Sampana Tanora Kristiana FJKM - Ofisialy

Call Directions Website

Sampana Tanora Kristiana FJKM - Ofisialy Pejy ofisialin'ny Serasera ato amin'ny Sampana Tanora Kristiana, Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

01/10/2026

🙏 Finaritra daholo,

Misaotra antsika rehetra izay nitondra am-bavaka an’i Tiavina. Lasa omaly hariva nankany Inde izy, hamonjy ny fitsaboana azy. 🇮🇳❤️

🙏 Mangataka vavaka hatrany izy sy ny fianakaviany, indrindra ho an’ny opération izay hatao aminy, mba hotarihin’Andriamanitra ny mpitsabo ary handeha soa aman-tsara ny fitsaboana.

💛 Mbola tsy ampy ihany koa ny vola eo am-pelatanan’izy ireo ho enti-miatrika ny saran’ny fitsaboana, saingy nandeha tamin’ny finoana izy ireo, natoky an’Andriamanitra sy ny fanampian’ny olona tsara sitrapo.

🤝 Ho an’ireo izay afaka sy maniry hanohana, dia azo alefa amin’ireto laharana Mobile Money ireto ny fanampiana:

📱 034 11 949 91 — Radomalala
📱 033 11 949 91 — Radomalala
📱 032 11 129 27 — Lovaniaina

🙏 Na kely na be, ny fanampiana rehetra dia tena manan-danja amin’i Tiavina sy ny fianakaviany amin’izao fotoana izao.

Andriamanitra anie homba an’i Tiavina, hanome hery azy ary hitantana ny fitsaboana rehetra. ❤️🙏

🚨 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗢 𝗩𝗢𝗡𝗝𝗬 – 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔𝗟𝗜𝗦𝗢𝗔 𝗧𝗜𝗔𝗩𝗜𝗡𝗔, 𝟭𝟳 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔🔵🔴 Misy namantsika, STK Andrianalisoa Tiavina, 17 taona, avy ao amin’ny F...
28/09/2026

🚨 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗢 𝗩𝗢𝗡𝗝𝗬 – 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔𝗟𝗜𝗦𝗢𝗔 𝗧𝗜𝗔𝗩𝗜𝗡𝗔, 𝟭𝟳 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔

🔵🔴 Misy namantsika, STK Andrianalisoa Tiavina, 17 taona, avy ao amin’ny FJKM Ambodihady Vaovao SP10, izay marary mafy ka mila fitsaboana sy fandidiana maika any Inde.

Voamarina fa voan’ny ostéosarcome du fémur gauche, izany hoe homamiadan’ny taolana eo amin’ny feny havia. Taorian’ny dona nahazo azy tamin’ny filalaovana baolina no nahitana sy nanombohan’ny olana.

Efa azo ny billet d’avion ary efa vita avokoa ny antontan-taratasy ilaina. Miandry fotsiny ny hisian’ny toerana ahafahana mampiditra azy anaty avion izy vao afaka miainga.

Ankoatra izany, dia tena lafo ny saran’ny fitsaboana sy ny fikarakarana rehetra, izay tombanana ho 62 000 €, manodidina ny 310 000 000 Ar.

🙏 Mangataka ny vavaka ataontsika rehetra ho an’i Tiavina sy ny fianakaviany izahay.

🤝 Ary mangataka ihany koa ny tolo-tanana sy fanampiana avy amintsika rehetra. Na kely aza izay vitantsika tsirairay, rehefa mitambatra dia mety ho lehibe ny fanampiana azontsika omena azy.

"𝘐𝘻𝘢𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘢𝘭𝘢𝘩𝘦𝘭𝘰 𝘥𝘪𝘢 𝘮𝘢𝘮𝘱𝘪𝘴𝘢𝘮𝘣𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘯'𝘪 𝘑𝘦𝘩𝘰𝘷𝘢𝘩, 𝘈𝘳𝘺 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘰𝘮𝘦𝘯𝘺 𝘥𝘪𝘢 𝘩𝘰𝘯𝘦𝘳𝘢𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘴𝘢." - Ohabolana 19: 17

Laharana ifandraisana :
0341194991 Radomalala
0331194991 Radomalala
0321112927 lovaniaina

❤️ Andao isika hifanohana sy hifanampy, satria ny erikerika mahatondradrano.

