Office de l'éducation de masse et du civisme

Office de l'éducation de masse et du civisme OEMC-MEN

Indro ary valin’ny fifaninana iraisan’ny sekoly mahakasika ny fikajiana ny tontolo iainana teto amin’ny DREN Analamanga ...
20/08/2026

Indro ary valin’ny fifaninana iraisan’ny sekoly mahakasika ny fikajiana ny tontolo iainana teto amin’ny DREN Analamanga izay nokarakarainy ekipa SEE/OEMC
Ho lazaina manaraka eto ihany ny toerana sy ny daty anaovana ny lanonana ofisialy hanolorana ny loka ho an’ireo mendrika sy ny mahakasika ny tohin’ny asa izay mizotra makany amin’ny fametrahana ny sekoly maitso(mise en place des écoles verte)

Andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora. Niara nanamarika izany tamin'ny diaben'ny Fandriampahalemana ny OEMC, niaraka ta...
14/08/2026

Andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora. Niara nanamarika izany tamin'ny diaben'ny Fandriampahalemana ny OEMC, niaraka tamin'ireo mpiara-miombonantoka aminy, indrindra ny HWPL. Nofaranana tamin'ny fandraisam-pitenenan'ireo olo-nasaina, sy fanentanana izany. Natao teo amin'ny tokontain'ny fitaleavam-paritry ny Ministeran'ny Tanora sy fanatanjahan-tena- Mahajanga izany, anio 14 aogositra 2026

11/08/2026
Fandrindrana Fiaraha_miasa eo amin'ny Foibe fanambeazam_bahoaka ho olom_pirenena vanona(OEMC)  Sy  KMF/CNOE nisolotena i...
31/07/2026

Fandrindrana Fiaraha_miasa eo amin'ny Foibe fanambeazam_bahoaka ho olom_pirenena vanona(OEMC) Sy KMF/CNOE nisolotena izany Ramatoa, Mpandrindra Nasionaly KMF-CNOE, mahakasika ny fanabeazana ny olom_pirenenana🙏

Raha ny tazana tamin’ny fotoana fitsarana ny fifaninana iraisan’ny sekoly mahakasika ny  fikajiana ny tontolo iainana te...
21/07/2026

Raha ny tazana tamin’ny fotoana fitsarana ny fifaninana iraisan’ny sekoly mahakasika ny fikajiana ny tontolo iainana teto amin’ny DREN Analamanga(CEG 15 isa) izay nokarakarainy ekipa SEE/OEMC dia tratra amin’ny akanpobeny ny tanjona dia ny hoe : Sekoly madio, milamina, mirindra ary maitso
Ho avy tsy ho ela ny valiny ny fifaninanana

FAHATSIAROVANA NY FAHA-78 TAONAN’NY 19 JOLAY 194819 jolay 2026   ny  hetsi-pahatsirovana ny 19 jolay 1948. Nandray anjar...
21/07/2026

FAHATSIAROVANA NY FAHA-78 TAONAN’NY 19 JOLAY 1948

19 jolay 2026 ny hetsi-pahatsirovana ny 19 jolay 1948.

Nandray anjara feno tamin'izany ny avy ao amin'ny Fanabeazam-bahoaka ho olom-pirenena avy ao amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.

Izany noho natao dia ho
fanomezam-boninahitra ireo maherifon’ny firenena, izay novonoina tao amin’ny toerana
antsoina hoe : “AMPITIFIRANA ANKATSO” dia i Lietenà RANDRIAMAROMANANA Albert notifirina ny 28 Aprily 1948,
Andriamatoa RAKONDRABE Samuel notifirina ny 19 Jolay 1948,
Andriamatoa RATSIZAFY Samuel notifirina ny 19 Jolay 1948,
Andriamatoa BEKAMISY notifirina ny 19 jolay 1948 ary Andriamatoa LEZOMA notifirina ny 19 Jolay 1948.

Nisy ny fametrahana ny fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambaton’ireo maherifon’ny
firenena izay nandraisan'ny taninketsa fanilon'ny 29 martsa 1947 anjara ka notanterahan'ny mpianatra avy ao amin'ny Lycée Privé Saint Pierre Canisus Ambohipo.

Nisy ny fampirantiana mifandraika tamin’ny fahatsiarovana ny hetsika izay nandraisan'ireo mpianatra anjara.

Mpianatra miisa 17 avy ao amin’ny “ St PIERRE CANISUS” Ambohipo, ka nitazona ny fanilo ny
12, ny 03 nitazona ny saina ary ny roa nametraka voninkazo.
Nisy ihany koa ny fiantsana ny tononkalo maneho ny fitiavan-tanindrazana izay nataon’ny solontena avy amin’ny taninketsa fanilon’ny 29 martsa 1947.

Ny lanonana dia notarihan’ny Fitaleavan’ny Mpiandy Tia Tanindrazana, izay eo ambany fiahian’ny
Minisiteran’ny Foloalindahy Malagasy.

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261340857107

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Office de l'éducation de masse et du civisme posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share