Mamiratra

Mamiratra Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mamiratra, Community Organization, Antananarivo.

Ho Anao izay efa niasa mafy, niezaka mba hanantanteraka ny nofinofinao, nefa hatramizao mbola tsy nisy na inona na inona...
30/04/2026

Ho Anao izay efa niasa mafy, niezaka mba hanantanteraka ny nofinofinao, nefa hatramizao mbola tsy nisy na inona na inona niova ,
izao no hafatr'Andriamanitra ho anao :
Manana hevitra tsara mahakasika Anao Izy. 💌

Mety efa niezaka foana ianao, mba hahomby ,nefa toa mifanohitra amin'izany no mitranga.

*Maniry ny te ahita fahombiazana ianao amin'ny asanao, nefa toa voa may aza miarava ilay izy.
(Rava ny tsenanao, simba ny toeram-piasanao, voaroaka tamin'ny asa ianao,sns...)

*Mety indray faniriana mahakasika ny fiainam-pitiavanao, naniry ianao mba hanana fiarahana matotra miaraka amin'ny Olona voatendry ho anao, nefa dia fijaliana foana no hiainanao ao anatin'izany.
(Ampirafesin'ny olon-tiana, tsy rarahiany, hanaovany fihetsika mandreraka, sns ... )

Maro ny zavatra, izay tena mandiso fanantenana Anao ary na ianao aza mety manontany hoe fa dia nahoana loatra re ? Nisy ratsy nataoko ve ka dia hatsingerin'Andriamanitra eo an tampon'ny lohako avokoa ny fahadisoako rehetra ?
Tsia, " Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy. "
— Salamo 145 : 8

Mety tsy tanteraka ny nofinofinao, ary tsy tonga Ilay zavatra tianao ho azo, fa aza adino fa Jéhovah manana planina tsara mahakasika ny fiainanao ✍️

Tsy voatery hitovy amin'ny eritreritrao ny eritreriny, satria tsy mitovy ny fisainanao sy ny Azy.
Izy mahalala an'izay hahasoa Anao.

Izay hangatahianao nefa tsy hahasoa anao, dia tsy avelany ho tonga, fa izay fantany fa hahasoa anao kosa anefa dia omeny anao.

Aza kivy --- Mitrakà --- Ny tompo ombanao hatrany❤️

-Mamiratra-

Misy zavatra indraindray Vitan'ny Herinao  Misy kosa anefa ireo izay tsy ho Vitanao           mihintsy raha tsy Andriama...
21/04/2026

Misy zavatra indraindray Vitan'ny Herinao
Misy kosa anefa ireo izay tsy ho Vitanao mihintsy raha tsy Andriamanitra no miasa

🤔Moa misy Fetra tokoa ve ny Herintsika?

Alohan'ny rehetra dia ndeha hojerentsika ny Tantaran'i Elia :
📖Jakoba 5:17:"Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana." Raha mandinika isika dia Tranga iray izay mbola tsy niseho mihintsy izany hoe 3taona sy tapany tsy nisy Ranon'orona izany raha tsy tamin'ny Andron'i Elia.
Isika anefa mahalala tsara fa i Elia dia tsy niantehitra tamin'ny Heriny fa arakin'ny voalazan'ny Baiboly dia Olom-bavaka Izy,izany hoe tena fatram-pitady an'Andriamanitra.
Ny zava-nisy teto dia tsy ny Herin'i Elia amin'ny maha-Olombelona Azy na ny Fahaizany no nahatonga ny Ranon'orona tsy nilatsaka ,fa kosa vokatrin'ny Vavaka izay Nataony.
Azoko antoka zato isan-jato,fa raha ny Heriny na ny Fahaizany tsy ahavita izany Mandrakizay.Tsy nisy ary tsy Hisy Olona hahavita izany Mandrakizay na dia manam-pahaizana toy ny ahoana aza. Fa nohon'ny fiasan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny Vavaka no nahatonga izany.
Eto Aho dia milaza Aminao koa fa misy zavatra izay tsy ho Vitanao ,ary tsy ho Azonao mandrakizay raha tsy amin'ny alalan'ny Vavaka ihany.

👉Midika izany fa misy Fetrany ihany ny Herintsika amin'ny maha-Olombelona ,fa Andriamanitra irery ihany no tsy misy Fetra.
Vonona ny tena hitady an'Andriamanitra misimisy ve ianao manomboka androany mba ahafahany manao izay tsy Vitanao ?
Ny Zavatra izay tokony hataonao dia ny Mivavaka misimisy.
Hiaino ary Handehano izany fa tsy maintsy ahita Vokatra mihoatra lavitra noho izay efa Hitanao ianao.