📸 Ity sary nalain'i Hery Fifaliana Trimozafy ity no entintsika mamintina ny Fihaonambe.Andeha samy handefa ao amin’ny ta...
03/09/2026

📸 Ity sary nalain'i Hery Fifaliana Trimozafy ity no entintsika mamintina ny Fihaonambe.

Andeha samy handefa ao amin’ny taria (commentaire) ny sary nanamarika azy nandritra ny Fihaonambe isika 😍❤️

Entoana ary! Ary misaotra manokana ireo rehetra nanatontosa sy nahamasaka izao Fihaonambe faha-XI izao :

🔹 Ny FJKM iray manontolo, izay namela sy nanampy tamin’ny fanatanterahana izany, tarihin’ny Foibe FJKM, ny Synodamparitany ary ny Fitandremana tsirairay

🔹 Ireo Mpitondra Fanjakana, notarihin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana sy ny Primatiora, ary ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana tao amin’ny Faritra Diana sy ny Prefektioran’i Nosy-Be

🔹 Ireo mpiara-miasa sy mpanohana rehetra, anisan’izany ny Orange Madagascar sy ny Orinasa JOTSOA tamin’ny famatsiana ny T-shirt, ary ny Orinasa 4K Design tamin’ny fanontana ny Badge

🔹 Ireo Komity Mpandray Vahiny tao amin’ny Faritra Nosy-Be, izay nandray an-tanana sy nikarakara ireo mpandray anjara nandritra ny fotoana rehetra.

🙏 Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ny fahasoavana, anie hamaly fitia anareo tsirairay avy, indrindra ireo rehetra tsy voatanisa eto.

Isaorana ianareo STK rehetra tamin'ny fiaretana sy ny faharetana. Andeha horaisintsika ho sedra ireny mba hahatonga antsika ho Sampana Tanora Kristiana MATOA ka hamokatra tsara. ❤️🙏

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra! 🙏🇲🇬

🙏 Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany fa vita soa aman-tsara ny Fihaonambe Nasionaly STK.📢 Tao anatin’izany foto...
03/09/2026

🙏 Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany fa vita soa aman-tsara ny Fihaonambe Nasionaly STK.

📢 Tao anatin’izany fotoana izany dia nisy ireo entana hadino, very ary hita. Isaorana eram-po eran-tsaina ianareo rehetra izay nahita ny entan’olona tany amin’ireo toerana nisy antsika ka nanatitra izany tany amin’ny tompon’andraikitra.

😔 Mbola maro anefa ireo namantsika very zavatra izay tsy mbola hita hatramin’izao. Izany indrindra no anton’ity publication ity.

🤝 Andao hifanampy isika ry STK namana.

🔴 Ho an’izay very entana : alefaso ao amin’ny commentaire ny mombamomba ilay entana very: Ny anaran'ilay entana, lokony, lanjany, ny zavatra tao anatiny raha kitapo, ny marque.......

🔵 Ho an’izay nahita entana tsy azy na nitondra izany tsinahy : soraty ao amin’ny commentaire ny mahakasika ilay entana hita.

⚠️ NB : Mba hahazoana antoka fa tena tompony no haka ilay entana hita, dia aleo tsy lazaina avokoa ny antsipirihany rehetra momba ilay entana.

💡 Ohatra : “Kitapo manga misy tady mainty.”
Ny tena tompony no mahalala izay ao anatiny. Izay afaka milaza marina ny ao anatiny no hanamarinana fa izy no tompony.

🙏 Misaotra indrindra amin’ny fiaraha-miasa sy ny fifanampiana, ry STK vavolombelon’i Kristy.

