05/06/2026
Famaranana ny hetsika fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza
Notanterahana ny 18-19-20 mey lasa teo ny hetsika fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza teny amin’ny hopitaly CHRD Itaosy ary tao amin’ny hopitaly HJRA izay nahitana ny fandraisan’anjaran’ireo vehivavy miisa 181.
Fomba fitsirihana roa samihafa no natao : ny IVA no tany Itaosy raha toa ka ny fitiliana ny HPV no tao amin’ny HJRA.
Ireo vehivavy ahiahiana hoe misy ilay homamiadana dia ho raisin’ny tetikasa an-tanana.
Io hetsika io dia tafiditra amin’ny fandaharanasan’ny tetikasa VITA CCU izay hiarahan’ny Douleurs Sans Frontières amin’ny Médecins Du Monde sy ny Réseau des Associations des Femmes Samaritaines. Vatsian’ny Expertise France vola mandritra ny 03 taona io tetikasa io mba hiadiana amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza.
👉 Zava-dehibe ny fitiliana satria mamonjy aina ny fahitana mialoha ny aretina.
👉 Na dia efa tapitra aza ny hetsika, tohizo hatrany ny fitiliana eny amin’ireo tobim-pahasalamana eto Antananarivo renivohitra.
💬 Jereo ao amin’ny “commentaire” voalohany ny lisitry ny toerana fitiliana.
👉 Andao hiray hina hiady amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza!
----------------
Campagne de dépistage du cancer du col de l’utérus
Du 18 au 20 mai, deux campagnes de dépistage ont été organisées au CHRD Itaosy et au CHU HJRA, avec une forte participation de 181 femmes.
Deux approches ont été utilisées : l’IVA (Inspection Visuelle à l’Acide acétique) à Itaosy et le test HPV (Test du Papillomavirus Humain) à l'HJRA.
Toutes les femmes dépistées positives ont été référées et bénéficieront d’une prise en charge assurée par le projet.
Cette action s’inscrit dans le cadre du projet VITA CCU, mené par Médecins du Monde, Douleurs Sans Frontière et le Réseau des Associations des Femmes Samaritaines, avec le soutien d’Expertise France.
👉 Le dépistage précoce sauve des vies.
👉 Continuez à vous faire dépister dans les centres de santé au niveau de Tana ville.
💬 Regarder dans le premier commentaire les lieux de dépistage.
👉 Chaque femme a droit à la prévention, au dépistage et au traitement. 🤝