Tanora Masoivohon'ny Filaminana - Jeunes Ambassadeurs de Paix

Tanora Masoivohon'ny Filaminana - Jeunes Ambassadeurs de Paix Pejy hifanakalozana sy hifampizarana vaovao mahakasika ny tetikasa Tanora Masoivohon'ny Filaminana - Jeunes Ambassadeurs de Paix.

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny Madagascar Entreprises Développement sy ny Tanora Masoivohon'ny Filaminana  e...
19/05/2022

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny Madagascar Entreprises Développement sy ny Tanora Masoivohon'ny Filaminana eto Iarivo na ireo antsointsika hoe Jeunes Ambassadeurs de Paix (J*P). Raha tsiahivina moa dia ny MED sy ny tetikasa Tanomafy-J*P no nikarakara ny hetsika KETRIKA SY KANDRA andiany voalohany tamin'ny taona 2021 lasa teo.
Ankehitriny kosa dia misesy manaraka fiofanana ao amin'ny MED ireo tanora maro. Tamin'ity andiany faha 31 ity izao dia Tanora miisa 02 avy ao amin'ny J*P no misitraka fiofanana momba ny fandraharana ao amin'izany ivo-toerana izany ary haharitra herintaona ny fiofanana. Izy mirahalahy ireo moa dia tanora vao misantatra izany asa fandraharahana izany.
ny J*P dia mamporisika hatrany antsika tanora hiantsehatra amin'ny asa fandraharahana, raha mila toro-hevitra moa isika dia azontsika atao ny manantona ireo J*P eny amin'ireo kioska eny amin'ny fokontany misy antsika.
hanarahantsika ny vaovao sy ny hetsika rehetra izay ataon'ny J*P dia asaina hatrany isika hizara sy hanaraka ny pejy...
©️ Hubert Rakotoarivony, PCA SAF/FJKM

Madagascar Entreprises Développement
Saf/FJKM
MIRA AINA
DRV - Dinika sy Rindra ho an'ny Vehivavy

Miarahaba antsika mpanaraka ny pejy Tanomafy-J*P, Indro misy horonantsary iray mandrakitra ny asan'ny UN Peacebuilding F...
18/05/2022

Miarahaba antsika mpanaraka ny pejy Tanomafy-J*P,
Indro misy horonantsary iray mandrakitra ny asan'ny UN Peacebuilding Fund Madagascar - Fonds pour la Consolidation de la Paix izay mpanohana ara-tekinika sy ara-bola ny tetikasa Tanomafy-J*P. Anisan'ny voaresaka ao ny momba ny fiofanana izay nisitrahan'ny tanora maro eny amin'ny faritra marefo eto amin'ny renivohitr'Antananarivo.
Tanora maro tokoa no nisitraka fiofanana momban'ny Fandraharana, ny tontolon'ny asa ary ny fihetsika enti-miaina amin'ny sehatr'asa maro.
Tsy nijanona teo ny asan'ny Tanora Masoivohon'ny Filaminana eto Iarivo fa mitohy hatrany.
Araho hatrany ny pejy amin'ireo hetsika maro mbola ho avy...
Mira Aina DRV - Dinika sy Rindra ho an'ny Vehivavy Saf/FJKM

Madagascar faces peace-related challenges: cyclical political crises have weakened the country, tensions and insecurity threaten social cohesion. The United...

Address

Immeuble IFANOMEZANTSOA II Antaninarenina Escalier RANAVALONA I Po BOX 623 – 101 Antananarivo
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tanora Masoivohon'ny Filaminana - Jeunes Ambassadeurs de Paix posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Tanora Masoivohon'ny Filaminana - Jeunes Ambassadeurs de Paix:

Share