Tsiky'Tsika

Call Directions Contact the organization

Tsiky'Tsika Pour un monde meilleur🌱! Par l'agroécologie, nous espérons une amélioration de la vie.

Mifampizara!
16/10/2026

Mifampizara!

🍽️ Manasa Γ΄ 😍!Maro loko ery ilay sakafo! 😍Samy nitondra ny vokatra avy tao an-jaridainany ny mpikambana Tsiky’Tsika, ka ...
14/10/2026

🍽️ Manasa ô 😍!
Maro loko ery ilay sakafo! 😍

Samy nitondra ny vokatra avy tao an-jaridainany ny mpikambana Tsiky’Tsika, ka lasa sakafo matsiro sy feno loko izao! 🌱πŸ₯—

- 🍚 Vary mena sy akoho gasy!
- πŸ₯• Lasary karaoty, radis ary courgette!
- πŸ₯¬ Salady vao notangosana avy hatrany teny an-tsaha!

Misaotra ireo tantsaha mpikambana nikarakara! πŸ™πŸ½
Natsiro ny sakafo, MIAVAKA ny vokatra agroekolojika! πŸ˜‹
_______________________________________________________

🌿 Inona avy ireo tombontsoa azo avy amin’ny fambolena agroekolojika?

- 🌱 𝟏. 𝐕𝐨π₯𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐨 𝐀𝐚𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚.
Maro ny vokatra azo eny an-tsaha, ka afaka manomana sakafo isan-karazany isika. Jereo ange fa lasary telo samy hafa no teo ambony latabatra!

- πŸ˜‹ 𝟐. 𝐓𝐬𝐒𝐫𝐨 𝐦𝐒𝐚𝐯𝐚𝐀𝐚.
Mamy tsara ny karaoty, manana tsiro miavaka ny radis, ary tena matsiro ny courgette. Ny salady indray? Vao notangosana dia efa mikarepoka tsara!

- 🌈 πŸ‘. 𝐌𝐚𝐑𝐚𝐟𝐒𝐧𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐬𝐨.
Rehefa feno loko ny vilia, vao mainka manaitra ny fahazotoan-komana!

- πŸ’š πŸ’. π’πšπ€πšπŸπ¨ 𝐦𝐚𝐑𝐚𝐯𝐞π₯𝐨𝐧𝐚.
Ny fihinanana karazan-tsakafo samihafa dia manampy amin’ny fahazoana ireo otrikaina ilain’ny vatana.

- πŸ’° Ary ny tena mahafinaritra? Tsy nisy vola nivoaka tamin’ireo legioma! Avy teny an-tsaha daholo izy ireo. Mahavelona ny fambolena agroekolojika, sady manampy amin’ny fampihenana ny fandaniana amin’ny sakafo.

🌾 Voky tsara, afa-po ny vavony, mahazo otrikaina ny vatana ary vonona hiatrika ny asa!

πŸ’¬ 𝐀𝐫𝐲 𝐒𝐚𝐧𝐚𝐨, 𝐒𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐀𝐚𝐟𝐨 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐀𝐚𝐟𝐒𝐳𝐒𝐧𝐚𝐨 𝐫𝐞𝐑𝐞𝐟𝐚 𝐚𝐧𝐲 π€π¦π›πšπ§π’π―π¨π‘π’π­π«πš 😍? Zarao aminay ao amin’ny commentaire! πŸ‘‡πŸ½

Aza adino ny mizara ity hafatra ity amin’ny namana sy ny tantsaha hafa. 🀝🏽

Tsiky’Tsika
🌿 MANDROSO MAHARITRA

Tambatra AgroΓ©cologie ! Lasa ity anhManome lanja ny vokatry ny Tantsaha Malagasy πŸ˜‰
09/10/2026

Tambatra AgroΓ©cologie ! Lasa ity anh
Manome lanja ny vokatry ny Tantsaha Malagasy πŸ˜‰

Qui sont derrière Tambatra?

