Mpanazava sy Tily 200è - FJKM Ambanilalana

Mpanazava sy Tily  200è - FJKM Ambanilalana Mpanazava sy Tily 200è - Fivondronana eto amin'ny FJKM Ambanilalana•SAMPATI eto amin'ny faritany Analamanga Atsimo.

Koa entano ny namana amantsakaiza ary eee 😊😊👇👇👇👇
14/11/2025

Koa entano ny namana amantsakaiza ary eee 😊😊👇👇👇👇

📢 TANDREMO VOALOHANY 📢Ho fihaonan-tsika voalohany indray  taom-panabeazana 2025-2026 ity. Dia andao hiaraka hanokatra ar...
30/10/2025

📢 TANDREMO VOALOHANY 📢
Ho fihaonan-tsika voalohany indray taom-panabeazana 2025-2026 ity. Dia andao hiaraka hanokatra ary eeh🎉
📍 Toerana : FJKM Ambodivato RN4
📅 Fotoana : 09 Novambra 2025
🕕 6 ora maraina fotoana eo @ FJKM Ambanilalana
🚌 Saran-dalana : 4.000ar
🎒 Zavatra hoentina : Sakafo masaka atoandro, Satroka.
📖 Aza adino ny Baiboly sy Fihirana ary ny Rakitra
Entano ny naman'ise🫵🏾
Partagéo vondrona ary ity mba ho hitany😉

⛔️⛔️TOURNOIS RAPIDE⛔️⛔️⚽️FOOT à7⚽️SANS PRO LIGUE📅ASABOTSY 09 AOUT 2025 eny am TERRAIN Synthétique Antanikatsaka ITAOSY📢📢...
24/07/2025

⛔️⛔️TOURNOIS RAPIDE⛔️⛔️
⚽️FOOT à7
⚽️SANS PRO LIGUE

📅ASABOTSY 09 AOUT 2025 eny am TERRAIN Synthétique Antanikatsaka ITAOSY

📢📢VOAFETRA NY MPANDRAY ANJARA

🗯🗯PARTICIPATION: 100.000 Ar

⛔️🏆1ere lot: ONDRY+CALICE🏆+MEDAILLE🏅
⛔️🏆2eme lot : 💵200.000 Ar

✅️✅️MPIKARAKARA MPANAZAVA SY TILY
200ème

Raha mila fanazavana fanampiny dia atsoy ny :034 57 941 01

❤️🌷MAMAN🌷❤️«Chaque pétale: une preuve d'amourChaque couleur: un MERCITout comme ces fleurs, tu embellis ma vie»💝________...
21/05/2025

❤️🌷MAMAN🌷❤️

«Chaque pétale: une preuve d'amour
Chaque couleur: un MERCI
Tout comme ces fleurs, tu embellis ma vie»💝

____________________________

❤️🌷NENY🌷❤️

«Felam-boninkazo iray, ho fanehoam-pitiavana
Ary ny lokony no hanehoako FISAORANA
Toa ireny voninkazo ireny, ianao ilay manatsara ny fiainako»💝

_____________________________

💐 MOTHERS DAY-FÊTES DES MÈRES-FETIN'NY RENY💐

⚜️Ao anatin'ny toe-tsaina skoto hatrany izany hoe MANOME izany, ary anisan'ny porofom-pitiavana lehibe foana ny fanomezana izay omena ny olona tena tiana😍🥰

Inona ary no 🎁CADEAU🎁 tena MENDRIKA an'ilay olona tia antsika sy tena tiantsika amin'izao FETIN'NY RENY izao?🤔

Ny Mpanazava sy Tily-200ème eto amin'ny fivondronana Ambanilalana dia FALIBE manolotra an'ise ireto 🩵Voninkazo+Carte de voeux🩵 mamikely ireto ho FANOMEZANA hoan'ilay Reny tena lalaina🌸😍😍🎀

Aza tara ary mi-commande an'izay hitan'ise fa mety hoan'i Neny☺️
Tsotra fotsiny: tsindrian'ise izay sary tian'ise, dia efa hitan'ise eo ny vidiny sy ny fanazavana fanampiny📌

Rehefa hi-commande?😁

📩Alefaso ao amin'ny hafatra miafina ny sarin'ilay modèle de bouquet+sary misy an'i Neny na hafatra mamikely avy amin'ise manokana (ho an'ny carte miaraka aminy)😍🥰😘

Azon'ise atao ihany koa ny miantso mivantana ireto laharana ireto:

☎️ +261340505289
☎️+261324005289

Manao livraison izahay ho an'ise anh📦🛍️

Mentionner-o ilay naman'ise mbola tsy mahita "idée de cadeau" ho an'i Neny iny, «Ato misy ny tena mamy» hoe😁🤭
Aza tara amin'ny commandes anh!☺️🩵