Andriamanitry ny zava-baovao hanampy Anao ❤️Ilay Andriamanitra nanao fanekena tamin' i Abrahama, ka nananteraka zava bao...
21/03/2026

Andriamanitry ny zava-baovao hanampy Anao ❤️

Ilay Andriamanitra nanao fanekena tamin' i Abrahama, ka nananteraka zava baovao teo amin'ny fiainany.
Ilay nanoratra tantara vaovao teo amin'ny fiainan'i Josefa, ka nahatonga azy nalaza nohon'ny ralahiny rehetra.

+++ Mety mampijaly anao ny mihaina amin'ny fiainanao efa diso mahazatra loatra, ka tsy miova mihitsy.

Mety hoe nihaina tao anaty fahantrana sy aretina sy fiainam-pitiavana tsizarizary(sns).... foana, na koa mety mahatsapa ny fiainanao ianao hoe milamina ihany fa ny Olana dia tsy miala eo amin'ny teboka iray mihitsy ianao.

××× Ny Olona izay tany aorianao, indro efa eo alohanao avokoa. Tsy hoe ianao no niemotra, fa tsy nety nandroso intsony ny fiainanao dia nihoaran'ny sasany.

Na koa betsaka ny faharavana izay nateraky n'y asan'ny fahavalo teo amin'ny fiainanao, ary tsy mety tafarina mihitsy ianao.
*** Tena betsaka ny Olona sendran'izany... ***

Andriamanitra izay nanao zava-baovao teo amin'ny fiainan'i Davida anie, hanao zavatra miavaka dia tena miavaka, vaovao sady tsy mbola tsy hitanao mihitsy eo amin'ny fiainanao.

Eny, ho aingana dia ho aingana tokoa anie ny fandroson'ny fiainanao...

Mamiratra

Indraindray toa mitady ho adinonao fa manana an'i Jesosy ianao.Rehefa misy Olona mandao Anao, na ny zavatra niala tamina...
14/03/2026

Indraindray toa mitady ho adinonao fa manana an'i Jesosy ianao.

Rehefa misy Olona mandao Anao, na ny zavatra niala taminao, aza adino fa tsy hitondra faty antoka ho Anao izany...

***Satria ianao mbola manana an'i Jesosy...***

Anisan'ny tena zava-dehibe indrindra izay adinonao indraindray hoe '' mbola manana an'i Jesosy ianao''🩷

Rehefa nandray Azy ianao, dia Izy mitoetra ao aminao mandrakizay.

Mandreraka ilay ilaozan'ny Olona, very asa, rava tokan-trano, nisaraka tamin' ny olon-tiana sns...
Fa raha mbola eo Jesosy, mbola afaka hanohy ny fiainanao ianao🥰

Eo amin'io trangan-javatra izay heverinao fa fiafaran'ny zavatra rehetra io, mbola vonona ny hanarina Anao n'y tompo.

Mety mbola alavitra ny lalana, fa tsy Olana izany, aza manaiky ho sakaizan'ny hakiviana sy halahelo, fa miaraha amin' i Jesosy isan'andro.

N'y tompo anie hanoro lalana Anao, hampahery Anao, ary hampifaly dia hampifaly Anao...

Tahiana manokana ianao izay mamaky ny hafatra💗

Tianao Jesosy...
Mamiratra

Tsy voatery mila iray andro na heritaona vao afaky ny hiova ny fiainanao.Ny nahasitranan'ilay marary teo amin'ny Itsarae...
07/03/2026

Tsy voatery mila iray andro na heritaona vao afaky ny hiova ny fiainanao.

Ny nahasitranan'ilay marary teo amin'ny Itsaraendrika [Asa Apost 3]
Narary efa hatramin'ny fahaterahany, nandritran'ny taona maro, nefa sitrana tao anaty segondra vitsivitsy ihany.

Ilay jamba nifanena tamin'i Jesosy, izay nohamafisiny fa tsy ny fahotan-dralehilahy, na ny an'ny Ray aman-dreniny no nahatonga izany, fa ny mba isehoan'ny voninahitr'Andriamanitra.
[Jaona 9]
Jamba hatrany an-kibon-dreniny, fa fotoana fohy ihany dia nahiratra.

