Vononan'ny tanora EKAR Soavina

Directions

Vononan'ny tanora EKAR Soavina 𝗠𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗯𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗼, 𝘁𝗼𝗻𝗴𝗮𝘀𝗼𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗽𝗲𝗷𝘆

🇲🇬 𝗩𝗢𝗩𝗢𝗡𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗢𝗥𝗔 𝗘𝗞𝗔𝗥 𝗦𝗢𝗔𝗩𝗜𝗡𝗔 🇻🇦

𝗔𝗯𝗼𝗻𝗻𝗲𝘇-𝘃𝗼𝘂𝘀 👍

𝗩𝗢𝗟𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗢𝗭𝗘𝗥𝗬 𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 - 𝗢𝗞𝗧𝗢𝗕𝗥𝗔Ny Raozery dia fombam-pivavahana iray hibanjinana ireo misiterin'ny fiainan'i Jesoa mia...
04/10/2026

𝗩𝗢𝗟𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗢𝗭𝗘𝗥𝗬 𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 - 𝗢𝗞𝗧𝗢𝗕𝗥𝗔

Ny Raozery dia fombam-pivavahana iray hibanjinana ireo misiterin'ny fiainan'i Jesoa miaraka amin'i Masina Maria. Nofintinin'ny Fiangonana ao anaty mistery efatra lehibe izany ka isaky ny mistery iray dia misy fizaràna dimy. Ireo fizaràna ireo indrindra no dinihina rehefa manonona ny vavaka.

Toa izao ary ny fomba fanaovana ny Raozery

Arakaraka ny andro dia mifidy mistery iray (Jereo ery ambany). Iny izany no lohahevitra hobanjinina.

Atomboka amin'ny Simbolin'ny Apostoly ho fanehoana ny finoana an'Andriamanitra sy ny fiombonam-bavaka amin'ny Fiangonana. Avy eo Rainay sy Arahaba ry Maria telo ary Voninahitra.

Miditra amin'ny fizaràna amin'ilay Mistery hobanjinina amin'izay. Ka isaky ny fizaràna dia Rainay iray, Arahaba ry Maria folo ary faranana amin'ny Voninahitra iray.

Isaky ny fizaràna dia tsara raha atomboka amin'ny vavaka tahaka izao (araka ny ohatra napetrak'i Md. Louis-Marie Grignion de Montfort):

« Atolotray anao, ry Jesoa Tompo, ity fizarana (voalohany) ity mba ho fibanjinana ny Mistery (mampalahelo voalohany) dia ny (niadianao aina tao an-tanimbolin'i Oliva), koa amin'izany dia mangataka aminao izahay, miaraka amin'ny fangatahan'i Masina Maria Reninay, ny fahasoavan'ny (fanekena ny sitraponao). »

dia avy eo mandeha amin'ny fizarana manaraka (Ohatra eto hoe Mistery mampalahelo faharoa)

Rehefa vita ny Mistery manontolo (Arahaba ry Maria 50) dia faranana amin'ny vavaka na hira iray fanajana an'i Masina Maria, ohatra hoe Salve Regina

Ireto ary ny Mistery :

📌 Mistery Mahafaly (Tsara hatao Alatsinainy sy Sabotsy)

1 - Ny Arkanjely Gabriely miarahaba an'i Maria.
2 - I Masina Maria mamangy an'i Mb Elizabeta.
3 - I Jesoa Kristy teraka anaty tranon'omby.
4 - I Jesoa Kristy atolotr'i Masina Maria sy Md Josefa ao anatin'ny Tempolin'Andriamanitra.
5 - I Jesoa Kristy very hateloana, ka hitan'i Masina Maria sy Md Josefa tao anatin'ny Tempolin'Andriamanitra.

📌 Mistery Mamirapiratra (Tsara hatao Alakamisy)

1 - I Jesoa Kristy atao Batemy ao Jordany
2 - I Jesoa Kristy manova ny rano ho divay eo amin'ny fampakaram-bady any Kana.
3 - I Jesoa Kristy mitory ny Fanjakan'Andriamantira ary miantso ny olona hibebaka.
4 - I Jesoa Kristy miova tarehy any an-tendrombohitra.
5 - I Jesoa Kristy mamorona ny Eokaristia.