🌱 Fantatrao ve????Fantatrao ve fa misy voly sasany tena mety hiara-maniry? πŸ‘€Tsy voatery hambolena misaraka foana ny voly...
07/10/2026

🌱 Fantatrao ve????
Fantatrao ve fa misy voly sasany tena mety hiara-maniry? πŸ‘€

Tsy voatery hambolena misaraka foana ny voly. Ny fampiarahana voly dia fomba iray ahafahana mampiasa tsara kokoa ny tany sy ny toerana, ary mety hanampy amin’ny fahasalamana sy ny vokatra eny an-tsaha. 🌾

Ny zava-dehibe dia ny mahafantatra hoe inona avy ireo voly mifanaraka tsara rehefa ampiarahina.

🌿 Ireto misy ohatra 7 :

🌽 + 🫘 Katsaka + Tsaramaso
🌽 + πŸŽƒ Katsaka + Voatavo
πŸ₯• + πŸ§… Karaoty + Tongolo
πŸ… + 🌿 Voatabia + Basilika
πŸ₯¬ + πŸ§… Laisoa + Tongolo
πŸ₯’ + 🫘 KΓ΄kΓ΄mbra + Tsaramaso
🌱 + 🌽 Mangahazo + Voanemba

πŸ’‘ Fa tsy ny voly rehetra no tsara ampifangaroina. Misy ny voly mifameno, ary misy koa ireo mety hifaninana amin’ny rano, otrikaina na toerana.

πŸ‘‰πŸ½ Te hahafantatra bebe kokoa momba ireo voly azo ampifandraisina ve ianao?

πŸ’¬ Soraty ao amin’ny commentaire ny hoe Β« VOLY Β» ary handefasanay anao ny lisitry ny fampiarahana voly azonao ampiharina eny an-tsaha. πŸŒ±πŸ“‹

TSIKY TSIKA
MANDROSO MAHARITRA

🌱 Ny zezika tsara dia iray amin’ireo fototra lehibe hampitomboana tsara ny voly.πŸ“ Toerana :FidasianaπŸ‘¨πŸ½β€πŸŒΎ Mpanao fijoroan...
05/10/2026

🌱 Ny zezika tsara dia iray amin’ireo fototra lehibe hampitomboana tsara ny voly.

πŸ“ Toerana :Fidasiana
πŸ‘¨πŸ½β€πŸŒΎ Mpanao fijoroana vavolombelona : Hermend
🌱 Tetikasa : Famokarana lombricompost sy fiompiana kankana

Resy lahatra Hermend fa mila zezika tsara kalitao sy natoraly ny tany mba hamokatra tsara. Ny lombricompost dia fomba iray ahazoana zezika organika tsara kalitao, sady manampy amin’ny fanatsarana ny tany sy ny fitomboan’ny voly. 🌿

Hoy izy : "Azoko antoka fa hitombo ny vokatra satria manana zezika(Lombricompost )tsara kalitao aho."

Feno tsikelikely ny gonin'i Hermend! Alefa ah!

TSIKY'TSIKA
MANDROSO MAHARITRA

Alefa vondrona MIOMBONA ah 😁Tsiky'Tsika MANDROSO MAHARITRA!
05/10/2026

Alefa vondrona MIOMBONA ah 😁

Tsiky'Tsika
MANDROSO MAHARITRA!

πŸ’§πŸŒ± Ahoana ny fomba fanaovana SWALE ?Ny swale dia lavaka na lalan-drano marivo atao manaraka ny courbe de niveau, mba ham...
30/09/2026

πŸ’§πŸŒ± Ahoana ny fomba fanaovana SWALE ?

Ny swale dia lavaka na lalan-drano marivo atao manaraka ny courbe de niveau, mba hampiadana ny fikorianan’ny rano ary hanampy azy hiditra ao anaty tany.

π‘«π’Šπ’π’ˆπ’‚π’π’‚ 1 β€” 𝑭𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒐 π’π’š 𝒄𝒐𝒖𝒓𝒃𝒆 𝒅𝒆 π’π’Šπ’—π’†π’‚π’– πŸ“
Tadiavo aloha ny tsipika mitovy haavo amin’ny tany. Eo no hametrahana ny swale.

π‘«π’Šπ’π’ˆπ’‚π’π’‚ 2 β€” π‘¨π’”π’Šπ’ π’Žπ’‚π’“π’Šπ’Œπ’‚ πŸ“
Mariho amin’ny tsipika mazava ny toerana handavahana.

