Vononan'ny tanora EKAR Soavina

Vononan'ny tanora EKAR Soavina ๐— ๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฏ๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ผ, ๐˜๐—ผ๐—ป๐—ด๐—ฎ๐˜€๐—ผ๐—ฎ ๐—ฒ๐˜๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ฝ๐—ฒ๐—ท๐˜†

๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ ๐—ฉ๐—ข๐—ฉ๐—ข๐—ก๐—”๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—ง๐—”๐—ก๐—ข๐—ฅ๐—” ๐—˜๐—ž๐—”๐—ฅ ๐—ฆ๐—ข๐—”๐—ฉ๐—œ๐—ก๐—” ๐Ÿ‡ป๐Ÿ‡ฆ

๐—”๐—ฏ๐—ผ๐—ป๐—ป๐—ฒ๐˜‡-๐˜ƒ๐—ผ๐˜‚๐˜€ ๐Ÿ‘

ALAHADY FAHA-19 JOLAY 2026ALAHADY FAHA-16 MANDAVANTAONA โ€” TAONA A"MAHANDRY ANDRIAMANITRA ARY MAMINDRA FO"๐—˜๐—ฉ๐—”๐—ก๐—๐—˜๐—Ÿ๐—ฌ ๐— ๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ก๐—”...
18/07/2026

ALAHADY FAHA-19 JOLAY 2026

ALAHADY FAHA-16 MANDAVANTAONA โ€” TAONA A

"MAHANDRY ANDRIAMANITRA ARY MAMINDRA FO"

๐—˜๐—ฉ๐—”๐—ก๐—๐—˜๐—Ÿ๐—ฌ ๐— ๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ก๐—” ๐—ก๐—ข๐—ฆ๐—ข๐—ฅ๐—”๐—ง๐—”๐—ก'๐—œ ๐— ๐—ฑ ๐— ๐—”๐—ง๐—œ๐—ข 13, 24-43

Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavinโ€™ny fijinjana.

Taminโ€™izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana taminโ€™ny vahoaka nanao hoe: โ€œNy Fanjakanโ€™ny lanitra dia mitovy aminโ€™ny lehilahy izay namafy voa tsara taminโ€™ny taniny; fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voanโ€™ahi-dratsy taminโ€™ny vary, dia lasa. Nony naniry ny vary ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy. Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe: โ€œTompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao aminโ€™ny taninao, ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?โ€ Fa hoy ny navaliny hoe: โ€œNy fahavaloko no nanao izanyโ€. Ka hoy ireo mpanompony taminy: โ€œTianao va ny handehananay hiava azy?โ€ Hoy izy: โ€œTsia, fandrao ongotanareo mbaminโ€™ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo. Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavinโ€™ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko aminโ€™ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana, ary angony ho any an-tsopitro ny varyโ€.

Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe: โ€œNy Fanjakanโ€™ny lanitra dia mitovy aminโ€™ny voan-tsinapy izay nalainโ€™ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny. Kely indrindra aminโ€™ny voan-javatra rehetra izy, fa rehefa nitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voro-manidina mipetraka ao aminโ€™ny rantsanyโ€.Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe: โ€œNy Fanjakanโ€™ny lanitra dia mitovy aminโ€™ny lalivay, izay nalainโ€™ny vehivavy anankiray ka nataony tao aminโ€™ny koban-dafarรฎna intelonโ€™ny famarana mandra-pahazonโ€™ny lalivay azy rehetraโ€. Fanoharana no nilazanโ€™i Jesoa izany rehetra izany taminโ€™ny vahoaka, ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy taminโ€™ny fanoharana, mba ho tanteraka ny teninโ€™ny Mpaminany manao hoe: โ€œHiloa-bava hilaza fanoharana Aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatraminโ€™ny nanaovana izao tontolo izaoโ€.

Taminโ€™izay, nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: โ€œLazao anay ny hevitry ny fanoharana ny aminโ€™ny ahi-dratsyโ€. Ary namaly Izy ka nilaza taminy hoe: โ€œNy mpamafy ny voa tsara dia ny Zanakโ€™olona; ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanakโ€™ilay Ratsy; ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly; ny taom-pijinjana dia ny fahataperanโ€™izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia ny Anjely. Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy aminโ€™ny afo, no hatao raha mby aminโ€™ny fahataperanโ€™izao tontolo izao. Haniraka ny Anjeliny ny Zanakโ€™olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala aminโ€™ny Fanjakany, ka hanipy azy ao aminโ€™ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikotroha-nify. Aminโ€™izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any aminโ€™ny Fanjakanโ€™ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoanaโ€.โ€” Izany ร ry ny teninโ€™ny Tompo. โ€” Dera anie ho Anao, ry Kristy!