📌 Mistery Mampalahelo (Tsara hatao Talata sy Zoma)

1 - I Jesoa Kristy miady aina fadiranovana tsembon-dra ao anatin'ny tanimbolin'ny Oliva.
2 - I Jesoa Kristy kapohina mafy.
3 - I Jesoa kristy satrohana fehiloha tsilo.
4 - I Jesoa Kristy ampitondraina ny hazofijaliana ka lavo in-telo.
5 - I Jesoa Kristy fantsihana amin'ny hazofijaliana ka miala aina eo.

📌 Mistery Be Voninahitra (Tsara hatao Alarobia sy Alahady)

1 - I Jesoa Kristy mitsangan-ko velona.
2 - I Jesoa Kristy miakatra any an-danitra.
3 - Ny Fanahy Masina midina amin'i Masina Maria sy ny Apostoly.
4 - I Masina Maria ampiakarin'ny Anjely any an-danitra.
5 - I Masina Maria satrohan'ny Trinite Masina satro-boninahitra any an-danitra.

©️ Katolika.org

AZONAO JERENA 👇

𝗠𝗜𝗦𝗧𝗘𝗥𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗙𝗔𝗟𝗬
https://www.facebook.com/100088980086555/posts/1013115381664455/?app=fbl

𝗠𝗜𝗦𝗧𝗘𝗥𝗬 𝗠𝗔𝗠𝗜𝗥𝗔𝗣𝗜𝗥𝗔𝗧𝗥𝗔
https://www.facebook.com/100088980086555/posts/1013117241664269/?app=fbl

𝗠𝗜𝗦𝗧𝗘𝗥𝗬 𝗠𝗔𝗠𝗣𝗔𝗟𝗔𝗛𝗘𝗟𝗢
https://www.facebook.com/100088980086555/posts/1013422598300400/?app=fbl

𝗠𝗜𝗦𝗧𝗘𝗥𝗬 𝗕𝗘 𝗩𝗢𝗡𝗜𝗡𝗔𝗛𝗜𝗧𝗥𝗔
https://www.facebook.com/100088980086555/posts/1013430588299601/?app=fbl


𝐅𝐀𝐍𝐆𝐀𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐏𝐀𝐏𝐀 - 𝐕𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀  2026 : HO AN’NY PASTORALIN’NY FAHASALAMANA ARA-TSAINAMba hiroborobo eo ...
03/10/2026

𝐅𝐀𝐍𝐆𝐀𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐏𝐀𝐏𝐀 - 𝐕𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 2026 : HO AN’NY PASTORALIN’NY FAHASALAMANA ARA-TSAINA

Mba hiroborobo eo anivon’ny Eglizy manontolo anie ny pastôralin’ny fahasalamana ara-tsaina, ary hanampy handresy ny fifanilikilihana sy ny fanavakavahana ireo olona manana aretina.

ALAHADY FAHA-04 OKTOBRA 2026ALAHADY FAHA-27 MANDAVANTAONA — A''TANIMBOALOBOK’ANDRIAMANITRA ISIKA"𝗘𝗩𝗔𝗡𝗝𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗢𝗦𝗢𝗥𝗔𝗧...
03/10/2026

ALAHADY FAHA-04 OKTOBRA 2026

ALAHADY FAHA-27 MANDAVANTAONA — A

''TANIMBOALOBOK’ANDRIAMANITRA ISIKA"

𝗘𝗩𝗔𝗡𝗝𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗢𝗦𝗢𝗥𝗔𝗧𝗔𝗡'𝗜 𝗠𝗱 𝗠𝗔𝗧𝗜𝗢 21, 33-43

Hahofany amin’ny mpiasa hafa ny tanimboalobony.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe: “Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka; namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin’ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy.

Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpiasa ny ankizilahiny, handray ny vokatry ny tanimboalobony; fa nosamborin’ireo mpiasa ny ankizy lahiny, ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy, fa nataony toraka izany ihany koa. Nony farany dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy, fa hoy izy: ‘Hanaja ny zanako izy ireo’. Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy dia nifampilaza izy ireo hoe: ‘Inty ny mpandova; andeha hovonointsika ity, dia ho lasantsika ny lovany’. Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan’ny tanimboaloboka ary novonoiny.

Koa rehefa tonga ilay tompon’ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa izany?” Dia hoy ireo taminy: “Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, ary ny tanimboalobony dia hahofany amin’ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin’ny fotoany”. Dia hoy i Jesoa taminy: “Tsy mba novakînareo va ny Soratra Masina hoe: ‘Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro; avy tamin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika?’ Noho izany, dia lazaiko aminareo, fa hoesorina aminareo ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

— Dera anie ho Anao, ry Kristy!


