAKA TRATRY NY ASARAMANITRA E!

✅️ TSARA IHANY NY MAMPANTSIAHY FA TSY NY TANORA IHANY NO MISITRAKA FIOFANANA MAIMAIMPOANA ATO AMIN’NY HAZOLAVA, FA MISITRAKA IZANY KOA NY LEHIBE MPIAKAMBANA ATO.

♦️NY AN’NY LEHIBE DIA FIOFANANA ARAKY NY FILÀN’IZY IREO NO SITRAHANY, ARAKARAKY NY SAFIDINY.

PS: ARAHO, FA MITENY HOAZY NY SARY 😁😁

‼️ SAMIA SOA Ô, MANAOVA FETY SAMBATRA DAHOLO 🙏🙏

Ireo zanakay ao amin’ny Centre d’Incubation Hazolava dia faly miarahaba anareo tratry ny fetin’ny Pantekôty.Andao mba hi...
25/05/2026

Ireo zanakay ao amin’ny Centre d’Incubation Hazolava dia faly miarahaba anareo tratry ny fetin’ny Pantekôty.

Andao mba hiarahaba azy ireo isika fa nisy nandray fahasoavana izy ireo omaly natao "confirmation".

Nisy 5 mianadahy izy ireo no nohamasinina ary nasaina ny fianakaviany nanotrona azy ireo ankoatry ny tompon’andraikitra eo amin’ny Centre.

Bisous be daholo hono e! @

‼️ Salama daholo isika ato, ❌️ Tsy hoe matory ny ankizy ato amin’ny Centre d’Incubation Hazolava fa ny mpanao publicatio...
08/05/2026

‼️ Salama daholo isika ato,

❌️ Tsy hoe matory ny ankizy ato amin’ny Centre d’Incubation Hazolava fa ny mpanao publication no matory 😁😁

💥 Nandritra izay fotoana elaela izay dia niezaka mafy ireo ankizy ireo, ary tena bravo be fa tena mazoto miasa be zareo.

✅️ Efa tena misongadina izany ezaka ataondry zareo izany.

♦️ Manantena isika fa tena ho olom-pirenena mendrika halain-tahaka izy ireo rehefa miala ato amin’ny centre, ary tena hoavin’ny tontolo ambanivohitra 🙏🙏

💥 NY FAMPANDROSOANA DIA MIAINGA AMIN’NY TSIRAIRAY, ARY MIANKINA TANTERAKA AMIN’NY FAMOLAVOLANA TANORA VANONA.

TSY MISY NY FAHAGAGANA.

31/03/2026

‼️BEAZINA HAZOTO MIASA SY HOTIA FAMBOLENA NY ANKIZY, MBA HANANA FITIAVANA NY ASA ATAONY RAHATRIZAY MIALA ATO AMIN’NY CENTRE.

✅️ ETO IZAO DIA MANGADY LAVAKA HANAOVANA VOMANGA MIFAHY IZY IREO.

✅️ VOLY VOMANGA MANARAKA TEKNIKA, KA TANY KELY DIA EFA AZAHOANA VOMANGA BETSAKA.

💥FOTONY IRAY AZAHOANA VOMANGA IRAY HARONA.

‼️ZARO AMIN’NY LÀLANA TOKONY HALEHANY NY ZAZA 🙏🙏🙏

✅️ RAHA MARO NY TANORA VOAVOLAVOLA TOIZAO DIA FOANA NY TANORA MIRENIRENY TSISY HATAO, FOANA NY FANAOVANA ASA RATSY.

‼️ANDAO HIARAKA AMINAY HAMOLAVOLA TANORA VANONA 🙏

27/03/2026

‼️ Ny fambolena sy fiompiana ampiofanana an’ireto zaza ireto dia ara-pahasalamana tanteraka satria biolojika daholo no anaovana azy.

✅️ Ampahafantarina azy ireo fa ny akora simika dia sady manimba ny nofon-tany no miteraka tsy fahasalamana.

💥 Ka teto dia nanao fampiharana ny fanamboarana zezika composte 7 andro ry zareo.

‼️ ARAHO HATRANY NY PEJY DIA HAHITA NY FIVOARAN’IRETO TANORA IRETO ISIKA 👍👍

‼️ Vao nanomboka niofana teto amin’ny Centre d’incubation Hazolava ireo tanora ireo dia avy hatrany dia nanao fampiharan...
24/03/2026

‼️ Vao nanomboka niofana teto amin’ny Centre d’incubation Hazolava ireo tanora ireo dia avy hatrany dia nanao fampiharana satria 80% ny fiofanana dia fampiharana.

✅️ Eto izao dia mikarakara mamahana zana-trondro izy ireo ary nanomana tany hanaovana tanin’anana.

‼️BEAZINA ARA-PINOANA KOA ZAREO AO AMIN’NY CENTRE AO, SATRIA RAHA TE HANANA OLOM-BANONA DIA TSIMAINTSY TEZAINA: ARA-PANA...
23/03/2026

‼️BEAZINA ARA-PINOANA KOA ZAREO AO AMIN’NY CENTRE AO, SATRIA RAHA TE HANANA OLOM-BANONA DIA TSIMAINTSY TEZAINA: ARA-PANAHY, ARA-TSAINA ARY ARA-BATANA.

💥 NOHO IZANY DIA OBLIGATOIRE NY FANDEHANANA MIVAVAKA ARAKY NY FINOANY AVY NY ALAHADY.

20/03/2026

NDRIIIY, NY HOATR’IZAO NO AHATSIAROVANA SAMBATRA ANY ANATY ANATY ANY.

HENOY ANIE E! 😍😍

20/03/2026

ANNIVERSAIRE NY VALISOA ANDROANY,
IRAY AMIN’IREO ANKIZY MIOFANA ATO AMIN’NY CENTRE KA MBA NANOLOTRA FIFALIANA HOAZY NY CENTRE.

ENCORE, BON ANNIVERSAIRE VALISOA ARY TONGAVA AMIN’NY TANJONA IRINA.
MITOMBOA FAHENDRENA

Salama daholo ianareo mpanaraka ny pejy.Mankasitraka anareo rehetra nizara ny publication ny Centre d’incubation izahay....
18/03/2026

Salama daholo ianareo mpanaraka ny pejy.

Mankasitraka anareo rehetra nizara ny publication ny Centre d’incubation izahay.

Mankasitraka ihany koa ireo nanitsy tamin’ny zavatra tsy nety.

Indro ampahafatarina anareo ireo ankizy miofana ao amin’ny centre izao:
Marihana fa 10 zareo fa ny roa mbola tsy teo. Natao vitsy mihintsy aloha fa amin’ny taona hoavy maka misimisy.

Fa na izany aza tsy mampiditra mihoatra ny 15 isaky ny iray tarika mba hovoafehy tsara ny ankizy tsirairay.

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hazolava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Hazolava:

Shortcuts

Share