🎀FÊTE DES MÈRES🎀Efa akaiky kely ny fetin'ny Reny r'ise ah!💕Mbola eo amin'ilay manontany tena izao ise io hoe "inona ary ...
17/05/2025

🎀FÊTE DES MÈRES🎀

Efa akaiky kely ny fetin'ny Reny r'ise ah!💕
Mbola eo amin'ilay manontany tena izao ise io hoe "inona ary no omeko an'i Neny amin'io"🫣

Ny Mpanazava sy Tily Lanitra faha-200 eto amin'ny fivondronana Ambanilalana nefa manana «idées de cadeau» mamikely azon'ise jifaina amin'ny vidiny mirary be😍🥰

Ho avy tsy ho ela izy ity...Soraty ao amin'ny commentaires hoe mety ho inona raha ny hevitr'ise?🤔✨

Araho tsy tapaka ny pejy dia aza adino ny mizara, mentionne-o koa ilay naman'ise mbola tsy mahita cadeau ho an'i Neny fa ato hisy goodies tsarakely an!😌💖 🎁


🏕FIAINANA AN-DASY🏕Andao indray mba hiresaka momba ilay fiainana rehefa any an-dasy iny eh  🤗Ao anaty enina , Tarika , so...
27/03/2025

🏕FIAINANA AN-DASY🏕

Andao indray mba hiresaka momba ilay fiainana rehefa any an-dasy iny eh 🤗

Ao anaty enina , Tarika , sokajy , fokonolona ao dia matetika misy foana ilay sefon'ny lakozia 🫕😏 , na inona na inona atao dia tsy hanao zavatra hafa tsy ny fandrahoana sakafo izy rehefa any an-dasy 🏕🫕

Dia ny tiana ho lazaina dia izao ☝, rehefa ao an-dasy ao dia mila mahay mizara andraikitra tsara na tsy voatery any an-dasy koa ary fa rehefa amin'ny hetsika misy vondrona , izay no ilaina ny Mpitarika 😎

Samy salama ny vondrona sy ny tsirairay ao anatin'izay 🥰

Noho izany ,,, Ry mpitarika , rehefa anaty vondrona , zarao tsara ny andraikitra , tsy voatery ny zavatra efa ainy no asaina ataony fa omeo sehatra hafa izy hivelarany 🤲🏻

Taggeo ao amin'ny commentaire ilay mpiray vondrona amin'ise iny ,indrindra ilay sefon'ny lakozia sy ilay mpitarika 😅

Dia aza adino ny manaraka tsy tapaka ny pejy an 😉Abonne-o dia asio like 👍🏻, avy eo mi-partage ??🏻

"Ny tena  atao hoe fahasambarana dia ny mizara fifaliana ho an'ny hafa" Boden Powel ⚜Tsapan'ise ve fa rehefa manao zavat...
25/03/2025

"Ny tena atao hoe fahasambarana dia ny mizara fifaliana ho an'ny hafa"
Boden Powel ⚜

Tsapan'ise ve fa rehefa manao zavatra iray izay mahafaly ny hafa ise dia tena mahatsiaro ho sambatra ? 🤗

Mety manana olana izy ireny , mety misy manahirana azy fa vao misy zavatra ataon'ise na lazain'ise dia faly izy 😉
Ohatry ny tsy nisy intsony ireny olana ireny 💙

Ilain'ny hafa io fanomezam-pahasoavana hananan'ise io ☝🏻

Andao hasandratra hanasoavana ny hafa 🫂

Tsy voatery ara-pitaovana vao atao hoe fanampiana 🤲🏻
Soa fa teo ise , ilain'ise ⚜💙





AKON'NY FANEKENA MPIANDRAIKITRA⚜"Ataovy mpianatra ny firenena rehetra " MATIO 28:19bTanteraka soa aman-tsara ny fampanao...
27/02/2025

AKON'NY FANEKENA MPIANDRAIKITRA⚜

"Ataovy mpianatra ny firenena rehetra " MATIO 28:19b
Tanteraka soa aman-tsara ny fampanaovana fanekena Mpiandraikitra teto @ fivondronana Ambanilalana Lanitra faha 200✨ ny alahady 23 febroary 2025 lasa teo iny

Noho izany dia Misaotra an'Andriamanitra lehibe , Misaotra ireo Tompon'Andraikitra nahatontosa izany , Misaotra ireo Nanontrona rehetra 🥰🙏🏻

Miroso hatrany ho an'ny fanabeazana ⚜





16/02/2025

✌️✌️𝑭𝑨𝑵𝑬𝑲𝑬𝑵𝑨 𝑴𝑷𝑰𝑨𝑵𝑫𝑹𝑨𝑰𝑲𝑰𝑻𝑹𝑨 ✌️✌️

« 𝘈𝘵𝘢𝘰𝘷𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘳𝘦𝘩𝘦𝘵𝘳𝘢 » Matio 28 : 19b

Hanatanteraka fanekena Mpiandraikitra ny Fivondronana LANITRA 200eme koa fifaliana ho azy ireo sy ny komitim-pivondronana ny manasa antsika amin'izany.