----++ Afaka vakinao tsara ireo tantara ireo ++----

Raha nihaina tao fahoriana ianao nandritran'ny taona maro, tsy voatery mila fotoana lava na taona maro izay vao ho afaka ao anatin'izany ianao.
Raha amin'ny maha Olombelona, mety tsy ho voatsangana ao anatin'ny fotoana fohy ny rava rehetra ( ny tokantranonao, ny fiainam-pitiavanao, asanao,...)

Mahay manova fiainana Andriamanitra, ary na dia fotoana aza no hananany, vitany soa amantsara izany.

Hitako sahady ny fiainanao manomboka mia miova amin'izao ankehitriny izao....

Mamiratra 🥰

🔥 Mety mbola manahy ny ho Avinao ve ianao?Mety mbola betsaka ve ny zavatra manahirana ny Sainao ?      Ekena tokoa fa me...
19/02/2026

🔥 Mety mbola manahy ny ho Avinao ve ianao?
Mety mbola betsaka ve ny zavatra manahirana ny Sainao ?

Ekena tokoa fa mety tsy mora ny zavatra izay mbola ho hatrehinao ,kanefa kosa aza adino fa tsy mihevitra afa-tsy izay hahasoa Anao Andriamanitra...

Io Làlana izay hitondrany Anao io dia tsy hitondra Anao ho any amin'ny loza na faharavana ,fa kosa hampandalovany aminio ianao mba ahafahany mitarika Anao ho any amin'ny Anjara voatendrinao..

Ario ny Fiheverena manomboka anio ,fa mety hitondra fahafaham-baraka amin'ny Fiainanao ny zavatra izay hampandalovany Anao...

Tsia ,tsy ny Haharava Anao no tanjon'Andriamanitra,fa ny Hisandratanao..

Tsy sitrapon'Andriamanitra ny hijanonanao eo amin'io teboka misy Anao io...Inona no Olana tsy handrosoanao? Mety tsy mba...
29/12/2025

Tsy sitrapon'Andriamanitra ny hijanonanao eo amin'io teboka misy Anao io...

Inona no Olana tsy handrosoanao?
Mety tsy mba misy mampahery vé ianao?
Tsy mba misy na namana, na havana, na olon-tiana?

Mety sarotra tokoa ny mandroso eo amin'izany teboka izany, kanefa aza adino fa efa nisy niatrika an'izany teo alohanao...

Ary ory indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin'i Jehovah Andriamaniny. — I Samoela 30 : 6

Mety sahala amin'izany mihitsy ny manjo Anao, tsy mba misy manampy na mampahery, fa aza atao sakana izany.

Hampaherezo ny tenanao ao amin'i Jéhovah, Ary hatrakao ny lohanao.

Aza atao sakana tsy handrosoana ny zava-misy❤️

Mahereza hatrany 👑

Mamiratra

Ampy izay  fotoana maro, nampivadim-po anao izay...💖Ampy izay fisain-tsaina sy hakiviana nahazo anao izay.   Andriamanit...
14/12/2025

Ampy izay fotoana maro, nampivadim-po anao izay...💖

Ampy izay fisain-tsaina sy hakiviana nahazo anao izay.
Andriamanitra amizay no hiditra an-tsehatra.

Raha mandalo fanamby ianao, tsy ianao intsony no hiasa mafy mba hahatafavoaka anao ao, fa Andriamanitra.

Raha sendra miatrika olana ianao, tsy ianao intsony ny hanao izay fomba rehetra hamahana izany, fa Andriamanitra.

Azonao an-tsaina sahady ve hoe hatraiza ny fihitaran'ny fiainanao raha Andriamanitra no momba anao?

Tsy mbola nisy nomban'ny tànan'Andriamanitra izany ka niafara tamin'ny faharavana na fahafam-baraka...

Izay rehetra homban'Andriamanitra tsy maintsy tafita, tsy maintsy mahomby, tsy maintsy misandratra...

Izy no hanantanteraka izany, satria izy no hiandraikitra ny fiainanao iray manontolo💖

«...Ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.» 💟Isaia 45:11💟

Aza adino io teniny io manomboka androany!

Efa ela ny devoly no te hamarana ny tantaranao.=> Hatramizay , nanao izay hitany fa mety Izy, ary nampiasa izay azony na...
13/12/2025

Efa ela ny devoly no te hamarana ny tantaranao.

=> Hatramizay , nanao izay hitany fa mety Izy, ary nampiasa izay azony nampiasaina rehetra.

