4Life 4life est une organisation à but non lucratif qui a pour objectif d'aider tous les jeunes à réaliser leurs projets, rêves et visions dans la vie.
(1)

Le mouvement "Arise and Shine" représente la mission et la vision de 4life.

19/05/2026

True love- nouvelle saison ✨❤️💖
Partie 2.

Ho anao izay te hiaina SAISON vaovao ara-pitiavana sy ara-panambadiana, na célibataire ianao na couple na efa manambady ...
17/05/2026

Ho anao izay te hiaina SAISON vaovao ara-pitiavana sy ara-panambadiana, na célibataire ianao na couple na efa manambady na nisara-bady, tena natao ho anao ity fotoana manokana ity☝️

Fantatrao ve fa tena mahaliana an’Andriamanitra ny hahombiazanao ara-pitiavana sy ara-panambadiana, nefa ihany koa tena mahaliana an’i satana ny hijalianao sy ny haharàva anao amin’io sehatra io ?

Ho anao izay te hiaina fiainam-pitiavana sy fanambadiana mahafinaritra, feno fahatsarana sy voninahitra araky ny planin’Andriamanitra☝️

Ho anao célibataire izay tsy te hanaonao foana intsony ara-pitiavana fa te hiandry ilay anjara tsara sy tena izy amin’izay

Célibataire ve ianao na couple fa tsy te hijabaka sy ho diso safidy mandrakizay ?

Efa anaty fanambadiana ve ianao fa miaina karazana problèmes conjugaux izay tsy hainao hoe inona no tokony atao ?

Ho anao izay mbola mitondra ratra ara-pitiavana hatramin’izao ka te ho sitrana tanteraka

Misy olona tena tinao sy irin’ny fonao ve amin’izao fotoana izao fa tsy hainao hoe inona no tokony atao ?

Ho anao izay efa victime na trahison sy fampirafesana ka simba sy naratra ianao tao anatin’ilay relation. Inona no tokony atao ?

Ny fijangajangana ihany ve no conditions de divorce raha araky ny baiboly sa mety misy zavatra hafa ?

Ho anao izay te hitombo fahalalàna sy fahatakarana amin’ny tontolom-pitiavana sy ny fanambadiana mba ahafahanao mahay mamindra tsara amin’ny hoavy

Hianatra ihany koa isika amin’ity partie 2 ity momba ny tontolon’ny SEXUALITÉ

Ary ho anao izay te hitombo amin’ny finoana, te handroso ara-panahy ary te hiditra ny lanitra indray andro any

Tena mahasoa anao ny fahatongavanao amin’ity PARTIE 2 ity

Mitondrà namana sy ankohonana izay fantatrao fa tena mila an’ity fotoana manokana ity☝️

DIEU MANIFESTERA SA GLOIRE DANS TA VIE AMOUREUSE ET DANS TON MARIAGE🙌

RÉUNION DE PRIÈRE POUR TOUS AVEC 4LIFE
Mardi 19 mai à 16h30 au Roxy Antaninarenina

Tsy hanavahana na iza na iza na avy aiza ianao na avy aiza

Tsy misy vidim-pidirana

🚨 FILAZANA MAIKA 🚨Manoloana ireo vaovao sy resaka miparitaka ety amin’ny réseaux sociaux dia tianay ny manamarina fa:❌ V...
15/05/2026

🚨 FILAZANA MAIKA 🚨

Manoloana ireo vaovao sy resaka miparitaka ety amin’ny réseaux sociaux dia tianay ny manamarina fa:

❌ VAOVAO DISO no aparitaka amin’izao fotoana izao.

Koa mangataka amintsika rehetra mba ho tony🙏🏻

Hotahian’Andriamanitra anie i Madagasikara 🇲🇬


😍𝐕𝐚𝐯𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐧-𝐭𝐞𝐧𝐝𝐫𝐨𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 miaraka amin’i Pasteur Jocelyn Ranjarison sy ny Fiangonana MRE ✨Fotoana iray manokana hiakaran...
13/05/2026

😍𝐕𝐚𝐯𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐧-𝐭𝐞𝐧𝐝𝐫𝐨𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 miaraka amin’i Pasteur Jocelyn Ranjarison sy ny Fiangonana MRE ✨

Fotoana iray manokana hiakaran’ny vavaka sy hanehoan’Andriamanitra ny voninahiny eny an-tendrombohitra 🙏🔥

Hiara-hivavaka sy hitady ny fanatrehan’i Jesosy isika rahampitso 14 Mai 2026 etsy Imerintsiatosika manomboka amin’ny 8 ora maraina.