โ€” Izany ร ry ny teninโ€™ny Tompo.

โ€” Dera anie ho Anao, ry Kristy!


13/07/2026

๐—”๐˜ƒ๐—ฒ๐—น๐—ฎ๐—ผ ๐—ต๐—ถ๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ผ๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ผ ๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ฎ๐—ณ๐—ฎ, ๐—ต๐—ถ๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐˜†...

ยฉ๏ธ Vaomieran'ny Eveka ho an'ny Fifandraisan'ny mpiara-belona - Madagasikara

ALAHADY FAHA-12 JOLAY 2026ALAHADY FAHA-15 MANDAVANTAONA โ€” TAONA A"NOKENDREN'ANDRIAMANITRA HISY VOKATSOA EO AMIN'NY FIAIN...
11/07/2026

ALAHADY FAHA-12 JOLAY 2026

ALAHADY FAHA-15 MANDAVANTAONA โ€” TAONA A

"NOKENDREN'ANDRIAMANITRA HISY VOKATSOA EO AMIN'NY FIAINANTSIKA NY TENINY"

๐—˜๐—ฉ๐—”๐—ก๐—๐—˜๐—Ÿ๐—ฌ ๐— ๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ก๐—” ๐—ก๐—ข๐—ฆ๐—ข๐—ฅ๐—”๐—ง๐—”๐—ก'๐—œ ๐— ๐—ฑ ๐— ๐—”๐—ง๐—œ๐—ข 13, 1 -23

Indro nivoaka hamafy ny mpamafy.

Taminโ€™izany andro izany, rehefa nivoaka avy tany an-trano i Jesoa, dia nipetraka tao amoron-dranomasina. Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano. Ary nilaza zavatra maro taminโ€™ireo taminโ€™ny fanoharana Izy nanao hoe: โ€œIndro nivoaka hamafy ny mpamafy; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy; ny sasany latsaka taminโ€™ny tany be vato sady manify nofo ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany; kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsaka lalina. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka nahafaty azy; ary ny sasany latsaka taminโ€™ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo ary ao ny telopolo. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihainoโ€.

Ary nanatona ny mpianany ka nilaza taminy hoe: โ€œNahoana no fanoharana no itenenanao aminy?โ€ Namaly Izy ka nanao taminy hoe: โ€œSatria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina aminโ€™ny Fanjakanโ€™ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany. Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy. Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita, ary mandre fa tsy mahalala; ka tanteraka aminy ilay fanoharanโ€™i Izaia manao hoe: โ€œHandre aminโ€™ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala, ary hijery aminโ€™ny masonareo fa tsy hahita; fa ny fonโ€™ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositranikoโ€. Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre.

Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre. Ka henoy ร ry ny hevitry ny fanoharana aminโ€™ny mpamafy. Raha misy mandre ny teninโ€™ny Fanjakanโ€™Andriamanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay nafafy tao am-pony: dia izay no ilay nafafy teny an-dalam-be. Ary ilay nafafy taminโ€™ny tany be vato no izay nandre ny teny sy nandray azy an-kafaliana miaraka aminโ€™izay, nefa tsy miorina mafy izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka aminโ€™izay izy. Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay nandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena, mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy. Fa ilay nafafy taminโ€™ny tany lonaka kosa no ilay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny, ary ny sasany telopolo heny.

โ€” Izany ร ry ny teninโ€™ny Tompo.

โ€” Dera anie ho Anao, ry Kristy!


ALAHADY FAHA-05 JOLAY 2026ALAHADY FAHA-14 MANDAVANTAONA โ€” TAONA A"I JESOA : BE FITIAVANA SY MALEMY FANAHY"๐—˜๐—ฉ๐—”๐—ก๐—๐—˜๐—Ÿ๐—ฌ ๐— ๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ก...
03/07/2026

ALAHADY FAHA-05 JOLAY 2026

ALAHADY FAHA-14 MANDAVANTAONA โ€” TAONA A

"I JESOA : BE FITIAVANA SY MALEMY FANAHY"

๐—˜๐—ฉ๐—”๐—ก๐—๐—˜๐—Ÿ๐—ฌ ๐— ๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ก๐—” ๐—ก๐—ข๐—ฆ๐—ข๐—ฅ๐—”๐—ง๐—”๐—ก'๐—œ ๐— ๐—ฑ ๐— ๐—”๐—ง๐—œ๐—ข 11, 25-30

Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

Taminโ€™izany andro izany i Jesoa niteny nanao hoe: โ€œMisaotra Anao aho, Raiko, Tomponโ€™ny lanitra sy ny tany, fa nanafina ny hevitrao taminโ€™ny hendry sy ny be saina Ianao, ary nanambara azy taminโ€™ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomenโ€™ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tianโ€™ny Zanaka hanehoana Azy. Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho anโ€™ny fanahinareo ianareo, fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didikoโ€.