* Tian'ny fahavalonao ianao tsy ho tafavoaka ao anatin'ny fahoriana izay lalovanao, fa hitoetra ao mandrakizay...

Izy no mandefa fisainana any anatinao, izay mahatonganao mieritreritra fa haharitra mandrakizay io ady atrehinao io, io fahoriana lalovanao io.

Tiany ianao hiondrika foana, ka tsy hahatraka intsony
ho lavo ka tsy ho tafarina intsony, hijanona ao anatin'ny aizim-pito foana.


Izany no mahatonga Anao miteny indrindray hoe :
tena tsy vitako intsony, tena kivy aho, tsy hitako intsony izay atao💔

IZY NO MAHATONGA ANAO MIHEVITRA IZANY.

Sokafy ny masonao androany,
indro ny teny ho anao :

Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay, — II Korintiana 4 : 17

Te hamarana ny tantaranao ao anatin'io fahoriana lalovanao io ny devoly, satria tsy tiany ho tonga any amin'ilay Voninahitra lehibe izay efa miandry Anao ianao.

MINO AHO FA NA MAFY AZA NY ADY ATREHINAO SY LALOVANAO, DIA MBOLA AO ANATINAO NY FANANTENANA AN 'ANDRIAMANITRA.

Aza manaiky hiova, fikiro hatramin'ny farany izay efa nolazainy fa tsy maintsy ho tanteraka izany...

" Tsy hifarana izany ny Tantaranao "

Mamiratra ❤️🙏

Rehefa niteny Izy dia izay no Izy.💖amin'Andriamanitra tsy nofinofy intsony izay noteneniny fa efa tanteraka.Ny Olona afa...
29/11/2025

Rehefa niteny Izy dia izay no Izy.💖

amin'Andriamanitra tsy nofinofy intsony izay noteneniny fa efa tanteraka.

Ny Olona afaka mampanantena, afaka miteny zavatra bediabe, nefa tsy misy tanteraka na iray akory aza...

~ Mety tratrin'ny sampona ny Olombelona fa Andriamanitra tsy tahakan'izany.

Isika rehefa miteny na mampanantena dia mbola misalasala ihany indraindray, mety ho vitako ve izany? Mety hananako fahafahana ve izany? mety ho tanterako ve izany....?🫥

Betsaka ny zavatra tianao resahina, nefa matahoatra ianao, inona no antony?
Satria fantatrao fa tsy izay rehetra teneninao dia tanteraka avokoa na dia manambola be, manankarena be sy manam-pahaizana be tahakan'ny ahoana aza ianao.

Izay tenen'Andriamanitra ihany no tsy maintsy tanteraka.

Andramo anie manomboka izao e!

🪧 Aza atao tahakan'ny nofinofy intsony izay nolazainy sy nampanantenaina fa ataovy tahakan'ny efa tanteraka, fa ho hitanao fa izany finoana izany no hanafaingana ny zavatra rehetra.

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy. — Isaia 55 : 11

Tsy maintsy miova ny fiainanao 🥰

Mamiratra ❤️

Ho Anao,Ianao ilay nitomany fa nilaozan'ny namana...Ianao ilay tsy sasatry ny manamelo-tena satria nanao ny tsy nety.Rah...
13/11/2025

Ho Anao,
Ianao ilay nitomany fa nilaozan'ny namana...
Ianao ilay tsy sasatry ny manamelo-tena satria nanao ny tsy nety.
Raha Andriamanitra no nanary Anao dia tena tokony ho kivy ianao, fa raha ny Olona tsy dia mampaninona loatra.

Tsy azonao fikirina ho eo aminao foana ny olona na dia tianao aza, ary na dia misy olona tia Anao aza nefa mahita ny hadisoanao matetitetika dia mety hanaratsy Anao ...

Ny Antony dia satria , ny olona mety miova, mety manadino, mety manary , mety mamela irery.

Jéhovah irery ihany no tsy mamela irery.
Aleo tapaka fifandraisana aman'olona toy izay tapaka fifandraisana amin'Andriamanitra.
Aleo tsy rarahian'ny Olona toy izay tsy rarahian'Andriamanitra.

Aza mbola kivy izany aloha , raha mbola tsy nandao Anao Izy.

Izy manana ny hevitra rehetra ahafahana mamaha ny Olanao , mampandresy Anao amin'ilay ady atrehinao.

'ny famindrampony dia tsy handao izany Izy.

Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho. — Josoa 1 : 5

Mamiratra 🔥

Address

Antananarivo

Telephone

+261380519177

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mamiratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share