Tsiky'Tsika

Tsiky'Tsika Pour un monde meilleur🌱! Par l'agroécologie, nous espérons une amélioration de la vie.

🌱👧👦 Ny ankizy no hoavin'ny tany sy ny tontolo iainana. Rehefa mbola kely izy ireo dia efa azo ampianarina hitia sy hanaj...
10/06/2026

🌱👧👦 Ny ankizy no hoavin'ny tany sy ny tontolo iainana.

Rehefa mbola kely izy ireo dia efa azo ampianarina hitia sy hanaja ny natiora.

Ny fahazarana tsara toy ny fambolena hazo, ny fitandroana ny fahadiovana ary ny fitsitsiana ny rano dia manampy azy ireo ho tompon'andraikitra amin'ny ho avy. 🌿

Izy ireo no handimby antsika amin'ny fitantanana sy fiarovana ny harena voajanahary. 💚

Raha omena fahalalana sy fanabeazana sahaza ny ankizy ankehitriny, dia hanana tontolo iainana tsara kokoa isika rahampitso. Ny fandraisany anjara, na dia amin'ny asa madinika aza, dia efa dingana iray mankany amin'ny fiovana maharitra. 🌍

Tsiky'Tsika, Mandroso – Maharitra ✨

🌱🐟 Tsara ny mamboly, tsara ihany koa ny miompy! 🐓🌾Ny fiompiana biby dia tafiditra ao anatin'ny fanatsarana ny tontolo ia...
09/06/2026

🌱🐟 Tsara ny mamboly, tsara ihany koa ny miompy! 🐓🌾

Ny fiompiana biby dia tafiditra ao anatin'ny fanatsarana ny tontolo iainana 🌍. Tsy mijanona amin'ny fambolena fotsiny izany, fa manana anjara asa lehibe ihany koa ny biby:

✅ 𝐌𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞 𝐳𝐞𝐳𝐢𝐤𝐚
✅ 𝐌𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐛𝐢𝐛𝐲 𝐤𝐞𝐥𝐲 𝐦𝐞𝐭𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐢𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐥𝐲
✅ 𝐌𝐚𝐧𝐚𝐦𝐩𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨 𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐳𝐲

🐟 Androany kosa dia fiompiana trondro no zarainay aminareo!

👨‍🌾 Tantsaha mpikambana iray no naniry ny hiompy trondro. Finiavana no nananany, napetrany ny vinany, ary nandroso tsikelikely izy ka hita mazava ankehitriny ny vokatra azo.

📈 Ny fandrosoana hita:

- Karazana trondro 2 no nanombohany. Ankehitriny dia karazana trondro 5 no ompiany.

- Trondro latsaky ny 1.000 isa no nanombohany. Ankehitriny dia manodidina ny 4.000 hatramin'ny 5.000 isa ny trondro ompiany.

- Dobo 2 no nanombohany ny asa. Ankehitriny kosa dia dobo 5 feno trondro no ananany.

📸 Ireo trondro 2 ireo no tratranay sary androany (ilay teo ambony kosa dia efa nahita tompony vaovao ka efa voavarotra😉 ).

🌱 Mahafinaritra ny mahita tantsaha mikatsaka hatrany ny fandrosoana sy ny fahatsarana!

👏 𝑀𝑖𝑟𝑎𝑟𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑜𝑚𝑏𝑖𝑎𝑧𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑎𝑡𝑟𝑎𝑛𝑦 ℎ𝑜 𝑎𝑛'𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑠𝑎ℎ𝑎 𝑠𝑎ℎ𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑛𝑑𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑣𝑎𝑜! 🌟

Tsiky'Tsika, Mandroso – Maharitra 🌿🤝

"Izaho dia tokana! Tsy misy toa ahy eto an-tany" 🌟😉 Pimaso kely avy any amin'i Iango Miora, Mpitarika ny tetikasa Tsiky'...
04/06/2026

"Izaho dia tokana! Tsy misy toa ahy eto an-tany" 🌟
😉 Pimaso kely avy any amin'i Iango Miora, Mpitarika ny tetikasa Tsiky'Tsika 🌱

Io hery anaty io no fototry ny fandrosoana rehetra!
🔥 Rehefa mahatsapa ianao fa manana lanja manokana, dia lasa mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’izay rehetra manodidina anao koa. 🎯

Ny fivoaran’ny maha-olona dia tsy natao ho an’ny tena fotsiny, fa hery mampiova ny tontolo manontolo. 🌍