โ€” Izany ร ry ny teninโ€™ny Tompo.

โ€” Dera anie ho Anao, ry Kristy!


๐—ฃ๐—ฒฬ€๐—ฟ๐—ฒ ๐—ฃ๐—ฒ๐—ฑ๐—ฟ๐—ผ ๐—ฃ๐—ฎ๐—ฏ๐—น๐—ผ ๐—ข๐—ฝ๐—ฒ๐—ธ๐—ฎAmin'ity Alatsinainy 29 Jona ity, mankalaza ny faha-78 taonany i Pรจre Pedro Opeka, pretra malaza ...
29/06/2026

๐—ฃ๐—ฒฬ€๐—ฟ๐—ฒ ๐—ฃ๐—ฒ๐—ฑ๐—ฟ๐—ผ ๐—ฃ๐—ฎ๐—ฏ๐—น๐—ผ ๐—ข๐—ฝ๐—ฒ๐—ธ๐—ฎ

Amin'ity Alatsinainy 29 Jona ity, mankalaza ny faha-78 taonany i Pรจre Pedro Opeka, pretra malaza amin'ny asa lehibe sy ny ezaka ataony eto Madagasikara.

Pretra misionera eto Madagasikara izy, ary efa 30 taona mahery no nirotsahany tamin'ny ady amin'ny fahantrana. Noho ny asa miavaka vitany dia nomen'ny Filoha frantsay Emmanuel Macron azy ny mari-boninahitra ambony frantsay Lรฉgion d'honneur.

Efa ho 37 taona izay no nahatongavany teto amin'ny Nosy Madagasikara. Hatramin'izay dia nanokana ny fiainany hanampiana ny mponina izy, indrindra ireo ankizy, mba hahafahan'izy ireo manana fiainana sy hoavy tsaratsara kokoa.

ALAHADY FAHA-28 JONA 2026ALAHADY FAHA-13 MANDAVANTAONA โ€” TAONA A"NY SOA ATAO, LEVENAM-BOLA"๐—˜๐—ฉ๐—”๐—ก๐—๐—˜๐—Ÿ๐—ฌ ๐— ๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ก๐—” ๐—ก๐—ข๐—ฆ๐—ข๐—ฅ๐—”๐—ง๐—”๐—ก'๐—œ ๐— ...
27/06/2026

ALAHADY FAHA-28 JONA 2026

ALAHADY FAHA-13 MANDAVANTAONA โ€” TAONA A

"NY SOA ATAO, LEVENAM-BOLA"

๐—˜๐—ฉ๐—”๐—ก๐—๐—˜๐—Ÿ๐—ฌ ๐— ๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ก๐—” ๐—ก๐—ข๐—ฆ๐—ข๐—ฅ๐—”๐—ง๐—”๐—ก'๐—œ ๐— ๐—ฑ ๐— ๐—”๐—ง๐—œ๐—ข 10, 37-42

Izay tsy mitondra ny hazofijaliany dia tsy mendrika Ahy. Izay mandray anareo mandray Ahy.

Taminโ€™izany andro izany, i Jesoa nanao taminโ€™ny mpianany hoe: โ€œIzay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy. Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy. Izay mandray anareo, mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray Izay naniraka Ahy. Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo valisoanโ€™ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina, dia hahazo valisoanโ€™ny olo-marina; ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eranโ€™ny kapoaka monja aza hosotroinโ€™ny anankiray aminโ€™ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.โ€

โ€” Izany ร ry ny teninโ€™ny Tompo.

โ€” Dera anie ho Anao, ry Kristy!


ALAHADY FAHA 21 JONA 2026 - ALAHADY FAHA 12 MANDAVANTAONA - A "๐Œ๐€๐‡๐€๐“๐Ž๐Š๐˜ ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐Œ๐€๐๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐Š๐€ ๐‘๐„๐’๐„๐Ž ๐๐˜ ๐“๐€๐‡๐Ž๐“๐‘๐€"๐—˜๐—ฉ๐—”๐—ก๐—๐—˜๐—Ÿ๐—ฌ ๐— ๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ก...
20/06/2026

ALAHADY FAHA 21 JONA 2026 - ALAHADY FAHA 12 MANDAVANTAONA - A

"๐Œ๐€๐‡๐€๐“๐Ž๐Š๐˜ ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐Œ๐€๐๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐Š๐€ ๐‘๐„๐’๐„๐Ž ๐๐˜ ๐“๐€๐‡๐Ž๐“๐‘๐€"

๐—˜๐—ฉ๐—”๐—ก๐—๐—˜๐—Ÿ๐—ฌ ๐— ๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ก๐—” ๐—ก๐—ข๐—ฆ๐—ข๐—ฅ๐—”๐—ง๐—”๐—ก'๐—œ ๐— ๐—ฑ ๐— ๐—”๐—ง๐—œ๐—ข 10, 26-33

Aza matahotra izay mamono ny vatana.