ALAHADY FAHA-20 SEPTAMBRA 2026ALAHADY FAHA-25 MANDAVANTAONA — A''NY FIHEVITR’ANDRIAMANITRA TSY FIHEVITSIKA"𝗘𝗩𝗔𝗡𝗝𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗦𝗜...
19/09/2026

ALAHADY FAHA-20 SEPTAMBRA 2026

ALAHADY FAHA-25 MANDAVANTAONA — A

''NY FIHEVITR’ANDRIAMANITRA TSY FIHEVITSIKA"

𝗘𝗩𝗔𝗡𝗝𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗢𝗦𝗢𝗥𝗔𝗧𝗔𝗡'𝗜 𝗠𝗱 𝗠𝗔𝗧𝗜𝗢 20, 1-16a

Sa ratsy ny masonao, satria tsara aho?

Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe: “Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony. Ary rehefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy fa denie iray avy isan’andro ny karamany, dia nasainy nankany amin’ny tanimboalobony izy ireo, Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa nidonana-poana teny an-kianja; ka hoy izy taminy: “Andeha koa ianareo, mankany amin’ny tanimboaloboko, fa homeko anareo izay antonony”. Dia nankany ireo.

Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa. Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy: “Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?” Fa hoy ireo taminy: “Satria tsy nisy nanakarama anay”. Dia hoy izy taminy: “Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanimboaloboko”. Ary nony hariva ny andro, dia hoy ilay tompon’ny tanimboloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany: “Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany; aseseo avy aty amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany”. Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka samy nahazo denie iray misesy avy. Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa, kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony. Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano nanao hoe: “Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa nampitovianao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro”. Dia izao no navalin’ny Tompo ny anankiray tamin’izy ireo: “Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko? Alao ny anao, dia mandehàna, fa tiako ny manome ilay farany toraka ny anao koa. Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho? sa ratsy ny masonao satria tsara aho?” Dia ho toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

— Dera anie ho Anao, ry Kristy!


📆 19 SEPTAMBRA - 𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗥𝗜𝗔 𝗡𝗜𝗦𝗘𝗛𝗢 𝗧𝗔𝗢 𝗟𝗔𝗦𝗔𝗟𝗘𝗧𝗬Tao amin’ny diosezin’i Greneoble tao amin’ny tendrombohitr’i La Salette...
18/09/2026

📆 19 SEPTAMBRA - 𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗥𝗜𝗔 𝗡𝗜𝗦𝗘𝗛𝗢 𝗧𝗔𝗢 𝗟𝗔𝗦𝗔𝗟𝗘𝗧𝗬

Tao amin’ny diosezin’i Greneoble tao amin’ny tendrombohitr’i La Salette no niseho i Masina Maria ny 19 septambra 1846. Tovolahy kely 11 taona sy tovovavy kely 14 taona no nofidian’i Masina Maria hilazana ny hafatra. Mpiandry ondry izy ireo : i Maximin Giraud ilay tovolahy kely sy i Mélanie Calvat kosa ilay tovovavy.

Araka ny fitantaran’i Maximin dia ny mitatao vovona no niseho tamin’izy ireo i Masina Maria raha izy mianadahy ireo teo amin’ny tendrombohitra hisakafo antoandro. Marihana fa tsy nifankafantatra izy ireo raha tsy andro iray talohan’ity nisehoan’i Masina Maria ity. Fa tamin’io fotoana io niato tsy nihinana i Mélanie ary latsaka teny an-tanana ny tehina ; nataotra izy niteny tamin’i Maximin hoe “Hitanao ve io hazavana lehibe io”. Dia samy nibanjina izy ireo ary hitan’izy ireo fa toa nihalefy ny herin’ny masoandra, ary nisokatra ilay masoandro ka hitan’izy ireo tao anatin’ilay masoandro ny vehivavy anankiray mamiratra. Teo amin’ny 20 metatra teo ho eo ny elanelan’izy ireo tamin’izany. Ary nisy feo malefaka niteny tamin’izy ireo hoe : “Manatona ry zanako, aza matahotra, tonga eto aho mba hilaza vaovao lehibe”. Afaka teo ny tahotr’izy ireo ka niahazakazaka nanatona ilay vehivavy izy, ary ilay vehivavy koa nanatona azy ireo ka nijanona 10 santimetatra tsy hipaika tamin’ny tany.

