Solidarité Syndicale de Madagascar -SSM

Solidarité Syndicale de Madagascar -SSM Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Solidarité Syndicale de Madagascar -SSM, Labor Union, Antananarivo.

Firaisankina no hery! Andro hanehoana hoan'ny Mpiasa Malagasy01 Mey 2023
26/04/2023

Firaisankina no hery!
Andro hanehoana hoan'ny Mpiasa Malagasy
01 Mey 2023

Fihaonamben'ny MPIASA sy ny SENDIKA MIVONDRONA ato amin'ny SSM (Solidarité Syndicale de Madagascar)Alarobia 30 NOVAMBRA ...
24/11/2022

Fihaonamben'ny MPIASA sy ny SENDIKA MIVONDRONA ato amin'ny SSM (Solidarité Syndicale de Madagascar)
Alarobia 30 NOVAMBRA 2022 manomboka amin'ny 9ora maraina
Eny amin'ny Kianja ANTSAHAMANITRA ny fotoana

Alao hery ary fa ny firaisankinantsika Mpiasa (Tsy miankina, Miankina amin'ny fanjakana, Miahy tena) no herintsika!

09/09/2022

FANAMBARANA N° 07-SMM/P.22

Tsy maintsy manaja ny lalàna velona ny hetsika fanomezana faobe didim-pitsarana misolo ny sora-pahateraharana

1. ) Ny mpitsara mivondrona ao amin’ny SMM dia nandray anjara mavitrika hatrany amin’ny hetsika fanomezana faobe didim-pitsarana misolo ny sora-pahateraharana, mba ahafahan’ireo tsy nahazo kopia nahaterahana tao anatin’ny fotoana voafetran’ny lalàna, hisitraka ny zo sy hanefa ny adidy amin’ny maha olom-pirenena malagasy azy ireo.

2. ) Kanefa manoloana ny fikasan’ny Fanjakana ny hamoahan’ny mpitsara didim-pitsarana misolo ny sora-pahateraharana 3 (telo) tapitrisa ao anatin’ny fotoana fohy, dia marobe ny fanontaniana mipetraka amin’ny maha ara-dalàna izany hetsika izany.

3. ) Mba hisorohana izay mety ho tsy fanarahan-dalàna hitranga dia nanapaka ny mpitsara, izay mamoaka ny didy mahakasika izany amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy, taorian’ny fivoriambe natao anio 09 septambre 2022, fa ampiato ny fandraisana anjara amin’izany hetsika izany.

4. ) Tsara marihana fa ity hetsika ity dia mikasa ny haniraka mpitsara marobe (anisan’izany ireo miasa eny amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ireo eny amin’ny Fitsarana ny ady atao amin’ny Fanjakana ary ireo eny amin’ny Fitsarana ara-bola) koa hisy fiantraikany amin’ny fandehan’ny asa famoahana didim-pitsarana andavan’andro izany.

5. ) Ny SMM dia mitaky ny fanajàna ny lalàna velona sy ny fombafomba, ary koa ny hidinihana miaraka ny fanatanterahana izany, alohan’ny hiverenany indray hanohy izany hetsika izany.

Antananarivo, anio 9 septambra 2022
Ny Filoha

Mbitanarivo ANDRIANTSIHORISOA

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Solidarité Syndicale de Madagascar -SSM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Solidarité Syndicale de Madagascar -SSM:

Share

Category