Indreto ny teboka 3 manaporofo fa rehefa miova ianao, miova ny tany:

1. Saina tony, fanjifana voalanjalanja 🧠
Rehefa mahay mionona sy mahafantatra ny tena filany ny olona iray, dia tsy sodokan’ny fandaniam-poana intsony. 🚫🛍️
Mihena ny fako, voatsimbina ny loharanon-karena voajanahary. 💎

2. Fitiavana ny hafa sy ny tontolo 🤝
Ny fivoaran’ny maha-olona dia mampitombo ny fandeferana sy ny firaisankina. Tsy ny "izaho" intsony no mibaiko fa ny "isika". ❤️
Teraka ny fiaraha-monina mifampitsinjo sy ny fifanampiana eo amin’ny fambolena sy ny asa fivelomana. 🌾

3. Fahasahiana sy fijerena lavitra 🔭
Ny olona mikolokolo ny fahaiza-manaony dia tsy mora kivy manoloana ny olana. Manana hery hiova sy hamorona vahaolana vaovao izy. 💡
Vokatry ny fandrosoana: Lasa mpiaro ny hoavin’ny taranaka sy mpitahiry ny tontolo iainana ho lovain-jafy. 🌳

Fehiny: Ny fanovana ny fomba fisainantsika no dingana voalohany amin'ny fiarovana ny tanintsika. Mamelona ny tenanao ianao, dia mamelona ny tany! 🌱✨

Mandroso hatrany! 🚀 Tsiky'Tsika

02/06/2026

RETOUR SUR NOTRE RENCONTRE SUR LA LOCALISATION ! 🌾

Hier, le 1er juin 2026, FM3A, aux côtés de trois autres projets soutenus par Aqua Alimenta (Zara Ala Madagascar , Tsiky'Tsika , CEDAR ), s'est réunie pour une journée intense d'échanges, de bilans et de perspectives autour du programme de Localisation. Une étape clé pour renforcer l'impact de nos actions d'agriculture durable et de gestion environnementale directement au cœur des communautés !

🔍 Au programme de cette riche journée :
✨ Immersion avec nos Comités de Gestion Locale (CGL) :
Les représentants de nos différents sites ont partagé leurs réalités, leurs avancées et leurs défis à travers des présentations inspirantes.

💡 Mise en lumière des structures de gouvernance (KMI) :
La deuxième partie de la journée s'est concentrée sur la redynamisation de nos structures de gestion locale à travers plusieurs axes stratégiques :
1️⃣ Sensibilisation et présentation du Comité de Gestion Locale (KMI).
2️⃣ Analyse des anciennes méthodes de travail pour en tirer des leçons.
3️⃣ Optimisation des méthodes de travail actuelles.
4️⃣ Appropriation et prise de conscience de la responsabilité au niveau communautaire.
5️⃣ Évaluation des points forts (positifs) et des points de vigilance (négatifs) de l'engagement local.
6️⃣ Formulation de propositions concrètes pour faciliter et améliorer la gestion future.

🏆 Célébration et Perspectives :
La journée s'est clôturée en beauté avec la remise des prix FM3A pour le premier semestre 2026, récompensant les efforts exceptionnels de nos CGL et de nos techniciens de terrain. Nous avons également lancé officiellement le Concours IRRIGATION, un levier majeur pour l'avenir de nos sites de culture !

Un grand merci à tous les coordinateurs, techniciens, partenaires et membres des CGL pour leur énergie et leur engagement indéfectible en faveur d'un développement rural durable. 🌱✨

𝐍𝐲 𝐳𝐚𝐯𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐚 𝐌𝐀𝐌𝐄𝐋𝐎𝐍𝐀🌱, 𝐧𝐚 𝐌𝐀𝐌𝐎𝐍𝐎. 🚫Fa isika mitsinjo lavitra, sy mitsinjo ny ho avy! Dia mampiatra fomba fa...
02/06/2026

𝐍𝐲 𝐳𝐚𝐯𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐚 𝐌𝐀𝐌𝐄𝐋𝐎𝐍𝐀🌱, 𝐧𝐚 𝐌𝐀𝐌𝐎𝐍𝐎. 🚫

Fa isika mitsinjo lavitra, sy mitsinjo ny ho avy! Dia mampiatra fomba fambolena maharitra. 🌍

- Akora natoraly no miasa. Manao veloma ny simika! 🧪
- Mamantatra ny voly afaka miaraka, satria mifanampy sy mifampiaro izy ireo 🤝
- Dia karakaraina ampitiavana, sy manana faharetana ❤️

Dia tahaka an'izao rehefa tafaverina amin'ny laoniny ny zavaboary.