Raha fintinina ny hafatra tamin’ity fisehoana ity dia hoe : raha tsy mibebaka ny olombelona dia hiseho ny mosary satria ho ratsy ny vokatry ny tany. Nalahelo noho ny ataon’ny olombelona i Masina Maria ary mitalaho mafy mba tsy hilaozan’ny zanany ny olombelona, mivavaka tsy an-kijanona izy, fa tsy manao na inona na inona ra olombelona, hany heriny nanafatra an’i Maximin sy i Mélanie hoe : “Ataovy tsara ny vavaka rankizy, ny maraina sy ny hariva, rehefa tsy manam-potoana ianareo dia manaova fara fahakeliny Rainay any an-danitra iray sy Arahaba ry Maria iray, ary rehefa manana fotoana kosa dia ataovy misimisy izany vavaka izany”. Nomarihan’ity vehivavy ity tamin’izy mianadahy ireo fa vehivavy efa mahazohazo taona vitsivitsy no mba mamonjy ny Sorona Masina, ny hafa miasa rehefa alahady, ary ny sasany raha misy mankany am-piangonana aza dia toa maneso ny fivavahana fotsiny. Ny karemy aza moa dia mankeny amin’ny mpivaro-kena toy ny amboa ihany koa izy ireo. Tamin’ity fanafatrafarana an’i Maximin sy Mélanie ity no nananaran’i Masina Maria azy hoe : “Mandehana ry zanako lazao amin’ny vahoaka rehetra izany.”

©️ rdb.mg

📆 19 SEPT 𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗥𝗜𝗔 𝗡𝗜𝗦𝗘𝗛𝗢 𝗧𝗔𝗢 𝗟𝗔𝗦𝗔𝗟𝗘𝗧𝗬... Araka ny fanazavan’i Kardinaly Ratzinger, ny fisehoana manokana toa an’i L...
18/09/2026

📆 19 SEPT
𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗥𝗜𝗔 𝗡𝗜𝗦𝗘𝗛𝗢 𝗧𝗔𝗢 𝗟𝗔𝗦𝗔𝗟𝗘𝗧𝗬...

Araka ny fanazavan’i Kardinaly Ratzinger, ny fisehoana manokana toa an’i La Salette dia tsy manampy Fanambarana vaovao amin’ny finoana kristianina, fa manampy antsika kosa hahatakatra sy hiaina bebe kokoa ny finoana efa nampianarin’i Kristy. Noho izany, ny hafatra rehetra dia tokony hifanaraka amin’ny Soratra Masina sy ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana.

Na dia toa henjana sy mampatahotra aza ny tenin’i Maria tao La Salette, dia antso ho amin’ny fibebahana sy fiverenana amin’Andriamanitra izany. Ny fampitandremana momba ny fahotana sy ny tsy fanajana ny didin’Andriamanitra dia tsy natao hampitahotra, fa maneho ny fitiavan’Andriamanitra izay maniry ny hamonjy ny olombelona.

Nomen’Andriamanitra fahafahana isika, ka tompon’andraikitra amin’ny safidy ataontsika. Tsy manery antsika anefa Izy, fa kosa miantso antsika hiverina Aminy.

Izany indrindra no maha-hafatra feno fanantenana an’i La Salette : na dia eo aza ny fahotana sy ny fialantsika amin’Andriamanitra, dia mbola misokatra hatrany ny làlana hiverenana Aminy. Ny antson’i Maria dia antso tsotra nefa lalina: mibebaha, miverena amin’Andriamanitra, ary raiso ny famindram-pony.

© claves.org 🖌️

𝗩𝗔𝗩𝗔𝗞𝗔...
Tsarovinao ry Maria Virjiny niseho tao Lasalety ny ranomaso narotsakao ho anay tao antampon’ny Kalvery. Tsarovy ihany koa ny mafy noentinao lalandava ho an’ny vahoakanao mba hanekeny hihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy. Koa jereo ary raha azonao ariana, ankehitriny, ireto zanakao efa nitondranao ny mafy
toy izany. Mpivadibadika sy tsy mahavaly fitia izahay ry Reny, nefa mahazo toky noho ny fitiavanao, koa midodododo mitalaho aminao : aza manetsintadîny amin’ny fitalahoanay ry Virjiny mpampihavana ny mpanota amin’Andriamanitra ; atodiho mankany amin’i Jesoa Zanakao indray ny fonay, ampio ho tia Azy ambonin’ny zavatra rehetra ka hanala alahelo anao amin’ny fanoloranay tena ho voninahitr’Andriamanitra sy ho fitiavana ny anamanay. Amen