Toa izao ary ny andinindininy mahakasika izany:
📆 Alahady 23 Febroary 2025
📍 F.J.K.M AMBANILALANA FINOANA
🕘 9 ora maraina

Ndao hifanotrona hatrany isika fa hery lehibe ho azy ireo ny fahatongavantsika.

🙏🙏Tsy ho adinon'ise ihany koa ny mitondra am-bavaka azy ireo mba ho tongasoa ny andro malaza ary ho tanteraka soa aman-tsara ny fikasana.
Taomy ny namana fa aza mamdeha irery anh!!

TANANA HAVIA R'ISE!⚜  👋🏻Efa Rahampitso ny fisarihana momba ilay lalao nanomboka tamin'ny 13 janoary 2025 lasa teo iny 🫣N...
12/02/2025

TANANA HAVIA R'ISE!⚜ 👋🏻

Efa Rahampitso ny fisarihana momba ilay lalao nanomboka tamin'ny 13 janoary 2025 lasa teo iny 🫣

Nefa mbola mahazo mandray anjara hatrany isika fa ny lalao mitohy foana rehefa mbola alohan'ny rahampitso amin'ny 19h 😁

Indro ary ny rohy hahafahan'ise mandray anjara amin'ny lalao fa misy loka ho zaraina anie ho'aho eh 🫣
https://www.facebook.com/100076523245875/posts/619866980574071/?app=fbl

Aza adino ary ny fotoana rampitso: 13 Febroary amin'ny 07 ora hariva⏰
📍Amin'ny alalan'ny LIVE no hanaovantsika ny fisarihana sy hijerena ireo Mpandresy TELO(3) be izao 🙆🏻‍♂️🙆🏻‍♀️
🧐:"Amin'ny firy tsara hoe?"
⚜:Amin'ny 07 ora hariva r'ise ah 🥰
Omano ny fahana sao ise ilay handresy 😏😁

Izay fa mentionne-o ao amin'ny commentaires ilay naman'ise mbola tsy nandray anjara fa mbola tsy tara ho'aho raha hilalao 🥹

Abonne-o ny Page dia zarazarao ho hitan'ny namana!






☘GREEN DAY☘   "Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany" MATIO 5:47b    Nanatanteraka Fambolen-kazo☘ ny Mpanazava sy T...
05/02/2025

☘GREEN DAY☘

"Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany" MATIO 5:47b

Nanatanteraka Fambolen-kazo☘ ny Mpanazava sy Tily eto amin'ny Fivondronana Ambanilalana 💙tamin'ny farany herinandro lasa teo

Anisan'ny Adidy ho an'ny firenena 🇲🇬 sy ny fiaraha-monina izao satria ny Tontolo Maitso ☘💚 dia Tontolo tsara 👌🏻✨, Miaro sy manantsara ny Tontolo iainana 🌍

Andao isika Hanorina Tontolo tsaratsara kokoa 🥰✨ho an'ny Tanindrazana sy ny Namana 🫶🏻

Alefao ao anaty commentaire hoe ny sarin'ise nanantanteraka fambolen-kazo tamin'ity taona 2025 ity , Asio fanentanana amin'ny fiarovana ny Tontolo iainana 📢


-GENESISY 28:15🌿“Ary indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao” Ity andinin-tsoratra Masina ity no...
27/01/2025

-GENESISY 28:15🌿

“Ary indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao”
Ity andinin-tsoratra Masina ity no entinay Mpanazava sy Tily Lanitra faha-200 eto amin'ny fivondronana Ambanilalana hampaherezana antsika amin'ity herinandro vaovao ity⚜️🥰

Herinandro vaovao, fitahiana vaovao🕊️

Hanovo hery hatrany eo ambanin'ny fitantanan'Andriamanitra ilay mpiaro sy mpomba antsika n'aiza n'aiza halehantsika †🩵

Mirary herinandro mahafinaritra be hoan'ise!🤗

Address

Fjkm Ambanilalana
Antananarivo
102

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mpanazava sy Tily 200è - FJKM Ambanilalana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share