👉 Ho an’ireo handeha fiara hiombonana, amin’ny 6 ora maraina no fiaingana eo Anosy akaikin’ny mpivaro-bonikazo.

🎟️ Ny tapakila fitaterana mandroso sy miverina dia 5.000Ar, azo alaina ao amin’ny bureau CFB Tsiazotafo na eny Anosy mivantana rahampitso

Tongava handray ny anjara fahasoavanao 🙏🏻❤️




12/05/2026

True love - nouvelle saison✨
Partie 1

Vaovao be😍 - Te hahomby ve ianao amin’ny ara-pitiavana ary tsy te hijaly intsony mandrakizay ? Na célibataire ianao na c...
10/05/2026

Vaovao be😍 - Te hahomby ve ianao amin’ny ara-pitiavana ary tsy te hijaly intsony mandrakizay ? Na célibataire ianao na couple, na efa manambady na nisara-bady, tena natao ho anao ity fotoana spécial TRUE LOVE ity☝️

Ho anao izay tsy te haratra sy ho diso fanantenana intsony mandrakizay n’inona n’inona situation ara-pitiavana misy anao androany

Ho anao izay mbola célibataire na firy taona ianao na firy ka tsy te ho diso safidy, tsy te hijabaka fa mba ho tojo tsara amin’ilay tena natao ho anao

Ho anao efa en couple nefa mbola misalasala sao dia tsy io ilay tena izy

Ho anao couple efa matotra tsara, efa tena sûr ianareo roa fa tena avy amin’Andriamanitra ilay relation

Ho anao izay efa anaty fanambadiana vao haingana (jeunes mariés) ka te hiaina fiainan-tokantrano feno fahatsarana sy feno voninahitra, ary mba ho fanambadiana mamy sy maharitra hatramin’ny farany

Ho anao izay anaty fanambadiana efa ela ka tsy mahita maminy intsony, efa latsaka anaty routine sy monotonie

Ho anao izay manana vady maditra na mety ianao mihitsy no maditra

Ho anao izay latsaka anaty ma********on sy pornographie matetika, na célibataire na couple na mety efa manambady aza

Ho anao izay mahatsapa fahabangàna ao anaty, tsy ampy fitiavana, tsy nahazo fitiavana tao an-trano na tamin’ny ray aman-dreny

Ho anao izay mahatsapa fa mbola misy endrika dépendance affective et émotionnelle ao anatinao

Ho anao izay miaraka amin’ny olona toxique na mety ianao mihitsy no toxique

Ary ho anao izay te ho feno ny fitiavan’Andriamanitra ary te hitombo amin’ny finoana sy ara-panahy

Tena mahasoa anao ny fahatongavanao amin’ity fotoana spécial ity☝️

Mitondrà namana sy ankohonana izay fantatrao fa tena mila an’ity fotoana ity

DIEU VEUT MANIFESTER SON AMOUR ET SA GLOIRE DANS TA VIE🙌

RÉUNION DE PRIÈRE POUR TOUS AVEC 4LIFE
Mardi 12 mai à 16h30 au Roxy Antaninarenina

Tsy hanavahana na iza na iza na avy aiza ianao na avy aiza

Tsy misy vidim-pidirana

05/05/2026

VAINCRE LES ŒUVRES DU DIABLE DANS TA FAMILLE - partie finale

Amin’ity partie finale ity dia soraty anaty taratasy kely ny LOGEMENT ny trano honenanareo sy ny  anaran’ny ankohonanao ...
03/05/2026

Amin’ity partie finale ity dia soraty anaty taratasy kely ny LOGEMENT ny trano honenanareo sy ny anaran’ny ankohonanao rehetra, ento amin’ny Talata izao fa hivavahana sy ho tsofina rano manokana amin’ity volana vaovao ity. Na tanora ianao na ray aman-dreny, tena mahasoa anao ity fotoana manokana ity☝️

Te hiaina karazana fitahiana vaovao ve ianao sy ny ankohonanao ary ny trano honenanareo amin’ity volana vaovao ity ?

Irinao ve raha ny trano honenanareo ho lasa trano fitehirizan-tsoa, ho trano mahatamana fahasoavana sy fanambinana, ho trano manintona ny fanatrehan’Andriamanitra ?

Manana projet familial ve ianareo mianakavy kely mety efa aman-taonany fa tsy mety tanteraka hatramin’izao ?

Ho anao tanora izay te ahita ny ray aman-dreninao ho salama mandrakariva, ho ela velona, ho ambinina amin’izay rehetra ataony

Ho anao ray aman-dreny izay te ahita ny zanakareo ho tafita sy hamiratra amin’ny fiainana, ho zanaka hendry sy ho lasa manana ny maha izy azy amin’ny hoaviny

Manana nofinofy ve ianao ny ahita ny ankohonanao ho lasa ankohonana manompo ny Tompo, mifanohana amam-bavaka, mifankatia sy miray hina ?