ALAHADY FAHA-13 SEPTAMBRA 2026ALAHADY FAHA-24 MANDAVANTAONA — A''IZAY MAMELA NO HAVELA''𝗘𝗩𝗔𝗡𝗝𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗢𝗦𝗢𝗥𝗔𝗧𝗔𝗡'𝗜 𝗠𝗱 𝗠...
12/09/2026

ALAHADY FAHA-13 SEPTAMBRA 2026

ALAHADY FAHA-24 MANDAVANTAONA — A

''IZAY MAMELA NO HAVELA''

𝗘𝗩𝗔𝗡𝗝𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗢𝗦𝗢𝗥𝗔𝗧𝗔𝗡'𝗜 𝗠𝗱 𝗠𝗔𝗧𝗜𝗢 18, 15 - 20

Izaho tsy milaza aminao hoe : hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa i Piera nanao hoe: “Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny namako no tokony hamela azy aho? Hatramin’ny impito va?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito. Koa amin’izany, ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony; ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentina teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony namidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy nanao hoe: “Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.” Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy. Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: “Aloavy ny trosako any aminao!” Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: “Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.” Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany, ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony. Dia nampanalain’ny tompony izy ka nilazany hoe: “Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho ianao nifona tamiko; ka moa tsy tokony hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?” Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambarapandoany ny trosa rehetra. Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

— Dera anie ho Anao, ry Kristy!


08 SEPTAMBRA - 𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗡𝗔𝗛𝗔𝗧𝗘𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡'𝗜 𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗥𝗜𝗔Heverina fa ny Fiangonana tao Jerosalema no nanaja sy nahatsiaro...
08/09/2026

08 SEPTAMBRA - 𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗡𝗔𝗛𝗔𝗧𝗘𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡'𝗜 𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗥𝗜𝗔

Heverina fa ny Fiangonana tao Jerosalema no nanaja sy nahatsiaro voalohany ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny izay nankalazaina tao amin’ny bazilika ao amin’io toerana nahatrerahan’i Masina Maria Virjiny. Ny toritenin’i André de Crête dia milazalaza ny momba ny nahaterahan’i Maria Virjiny.

Io toriteny io dia maneho ny fahasamihafan’i Maria amin’ny vehivavy hafa : “Ankehitriny dia hisy tovovavy virjiny hivoaka amin’i Joda sy i David, mitondra ny famantarana ny fanjakana sy ny fisoronana avy amin’izay nandray ny soron’i Aaraona araka ny lalan’i Melkisedeka”. Izay ilay toriteny tamin’izany. Any Roma dia ao amin’ny bazilikan’i André ny fankalazana io fety io, manao ny vavaka mandeha miala ao amin’ny bazilikan’i Masindahy André, ary mankany amin’ny bazilika Sainte Marie Majeur. Ny bokim-pivavahana katôlika dia mametraka ny hira ao amin’io fankalazana io mitovy amin’ny hira fankalazana an’i Masina Maria nampiakarina any an-danitra. Ao amin’ny boky “Histoire des mystères et des fête” no hitantaran’ny papa Benoît XIV fa isan-taona isaky ny 08 septambra dia misy mpanirery naheno hira avy any an-danitra. Rehefa niresaka tamin’Andriamanitra io mpanirery io, ny anton’izany, dia novaliany hoe fahatsiarovana ny nahaterahan’i Maria Virjiny izany, izay ankalazaina any an-danitra ary nilaza io fa teraka ho an’ny olombelona i Maria ary tokony hankalaza izany ny ety an-tany. Dia nankany amin’ny papa ilay mpanirery nitantara io fahitana io ka nanapa-kevitra ny papa fa asiana ny fety fankalazana ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny.

