19/10/2026
OCTOBRE ROSE 2026 – MIARA-MIENTANA ISIKA HIADY AMIN’NY HOMAMIADAN’NY NONO SY NY VOZON’NY TRANONJAZA!
Io no lohahevitra entina hankalazana ny "octobre rose" amin'ity taona ity, ary eny amin’ny Kaominina Bemasoandro Itaosy no hanaovana ny fanamarihana izany ny 23 oktobra 2026 ho avy izao.
Manoloana izany dia hisy ny fanentanana sy fitiliana maimaimpoana ho an’ny vehivavy, entina hanamafisana ny ady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza.
Manampy izany dia hisy ihany koa ny tolotra ara-pahasalamana maro samihafa, ahitana ny fitiliana homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza, fitiliana diabeta sy fitsapana tosi-drà, fandrindrana fiainam-pianakaviana, fitiliana ny tsimokaretina VIH, fanaovana vaksiny miaro amin’ny tsimokaretina HPV sy ireo maro hafa.
Andao atao laharam-pahamehana ny fahasalamantsika fa ny fitiliana mialoha dia manampy amin’ny fahitana haingana ny aretina sy ny fandraisana an-tanana ara-potoana.
Tongava maro! Aza miandry ny soritr’aretina vao manatona mpitsabo.
-----------------------------------------
OCTOBRE ROSE 2026 – ENSEMBE DANS LA LUTTE CONTRE LE CANCER DU SEIN ET LE CANCER DU COL DE L’UTÉRUS !
Tel est le thème retenu pour célébrer Octobre Rose cette année. La commune de Bemasoandro Itaosy accueillera la commémoration de cet événement ce 23 octobre 2026.
À cette occasion, des activités de sensibilisation et de dépistage gratuit seront proposées aux femmes afin de renforcer la lutte contre le cancer du sein et le cancer du col de l’utérus.
De nombreux services de santé seront également disponibles, notamment :
• le dépistage du cancer du sein et du cancer du col de l’utérus ;
• le dépistage du diabète et la prise de la tension artérielle ;
• la planification familiale ;
• le dépistage du VIH ;
• la vaccination contre le papillomavirus humain (HPV) ;
• ainsi que plusieurs autres prestations de santé.
Encourageons le dépistage précoce pour détecter la maladie à temps et favoriser une prise en charge rapide et adaptée. Ensemble, faisons de la prévention une priorité et contribuons à sauver des vies !
Venez nombreuses ! N’attendez pas l’apparition des symptômes pour consulter un professionnel de santé