Ho anareo mianakavy kely izay manana fikasana amin’ireto zavatra manaraka ireto : hanangana trano amin’ity taona ity, hividy fiara, handefa zanaka any an-dafy, hipetraka any an-dafy ianareo rehetra, mikarakara lova, hanangana orinasa na fandraharahana manokana, sns

Ho anao izay manana ankohonana tsy salama hatramin’izao ka te ahita azy ho sitrana sy ho afaka tanteraka

Ho anao izay manana zanaka maditra, vady maditra ka tianao hiova sy ho afaka tanteraka izy ireo

Ary ho anao izay te hahery ara-panahy sy hitombo amin’ny finoana ary te hiditra ny lanitra indray andro any

Tena mahasoa anao ny fahatongavanao amin’ity fotoana farany ity☝️

DIEU PRÉPARE DE NOUVELLES BÉNÉDICTIONS POUR TOI ET TA FAMILLE🙌

RÉUNION DE PRIÈRE POUR TOUS AVEC 4LIFE
Mardi 05 Mai à 16h30 au Roxy Antaninarenina

Tsy hanavahana na iza na iza na avy aiza ianao na avy aiza☝️

Tsy misy vidim-pidirana

28/04/2026

VAINCRE LES ŒUVRES DU DIABLE DANS TA FAMILLE - partie 3

Ento amin’ny Talata izao ny sarin’ny ankohonanao sy ny trano honenanareo fa hivavahana sy ho tsofina rano mba ho arovan’...
26/04/2026

Ento amin’ny Talata izao ny sarin’ny ankohonanao sy ny trano honenanareo fa hivavahana sy ho tsofina rano mba ho arovan’Andriamanitra sy ho tahian’Andriamanitra manokana, na tanora ianao na ray aman-dreny, tena natao ho anao ity fotoana manokana ity☝️

Ho anao izay te handray vavaka fiarovana (prière de protection) sy vavaka fandrakofana (prière de couverture) ho anao sy ny ankohonanao ary ny trano honenanareo

Afaka alaina amin’ny téléphone ilay sary na mitondra sary tena izy☝️

Ho anao izay mipetraka amin’ny trano hidirana mpangalatra matetika, niaina vaky trano, may trano, lalovan’ny mpamosavy matetika, sns

Ho anao izay mipetraka amin’ny quartier mampatahotra, feno insécurité, tsy azo odiana rehefa arivariva fa be dahalo sy mpamono olona

Ho anao izay mipetraka amin’ny tanàna akaiky fasana na doany …

Ho anao izay maniry mafy mba hisy anjely miaro ny ankohonanao sy ny trano honenanareo manomboka izao

Tianao ve ho resy tanteraka ny asan’ny maizina sy ny endrika blocages rehetra ao amin’ny ankohonanao sy ny trano honenanareo ?

Tianao ve raha ianareo mianakavy kely ho tahiana sy ho ambinina amin’izay rehetra ataonareo, na inona io na inona ?

Ho anao izay manana ankohonana nitrangàna loza na accident na aretina na zavatra hafahafa mety vao haingana na efa ela

Ho anao izay mahatsapa fa misy ozona mbola manaraka anao sy ny ankohonanao hatramin’izao ka tianao ho tapaka tanteraka izany

Maniry ve ianao mba ho trano mahatamana sy manintona fitahiana sy fahasoavana ary fanambinana ny trano hipetrahanareo na mpanofa ianareo na efa tompon-trano ?

Ary ho anao izay te ahita ny ankohonanao ho lasa ankohonana mifankatia sy mifanohana ary manompo an’Andriamanitra

Tena mahasoa anao ny fahatongavanao amin’ity fotoana tena manokana ity☝️

Ento ny namanao sy ny ankohonanao izay fantatrao fa tena mila an’ity fotoana manokana ity

DIEU VEUT PROTÉGER ET BÉNIR TA FAMILLE ET TA MAISON🙌

RÉUNION DE PRIÈRE POUR TOUS AVEC 4LIFE
Mardi 28 avril à 16h30 au Roxy Antaninarenina

Tsy hanavahana na iza na iza na avy aiza ianao na avy aiza

Tsy misy vidim-pidirana

IZAO REHETRA IZAO MANAIKY FA AVO INDRINDRA IANAO.
25/04/2026

IZAO REHETRA IZAO MANAIKY FA AVO INDRINDRA IANAO.




Address

Antananarivo
101

Telephone

+261349902239

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when 4Life posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to 4Life:

Share