Any France ny fety nahaterahan’i Maria Virjiny dia efa hatramin’ny ela no nitondra ny anarana hoe Notre-Dame d’Angevine. Io moa dia natao indrindra hampahatsiahy ny nisehoan’ny Virjiny Masina tamin’i Maurille evaka tao Angers taminy taona 430 teo akaikin’i Saint-Florent no nitrangan’izany fisehoana izany. Niangavy tamin’io eveka io ity vehivavy ity mba hametraka fotoana ho an’ny fankalazana ny nahaterahan’ny masina Maria Virjiny. Nanao izay tratran’ny heriny i Fulbert eveka tao Sartre mba hanely io fankalazana io amin’ny ilany avaratra tamin’ny nanjakan’ny mpanjaka Robert le Pieux. Ny alin’io fankalazana io nisy nandoro ny katedraly, rehefa naverina nahorina izany dia nampitondraina ny anarana hoe Nativité de Notre-Dame. Rehefa maty ny papa Celestin IV dia nampidirin’i Frédéric II am-ponja avokoa ny kardinaly mba tsy hivory anao ny conclave (ilay fotoana hifidianana ny papa). Nanao voady ireo kardinaly rehetra teo fa rehefa afaka soa aman-tsara amin’izany fonja izany dia hanoka herinandro ho fankalazana ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny. Vao afaka izy ireo dia nifidy an’i Innocent IV ary nanatanteraka io voady io tamin’ny Konsily voalohany tao Lyon ny taona 1245. I Gregoire XI dia nanao fiambenana masina tany Ananie amin’izany fankalazana izany.

©️ rdb.mg

𝗦𝗔𝗣𝗜𝗟𝗘𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗜𝗡𝗗𝗥𝗔𝗠𝗣𝗢𝗡'𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗔𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔« Isaky ny mipaika ny amin’ny 3 ora, dia mitafia tanteraka ny famindrampoko ianao, ...
05/09/2026

𝗦𝗔𝗣𝗜𝗟𝗘𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗜𝗡𝗗𝗥𝗔𝗠𝗣𝗢𝗡'𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗔𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔

« Isaky ny mipaika ny amin’ny 3 ora, dia mitafia tanteraka ny famindrampoko ianao, sady mitsao𝗄a Azy no manomeza voninahitra Azy ; miantsoa ny heriny lehibe ho an’izao tontolo izao ary indrindra ho an’ireo mpanota fadiranovana satria amin’io fotoana io ny fanavotana dia misokatra ho an’ny fanahy rehetra... »

𝗙𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮 :

✝️ Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen

🙏 Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny haninay isan’andro, avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay, aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen

🙏 Arahaba ry Maria feno hasoavana, ny Tompo ao aminao, nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina i Jesoa nateraky ny kibonao. Masina Maria, Renin’Andriamanitra, mivavaha ho anay mpanota, ankehitriny ary amin’ny andro hahafatesanay. Amen

🙏 Izaho mino an’Andriamanitra, Ray mahefa ny zavatra rehetra, nahary ny lanitra sy ny tany. Izaho mino an’i Jesoa Kristy, Zanany tokana Tompontsika, noforonin’ny Fanahy Masina, naterak’i Maria Virijiny, nijaly faha Pontsy Pilaty, nofantsihina tamin’ny hazofijaliana, maty dia nalevina, nidina tany ambany tany; nitsangan-kovelona tamin’ny andro fahatelo; niakatra any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, avy any Izy mbola ho avy, hitsara ny velona sy ny maty. Izaho mino ny Fanahy Masina, ny Eglizy masina manerana ny tany, ny fiombonan’ny olomasina, ny fanalana ny ota, ny hitsanganan’ny vatantsika ho velona, ary ny fiainana mandrakizay. Amen

𝗔𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗦𝗮𝗽𝗹𝗶𝗲 𝘃𝗮𝘃𝗲𝗻𝘁𝘆 (in-1) :
Ry Ray mandrakizay ô, atolotro Anao ny vatana, ny rà ny fanahy sy ny maha Andriamanitra an'ilay Zanakao malalanao, dia i Jesoa Kristy Tomponay, ho fanonerana ny fahotanay sy ny an ‘izao tontolo izao.

𝗔𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗦𝗮𝗽𝗹𝗶𝗲 𝘃𝗮𝘃𝗲𝗻𝘁𝘆 𝗺𝗮𝗱𝗶𝗻𝗶𝗸𝗮 (in-10) :
Noho ny fijaliana mangirifiry niaretany, mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao.

𝗙𝗮𝗺𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 (in-3) :
Ry Andriamanitra Masina, ry Andriamanitra Mahery, ry Andriamanitra Velona mandrakizay, mamindra fo aminay sy amin’izao tontolo izao."

Ry Fo Masin'i Jesoa ô, mahatoky Anao izahay!

✝️ Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vononan'ny tanora EKAR Soavina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share