— — —

✝️🌿 "STK Voafidin’i Kristy, miasa amin’ny faharetana, mamokatra tsara"
📖 Jaona 15:16

🔴 FILAZANA  ENTANA VERY ⚠️ MANGATAKA NY FIARAHA-MIASA SY NY FANAMPIANAMisy kitapo very nandritra ny fiverenana avy amin’...
01/09/2026

🔴 FILAZANA ENTANA VERY

⚠️ MANGATAKA NY FIARAHA-MIASA SY NY FANAMPIANA

Misy kitapo very nandritra ny fiverenana avy amin’ny Fihaonambe Nasionaly STK tany Nosy Be.
🔹Ilay zavatra very : Kitapo
🔹 Lokony : Manga misy rose
🔹 Ireo entana tao anatiny:
• Baiboly
• Kiraro
• Akanjo

📍 Toerana mety nahavery: Tsy mbola voafaritra mazava raha tao Ankify, nandritra ny chargement, na tao anatin’ny vedette no nanadinoana/nilatsahan’ilay kitapo.

👥 STK SP10 🔹 Maibahoaka Fahamarinana
🕙 Araka ny fanazavana, Alatsinainy tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany no niainga tao Ankify.

🙏 Koa raha nahita, nahazo, na manana vaovao momba ity kitapo ity ianareo dia mangataka mba hampandre ny tompony avy hatrany.

📞 Fifandraisana (tompony) : 034 86 601 53

Mosaotra antsika rehetra ny amin'ny fiaraha-mientana 🙏

⚪🔵🔴 Ampitapitao

🍽️ Ho antsika mbola tavela an-dàlana, Mikarakara sakafo amin’ny vidiny tena mirary ho antsika ny STK Befotaka. ❤️Raha se...
01/09/2026

🍽️ Ho antsika mbola tavela an-dàlana, Mikarakara sakafo amin’ny vidiny tena mirary ho antsika ny STK Befotaka. ❤️

Raha sendra mila toerana hatory ihany koa isika, dia azontsika antsoina izy ireo. 🙏

📞 034 84 773 64

Aza misalasala mifandray amin’izy ireo! 🤝

Mifampivavaka sy mifampahery hatrany isika 🙏❤️Betsaka ireo efa tafampita ka ety an-tanety, ary betsaka ihany koa ireo mb...
01/09/2026

Mifampivavaka sy mifampahery hatrany isika 🙏❤️

Betsaka ireo efa tafampita ka ety an-tanety, ary betsaka ihany koa ireo mbola tavela any Nosy-Be. Aoka isika STK hifanohana sy hifampitsinjo hatrany, indrindra amin’izao fotoana izao.

Andao hifampahery, hifampivavaka ary hifampitsinjo, satria isika STK dia iray ihany. 🤝❤️

Ho eo anie ny Tompo, ary enga anie Izy hanamora ny fiampitan’ireo mbola any Nosy-Be. 🙏

31/08/2026

Miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa 🙏

Miasa andro aman’alina ny avy aty amin’ny STK Foibe mba hanamora sy handrindrana ny fiampitana eny Ankify.

Noho izany, misy ny fandaminana tsy maintsy arahina mba hahafahana miantoka ny filaminana sy ny fahamoran’ny fivezivezena.

👉 Antsoina isika STK rehetra mbola tsy nahazo ticket mba haka izany eny amin’ny Port.

Miangavy antsika mba hanaraka tsara ny fandaminana napetraka, ho tombontsoan’ny rehetra.

Misaotra antsika amin’ny fiaraha-miasa sy ny fahatakarana. 🙏

30/08/2026

📢 Ho anareo izay efa nilahatra teny amin’ny Port ka nahazo numéro, dia afaka manatona ny FJKM Ziona Famonjena mba haka ny taratasy fahazoan-dalana.

👉 Aza adino ny mitondra ny numéro nomena anao.

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sampana Tanora Kristiana FJKM - Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share