Tsara ny natiora eh? ✨
Faly izahay fa tena mamokatra ny tanin'ny Tantsaha Mpikambana! 🚜

Tsiky'Tsika - MANDROSO MAHARITRA 🇲🇬

🎓 Andiany 2026 : Vita soa aman-tsara!Ny fianarana no lova tsara indrinndra. 📖Ka lova tsara sy maharitra no tianay apetra...
01/06/2026

🎓 Andiany 2026 : Vita soa aman-tsara!

Ny fianarana no lova tsara indrinndra. 📖
Ka lova tsara sy maharitra no tianay apetraka ho an'ny tontolo Ambanivohitra eto Madagasikara. 🇲🇬

Tsy mitsahatra mianatra ny ekipa ato! 💡

Herinandro niavaka tamin’ny fifampizarana sy fianarana ary firaisankina no niainana, niaraka tamin’ireo mpandray anjara sy mpampianatra feno fahavitrihana.🤝

Fisaorana lehibe ho an’ireo mpandray anjara tamin’ny herim-po, ary ireo mpampianatra rehetra. 🙏

🚀 Manopy ny maso any amin’ny herintaona indray eh!

Miandry antsika indray ny fanadihadiana ara-tsiansa vaovao sy ny fiaraha-miasa matanjaka kokoa. 🔬

Dinika ara-tsiansa hanatsarana ny Tany eny amin'ny tontolo Ambanivohitra : ho Tany mamokatra sy salama, ho Tany tsara lovainjafy. 🌱

Lasa ity eh! ✨

Laboratoire des RadioIsotopes - Université d'Antananarivo IRD à Madagascar Voka'Tsika Tsiky'Tsika

29/05/2026
08/05/2026

Nous recrutons !

Programme Madagascar recrute :
- 1 Responsable Approvisionnement & Vente
- 1 Responsable Vente & Marketing

Responsabilité principale du Responsable Approvisionnement & Vente : Assurer continuité quantité/qualité des approvisionnements et écoulement des produits via marchés hebdomadaires et livraison à domicile.

Responsabilité principales du Responsable Marketing & Vente : Développer la notoriété du marché agroécologique, acquérir et fidéliser une clientèle urbaine sensible à la qualité, et optimiser les ventes via canaux physiques et digitaux.

Ce programme est soutenu par Aqua Alimenta, ONG qui œuvre dans le domaine de l’accès à l’eau et l’autonomie alimentaire depuis 1998, et Ecovillage Madagascar, association active depuis 2013. A travers ce programme nous mettons en place un marché de produits agroécologiques à Antananarivo avec notre réseau de producteurs existant.

TDR sur demande

Envoyer :
- CV avec références
- Vidéo de 60 secondes pour vous présenter et décrire vos motivations
Avant le 24 Mai 2026 à [email protected]

02/04/2026

Raikitra ny lasopy legioma 😋!Tonga indray ary ny vokatra manaraka eh 🥬🍠🫜🥕Ny fomba nambolena azy? - Tsy misy zezika simik...
12/03/2026

Raikitra ny lasopy legioma 😋!

Tonga indray ary ny vokatra manaraka eh 🥬🍠🫜🥕

Ny fomba nambolena azy?
- Tsy misy zezika simika fa tonga dia zezika natoraly daholo no nalefa tamin'izy ireo 💪! Ka lasa mamoaka NPK natoraly ny tany, sy miasa ny biby kely manome otrikaina 🪱.
- Nampiarina ny fivadimboly 🥬🍠. Satria ny voly mifampiaro sy mifampitsinjo 🫜🥕

Vokatra? Ireo izy ireo eh🤩!
- Legioma maro loko, sy maharitra tsara (veloma ianao ry anana mora lo eh 👋)
- Legioma matsiro sy feno otrikaina (nataonay sakafo ilay poireau fa tena ao tsara anh😋)
- Legioma nitombo tsara (Jereo zao ilay navet😍)

Izay afafy no ho jinjaina, Izay manao ihany no mahazo 💪

Alefa ah!
Tsiky'Tsika, MANDROSO - MAHARITRA 🤠

Address

Lot 022 E Ambohibao Antehiroka
Antananarivo
105

Telephone

+261342643446

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tsiky'Tsika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Tsiky'Tsika:

Share