π‘«π’Šπ’π’ˆπ’‚π’π’‚ 3 β€” π‘΄π’Šπ’‰π’‚π’…π’Šπ’‚ ⛏️
Manaova lavaka marivo manaraka ilay tsipika. Aza atao midina manaraka ny pente ny swale.

π‘«π’Šπ’π’ˆπ’‚π’π’‚ 4 β€” 𝑨𝒑𝒆𝒕𝒓𝒂𝒉𝒐 𝒆𝒐 π’‚π’Žπ’ƒπ’‚π’π’š π’π’š π’•π’‚π’π’š 🌱
Ny tany avy ao anaty lavaka dia apetraho eo amin’ny lafiny ambany, mba hamorona butte kely.

π‘«π’Šπ’π’ˆπ’‚π’π’‚ 5 β€” π‘¨π’“π’π’—π’š π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’›π’‚π’—π’‚π’Žπ’‚π’π’Šπ’“π’š 🌿
Ambolena ahitra, voly rakotra na zavamaniry mety amin’ilay toerana ny butte mba hiarovana ny tany.

π‘«π’Šπ’π’ˆπ’‚π’π’‚ 6 β€” 𝑱𝒆𝒓𝒆𝒐 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂 π’‚π’—π’š π’π’š 𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂 🌧️
Jereo raha mihena ny fikorianan’ny rano. miditra tsikelikely ao anaty tany izy amin'izay.

πŸ’š Ny tanjona : tsy hampandeha haingana ny rano hiala eny an-tsaha, fa hampiadana azy sy hanome fotoana azy hiditra ao anaty tany.

πŸ‘‰πŸ½ Manana fanontaniana manitikitika momba ny swale? Zarao aminay ao amin'ny commentaire dia ho valianay ;)

🌾 Inona no zavatra nampianarin’ny ray aman-dreninao anao momba ny fambolena?Talohan’ny boky, talohan’ny fiofanana, taloh...
28/09/2026

🌾 Inona no zavatra nampianarin’ny ray aman-dreninao anao momba ny fambolena?

Talohan’ny boky, talohan’ny fiofanana, talohan’ny Internet…
maro tamin’ireo fahalalana momba ny fambolena no nampitain’ny ray aman-dreny sy ny zoky. πŸ‘¨πŸ½β€πŸŒΎπŸ‘©πŸ½β€πŸŒΎ

🌱 Fomba fambolena.
🌾 Fomba fitahirizana masomboly.
πŸͺ΄ Fomba fikarakarana ny tany.
β˜€οΈ Fomba famantarana ny toetrandro.

Fahalalana tsotra, nianarana tamin’ny fijerena, fihainoana ary fanaovana.

Ary maro amin’ireo fahalalana ireo no mbola ampiasaintsika ankehitriny.

πŸ’š Ny fahalalana ampitaina dia tsy very. Mitohy amin’ny taranaka manaraka.

πŸ’¬ Ary ianao? Inona ilay fahalalana momba ny fambolena nampianarin’ny ray aman-dreninao na ny zokinao ka mbola tadidinao hatramin’izao?

πŸ‘¨πŸ½β€πŸŒΎ 𝐍𝐲 𝐟𝐒𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐝𝐒𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐯𝐨𝐚𝐭𝐞𝐫𝐲 π¦πšπ§π¨π¦π›π¨π€πš πšπ¦π’π§β€™π§π² 𝐟𝐒𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚 πŸπ¨π¦π›πš π₯πžπ‘π’π›πž.Indraindray, dia manomboka amin’ny 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐩𝐚𝐑𝐚𝐧...
25/09/2026

πŸ‘¨πŸ½β€πŸŒΎ 𝐍𝐲 𝐟𝐒𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐝𝐒𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐯𝐨𝐚𝐭𝐞𝐫𝐲 π¦πšπ§π¨π¦π›π¨π€πš πšπ¦π’π§β€™π§π² 𝐟𝐒𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚 πŸπ¨π¦π›πš π₯πžπ‘π’π›πž.

