05/07/2026
⚽ FINARITRA E! 🙌
Isaorana indrindra Andriamanitra Tsitoha fa notanterahina tamim-pilaminana sy tamim-pahombiazana ny Tournoi Foot à 7 nokarakarain'ny SAMPATI Lanitra faha 200.
🙏 Mankasitraka sy misaotra antsika rehetra:
ireo ekipa rehetra nandray anjara,
ireo mpilalao sy mpanazatra,
ireo mpitsara,
ary ireo mpijery sy mpanohana izay tonga nanome aina ny hetsika.
🏆 Ny mpandresy arahabaina, ny tsy nahazo kosa ampirisihina hatrany fa mbola hisy ny manaraka. Ny zava-dehibe dia ny firaisankina, ny fifanajana ary ny fifankatiavana nentin'ity fifaninanana ity.
📸 Indro ary zaraina aminareo ny angon-tsary nandritra ny lalao omaly, ho fahatsiarovana ireo fotoana mamy niarahana.
💙 Misaotra antsika rehetra. Mandra-pihaona amin'ny hetsika manaraka!