02/06/2026
Andro vitsy sisa dia ho tapitra ny fisoratana anarana @ test 😊
Ity no test atao raha te hiditra ato aminay hianatra Allemand, hanao Aupair, hanao Ausbilung na hitady tolotr'asa any Allemagne, na hianatra Anglais, hanao aupair any USA.
Aza tara ary fa ny alakamisy izao @ 12 ora ataondro no hikatona ny rohy.
--TEST SESSION JUIN 2026--
Ity ny rohy hisoratana anarana @ fitsapana (test) raha mikasa hiditra ato aminay ny volana Jolay 2026 ianao; izay ahafahanao manaraka ireto fianarana manaraka ireto:
👉Cours d'Allemand: Ahafahanao manao "aupair", "volontariat" na "Ausbildung", asa any Allemagne.
👉Cours d'Anglais: Ahafahanao manao "aupair" any Etazonia. (Ny fandraisana mpianatra ho any Belzika, na Kanada na Aostralia dia mbola mihato, raha tsy hoe "débutante" voa hanomboka hianatra Anglisy mihitsy ianao ka mety mbola afaka 9 volana any vao hanomboka hikarakara taratasy).
--> Rohy: https://bit.ly/4uzhbut
Fampahatsiahivana:
❓Tsy maintsy manana mailaka ianao hanaovana ny fisoratana anarana.
❓Na vao hanomboka hianatra mihitsy (débutant) aza ianao dia mila mandalo ity fitsapana ity foana.
❓Na efa nianatra Alema na Anglisy aza ianao ka efa manana mari-pahaizana na diplaoma hafa dia mila manao azy ity.
❓Misy sarany 10 000Ar ny fitsapana, izay tsy miverina raha misy tsy fahafahana tampoka hanao izany (na tsy voaray t@ fitsapana ianao).
❓Manasa anao hamaky ny "Handbook" izay misy ny tolotra rehetra miaraka @ sarany ato aminay alohan'ny fisoratana anarana. ( Afaka angatahinao @ mp izany)
❓Ny fisoratana anarana ihany no atao "en ligne" fa ny fitsapana dia tsy maintsy aty @ birao Andohanimandroseza, Antananarivo.
❓ CaringAgency dia tsy mbola manana "annexe" na birao hafa ankoatran'ny ety Andohanimandroseza.
❓Rehefa voafenonao ny "formulaire" fisoratana anarana sy voalefanao ny sarany dia hahazo "Email de confirmation" avy aty aminay ao anatin'ny 24 ora ianao.
❓ Ny ora fandraisanay antso raha mila fanazavana ianao dia ny alatsinainy ka hatramin'ny zoma, @ 8:00 - 15:00.
‼️ Ny 4 Jona 2026, @12 ora atoandro no hikatona ny fisoratana anarana test ity.
Mirary soa daholo 😊