Indraindray, dia manomboka amin’ny 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐩𝐚𝐑𝐚𝐧-𝐀𝐞𝐯𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐞π₯𝐲 𝐒𝐫𝐚𝐲 𝐟𝐨𝐭𝐬𝐒𝐧𝐲. 🌱

π“π’πšπ§πšπ¨ 𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚𝐧'𝐒 πƒπšππšπ¦πšπ§π πš?

1️⃣Tany am-piandohana, nanana saha kely i πƒπšππšπ¦πšπ§π πš ary ny tanjony dia ny hahafahany mamelona ny fianakaviany. πŸ‘¨β€πŸ‘©β€πŸ‘§β€πŸ‘¦πŸŒΎ

Nandritra ny fotoana, nanomboka nanandrana sy nampihatra tsikelikely ny fomba fambolena agroekolojika izy.

Anisan’izany ny fivadimboly, ny fampiasana zezika organika, ny fanamasahana ny tany, fitsinjarana maharitra ny rano, sns.

2️⃣𝐓𝐬𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐝𝐒𝐚 π₯𝐚𝐯𝐨𝐫𝐚𝐫𝐲 𝐚𝐧𝐞𝐟𝐚 𝐧𝐲 𝐳𝐚𝐯𝐚-𝐝𝐫𝐞𝐑𝐞𝐭𝐫𝐚.

Nisy ny fanandramana, ny lesoka, ny fianarana ary ny faharetana.πŸ’ͺ🏽

3️⃣Saingy tsikelikely, nisy ny fiovana hita teny an-tsaha :

🌱 Nitombo ny karazan-javamaniry ambolena.
πŸͺ± Hita fa mihabetsaka ireo bibikely sy zavamiaina ao anaty tany.
🌾 Nihatsara ny fampiasana masomboly tsara kalitao.

Ao ambadik’izany rehetra izany dia misy tantsaha iray izay 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐒𝐭𝐬𝐚𝐑𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚.

πŸ’š π‘€π‘Žπ‘›π‘‘π‘Ÿπ‘œπ‘ π‘œ π‘‘π‘–π‘Ž 𝑑𝑠𝑦 π‘šπ‘–π‘‘π‘–π‘˜π‘Ž β„Žπ‘œπ‘’ π‘‘π‘œπ‘›π‘”π‘Ž π‘Žπ‘£π‘¦ β„Žπ‘Žπ‘‘π‘Ÿπ‘Žπ‘›π‘¦.
π‘€π‘Žπ‘›π‘‘π‘Ÿπ‘œπ‘ π‘œ π‘‘π‘–π‘Ž π‘šπ‘Žπ‘›π‘Žπ‘œ π‘‘π‘–π‘›π‘”π‘Žπ‘›π‘Ž π‘–π‘Ÿπ‘Žπ‘¦ π‘–π‘ π‘Žπ‘›β€™π‘Žπ‘›π‘‘π‘Ÿπ‘œ. 🌱

Ary ianao, inona ny dingana kely efa nataonao hanatsarana ny fambolenao? πŸ‘‡πŸ½

Zarao ao amin’ny commentaire ny traikefanao. Mety ho lasa lesona sy fampaherezana ho an'ny hafa koa izany. 🀝🏽

⚠️ ⚠️ATTENTION FAKE⚠️⚠️!Sao dia Fake koa ary ny hoe maniry eo ambon'ny tany ny salady 🫨😱πŸ₯΄Zany eo ihany fa kajio hatrany ...
24/09/2026

⚠️ ⚠️ATTENTION FAKE⚠️⚠️!
Sao dia Fake koa ary ny hoe maniry eo ambon'ny tany ny salady 🫨😱πŸ₯΄
Zany eo ihany fa kajio hatrany ny tontolo, ary karakarao tsara foana ny vokatra πŸ˜‰ !

❗Tsy simika FAKE no ampiasaina,
🌱Fa Zezika FAKO ny tena ilaina,
♻️FAKO organika mety lo,
🌽Mba ho lasa zezika mampamoa!

Reveo milay ilay fiainana ;)
Tsika Mandroso foana n'inona inona mitranga ;)😁

TSIKY TSIKA
MANDROSO MAHARITRA

Address

Lot 022 E Ambohibao Antehiroka
Antananarivo
105

Telephone

+261342643446

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tsiky'Tsika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Tsiky'Tsika:

Shortcuts

Share