Taminโ€™izany andro izany, i Jesoa nilaza taminโ€™ny Apรดstรดly hoe: โ€œAza matahotra ny olona ianareo, fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Izay lazaiko aminareo ao aminโ€™ny maizina dia ambarao eo aminโ€™ny mazava; ary izay bitsibitsihina aminโ€™ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano; ary aza matahotra izay mamono ny vatana, fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any aminโ€™ny afobe. Moa tsy varifitoventy monja va no vidinโ€™ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka aminโ€™ny tany iray akory, raha tsy avelanโ€™ny Rainareo. Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa. Koa aza matahotra fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo. Ary aminโ€™izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehanโ€™ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehanโ€™ny Raiko izay any an-danitra; ary izay handร  Ahy eo anatrehanโ€™ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehanโ€™ny Raiko izay any an-danitraโ€.

โ€” Izany ร ry ny teninโ€™ny Tompo.

โ€” Dera anie ho Anao ry Kristy!


๐— ๐—ด๐—ฟ ๐— ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐˜€๐—ผ๐—ฎ ๐— ๐—ผ๐—ฑ๐—ฒ๐˜€๐˜๐—ฒ ๐—ฅ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—œ๐—”๐—ก๐—œ๐—™๐—”๐—›๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—”Teraka taminโ€™ny taona 1967 tao Fiakarana-Ambohitrimanjaka i Mgr Mamiarisoa Modes...
17/06/2026

๐— ๐—ด๐—ฟ ๐— ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐˜€๐—ผ๐—ฎ ๐— ๐—ผ๐—ฑ๐—ฒ๐˜€๐˜๐—ฒ ๐—ฅ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—œ๐—”๐—ก๐—œ๐—™๐—”๐—›๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—”

Teraka taminโ€™ny taona 1967 tao Fiakarana-Ambohitrimanjaka i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana. Izy no faralahinโ€™ny zanaka 14 mianadahy. Nohamasinina ho pretra taminโ€™ny taona 1997 izy.
Nandritra ny fotoam-panompoany dia efa nitana andraikitra maro izy: mpitantsoratra ara-panahy (aumรดnier), rektoranโ€™ny seminera, misionera nandritra ny folo taona mahery tany La Rรฉunion, ary mpanabe tao Antsirabe. Taminโ€™ny taona 2023 kosa dia notendrena ho Vikera Jeneralinโ€™ny Arsidiosezinโ€™Antananarivo izy. Ny lalana nodiaviny, izay mampifandray ny fiorenana lalina aminโ€™ny zava-misy eto an-toerana sy ny fisokafana aminโ€™ny sehatra iraisam-pirenena, dia manaporofo ny fahatokiany sy ny fanoloran-tenany aminโ€™ny fanompoana ny Eglizy.

Aminโ€™ny maha Eveka Mpanampy azy, i Mgr Randrianifahanana dia hanampy ny Arsevekanโ€™Antananarivo aminโ€™ny andraikitra pastoraly sy fitantanana sahaniny. Anisanโ€™ny asa hiandraiketany ny fanamafisana ny fisiany eny aminโ€™ny paroasy, ny fanatanterahana ny sakramenta, indrindra ny Fankaherezana, ary ny fandrindrana ireo sampan-draharaha pastoraly maro samihafa.
Ao anatinโ€™ny Arsidiosezinโ€™Antananarivo, izay midadasika sy be mponina ary miatrika fanamby ara-tsosialy sy ara-panahy lehibe, dia mikendry ny hanamafy ny fifandraisana akaiky aminโ€™ny vahoakanโ€™Andriamanitra sy hanatsara ny fitantanana ny Eglizy ny iraka ampanaovina azy.

Tsara marihina fa aminโ€™ny maha Eveka Mpanampy azy dia tsy misolo toerana ny Arseveka i Mgr Randrianifahanana, fa manampy azy aminโ€™ny fanatanterahana ny andraikiny. Izany dia mariky ny fitokisana asehonโ€™i Roma aminโ€™ny fahavitrihanโ€™ny Eglizy Katolika malagasy, indrindra ny Eglizy eto Antananarivo, izay miroso amim-panantenana manoloana ny ho avy.

๐Ÿ“ Loharano: midi-madagasikara.mgโ 

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vononan'ny tanora EKAR Soavina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share